TRINITE MASINA TAONA D
- Ohabolana 8,22-31
- Salamo 8
- Rômanina 5, 1-5/
- Md Joany 16,12-15
Andriamanitra tokana fa olona telo.
Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery ivon’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Izany no maha loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana azy, ary manilo izay manazava azy ireo. Io no fampianarana fototra sy tsy azo avela amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana” (Directorium Catecheticum Generale 43). “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanehoan’ Andriamanitra amintsika, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ka mampihavana sy mampiombona aminy indray ireo izay nosarahin’ny fahotana” (Directorium Catecheticum Generale 47 ; KFK 234).
Mistery fototry ny finoana kristianina araka izany no ankalazaintsika anio. Tsy mistery hobanjinina fotsiny anefa izany fa mistery iainana ihany koa, satria tahaka ny fiombonan’ireo olona telo samihafa ho Andriamanitra Iray no iantsoan’i Kristy antsika mba hivondrona ho “vatana iray”, ho tena iray ao Aminy, ka hanandratra ny fahasamihafana ho harena sy voninahitra hitovizan’ny olona tsirairay, ka hahatonga antsika rehetra ho Fianakavian’Andriamanitra. Mazava loatra araka izany fa izay mino fa Trinite Andriamanitra, dia mino fa mitovy ny hasina sy ny voninahitra maha Andriamanitra ireo olona telo ireo, ary vokatr’izany finoana izany dia tsy afaka ny hanaiky ny tsy fitovizan-jo mety hisy eo amin’ny fiaraha-monina, ka tsy hahafahan’ny fitiavana maneho ny hatsarany eo amin’izao tontolo izao.
Raha mankalaza ny Trinite Masina isika dia mankalaza ny fitiavana izay tsy mikombona amin’ny fifampibanjinan’olon-droa hiafara amin’ny “atero ka alao”, fa fitiavana misokatra amin’ny hafa, ka mampiombona. Mahazatra ny maheno olona mitady olona afaka hahasambatra azy; revirevin’ny tanora ny hahazo andefimandry “hiadanana”, fa izay mahazo ny aim-baovao avy amin’ny Trinite Masina kosa dia olona “hampiadanina” no tadiavina. Izay tia dia tsy mitady ny soa ho an’ny tenany intsony fa ho an’izay tiany.
Amin’ny drafitry ny fankalazana, araka ny nandaharan’ny Eglizy azy amin’ireo taona litorjika telo dia manampy antsika hiaina araka ny tena Fitiavana, taratr’ilay Andriamanitra fitiavana, araka ny fampianaran’i Md Joany ao amin’ireo taratasy nosoratany.
Amin’ny Taona A, dia ny Endrik’Andriamanitra fitiavana lavorary, amin’ny maha “fianakaviana miaina am-pitiavana” Azy no banjinin’ny Litorjia, fitiavana tsy hivelomany ho an’ny tenany anefa fa mba hitiavany an’izao tontolo izao nohariany. Ny Taona manaraka (Taona B) dia mampahatsiaro antsika fa “antsoin’Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika”, antsoiny handray ilay fitiavana atolony antsika tao amin’ny Zanaka. Ny taona D kosa dia mandalina ny misterin’Ilay “Andriamanitra tokana olona telo”, fitiavana hifanoloran’ireo olona telo ireo, ka tonga modelin’ny fifankatiavana tokony hiainan’ny samy olombelona koa.
Amin’ny anaran’ny Trinite Masina no anaovana Batemy izay mino, izany hoe izay vonona ny hikely aina fatratra hampivoatra ny finoany mba ho tonga fitiavana ny olona rehetra. Mbola miandry an-dry Tertullien mba hampiasa voalohany ny teny hoe Trinite Masina, saingy ao amin’ny Evanjely, dia mazava ny firaisana mampiombona ho Andriamanitra tokana ireo olona telo: hanao batemy εἰς τὸ ὄνομα τοῦ Πατρὸς καὶ τοῦ Υἱοῦ καὶ τοῦ Ἁγίου Πνεύματος (Mt 28,19 BYZ): Anarana tokana no iombonan’ireo olona telo, dia ny Fitiavana. Amin’ny teny Malagasy moa tsy misy genre-nombre dia tsy hita loatra ny mampiavaka azy, fa raha adika dia hoe amin’ilay anarana tokan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy no idirantsika ao amin’ny ain’Andriamanitra, mitodika any andrefana, araka ny fomban’ny Fiangonana tany am-piandohana amin’ny fankalazana ny Batemy, mandà an’i Satana sy ny fahalovan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao, ary mibebaka, manao Shoub (bWv), mitodika miatsinanana, mankany amin’ny hazavana, mihetry tena midina mba handio ireo fahotana fito fototry ny hafa, ary avy eo miakatra avy ao anaty rano, manao dingana fito vaovao, mba hitafy ireo fanomezana fiton’ny Fanahy Masina, hiombona aina amin’ny Fiangonana Vatana Masin’i Kristy.
Ny hamonjena izao tontolo izao no antony hampianarana sy hanaovana Batemy. Ny hahavonjy ny olona rehetra sy hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina no sitrak’Andriamanitra (1 Tim 2, 4). Ka noho izany, ny fampianarana tsy tonga fiainana tsy mahavonjy, ny fankalazana ny Batemy tsy misy fandalinana koa toraka izany.
Izany no mahatonga ny fiofanana mialoha, mandritra ary aorian’ny Batemy tokony hanana ny lanjany manokana ho an’izay te hiaina marina ny maha-kristianina azy ka hahafahany manandrana ny hafaliana entin’ny Evanjely.
Tsara ho tadidiana anefa fa ny maha-tokana an’Andriamanitra no nimasoan’ireo Mpaminany sy Mpitsara teo amin’Israely satria ny firenena manodidina, ary na dia ny tanindrazana nipoiran’i Abrahama razambeny aza, dia nino “andriamanitra” maro (polythéisme).
Ho antsika koa, tokana Andriamanitra fa olona telo. Tsy Andriamanitra miolonolona fa maniry antsika rehetra ho tonga fianakaviana iray Aminy.
Ho anao ny dera, ho anao ny voninahitra, ho anao ny Fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina! Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitry ny Hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra! (jereo eto ny sapilen’ny Trinite Masina).
Mistery fototry ny finoantsika ny misterin’Andriamanitra tokana olona telo. Amin’ny maha-foto-pinoana azy izany dia foto-piainana ihany koa. Tsy finoanoam-poana sanatria na finoana Andriamanitra maro fa finoana an’Andriamanitra tokana. Indraindray anefa toa tsy mampiraika antsika avy ny fandalinana izany Mistery izany, ary vokatr’izany dia mampiozongozona ny finoantsika ny fanambarana tsara lahatra ataon’ny antokom-pinoana sasany, mitsara antsika ho minomino foana satria manompo Andriamanitra maro…
Misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika izany finoana an’Andriamanitra tokana izany. ampahatsiahiviko etoana izay lazain’ny KFK amintsika (222-227):
1- ny fahalalana ny haben’Andriamanitra sy ny fahamboniany ka hanompoana Azy aloha sy ambonin’ny zavatra rehetra;
2- Avy Aminy avokoa izay rehetra maha-isika antsika sy izay rehetra ananantsika : “Inona no anananao ka tsy noraisinao ?” (1 Kôr 4,7). “Inona no havaliko ny Tompo noho ny soa rehetra nataony tamiko ?” (Sal 116,12). Mitaky fiainana amin’ny fahaiza-misaotra sy mankasitraka izany.
3- ary ny fahaiza-mankasitraka tsara indrindra dia ny fikolokoloana sy fampiasana ny zavaboary araka ny sitrapony, ka hahaizantsika mampiasa izay mampanatona antsika an’Andriamanitra ary hahay hanesotra izay mampanalavitra antsika Aminy, araka ny vavak’i Md Nicolas de Flüe hoe: “Ry Tompoko sy Andriamanitro, esory amiko izay rehetra mampanalavitra ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, omeo ahy izay rehetra mampanatona ahy Aminao. Ry Tompoko sy Andriamanitro, vahao amin’ny fatotra mamatotra ny tenako aho, mba hanolorako ny tenako manontolo Aminao”.
4- Izay mino dia matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe :
Aoka tsy hisy na inona na inona hampiahiahy sy hampitebiteby anao.
Aoka tsy hisy na inona na inona hampatahotra sy hampivadi-po anao.
Mihelina avokoa izao rehetra izao, fa Andriamanitra tsy miova
Ahazoana ny zavatra rehetra ny faharetana.
Izay manana an’Andriamanitra tsy ory na inona na inona.
Andriamanitra irery ihany dia ampy
Andeha hiverenana ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’ity Fankalazana ity.
Ireo Vakiteny telo aroson’ny fiangonana dia manambara ny Ray nahary am-pahendrena ny tontolo (Oh 8,22-31), ny Zanaka izay mampahazo antsika ny fahasoavana ka hahafahantsika mihavana amin’ny Ray (Rm 5,1-5), isika izay nohariany miavaka amin’ny zavaboary rehetra (Sal 8), ary anehoany ny tsiambaratelony avy amin’ny Fanahy Fahamarinana (Jo 16,12-15).
Tsy mistery hobanjinina fotsiny anefa izany fa mistery iainana ihany koa, satria tahaka ny fiombonan’ireo olona telo samihafa ho Andriamanitra Iray no iantsoan’i Kristy antsika mba hiovondrona ho “vatana izay”, ho tena iray ao aminy, araka ny efa voalaza teo ambony, ka tsy hitady ny soa ho an’ny tena fa hiombona Aminy amin’ny fanehoana amin’izao tontolo izao ny endrik’ilay Andriamanitra Fitiavana.
Ny Bokin’ny Ohabolana dia mamerina izay lazain’ny Boky Jenezy: hitan’Andriamanitra ny hatsaran’ny zavaboary nohariany am-pahendrena (Jen 1,31), ka mirebi-karavoana ny Fahendrena, mifaly eo anatrehan’ny Mpahary kanefa mahita fahafinaretana amin’ny fonenany kosa miaraka amin’ny zanak’olombelona. Ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka araka izany dia zary fanirian’izy ireo hiara-monina amintsika.
Izany faniriany izany no lazain’i Paoly fa nanamarinany antsika ao amin’i Jesoa Tompo (Vak II). Tsy tambin’ny asa fanonerana ataontsika na ny fahamasinantsika na sanatria aza ny asa soa ataon’ny hafa izany fa nohamarininy maimaim-poana isika, ary antsoiny hihavana Aminy. Tsy midika izany fa afaka manao izay tiany atao ny olona, fa ao anatin’ny fahoriany sy ny fahalemeny kosa dia tsy hamoy fo fa hahazo hery sy fanantenana vaovao satria ny Fitiavana izay efa voarotsaka ao am-pony no hanesotra ny fahotana ka hahafahany miaina am-pifaliana.
Asan’ny Fanahy ny mameno fitiavana ny fontsika ka izay manaiky horeseny lahatra ihany no afaka miditra amin’ny finoana tena marina. Roa ny asan’ny Fanahy Fahamarinana hoy i Jesoa: handresy lahatra izao tontolo izao (Jo 16,5-11,) ary hitari-dalana ny Mpianatra (Evanjely anio). Tsy hiampanga (Satana) an’izao tontolo izao Izy fa handresy lahatra (ἐλέγχω – elenchô).
Asan’ny Fanahy koa ny hilaza amin’ny mpianatra ny zavatra tsy hoe tsy nolazain’i Jesoa azy ireo, satria “izay rehetra reny tamin’ny Ray dia efa nambarany ny mpianatra avokoa” (Jo 15,15), fa betsaka ny zavatra tiany holazaina ka tsy ho azon’izy ireo raha tsy hazavain’ny Lakroà. Izay tsy mahita ny Hazofijaliana ho fandresena, tsy afaka hahazo ka hanaiky hovan’ny Tenin’i Jesoa sy ny Evanjeliny. “Raha tsy tsapan’ny tanora fa tena tia azy ireo marina ianareo, hoy ny Papa François, aminay Trinitera, dia tsy afaka ny hanoro azy ireo ny lalam-pahamasinana”. Ny Lakroà no porofom-pitiavana lehibe indrindra nanokafan’i Jesoa ny sain’ny Apôstôly.
Ny Fanahy fahamarinana no afaka mamaky bantsilana ny lainga mety hokobonin’i Satana ao am-pontsika ka hahatonga ny fiainana ho sadasada, tsy maty tsy velona, tsy mandroso tsy mihemotra. Tsy hanana zavatra holazaina hafa afa-tsy izay an’i Jesoa anefa izy, tahaka an’i Jesoa tsy manana zavatra hafa holazaina afa-tsy izay henony tamin’ny Ray. Fitiavana tokana no itiavan’ny Trinite Masina antsika tsirairay.
Ny Mpianatra ihany koa araka izany dia tsy afaka hanana zavatra hafa holazaina afa-tsy izay noraisiny tamin’ny Fanahy, dia izay rehetra reny tamin’i Jesoa ho fanomezam-boninahitra Azy, ary hanambara ny zavatra ho avy (καὶ τὰ ἐρχόμενα ἀναγγελεῖ ὑμῖν – kai ta erchomena anangelei humin, Jo 16,13). Ny mety ho tonga ao anatin’ny saintsika dia hoe hampahalala antsika ny Fanahy hoe oviana isika no ho faty, oviana no hivaha ny olana, na zavatra tahatahaka izany.
Tsy izay no asan’ny Fanahy, tsy izay ny “zavatra ho avy” torìny amintsika fa ny fahatanterahan’ny faminanian’Andriamanitra (fampanantenana) tao amin’i Jesoa, ka izay nihatra tamin’izy Mpampianatra dia hihatra ihany koa amin’ny mpianany rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Ny Fanahy no hahafahantsika mahita fa lalana mitondra amin’ny fahasambarana no nizoran’i Jesoa (Lakroà), ka hahitan’izay manara-dia azy ny “zavatra ho avy”, ny hiafarany (fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra, hoy i Paoly amin’ny Vakiteny II), ka hananany hery hitozo hatramin’ny farany.
“Tompo o! Reharehanay ny hazofijaliana nahafatesanao, fa nahatonga anay ho zanak’Andriamanitra”, hoy isika mihira. Ny misterin’ny Lakroà no atambatsika amin’ny fiekem-pinoana “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”. Hanaiky hotarihin’ny Fanahy anie isika ka hanome voninahitra an’i Jesoa “nasandratra eo ambony hazofijaliana”, ary hifaly amin’ny fanarahan-dia Azy hitondra ny hazofijaliantsika, ka ho tonga taratry ny voninahitr’Izy Trinite Masina.
An’i Jesoa izay rehetra an’ny Ray, ny Fanahy kosa handray ny avy Aminy ka hanambara izany amintsika, ary isika kosa handray izay an’ny Fanahy ka hanambara izany amin’ny hafa. Fiombonana ny Trinite Masina ary iombonan’Izy ireo ihany koa ny fiainana izay zarainy amintsika. Izay mino Azy dia tsy hanana zavatra manokana intsony (Asa 2,44) ary tsy hisy hilaza ny fananany ho azy (Asa 4,32).
Ho fahasambarana ho antsika anie ny hizara ny harena “tsy marina” (Lk 16,9) mba hahazoantsika mandova ilay harena maharitra mandrakizay.