Trinitera Malagasy
Zoma faha-24 mandavan-taona

Zoma faha-24 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 1 Kôrintianina15,12-20 /Salamo 16
  • Tsy ankasa: 1 Timôte 6,2d-12/Salamo 48
  • Md Lioka 8,1-3

Ny Evanjely anio dia manambara amintsika ny tokony ho endriky ny fiangonan’i Kristy sy ny toetran’izay rehetra te hanara-dia azy. Misy zavatra telo avoitran’i Md Lioka ao:

1- Voalohany dia ny fitetezana tanàna, hilazana fa “mivoaka” mandrakariva (Chiesa in uscita) araka ny fanirian’ny Papa François, fianakaviana tsy afaka ny hianina amin’ny mahazatra fa hamonjy ireo any an-jorom-bala mba hitondrana amin’izy ireo ny hazavan’i Kristy; ny hoe nitety moa eto dia nandikàna ny matoanteny διοδεύω (diodeuō), entina ilazana fa ny sakeli-dalana rehetra teo an-tanan-dehibe sy teny amin’ny vohitra hodian’ny mpiasa mba hialany sasatra (κώμη- kōme). Tsy afaka ny hitory ny Evanjely raha tsy mahakasika ny fiainan’ny olona sy miara-dalana aminy. Tsy izay mahafinaritra ny olona anefa no holazaina fa ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

2- Ny faharoa dia ny hoe tsy afaka misaraka amin’i Jesoa izay te ho mpianany. Ny fiombonam-piainana Aminy no hahafahana manohy ny asany fa tsy sanatria hanao ny asan’ny tena. Izany fiombonan’aina Aminy izany dia vokatry ny fihainoana tsy miato ny Teniny ary avy amin’izany fihainoana izany no hanovozana ny fampianarana hampitaina amin’ny hafa;

3- Ny fahatelo dia ny fiarahan’ireo vehivavy sasantsasany izay nanampy (διακονέω – diakoneō, nanompo)  an’i Jesoa tamin’ny fananany (ὑπάρχοντα- Hyparchonta). Tsy misy ambony sy ambany ny asa ao amin’ny fiangonana ka ny valisoa omena ny mpaminany sy izay manohana azy amin’ny asany amin’ny fanomezana rano iray vera azy dia mitovy. Tsy afaka manaraka azy anefa izay tsy ampy hery sy mbola andevozin’ny fanahy maloto ary tsy mahatsiaro ho sambatra amin’ny famelan-keloka (Sal 32), tsy voavonjy satria tsy mino (Lk 7,50). Izay amelàna kely no kely fitiavana: tsy afaka ny hitia amin’ny fanompoana ireo izay tsy mahafoy ny zavatra rehetra ka manaiky hitory ny Evanjely.

Izay te hanaraka Azy dia tsy maintsy manaraka Azy amin’izay alehany, mihaino ny teniny, mitory sy mampianatra momba ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra miaraka Aminy ary hanompo Azy, indrindra ao amin’ireo endrika tiany hisehoana manokana dia ny mahantra, ny noana sy ny mangetaheta, ny tsy mitafy sy ny marary, ny an-tranomaizina sy ny mpivahiny. Izany no fanarahana Azy hatreny amin’ny lalan’ny Kalvery.

Hitombo ao amintsika anie ny firaiketam-po amin’i Kristy mba tsy ho fitorian-tena fa ho fitoriana ilay Teny tonga nofo tokoa no himasoantsika mpianany ka ho fanarahan-dia Azy amin’ny asam-panompoana (Lk 22,27snm).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
SABOTSY FAHA-24 MANDAVAN-TAONA
PREVIOUS
ALAKAMISY FAHA-24 MANDAVAN-TAONA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy fahadimy mandavan-taona 11 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.