Trinitera Malagasy
14 FEBROARY

14 FEBROARY

Njara Pascal

MD JOANY BATISTA DE LA CONCEPTION

Pretra

MPANAVAO NY FIKAMBANANA TRINITE MASINA

FANKALAZANA

I Md Joany Baptista de la Conception dia teraka tany Almodóvar del Campo, Espagna tamin’ny taona 1561. Niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Trinite masina tao Toledo izy.

Efa-jato taona taty aorian’ny niorenan’ny Fikambanana dia natsangan’Andriamanitra i Joany Baptista Rico mba hamerin-doha ny Fikambanana sy hanavao ny Lalàm-panorenana indray. Tamim-piaretana fijaliana maro sy mafy no nitondran’i Joany ny Fikambanana tamim-pahaizana sy fahamasinana. Anisan’ny nataony vain-dohandraharaha ny fampandrosoana fatratra ny fanajana sy ny fitiavana ny Trinite Masina ary ny fikarakarana ny mahantra sy ny voababo. Anisan’ireo mpanoratra mistika espagnola izy ka nanoratra boky maro feno fahendrena sy fampianarana momba ny fiainam-panahy. Tao Cordoue izy no nodimandry tamin’ny 1631

TONONKIRA FANOMBOHANA        

Ef 4, 23-24

Tsy maintsy hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, 24ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

VAVAKA FANGATAHANA

Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no nanome an’i Md Joany Batista, pretra, fahalalana feno ny zavatry ny lanitra sy fahazotoana mirehidrehitra ho fampitarana ny finoana, koa enga anie izahay, noho ny vavaka ataonay, mba hitombo fahalalana ny Zanakao dia hizotra eo anatrehany amin’ny fahamarinan’ny Evanjely, ka hitondra vokatra be amin’ny asa soa. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka Aminao sy ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Amen.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

VAKITENY I

Bokin’ny Levitika                           

                        Lv 19, 1-2. 17-18

1Niteny tamin’i Moizy ny Tompo nanao hoe: 2Mitenena amin’ny Fiangonan’Israely rehetra, lazao aminy hoe : Aoka ho masina ianareo, satria masina aho, Iaveh Andriamanitrareo.

17Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo, tandremo ny didiko.

SALAMO

1,   1-2 ; 3-4 ; 6

Fiv. : Ny mpanompo ny Tompo no mahafaly azy tanteraka

Na : 

Izay maharitra amin’ny fanompoana ahy, hoy ny Tompo, homeko ny kintana fitarikandro izy

1Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka,

tsy mijanona amin’ny làlan’ny mpanota,

ary tsy mipetraka miaraka amin’ny mpaniratsira ;

2fa ny làlan’ny Tompo no ifaliany ;

sady saintsaininy andro aman’alina.

3Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny rano velona izy,

ka ny voany tonga amin’ny fotoany ;

ny raviny tsy mba malazo ;

ny ataony rehetra vanona avokoa.

4Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka :

toy ny akofa paohin’ny rivotra izy,

6Satria ny làlan’ny marina fantatry ny Tompo

fa ny làlan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.

Taratasy nosoratan’i Md Paoly apostoly ho an’ny kristianina tany Efezy     

                                   Ef 4, 1-7. 11-13

1Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, 2amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana ; 4fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray ; 5tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra. 7Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’ny Kristy antsika tsirairay.

11Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny tenan’ny Kristy, 13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’ny Kristy

SALAMO

39,  2. 4ab ; 7-8a ; 8b-9 ; 10

Fiv. : Inty aho, Tompo, hanao ny sitrakao

Na : 

Ny teninao, Tompo ô, no mamiko sy teliko ; ny lalanao no lalako, ny sitrakao no sitrako

2Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra;

nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.

4nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy,

hira fiderana ny Andriamanitsika;

7Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra,

notevehinao ny sofiko ;

tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.

8Ka hoy aho amin’izany: Inty aho tonga,

Miaraka amin’ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

9Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô !

ary ny làlanao no ato anatin’ny foko.

10Hitory ny fahamarinana eo amin’ny fivorian-dehibe aho;

sy hanakombona ny molotro aho,

fantatrao izany, ry Iaveh ô

ALELOIA                       

8, 31b-32

Raha mitandrina ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ary dia ho fantatrareo ny marina, hoy ny Tompo.

EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD MATIO

Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany

Mt 16, 24-27

24Ary tamin’izay Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy. 25Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. 26Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 27Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony izy

Na

ALELOIA                                         

            Jn 17, 19

19Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.

EVANJELIN’I JESOA KRISTY NOSORATAN’I MD JOANY  

Halan’izao tontolo izao izy ireo … ho iray ihany anie izy ireo.

Jn 17, 11-19

Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka nanao hoe : 11bRay masina ô, tahirizo amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. 12raha mbola teo amin’izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin’ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa. 15Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy. 16Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa. 17Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. 18Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. 19Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.

VAVAKA FANOLORANA

Ray ô, topazo maso antra ireto fanatitray, ka afaho izahay ho afaka amin’ny fahotana rehetra, ary enga anie izao sakramenta ankalazanay an’i Md Joany Baptista de la Conception izao hahamasina anay eo am-panompoana Anao. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Amen

PREFASY

Mendrika sy rariny tokoa
ary mety sady mahavonjy
ny misaotra Anao lalandava, hatraiza hatraiza, ry Ray Masina,
 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ilay Zanakao sy fitiavanao.

Satria natsanganao ao amin’ny Fiangonanao
i Md Joany Baptista de la Conception pretra,
ka ny ohatra navelany sy ny fampianarana nataony
no niantsoanao anay tamim-pitiavana mamy tokoa
ho tia an’Andriamanitra Trinite Masina,
sy ho tia marina ny olombelona havanay
fa navotanao tamin’ny ran’ny Zanakao izahay
ary nohavaozinao tamin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Koa noho izany fanomezanao be fitiavana izany
Dia miaraka amin’ny anjely sy ny olomasina izahay
Mihira sy mihoby ny voninahitrao avo indrindra
Manao hoe :

TONONKIRA AMIN’NY KOMONIO            

                        Mt 16, 24

Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka ahy, hoy ny Tompo.

VAVAKA AORIAN’NY KOMONIO

Tompo ô, nofahananao tamin’ny sakramentan’ny Zanakao izahay no mitalaho an-tanan-droa aminao : enga anie izahay hankaherezin’ny finoana sy ny fitiavana ary ho entanin’ny Fanahy Masina dia hihavao hatrany amin’ny fandavorariana ny tenanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Amen

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-enina mandavantaona
PREVIOUS
Talata faha-enina mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.