Trinitera Malagasy
Ireo fanomezana Fiton’ny Fanahy Masina

Ireo fanomezana Fiton’ny Fanahy Masina

Njara Pascal

Katesizy fr Njara Pascal, OSsT

Ny Fanahin’ny Fahamarinana dia tsy azon’izao tontolo izao raisina satria tsy hitany ka sty fantany (Jn 14, 17). Rah ate handray ny Fanahy Masina isika dia mila mahafantatra Azy, mitombo fitiavana Azy isan’andro.

 Ny hanampy antsika hiaina ny misterin’ny Pantekoty no nanaovana ity fandinihana ity, ka hamohafoha hatrany ny faniriantsika hiala hetaheta eo amin’ilay loharano tsy mety ritra, dia ny Fanahy Masina. Ny fahazoana ny asan’ireo fanomezana fito dia manampy antsika koa hitahiry azy ireo, satria ny fahaverezany dia miteraka fahabangana, mitarika amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy, ka mamono ny ain’Andriamanitra, lovantsika amin’ny maha-zanaka.

Ny Fahatahorana an’Andriamanitra
– Manohitra ny avonavona

Ny fanomezana raisintsika ka dinihintsika voalohany dia ny fahatahorana an’Andriamanitra. Io fanomezana io no hahafahantsika mahita an’Andriamanitra amin’ny maha-Raintsika Azy, ka hahafahantsika miaina ny maha-zanaka. Tahotra fanajana vokatry ny fitiavana araka izany no entin’ny Fanahy ao am-pontsika, mampahatsiaro ny maha-zavaboary tian’Andriamanitra antsika. Izay tsy manaiky hoentanin’ny Fanahy, hiaina ny maha-zanaka, dia mazava loatra fa anjakan’ny avonavona ka hanao izay tratry ny ainy mba hanesotra an’Andriamanitra sy ny Lalàny eo amin’ny fiainany, ka hitady fahasambarana amin’ny rendrarendra sy amin’izay atoron’izao tontolo izao azy ho loharanom-boninahitra sy harena.

Ry Fanahy Masina o, omeo anay ny Fahatahorana an’Andriamanitra mba tsy hanadinoanay ny fahamboniana maha-zanaka, naharian’Andriamanitra anay, mba tsy hahalatsaka anay amin’ny avonavona te ho toa Azy, hihevitra ho tompon’ny fiainanay, ka tsy hanaiky ny Lalàna atorony hahasambatra anay. Omeo anay ny Fahatahorana Azy, mba handraisanay avy Aminy izay tsara sy ny soa  hahasambatra anay. Amen.

Ny Fitiavana – Mifanohitra amin’ny fialonana

Izay miaina ny Tahotra an’Andriamanitra dia mazava loatra mandray koa ny Fanomezan’ny Fitiavana. Piété, Fitiavam-bavaka moa no andikana azy, fa fitiavana an’Andriamanitra ho Ray io, ary fitiavana ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ihany kosa satria mpiray tam-po ao amin’Izy Ray iombonana, fitiavana ny tontolo satria zavaboaarin’Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy inona fa fikolokoloana ny hasambarana maha-zanaka, ka hikatsahana ny fomba fiainana mifanaraka amin’izany araka ny ohatra nomen’i Jesoa. Raha tsy tia ny Ray isika dia mazava loatra fa tsy hanaja ny hafa ihany koa, zary rafy sy fahavalo ireo yokony ho mpiray tam-po ary mahazo laka ho azy ny fitsiriritana sy ny fialonana.

Ry Fanahy Masina o, velombelomy ao aminay ny Fitiavam-bavaka mba hitokisanay mandrakariva amin’ilay fitiavan’ny Ray, indrindra amin’ny andro manjombona mety hiheveranay fa nandao anay Izy, na sanatria tsy afaka mamonjy anay ka hampiraparapa anay amin’ny andriamani-kafa sy ny sampy. Ampio izahay handresy ny fialonana ka hahay hifaly amin’ny hafalian’ireo heverinay ho sambatra noho izahay, ampio koa izahay tsy hanadino ireo osa sy mijaly, satria samy zanaka tianao izahay rehetra.

Ny Fahalalana – mandefy ny hatezerana

Ny Fanomezan’ny Fahalalana no hahafahantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy ka tsy hanaiky ho fitahin’izay ankosotra sy mandalo fotsiny ihany, fa hahay hametraka ny soatoavina amin’ny ambaratonga sahaza azy avy, hahay hampiasa ny zavaboary sy ny harena ho fitaovana fa tsy ho tanjona. Io fanomezana io no hahafahantsika midera ny Mpahary amin’ny fahitana ny hankaton’ny voary. Io fahalalana io no hahitan’ny olona ny anjara toerany eo anivon’izao tontolo izao ka hahaizany mandanjalanja sy mandray ny hafa, tsy ho fahavalo fa ho mpirahalahy mianala. Raha very io fanomezana io dia mazava loatra fa hanjaka ny fahatezerana, ka rehefa tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana tompoina na amin’ny tombontsoa novisavisaina ny hafa, dia tezerana satria tonga vesatra ho an’ny tena.

Ry Fanahy Masina o, omeo anay ny Fahalalana hahafahanay midera ny Mpahary amin’ny fibanjinana ny hakanton’ny zavaboary, hahafahanay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny ankosotra sy ny tena izy, ka hanafaka anay amin’ny hatezerana mahajamba sy ny fitiavan-tena mambabo, ary hahaizanay manaja ny hafa sy izay mety tsy mitovy fahaizana na fiheverana aminay.

Ny faherezana – mandresy ny hakamoana

Ny Fanomezan’ny faherezana no manohana ny fitozoana isan’andro hanorina ny soa sy ny tsara. Ny fahatezerana dia manimba ny fon’ny olona ary manosika azy tsikelikely hanilika ny andraikiny amin’ny hafa, manendrikendrika na mihevitra ny hafa ho tompon’andraikitry ny zavatra tsy mandeha na ho tompon’andraikitra amin’ny adidy tsy vitany akory aza. Izany fanilihana andraikitra izany no mitondra amin’ny hakamoana sy ny fanaovana andro ho lava, ka hangatahana andro lava amin’ny adidy aman’andraikitra tokony hohefaina, na tsy hananana faharetana anin’izay atomboka, ka mitady tany malemy hanorenam-pangady. Ny hakamoana no mitondra amin’ny fidonanàm-poana, varavarana hidiran’izao fahadalana rehetra izao. Ny Fanahy Faherezana no afaka manesotra antsika amin’izany.

Ry Fanahy Masina o, ny Faherezana avy aminao anie hanampy anay hanao soa hatrany na misy valiny na tsia, hahafahanay mitozo amin’izay mifanaraka amin’ny Evanjelin’i Kristy, indrindra manoloana izay firehan-kevitra samihafa voizina hampiroaroa saina. Izy anie hanasitrana ny fonay amin’ny hakamoana, hanasitrana anay ihany koa amin’ny herisetra sy ny fanjakazakana, mba hihainanay araka ny halemem-panahy sitrak’i Kristy handovanay ny tany.

Ny fifidianana – manasitrana ny fo amin’ny fahihirana.

Ny Fanomezan’ny Fifidianana no manoro hevitra antsika, manokatra ny masontsika mba tsy hitompo teny fantatra ka hikaroka mandrakariva ny marina sy ny tsaratsara kokoa hatrany. Izy no manampy antsika mba hanaja ny olombelona rehetra, hanana fahamalinana sy hahay handanjalanja amin’ny zavatra rehetra. Ny hakamoana dia mampihena ny ezaka, ka noho ny tahotra ny fahantrana sy ny ho fadiranovana dia tonga saro-piaro amin’izay ananany ny kamo ka latsaka amin’ny fahihirana, tsy afaka mizara intsony izay rehetra hananany, ary manidy ny fony tsikelikely hihanona sy hirehareha amin’izay heveriny ho harena voangony.

Ry Fanahy Masina o, Tsilovy sy torohy hevitra izahay hahafahanay mifidy hatrany izay mifanaraka amin’ny Evanjely. Ampio izahay mba tsy holatsain’ny tenin’i Jesoa mampitandrina anay fa adalàna ny fanangonan-karena eto an-tany (Lk 12, 20-21). Ianao no hahafahanay manaja ny rariny sy ny hitsiny ary tsy hanadino ny famindram-po sy ny famelan-keloka. Ampio izahay mba hanetry tena ka hahay hampiasa ny harena nomenao anay hanasoavana ny hafa.

Ny Fahazavan-tsaina – manampy mba hahalala onony

Ny Fanomezan’ny Fahazavan-tsaina no hahafahantsika mahita ankoatry ny hita maso (intus legēre) sy hahaizana mampifandray ny zavatra rehetra (inter legēre), hahita toy ny fahitan’Andriamanitra. Ny kahihitra dia midedaka amin’ny fananany, tsy mihevitra afa-tsy ny hanangona ka miafara amin’ny tsy fahalalana onony, ny hatendan-kanina sy ny filibana. Mety tsy hihinana ho an’ny kibony loatra, fa hihinana ho an’ny sompitra, hanangon-karena ka izay ho heveriny ho fahasambarana. Ny fahazavan-tsaina no manala antsika amin’ny fanangolen’ny fahafinaretana mandalo ka mampisokatra ny maso hifantoka amin’izay maharitra sy mandrakizay.

Ry Fanahy Masina o, omeo anay ny fahazavan-tsaina mba tsy ho sodokan’ny rendrarendra sy ny lamaody ny fonay ka hanara-bolana, hiovaova araka ny toetr’andro. Ampio izahay mba tsy hanakalo ny fahafahanay amin’izay tsiaro ny tsiron’ny hanina tany amin’ny tany nanandevozana, ka hahaizanay mandinika ny zava-misy ka hahafantatra mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra mitondra mankany amin’ny voninahitra mandrakizay.

Ny fahendrena – mandio ny fo

Ny Fanomezan’ny Fahendrena no mandavorary ny zavatra rehetra satria hahafahantsika manandrana sahady dia ny ety an-tany ny hasambaran’ny lanitra. Raha tsy eo ny Fanahy Fahendrena dia ny zavatry ny tany sy ny hafinaretany no hahitan’ny fon’ny olona tsirony, ka mazava loatra fa ho voasarika amin’ny fahalotoana izy, ary arendriky ny lainga, ny fitaka sy ny risoriso any amin’ny haizin’ny fahalòvana. Ny fahendrena no hahafahantsika mandray ny Tenin’i Jesoa ho tenin’ny fiainana ka zary fanilo manazava ny lalana na amin’ny mora na amin’ny sarotra.

Ry Fanahy Masina o, omeo anay ny Fahendrenao mba hanandramanay fa tsara fo ny Tompo ary mba hitomboan’ny fankafizanay izay tsara sy soa mifanaraka amin’ny sitrapony. Ianao anie handavorary izay efa sitrak’Izy Ray atomboka ao aminay, dia ny maha-zanany anay ao amin’i Jesoa.   

Partager :

  • Facebook
  • X

Samihafa

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-20 mandavantaona
PREVIOUS
Sabotsy V Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.