Trinitera Malagasy

Trinitera Malagasy

Gloria tibi Trinitas et captivis libertas

15 septambra: Masina Maria nijaly sy vonton’alahelo

  • Hebrio 5, 7-9
  • Salamo 30
  • Stabat Mater
  • Md Joany 19, 25-27

Anio moa ny Fiangonana dia mankalaza an’i Masina Maria nijaly sy vonton’alahelo, saingy miara-paly kosa ao amin’ny hafenoan’ny hafalian’ny fitsanganan-ko velona. Ny Papa Pie X moa no namerina ity fety ity tao amin’ny Tetiandro litorjika ny taona 1914. Ny tsaroana manokana amin’izany dia ireo lazaina ho alahelo fiton’i Masina Maria tsaroana sy hita ao amin’ny Soratra Masina sy ambaran’ny Lovam-panahy nifandovana. Tsy filazana ny alahelo loatra anefa fa fanambarana indrindra indrindra ny asa mahery sy ny fitiavan’Andriamanitra manome antsika ny fahasoavana hahafahana miombom-piainana amin’ilay Zanany, ary voalohany amin’izany ilay Reny niteraka Azy araka ny nofo.

Raha ampahatsiahivina vetivety moa ireo alahelo ireo dia ireto:

  1. Lioka 2, 34-35: Ny faminanian’i Simoeona.

Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’Israely ary ho famantarana hotoerina, ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra – mba hiseho ny hevitry ny fo maro.

  • Matio 2, 13-21: fandosirana tany Ejipta
  • Lioka 2, 41-51: Jesoa very hateloana ka hita tao an-Tempoly afaka hateloana
  • Lioka 23, 27-31: Ny Reniny mifanena amin’i Jesoa mitondra ny Hazofijaliana
  • Joany 19, 25-27: Ny Reniny mijoro eo am-pototry ny Hazofijalian’i Jesoa (Evanjely anio).
  • Masina Maria mandray ny fatin-dJanany eo am-pelatanany.
  • Masina Maria mandao ny fatin’i Jesoa ao am-pasana.

Teo am-pototry ny hazofijaliana no nijoro ny “renin’i Jesoa” sy ny “Mpianany malalany”. Raha raisina ara-bakiteny izany ka hilazana fa teo i Maria sy Joany, araka ny henontsika sy hitantsika amin’ny “film”, kanefa mety hanakana antsika tsy hahazo ny hevitra tian’i Joany ampitaina amin’izay mamaky ny Evanjeliny izany fanatsotsorana izany.

Tsara ho fantatra aloha fa ny Evanjely hafa dia milaza fa tery lavidavitra tery no nanara-maso ny fianakavian’i Jesoa sy ny vehivavy masina (Lk 23, 49/Mk 15, 40) satria tsara heverina koa fa tsy afaka nanatona ny hazofijaliana izy ireo araka ny Lalàna Romana, sady atao ahoana koa moa no hitondra an’i Maria hanatrika ny famonoana an-janany! Ambaran’ny mpandalina Baiboly fa tahaka an’ilay “ravehivavy” voalaza tany Kanà ihany, dia ilay “Zanaka vavin’i Siona” ahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra no tian’i Joany ambara. Tsy mahagaga araka izany raha noraisin’ilay mpianatra Malala (izay mino an’i Jesoa dia malalany avokoa fa tsy misy tombo sy hala) ho “fananany sarobidy”, ho fananana manokana (εἰς τὰ ἴδια, eis ta idia) ny “renin’i Jesoa”, ny “Testamenta Taloha”, lovam-panahy mirakitra ny Tantaran’ilay Zanaka vavin’i Siona, tonga “Vadin’ilay Zanak’Ondry” (Apok 21, 9), Reny miteraka ny zanak’Andriamanitra rehetra. Tsy ny Evanjely ihany no harena ho antsika fa ny Testamenta Taloha manontolo.

Ampahatsiahivin’ny Evanjely ihany koa fa “nijoro” (ἵστημι, histemi) teo am-pototry ny Hazofijaliana ny Reniny sy ny Mpianatra malala. Izany fijoroana izany dia maneho ny finoana tonga lafatra, tsy miozongozona satria mafy orina, maneho ny fanekena hijoro hatramin’ny farany, tao anatin’ny fahoriana niaretana, tahaka ny nataon’ny Zanaka (Vakiteny I) ka izay manaiky hiara-mijaly aminy, izay manaiky hijoro fa tsy hitanondrika, tsy hilavo lefona manoloana ny hazofijaliana izay tsy maintsy hozakaina no afaka hohenoim-bavaka ka hovonjena amin’ny fahafatesana. Mampianatra antsika ihany koa izany handini-tena na mampijoro antsika ho Mpianatra na tsia ny fibanjinana ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa banjinintsika ao amin’ireo endrika isehoany (Mt 25). Reniny sy Mpianany, miombom-piainana Aminy isika raha tonga alahelontsika ny alahelon’ireo zanak’Andriamanitra rehetra mbola mijaly eo amin’ny hazofijalian’izao tontolo izao.

Tsy azo adinoina ihany koa ny antony lehibe nahatonga an’i Joany nilaza izany. Manoloana ny disadisa nisy teo amin’ny kristianina sy ny Jody, voaendrikendrika ho mpamono ny Mpampianatra, dia ambaran’i Joany mazava fa tonga hampiavana i Jesoa. Io no farateniny, ny sakramentany. Amin’ny fibanjinana ny Lakroà Masina araka izany dia mila mandini-tena mandrakariva isika. Firifiry ny tsy fitovian-kevitra misy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Antsoin’i Jesoa isika handray hatramin’izay mety tsy hitovy hevitra amintsika. Ny raiamandreny sadaikatra amin’ny fomba fihevitry ny zanany, ny zanaka tsy mahazo ny hevitra sy ny torolalan’ny raimanandreny, dia samy antsoina hanaiky fa lalana tokana no mitondra amin’ny fahasambarana: ny Lakroà fampihavanana ny lanitra sy ny tany ary fampihavanana ny olombelona natsangan’Andriamanitra ho zanany ao amin’i Kristy.

Hanampy antsika hiatrika izay mety ho fitsapana eo amin’ny fiainana anie ny fety anio, ka hahafahantsika mijoro ho tena mpianatr’i Kristy tokoa, matoky fa hain’Andriamanitra ny mitondra antsika amin’ny hafenoan’ny hasambarana iantsoany ny zanany rehetra. 

Partager :

  • Facebook
  • X

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.