Trinitera Malagasy
Talata faha-32 mandavan-taona

Talata faha-32 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Tito 2, 1-14/Salamo 36
  • Tsy ankasa Fahendrena 2, 23 – 3, 9/Salamo 33
  • Md Lioka 17, 7-10

Iverenantsika ny fiandohan’ity toko nangalana ny Evanjely ity, dia ny fangatahan’ny Mpianatra mba hampitomboan’i Jesoa ny Finoan’izy ireo nefa toa tsy novaliany akory. Ao amin’i Matio aza dia i Jesoa no nanome tsiny ny Mpianatra ho tsy ampy finoana, tsaroantsika ny teny nolazainy tamin’ny Mpianatra raha tsy naharoaka ny demony izy ireo (Mt 17, 16ss) : “io karazany io tsy azo roahina raha tsy amin’ny alalan’ny Fivavahana [sy ny fifadiankanina]”. Araka izany, tsy ny hampitomboana ny finoana loatra no himasoana, satria kely tahaka ny voatsinapy dia ampy hanaovana fahagagana raha afoy ka alevina mba hitsimoka sy hitombo ka ho tonga hazo (Mt 13), ampy hanovàna izay mety ho sakana tsy hahafahana mitondra voa, ny finoana no hahafahana manongotra izay efa lalim-paka ka hanary azy any anaty ranomasina, raha hita fa izany no mahasoa. Io vavaka nataon’ny Apôstôly io manko dia mitohy amin’ny fiangavian’i Jesoa hamela heloka hatramin’ny impitopolo fito. Tsy ny mampitombo ny finoana no tokony himasoana voalohany fa ny hampitsimoka (hahafoy izay manontolo hananana na dia kely aza, satria tsy misy voly hitsimoka raha tsy misy ambolena) ka hitahiry ny Finoana efa noraisina aloha (2 Timote 1, 6-14), amin’ny fanaovana ny fahamarinana satria “ny marina no ho velona amin’ny finoany” (Habakoka 1, 2-3; 2, 2-4).

Mila tsaroana mandrakariva ny tenin’i Md Jakoba milaza fa “tsy mahavonjy ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2, 14s). Tsy mamela antsika hipetrapetra-poana ny finoana marina fa manosika antsika hiasa, mba “tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Kristy” (2 Timote 1, 6-14), tsy hitarain-tana-miompaka, tsy hitaky karama akory aza, satria “mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa ny tokony hatao ihany no natao” (Evanjely). Ireo mpandalina ny Baiboly dia maro no milaza fa tsy tokony hoe “tsy mahasoa” no andikàna ny ἀχρεῖος (achreios) fa hoe “tsy mahazo tombony”, tsy mandray karama.

Izay mandray ny Evanjely manko ka manaiky ny ho tonga mpanompo dia tsy hihevi-tena ho tompo mandidy, hitsara ka hamela na tsy hamela heloka. Izay fihetrena ho mpanompo izay no hahafahana mijery ny hafa araka ny mason’i Kristy ka hahitana azy ireo ho toy ny mpiray tampo, tsy afaka ny tsy ho tiavina, tsy afaka ny tsy havela heloka.

Mpanompo miasa tany sy miandry ondry: io no lazain’i Md Piera hoe izay miasa ny tany (ny mpamafy ny voa, mpamaky lay, ny mpitoriteny) sy ny mpiandry ny ondry (mpikarakara ny finoana efa mitsiry) dia tsy afaka ny hanao izany amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tena sy ny fitiavam-bola (1 Piera 5, 2) fa babo ka asesiky ny fitiavan’i Kristy ilay maty ho an’ny olona rehetra (2 Kor 5, 14), mahazo maimaim-poana ka manome maimaim-poana (Mt 10, 8 ). Ny mitory maimaim-poana ny Evanjely no fahasambarako, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 18 ). Izay te ho mpianatr’i Kristy dia miaiky fa ao amin’ny fanompoana no mampisy hasiny ny fiainany, ao no hanahafany ilay tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo (Lk 22, 27).

Ny finoana no hahafahantsika mahita sy mino fa ny fahasambarantsika no sitrapon’Andriamanitra ka ny fitadiavana sy fanekena ny didiny dia lalana mitondra amin’ny fahasambarantsika ihany. Izay manaraka ny didiny araka izany dia hisaotra Azy, fa tsy sanatria mbola hangataka valiny koa. Tsy sanatria hisy olona iray ho any amin’ny dokotera fa marisarisa, mangataka torohevitra dia mahazo, ary manaraka izany ka rehefa sitrana soa aman-tsara dia hihevitra ny hiverina any amin’ny dokotera hangataka valisoa. Angamba hiverina any hanolotra fisaorana, dia mba azo ekena. Fisaorana no afaka atolotr’izay mpanompo nanaiky ny baikon’ny Tompony, satria hasambarana mampisy heviny ny fiainany ny fanatanterahany iznay baiko izany..

Ho hafaliana sy fahasambarana ho antsika tokoa anie ny fanatontosana ny asam-panompoana angatahin’ny finoana amintsika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-32 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-32 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.