Trinitera Malagasy
3 janoary : Ny Anarana Masin’i Jesoa

3 janoary : Ny Anarana Masin’i Jesoa

Njara Pascal
  • 1 Joany 2,29–3,6/
  • Salamo 97 /
  • Md Joany 1,29-34

(Lamesa Sorona andavanandro p. 2007)

« Amin’ny anaran’i Jesoa dia aoka hilefitra ny lohalika rehetra any an-danitra, ety an-tany sy any ambany; ary aoka hiaiky ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray » (Fil 2,10-11). Amin’ny Litorjia, rehefa tononina ny Anarana Masin’i Jesoa dia manondrika ny lohany amim-panajana ny vahoaka kristianina. Torolalan’ny litorjia tsy dia voahaja loatra izy io, saingy raha hajaina sy tsarovana dia manampy be dia be amin’ny fahatsiarovana fa « Andriamanitra mamonjy » antsika no hevitr’io anarana io. Tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika ny famonjena, hoy i Md Piera feno ny Fanahy Masina (Asa 4,12).

Izy no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala (airô) ny fahotan’izao tontolo izao. Zanak’ondry tsy manantsiny fa nanaiky hovonoina toy izay hanao herisetra (Iz 53,7), fa zanak’ondrin’ny Paka ihany koa, manambara ny fanafahana an’Israely amin’ny fanandevozana tany Ejipta (jer. Jo 19,14.33.36// Eks 12,1-14; 1 Kôr 5,7; 1P 1,19). Izy no manesotra ny fahotana, ilay sakana tokana tsy ahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy. Tsy ny herisetra fa ny fandeferana, tsy ny famaliana ny ratsy amin’ny ratsy no hahafahana mandresy ny ratsy.

Mampalahelo ny mieritreritra indraindray ny fiheveran’ny sasany fa valisoan’ny fahamendreham-piainana ny Kômonio. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Md Jean Marie Vianney hoe: rehefa handeha handray komonio ianao dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny horaisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila azy ianao. Ary hoy i Jesoa hoe: raha tsy izaho dia tsy mahavita na inona na inona ianareo (Jo 15,5).

Indro (ide amin’ny teny grika). Atoron’i Joany antsika i Jesoa mba hanarahantsika azy. “Izaho tsy mahalala azy, hoy izy, fa mba hampiseho azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Hampiseho an’i Jesoa no ilana ny fibebahana, ary izay manaiky hampiseho Azy, izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy, tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), no afaka hahalala an’i Jesoa. Izay maniry ny fiainam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hanatona hatao batemim-pibebahana ka haheno ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.

I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray miampita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanatenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jn 19, 30), ilay Fanahy nomeny  ny Apôstôly ny marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana.

Mangataha amin’Andriamanitra Ray isika mba hampitomboiny ny faniriantsika hahalala ny tena toetrantsika, amin’ny maha-zanany antsika, ary ny faniriantsika mba hahalala azy bebe kokoa ka hanahaka azy, hampifanaraka ny fomba fiainana amin’ny fahamarinana, ka hanesorantsika izay mety mbola tsy mifanaraka amin’ny hadiovan’Izy Andriamanitra.

Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Hioitra hiady amin’ny fahotana anie isika, handio ny fontsika mba hibanjinantsika ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ka hihobiantsika sy hankalazantsika ny Anarany, mampahatsiaro an’Andriamanitra Vonjin’ny olombelona rehetra. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
5 janoary
PREVIOUS
2 janoary :Md Basile le Grand sy Md Grégoire de Nazianze.
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.