Trinitera Malagasy
Talata III Karemy

Talata III Karemy

Njara Pascal
  • Daniela 3,25-43/
  • Salamo 24/
  • Md Matio 18,21-35

Amin’ity herinandro ity, manoloana an’ilay nanome taom-pahasoavana mba hikarakarana ny aviavy (maniry eny an-tanim-boaloboka) sao mba hanome vokatra ihany, manome fahasoavana mba hanadio izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’ny Tempoly (Alahady III B), dia omanin’ny Litorjia isika mba hibanjina ny hatsaram-pon’ilay Ray [miandry ny hiverenan’ny zanany mpandany mba hanaovany fety], mandefa ny zanany ho fahazavana hanilo ny lalana hizorantsika, ho lahatra (פִּקּוּד – piqqoudh, torolalana, sata) omen’Andriamanitra mba ho antoky ny fahavelomana (Sal 119,93). Antitranterin’ny fampianaran’ny Evanjely anefa fa izay mahazo ny hevitry ny famindram-po dia tsy mba  hanararaotra sanatria ka hanao izay tiany hatao, fa kosa hiezaka ny haka tahaka ilay Ray: ny fitovizantsika endrika Aminy manko no mampitombo ny fahasambarantsika.

Ny Vavak’i Azariasa dia mampahatsiaro antsika fa tsy tambin’ny sorona atolotsika tsy akory ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fanahy torotoro sy ny fanahy manetry tena no sitrak’Andriamanitra. Ny fahatsapantsika ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampietry antsika no mampiezaka antsika hiala amin’izany, ka hikatsaka ny tavan’Izy Tompo sy hametraka ny fitokisantsika Aminy.

Tonga vavaka isan’andro ho an’ny Mpisorona moa io vavak’i Azariasa io: “Mietry tena sy torotoro fanahy izahay, ka raiso ry Tompo Andriamanitra, ary ho tontosa soa aman-tsara eto imasonao anie ny Sorona atolotray izao, ka ho sitraky ny Fonao”. Tsy misy heviny ny sorona atolotsika raha tsy ny fiainantsika manontolo no atolotra mba ho tonga sorona miaraka amin’i Kristy.

Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, saingy misy fetra ve? Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mandra-pahoviana anefa no hiainana izany? Ary raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho?

Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao hatramin’ny im-pito! Raha miverina im-pito koa izy mifona, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony isaina) anefa, hoy i Jesoa.

Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy. Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipasy (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voaloany mandrakizay izany, araka izany saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra[1].

Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona ary ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina (izay ombany amin’ny fahasoavana miavosa mandrakariva) sy izay mba fiezahantsika ho masina dia handon-tratra fa manana trosa tsy ho voaloa eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaka ny mitaraina tsy manan-kaloa isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, ho sahintsika ve ny mbola hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka?

Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω – krateô, mihevitra ho ambony noho izy) ka manambany azy ary manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandra-pahaloany ny trosa. Fanampiana ny hafa mba hahaloa ny trosa no tanjona, saingy indraindray aza (mba tsy hilazana hoe matetika mihitsy) isika no ananan’ny hafa trosa amin’ny adidy tsy vita. Firifiiry no mitaky adidy amin’ny hafa nefa tsy mahavita ny adidiny akory, izay zon’ny hafa amin’ny tenany. Tsy diso fotoana ny “rakitra miakatra” fa indraindray atao alasafay ny “rakitra midina”. Ary na mahavita ny adidintsika aza isika, raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy tsy manampy ny hafa hihatsara fa vao mainka aza mandentika azy hankamin’ny ratsiratsy kokoa.

Raha tsy mamela ny rahalahitsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandoantsika ny trosa rehetra. Tsy mbola nisy olona mitana an-dolom-po ka hoe sambatra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, izany no hahafahantsika manandrana ny hafalian’Andriamanitra, izay hafaliana maharitra mandrakizay sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa ny hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy.

Ho zanaky ny fahavelomana tokoa anie isika ka hitady izay fomba rehetra hialana amin’ny ratsy, ka hahay hamindra fo, tsy hitaky trosa amin’izay tsy manana haloa, fa hahatsiaro kosa fa na isika aza tsy hitakian’Andriamanitra izay tsy vitantsika, fa antsoiny kosa mba ho tonga taratry ny fahamasinany, Izy ilay “mpamindra fo sady antra” (raḥùn veḥannùn, Eks 34,6).

[1]τάλαντον – talanton {tal’-an-ton}  (Bibleworks)

Meaning: 1) le plateau d’une balance, une balance, une paire de balances 2) ce qui est pesé, un talent 2a) un poids variant selon les lieux et le temps 2b) une somme d’argent du poids de un talent et variant selon les états et selon le change entre les monnaies 2b1) le talent égal à 60 mines ou 6000 drachmes 2b2) un talent d’argent en Israël pesait environ 45 kg 2b3) un talent d’or en Israël pesait environ 90 kg

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
25 martsa:Fankalazana ny nilazana fa naka nofo ny Tompo
PREVIOUS
Alatsinainy III Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A 14 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.