Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-15 mandavantaona

Sabotsy faha-15 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Mikea 2, 1-5/Salamo 9b
  • Tsy ankasa Eksaody 12, 37-42 /Salamo 135
  • Md Matio 12, 14-21

Inona no mety amin’ny andro sabata: ny manao soa sa ny mamono?

Rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tanana i Jesoa, tsy dia hoe vonjy aina tsy akory fa kosa fanasoavana ny olona iray. Mazava ny fanontaniana napetrany manoloana ilay lehilahy maty tànana: “ny ondry latsaka an-kady aza avotana ny andro sabata, ka mainka fa ny olona” (Mt 12, 11-12). Vokatr’izany anefa dia niara-nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy. Voatery niala teo i Jesoa ary nanafatra ny olona mba hanao izay tsy hahafantarana Azy. Tsy hanafenana ny maha-Mesia Azy (secret messianique) anefa no antony mahatonga an’i Jesoa manakana ny olona tsy hilazalaza ny soa ataony, fa mba hanehoany ny toetra maha-Mesia “malemy fanahy sy manetry tena ao am-po” (Mt 11, 28-30) ka tsy sanatria hampiasa ny fahefana hieboeboana manoloana ireo izay nifofo ny ainy. Tsy nahasakana azy tsy hanao soa koa araka izany ny fifofoana ny ainy.

Izy no ilay “Mpanompon’YHWH” voalazan’Izaia (Iz 42, 1-4), valitenin’Andriamanitra manoloana ny olo-marina ampijaliana, ny mpanao ny tsara ankahalaina, ny mpanao soa hovonoina. Izay te hanao ny tsara araka izany dia tsy ho gaga amin’ny mety ho fanenjehana na ny fankahalana hahazo azy. Raha enjehina Aho, hoy i Jesoa, dia mazava loatra fa tsy afaka ny tsy ho voaenjika izay manaraka ny diany.

Tsy fanavotana aina loatra araka izany ny fitsoahana nataon’i Jesoa fa mba hahafahany manohy ny asa soa natombony. Tsy misy fifaninanana mifanaraka amin’ny Evanjeliny afa-tsy ny fanaovan-tsoa. Mifaninana mifanaja, hoy Md Paoly (Rom 12, 10), satria ny fiheverana ny hafa ambony noho ny tena no fanasoavana lehibe indrindra azontsika atao ny hafa.

Araka ny mpandinika Baiboly dia tsy afaka ny hahafantatra an’Andriamanitra marina isika mialoha ny hibanjinana ny Lakroà, ka izay mieboebo amin’ny soa azo mba hanaporofoana fa misy Andriamanitra, hilazana fa tia azy Andriamanitra, dia raràn’i Jesoa tsy hanao izay hahafantarana Azy. Izany ny halemem-panahy sy ny fanetren-tenany, araka ny voalaza teny aloha. Raha isika manko izao no teo amin’ny toerany dia zara aza ny olona miorakoraka manasohaso antsika, hampangahiahy ny Farisiana mifofo ny aina.

Izay mandray ny Fanahin’Andriamanitra ka tonga mpanompo araka ny fony, dia hanambara ny marina (κρίσις krisis) amin’ny Jentily, hanampy ny olona hanapa-kevitra araka an’Andriamanitra; tsy hifandìtra, izany hoe tsy hamaly ratsy ny ratsy mba hamongotra azy hatrany ifotony; tsy hiantso mafy, amin’ny fomba fihevitra mahazatra manko dia izay be feo no mandresy, tsy manery izy fa miangavy: “raha tianao…”; tsy hisy nandre ny feony eny an-dalana: tsy mila “pubblicité” ny fanaovan-tsoa, aoka izay ataon’ny tananao havia tsy fantatry ny havanana (Mt 6, 3).

Izay mandray ny Fanahy Masina dia tsy hanendri-dresy fa hahay hankahery ireo am-bavahoanan’ny fahafatesana sy mila ho resin’ny adim-piainana. Ny hany imasoany dia ny haneho fa fitiavana Andriamanitra ka ny fitokisana Aminy, ny fiantsoana ny Anarany no hahazoana famonjena (Asa 4, 12).

Ho tonga mpanompo ankasitrahan’ny fon’Andriamanitra koa anie isika efa nandray ny Fanahiny.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-16 mandavantaona Taona D
PREVIOUS
Zoma faha-15 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.