Trinitera Malagasy
Zoma fahenina mandavan-taona

Zoma fahenina mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Jenezy 11,1-9/Salamo 32/
  • Ankasa: Jakôba 2,14-24.26/Salamo 111/
  • Marka 8,34-39

Raha misy te hanaraka ahy dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy. Ny vahoaka mbamin’ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany, eny an-dalana mankany Sezarean’i Filipo. Vahoaka iza moa izany? Tao amin’ny andininy 27 dia ny mpianatra ihany no nolazain’i Marka niara-dia tamin’i Jesoa. Eto kosa dia ny vahoaka koa no hitenenany. Tiany asongadina amin’izany fa tsy an’ny mompera sy ny masera na ny Papa sy ny Eveka ihany ny fandavan-tena sy ny fitondrana ny hazofijaliana ka eo anivon’ny Eglizy sanatria misy voaantso ho masimasina kokoa ary misy mba manao izay mba vitany na izay tiany ihany. Ny vahoaka no nilazan’i Jesoa fa izay te hanaraka Azy dia tokana ny lalana na iza izy na iza : manao vy very ny aina noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely. Tsy an-tery anefa fa safidy malalaka : raha misy te hanaraka Azy.

Mampalahelo anefa satria indraindray aza misy manararaotra ny Evanjely sy ny Eglizy mba hanangonana ny haren’izao tontolo izao sy ny voninahiny. Tsy mitsahatra ny maka fanahy antsika amin’izany i Satana, mba hanompoantsika azy, ka hiheverantsika araka izao tontolo izao fa tsy araka an’Andriamanitra. Izay manaiky hivavaka amin’Andriamanitra irery ihany no afaka handroaka an’i Satana (Mt 4,9). Moramora kokoa anefa ny manompo ny lehibe sy mpanapaka amin’izao tontolo izao mba hahazoana valisoa sy voninahitra (mazava loatra araka an’izao tontolo izao)…

Misy zana-tohatra telo no mitondra antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra marina :

  1. mandà tena, izany hoe miezaka ny tsy hieritreritra ny tombontsoan’ny tena, mitia tahaka ny ataon’i Kristy ka tsy manao zavatra hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana fa hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza, hikatsaka ny tombontsoan’i Kristy irery ihany (Mt 5,44/ Lk 6,27.35);
  2. mitondra ny hazofijaliany: tsy ny fijaliana noho ny fahantrana na ny aretina na nendra nilaina anefa izany. Ny lakroà (Crux  croix, hazofijaliana) manko dia fitaovana entina hanasaziana ny andevo. Mandray ny lakroà araka izany izay manaiky ny ho mpanompon’ny hafa tahaka an’ilay “naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany” (Fil 2,7-8) ka mandray izay fahasahiranana sy mety ho andraikitra tandrify izany fanompoana izany mba hanorenana (ny teny ampiasain’ny Evanjely σταυρός– stauros : andry hanorenana, andrin-tsambo) ny Fanjakan’ny Fitiavana sy ny Fiadanana;
  3.  hanaraka an’i Jesoa: hiray aina Aminy, hisafidy ny hanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra am-panetren-tena sy amin-kalemem-panahy (Mt 11,29), izany hoe tsy ho tsobo-dranon-dRamiangaly fa fiainana maharitra hatramin’ny fara fofonaina.

Eo anivon’ny taranaka mpijangajanga sy mpanota isika no antsoina hijoro ho vavolombelona, hoy i Jesoa. Ny fijangajangana dia ny fanaovana ny hafa ho fitaovana fotsiny hahazoana izay ilaina (fahafinaretana, vola, voninahitra…). Na ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra aza dia mety ho fijangajangana raha sanatria adinontsika fa maimaim-poana ny fitiavany ny olona rehetra, Izy no nitia antsika mialoha (Rom 5,8). Izany no mahatonga ny fanompoan-tsampy antsoina koa hoe fijangajangana ao amin’ny Soratra Masina. Ny fahotana kosa indray, ny חֲטָאָה (ḥăṭā’āh) dia izay manakana antsika tsy hihazo ny tanjon’ny fiainana dia ny fahasambarana. Ny hahasambatra ny vadiny no hafalian’ilay Mpampakatra.

Izay manome ny fiainany ho sorona, ho laniana amin’ny fanaovan-tsoa sy amin’ny fanorenana ny rariny ombam-piadanana, araka izany, no mampisy heviny ny fiainany ka mamonjy azy, hanome hasina azy. Tsy ny zavatra angonintsika avy amin’ny haren’izao tontolo izao no mampisy lanjany ny fiainantsika fa ny fijoroantsika ho vavolombelona tsy menatra ny Evanjely, ny fandraisantsika anjara amin’ny “nofinofin’Andriamanitra”, dia ny fampiasana ireo harena ireo mba hiadanan’ny zanany rehetra, hahasambatra ny olona rehetra.

Tsy sanatria fiainana hahamenatr’olona no hokolokolointsika raha te ho kristianina marina isika, tsy sentom-bavaka hilazana ny fitiavany sy ny voninahiny an-tendro-molotra no maha kristianina antsika fa ny fiezahana isan’andro mahafantatra Azy bebe kokoa mba hanahafana Azy tsaratsara kokoa hatrany. Izany no fiainana tsy hampitsanga-menatra eo anatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra no ahazoantsika ny hafenoan’ny fiainana. Na izay maty aza, na sanatria nandrinandry tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana dia afaka hitsangan-ko velona, hanavao ny fiainany mba ho voninahitr’Andriamanitra.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 7 MANDAVAN-TAONA – taona D
PREVIOUS
Alakamisy fahenina mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alatsinainy IV Karemy
  • ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A
  • Sabotsy III Karemy
  • Zomà III Karemy
  • Alakamisy III Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Alatsinainy IV Karemy 15 mars 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.