Trinitera Malagasy
Talata faha-26 mandavantaona

Talata faha-26 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Joba 3, 1-23/Salamo 87
  • Tsy ankasa Zakaria 8, 20-23/Salamo 86
  • Md Lioka 9, 51-56

Any amin’ny toko faha-7 dia i Joany no nandefa iraka mba hanontany raha i Jesoa no Mesia na hafa no mbola tsy maintsy andrasana. Izy manko mbola any an-tranomaizina, kanefa hanafaka izay voagadra rehetra ihany koa no ahatongavan’ny Mesia. Hafa noho izay heverin’ny olona anefa ny endrik’ilay Mesia irak’Andriamanitra. Ny Evanjely anio dia manambara ihany koa ny toetsaina mbola mila ahitsy ao amin’ireo mpianatra mikasika an’i Kristy.

Antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa eo amin’izao tontolo izao.

Raha ampitahaina ny  Lk 9, 51 [ Ἐγένετο δὲ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι (συμπληρόω – efa ho tanteraka) τὰς ἡμέρας (pluriel)τῆς ἀναλήψεως (ascension) αὐτοῦ] sy ny Asa 2, 1 [Καὶ ἐν τῷ συμπληροῦσθαι τὴν ἡμέραν (singulier) τῆς Πεντηκοστῆς (Pentecôte)], dia ny andro ahatanterahan’ny fiakaran’i Jesoa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina no lazain’i Lioka. Ny amin’ny  fiakarana (ἀναλήψεως) dia andro maro no voalaza, heverina fa entina hilazana tsy ny hateloan’andron’ny Paka ihany fa ny lalana mbola hataony, hanadiovany ny fo amam-panahin’ny Apostoly. Izao no lazain’ny KFK momba io fiakarana io:

“Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika” (Heb 9,24) [KFK 662].

Lazain’i Lioka fa nanapa-kevitra hankany Jerosalema i Jesoa. Ny matoateny στηρίζω (sterizo) moa dia manambara ny fanapaha-kevitra hentitra, tsy miverin-dalana, entina ilazana fa fantatr’i Jesoa tsara ny zavatra miandry Azy any, ary raha adika ara-bakiteny ny teny grika ampiasain’i Lioka dia hoe nanamafy ny “tarehiny” Izy mba hiakatra any Jerosalema[1]. Ilay endrika maha-zanaky ny Ray Azy no namafisiny ary ny haneho izany amin’ny hafenoany no antony iakarany, ary manoloana izany endrika maha-zanaky ny Ray Azy izany no anirahany ireo iraka hanomana ny hiaviany.

Any Samaria no andehanan’ireo iraka, tanàna nentina nilazana ny fahalotoan’ny fifandraisan’Israely tamin’Andriamanitra, saingy tsy nety nandray azy ny olona satria ho any Jerosalema no fijeriny Azy. Eto koa anefa i Md Lioka no manomana antsika fa i Jesoa no ilay Samaritana, notsinotsinoavin’ny olona, ka hiakatra avy eo Jerikao mba ho any Jerosalema, hamonjny sy hitondra ho amin’ny fiainana izay rehetra sisam-patin’ny fahotana satria nandositra ny tanànan’ny fiadanana (Jerosalema cf. Lk 10, 29-37).

Amin’izay fandavan’ny Samaritana izay ihany koa anefa dia efa misy hafatra ampitain’ireo Apostoly, voairaka aoriana kely mba hitory amin’ny firenena rehetra. Tsy ny ho eken’ny olon-drehetra no maha-Mesia ny Mesia fa na ny olona efa nailiky ny jody aza, nanilika Azy koa.

Manoloana izay “fanambaniana” atao ny Mesia izany, dia mirehitr’afo ny fon’i Joany sy Jakoba, ireo izay maniry ny toerana voalohany, eo an-kavanana sy eo ankavian’ny Mesia, rehefa mby ao amin’ny voninahiny ka mangataka mba ho potehin’ny afo avy an-danitra izay tsy mandray ny teny.

Mazava ny hafatr’i Jesoa ho Azy ireo: tonga hamonjy ny zanak’olona fa tsy hamery. Na dia nankany amin’ny vohitra hafa aza izy ireo, hilazana fa mahasakana ny fiakarana any Jerosalema ny fandavana tsy handray ny iraka, dia  any Samaria no mbola hanirahan’i Jesoa ireo Apostoly ireo  (Asa 1, 8) ary ireo samaritana ireo ihany koa no faly nidera an’Andriamanitra rehefa nandray ny Tenin’Andriamanitra notorian’i Filipo (Asa 8, 4).

Hanadio ny fiheverantsika ny momba an’Andriamanitra anie ny fandinihantsika isan’andro ny Teniny ka hahitantsika ao amin’ny hazofijalian’i Kristy ny famirapiratan’ny voninahiny.

[1] αὐτὸς τὸ πρόσωπον αὐτοῦ ἐστήριξεν τοῦ πορεύεσθαι εἰς Ἱερουσαλήμ.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-26 mandavantaona
PREVIOUS
Alahady faha-26 mandavan-taona Taona D
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.