Trinitera Malagasy
Zoma I Karemy

Zoma I Karemy

Njara Pascal
  • Ezekiela 18,21-28
  •  Salamo 129
  • Md Matio 5,20-26

Ny toko fahavalo ambin’ny folon’ny Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezekiela = Dieu le rend fort, Andriamanitra no manome hery azy) dia fimenomenomana, satria “ny ray no mihinana voaloboka marikivy ka ny zanany no madilo nify”. Ny hafa sy ny olona teo aloha no nanao ny nataony dia izay mandimby azy no mitondra faisana! Tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra anefa izany, satria “ny fanahy izay manota dia izy no ho faty” (Ez 18,2-4). Marina fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny tsy manan-tsiny ny fahotan’ny sasany, mety hampitondra faisana ny taranany ny tsirambina ataon’ny ray aman-dreny, saingy tsy sazin’Andriamanitra izany fa vokatry ny fahotan’olombelona. Ambaran’ity Mpaminany ity ary fa voaantso ny tsirairay hiala amin’izay mety ho fahalovana sy tsy fahamendrehana, mba hiditra ao amin’ny fiainana. Izany ihany no lalana mitondra amin’ny fahasambarana ka hampitondra fampivoarana ho an’ny fiainana manontolo.

Tsy misy olona afaka hiala tsiny fa efa nanao tsara taloha dia afaka manasa tanana amin’izay. Ny fanaovana ny tsara dia tsy ezaka fa fiainana. Tsy sanatria azo atao kajikajy ka rehefa mahavita be dia afaka mijanona amin’izay miala sasatra. Ny antony hialana sasatra dia mba hahafahana miatrika ny fiainana amin’ny hery vaovao. Ny fanafahana ny fahotana sy ny fidirana amin’ny fiainana dia tsy vitan’ny fombafomba sy ny “rituel”. Ambaran’i Daniela Mpaminany fa “amin’izao fotoana izao dia tsy manana mpanapaka na mpifehy, na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra, na fitoerana hanaterana ny voaloham-bokatra eo anatrehan’Andriamanitra ka hahazoana ny famindram-pony” (Da 3,38).

Raha tsy fankalazana ny famindram-pon’Andriamanitra sady fikônfesena (fanambarana am-pahibemaso) no finiavana hibebaka ny Kônfesy, dia tsy hahasambatra velively, tahaka ny tsy mahasambatra ihany koa ny fanapahan-kevitry ny sasany tsy hikônfesy mihitsy satria tsy te hiala amin’ny ratsy na mihevitra fa tsy hahavita izany. Ny fibebahana no hahafahana miala amin’ny voka-dratsin’ny fahotana, hoy Ezekiela. Fahasoavana avy amin’Andriamanitra anefa izany fa tsy hambom-pon’olombelona. Ampian’ny Salamo 129 isika mba hiandrandra ny Tompo, avy ato anatin’ny hantsan’ny fiainantsika ka hiandry ny teniny, tsy hiala eo anoloany satria eo anilany ihany no hahitantsika famelàna.

Izany fidirana amin’ny fiainana izany no mbola hamafisin’ny Evanjely. Ahoana ny fomba hialana amin’ny ratsy? “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalana” (Mt 5,20). Ny Lalàna (Torāh) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Dia izany lalàna izany no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tonga hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” Izy (Mt 5,17).

Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις – krisis) ary izay milaza fa “tsy misy ilana azy” (ῥακά – rhakà = vaurien, imbécile–imbecillis=malemy ohatry ny kankana) ny rahalahiny dia tokony hoheloin’ny Sanedrìna, ary izay milaza azy ho “foka” dia hosaziana amin’ny gehen’afo (fandoram-pako). Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona heverina ho “tsy misy ilana azy” na adala sy votsa saina no eo anoloanao dia voaantso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, ka “ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fahatanterahan’ny lalàna. Raha ho avy izay andro maha osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokainy?

“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω – orgizô moa araka ny fototeny ὀργή – orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia alanao baraka (sy ozoninao) araka izany ny havanao, ny rahalahinao, ary raha tsy fahafaham-baraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao: “ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy izy ireo, ary ianao kosa mila handini-tena hoe: “inona moa no ilàna ahy”!!!

Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didachè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hihavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didachè 14,1-2).

Ny famelana sy ny fihavanana no fanohitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana. Tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoa hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa. Mety hihevi-tena ho sambatra izy, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity: “nataoko inona ny fiainako? Nampiasaiko hanaovan-tsoa ve sa nampiasaiko hitiava-tena sy hitadiavan-tombontsoa manokana tsy hampanan-karena ahy ho amin’ny fiainana mandrakizay?” m-po Andriamanitra fa Fahamarinana ihany koa.

Fahasoavana ho antsika ny tenin’i Ezekiela mpaminany: tsy ny lasa sy ny fahotana mety ho vita no tompon’ny teny farany. Afaka miova sy miha-tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fiainana. Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy I Karemy
PREVIOUS
Alakamisy I Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy voalohany mandavan-taona 14 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.