Trinitera Malagasy
Zoma faha 15 mandavan-taona

Zoma faha 15 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Izaia 39,1-8/Izaia 38
  • Tsy ankasa: Eksaody 11,10–12,14 /Salamo 115
  • Md Matio12,1-8

Ny jiogan’ny fitiavana ihany no hahafahana miaina am-piadanana; ny fanarahan-dalàna raha tsy misy fitiavana, dia zava-doza satria fiezahana ho lehibe eo anatrehan’ny lalàna sy ny mpitsara ny lalàna ety ivelany, ka na ho ela na ho haingana dia hanjary vesatra sy hatezerana nandrotika ny fon’ny tena sy ny fifandraisana amin’ny hafa. “Tompon’ny sabata ny Zanak’olona”, hoy i Jesoa. Ny toko faha-12 amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia manampy antsika hahazo ny tsiambaratelo miafina ho an’izay miseho ho be saina, ka tsy manaiky hotarihin’ny Fanahy. Tsy natao hanandevozana na hamoretana ny hafa tsy akory ny lalàna fa natao hanafaka, natao hiarovana ny zo sy ny ain’ny olona, hanampiana azy ho amin’ny lalam-pahasambarana, hanoroana azy ny lalana mankamin’ny fahasambarana.

Anisan’izany lalàna izany ny fanajana ny Sabata, fitsaharana. Im-balo no miverina ny σάββατον (sabbaton) ao amin’ny toko faha-12.Tsy tokony hafangaro amin’ny sabotsy, avy amin’ny “saturne” anefa, satria avy amin’ny שַׁבָּת (shabbāth) teny hebrio, midika hoe “mitsahatra”. Ilain’ny fanahy amam-batana ny fialan-tsasatra, i Jesoa aza miantso ny Apôstôly mba hiala sasatra (Mk 6,31). Indraindray anefa dia tsy voahaja izany, indrindra amin’ny tsy fitsinjovan’ny mpampiasa ny zon’ny mpiasa, ka nosoratan’i Môizy ny lalàna mba hiarovana izany zo izany, na ho an’ny andevo mbamin’ny biby fiompy aza: “ny sabata no natao ho an’ny olona”, hoy i Jesoa (Mk 2,27, tsy misy ao amin’i Md Matio). Mampalahelo fa ny Katesizy kely ianarana tsianjery dia tsy manampy loatra hahazo ny hevitry ny fiangonana alahady: “mankamasina ny andro alahady: mivavaha fa aza miasa”. Ho antsika no hankamasinana azy: tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy, hoy ny Soratra Masina (Eks 20,8-11; Dt 5,12). Mila tsaroana aloha ny heviny, dia mandeha ho azy ny fankamasinana azy.

Isak’alahady ny Eglizy dia mahatsiaro an’i Kristy tafatsangan-ko velona, mankalaza ny fandreseny ary manitsy ny fomba fisainana sy nyfomba fiainana mba hifanaraka amin’izany finoana ny fitsanganan-ko velona izany. Ny mety ho fimatimatesana amin’ny asa na amin’ny hafinaretana na amin’ny zava-mandalo dia mazava loatra fa na ho ela na ho haingana dia hampidi-kizo ny fiainana raha tsy mitondra amin’ny fisantarana ilay Sabata mandrakizay, hiderana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

Isaky ny vakiana ny Evanjely dia matetika atomboka amin’ny hoe “Tamin’izany andro izany”, io no nandikana ny hoe καιρός (kairos), ilazana fa izay voalaza dia mifanaraka amin’izao fotoana iainantsika izao, satria amintsika no itenenan’ny Tompo “anio”. Tsy omaly ihany fa hatrizay dia noana ny olona, saingy tao am-paradisa dia ny voankazon’ny fahafatesana no nosafidìny. I Jesoa kosa anio dia manolotra antsika ny voan’ny hazon’aina, dia ny tenany, ho sakafo hamelona mandrakizay (Jo6).

Ho an’izay mihinana Azy, ho an’izay te ho mpianany dia ny fitandrovana ny aina no lalàna ambony indrindra, ka tsy misy lalàna ambony noho ny fitiavana. Ireo zavatra voarara tsy azo atao ny andro sabata (Eks 34,21), matoa neken’ny Lalàna fa azo atao hitsinjovana ny aina (Dt 23,26), dia tokony hanampy ny olona hizotra ho any amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny angatahin’ny Ray amin’ny zanany rehetra dia ny mba ho taratry ny famindram-pony (Lk 6,36), ary ny famindram-po dia mihoatra lavitra noho ny fitsarana, hoy Md Jakôba (Jk 2,13). Ny Famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona (Ôs 6,6).

Ho sanatriavintsika anie ny hanameloka ny tsy manantsiny amin’ny fisehoana ho tompon’ny lalàna mangeja fa tsy manafaka.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha 15 mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha 15 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 5 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahefatra mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fahadimy mandavan-taona 10 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.