Trinitera Malagasy
Zoma faha 13 mandavan-taona

Zoma faha 13 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Amôsy 8,4-6.9-12/Salamo 118
  • Tsy ankasa: Jenezy 23,1-4; 24,1-8. 62-67/Salamo 105
  • Md Matio 9,9-13

Tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota. Mandehana ka fantaro ny hevitr’izany teny izany. Asain’i Jesoa mamantatra ny hevitr’izany isika. Ny lalàna dia mampiharihary ny fahotana ary manasazy ny mpanota, fa i Jesoa kosa mamela ny fahotana ka mandray ny mpanota. Ny fahosantsika dia tsy sakana amin’ny fizorana ho any amin’ilay famindram-po tsy misy fetra izay tonga hiantso ny mpanota ho any amin’ny fahasambarana.

Izay mahatsapa fa voaantso hanaraka ilay taratry ny famindram-pon’Andriamanitra dia hiantso ny tenany hoe Matio (Μαθαῖος – Mathaios, Mattai, fanafohezana ny hoe Mattatìa), fanomezana avy amin’Andriamanitra, ka tsy hanaiky ho voafatotra na sanatria hifikitra amin’ny zava-mandalo (לֵוִי – Lēvî). I Matio dia tsy hoe mpitaky hetra fotsiny (tsy misy te handoa hetra izay) fa nitaky izany hetra izany ho an’ny mpanjana-tany koa fanampiny, ka sady noheverin’ny olona ho mpanota no mpamadika tanindrazana.

Izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy mba ho tonga “fanomezana” ho an’ny hafa. Manambara izany ny fahafahan’ireo namany niara-nisakafo tamin’i Jesoa, rentsika tamin’ny Evanjely. Nitsangana (ἀνίστημι, anistemi, mitsangan-ko velona) i Matio ka nanaraka an’i Jesoa. Manambara fiainam-baovao, midika ho fitsanganan-ko velona ny fanarahana an’i Jesoa, ary izay manaiky hanaraka Azy ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana dia mahazo ny fahefana mahatonga ho zanak’Andriamanitra (Jo 1,12).

Ao an-tranon’i Matio no hisakafoanan’i Jesoa. Tonga fianakaviana iray Aminy, miara-misakafo Aminy koa ny poblikanina sy ny mpanota betsaka. Manafintohina izany ho an’ny Farisianina. Saingy izany no endriky ny Eglizy tian’i Kristy hajoro: mpanota voavela heloka mandray ny mpanota namana satria mamela heloka, mifamela heloka ihany koa. Voaantso ho taratry ny famindram-pon’Andriamanitra ny Fiangonana: aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo any an-danitra ianareo (Lk 6, 36).

Nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy ilay mpamory hetra ary any an-tranon’i Matio no nandehanan’izy ireo. Izay manaiky hanara-dia an’i Jesoa izany dia ho vonona hampiantrano Azy, ho vononay hanasa Azy hisakafo ao an-tokantranony (οἶκος – oikos; Mk 2,15// Lk 5,29). Ary ho hafaliana hanasana ny havana aman-tsakaiza rehetra izany.

Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny mpiray fiangonana ny fandraisan’ny mpanota kômonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny kômonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana.

Ny fahotana no ankahalain’ny mpianatr’i Kristy fa tsy ny mpanota. Loza ho an’izay mandray tsy am-pamantarana (διακρίνω – diakrino : am-piheverana) ny Vatana aman-dRan’i Kristy, hoy Md Paoly (1 Kor 11, 29) ary tsy hoe mendrika isika, fa “mila Azy”, hoy Md Jean Marie Vianney. Mampitandrina ny mpanao komonio tsy miezaka ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny kômonio raisiny izany, fa mampandinika lalina koa ny sasany misafidy ny tsy hanao kômonio mba hijanonana ao amin’ny fahazaran-dratsy.

Tsy fampirisihana ny mpanota hikiribiby ao anatin’ny fahotana ary sanatria no hatao fa ny fitadiavana ny fomba rehetra hahafahany mizotra amin’ny fiainam-baovao. Tsy ilaozan’izay Farisianina sy ny zoky tsy te hahalala ny zanaka mpandany niverina ao anivony ny Fiangonana, saingy anjarantsika mandrakariva ny mitandrina, araka ny fampianaran’i Md Augustin, izay averiko matetika, fa sao ny fitiavana ny mpanota no hivarinana ao anatin’ny fahotana, na sanatria ny fankahalàna ny fahotana no hankahalana koa ny mpanota.

Tsy izay manota kelikely kokoa sanatria no masina tahaka ny Ray fa izay tia bebe kokoa, satria voavela heloka bebe kokoa (Lk 7,41.43). Famindram-po no sitrak’Andriamanitra fa tsy ny sorona (Ôs 6,6). Tsy ny vavaka lavareny na ny asa fanonerana na izay mety ho fanatitra heverintsika hanentseman-keloka no hahasitrana antsika fa ny fahatsapana sy ny fandraisana ny fitiavany sy ny indrafony izay omeny maimaim-poana. Izy no nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, Izy ilay hany marina (Rm 3,23).

Ho vonona hanaraka Azy anie isika ka tsy hanao ny fitiavany ho zavatra lafovidy voatokana ho an’olom-bitsy fa hahatarika ny mpanota sy ireo heverin’ny hafa ho fahavalom-pirenena hiara-misakafo amin’i Jesoa, mba handraisan’izy ireo koa ny fahasoavana iainana amin’ny maha zanak’Andriamanitra.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha 13 mandavan-taona
PREVIOUS
3 JOLAY: MD TOMÀ
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.