Trinitera Malagasy
5 janoary

5 janoary

Njara Pascal
  • 1 Joany 3,11-21
  •  Salamo 99
  •  Md Joany 1,43-51

Miala amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izay tia namana. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin’ny fahafatesana (Vak I). Ary tia ny namana izay mahafoy ny aina ho an’ny namana. Miantomboka amin’ny fahaizana mifampizara ny fananana aloha izany, hoy i Md Joany, ary izany no hahafahantsika mahazo toky eo anatrehan’Andriamanitra.

Raha mahatsapa isika fa azy Tompo satria noharìny, ary vahoaka sy ondry fiandriny, dia ho moramora amintsika ny tsy hifikitra amin’izay tsy nisasarantsika fa fahasoavany. Inona moa, hoy ny Apôstôly, no eo am-pelantanantsika, ka tsy noraisintsika avy amin’Andriamanitra? (1 Kôr 4,7).

Ny Evanjely indray dia manohy ny fiantsoana ireo Apôstôly. Nanaraka an’i Jesoa i Andre sy Piera avy ao Betsaida, dia avy ao koa i Filipo ary voaantso ihany koa. I Filipo indray nihaona tamin’i Natanaely – “fanomezan’Andriamanitra”, Israely vahoakany sy ondry fiandriny – ka nitantara taminy izay hitany mahakasika ny fahatanterahan’ny Soratra Masina. Haintsika ve ny voalazan’ny Mpaminany sy ny Lalàna? Milaza mazava ny Evanjelista araka izany fa mila mandalina ny Soratra Masina isika raha te hahazo bebe kokoa ny momba an’i Jesoa.

Ao amin’ny Lalànan’i Moizy dia voalaza fa nanonofy i Jakôba ka nahita tohatra nampitohy ny lanitra sy ny tany, ary ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy nidina teo amboniny teny an-tampon’ny tohatra. Andriamanitra ao amin’ny voninahiny mampanantena fa tsy handao azy mandra-pahatanterahan’izany fampanantenana izany (Jen 28,10-17). Ny fiheveran’ny Ejipsiana sy ny tany manodidina dia andriamanitra mitoka-monina any an-danitra ambony any ny andriamanitra ka mila ny sariny na ny biby na zava-maniry hisehoany hahafahany mampiseho ny tanjany sy manampatra ny heriny, ary mila manao sorona sy fanetren-tena goavana ny olona vao mahazo fahasoavana na mba mahazo ny indrafony kely. Ho an’i Israely kosa indray dia Andriamanitra miara-monina amin’ny vahoakany ny Andriamanitr’izy ireo (Dt 4,7), ary lazain’i Jakôba fa tohatra miorina amin’ny tany ary tafapaka any an-danitra no hivezivezen’ny anjeliny mitatitra ny fahasoavana ho antsika.

Ambaran’i Jesoa an’i Natanaely fa zava-dehibe kokoa noho ny fahafantarany antsika tsirairay (ny hoe mahafantatra moa dia mitovy hevitra amin’ny mitia amin’ny hebrio) ny fahitantsika ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona. Ambarany amin’izany fa izy no ilay tohatra mampihavana ny lanitra sy ny tany, ka avy aminy no hahafahantsika rehetra manovo ny fahasoavana feno, ary ny Anjelin’Andriamanitra kosa mandrotsaka ny fahasoavan’Andriamanitra amintsika ary manandratra antsika ho tonga zanaka mpandova ny lanitra miaraka amin’i Kristy.

Andriamanitra miara-monina amintsika no ankalazaintsika amin’izao Noely izao ka hitalahoantsika Izy mba hanome antsika finoana tsy mety lefy dia ho tody antsika any amin’ny valisoa nampanantenainy hanehoany ny voninahiny isika.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ny Batemin’ny Tompo – Taona B
PREVIOUS
4 janoary
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.