Trinitera Malagasy
TALATA FAHA-28 MANDAVAN-TAONA

TALATA FAHA-28 MANDAVAN-TAONA

Njara Pascal
  • Ankasa: Galata 4,31b–5,6 /Salamo 118
  • Tsy ankasa: Rômanina 1,16-25/Salamo 18
  • Md Lioka 11,37-41

Ny sasany mitady famantarana mba hinoana, fa ho an’ireo mihevitra ny ho tonga mpianatra, vonona ny hitory ny Evanjelin’ny Fiadanana kosa dia antsoin’i Kristy ho vonton’ny fahazavany aloha, handray ny Teny ka hamela azy haninteraka ny atifanahiny ary hitahiry ny hazavana ao anaty (and. 33-36 tsy vakiana amin’ny litorjia). Io jiro avy ao anaty io no hahafahan’ny olona iray mahita ny zavatra rehetra. Mampalahelo anefa fa misy olona mandrindrina ny tranony sao hidiran’ny haizina avy any ivelany. Tsy ny haizina no miditra fa ny hazavana no mipariaka, raha toa ka efa ao anaty. Raha sanatria tsy mbola ao, dia fanakanana azy tsy hiditra kosa ny fanidiana ny varavarana. Izay manana ny hazavana ao anatiny, hoy i Jesoa dia hazava aminy avokoa ny zava-drehetra.

Nisy Farisianina (Φαρισαῖος – pharisaios,פָּרַשׁ  pārash: manavaka, manasaraka) iray kosa, nanasa ny hazavana mba hisakafo ao aminy. Ho an’i Lioka moa, ny Farisianina dia manana toetra roa mampiavaka azy: mihevi-tena ho manana ny marina, ary mihevitra ny hafa ho tsinontsinona (Lk 18,9). Izany no mahatonga azy ireo hieboebo na dia eo anatrehan’Andriamanitra aza, ka ny fiheverany sy ny marina masaka ao anatin’ny sainy no heveriny ho marina tokana ka mampitombo ny avonavony, isaka ny mahita ny hafa tsy manaraka ny fombany.

Dia izany no nahazo ity Farisianina iray nanasa an’i Jesoa hisakafo. Tsy mandà ny fanasan’izay maniry ny hiantranoany i Jesoa, saingy tandremantsika sao sanatria tsy handraisana ny Teniny sy ny Hazavana entiny no taanjontsika amin’izany, fa mba hitsikerana Azy. Ho an’izay maniry ny fiovana, ho an’izay maniry ny hazavana dia Izy ilay Fahazavan’izao tontolo izao mihitsy no nanolo-tena hiantrano ao aminy, tahaka ny ataony amin’i Zake (Lk 19,1-6). 

Velona eritreritra ity Farisianina nanasa an’i Jesoa nahita Azy tsy nisasa (βαπτίζω– baptizō). Mazava anefa ny antony. Atao ahoana moa no handro amin’ny sinivato, azo heverina ho tsy misy rano intsony (Jo 2,1snm: matoa manko afaka nofenoina rano ny sinivato fidiovana dia tsy nisy rano intsony, na efa rano kely sisa no tao). Ny fanekena ny Teny no hahazoana ny divay vaovao, mahafeno fatra ny hafaliana, ka hahafahana manaiky fa tsy izay lazaintsika na izay lazain’ny olona momba antsika akory no inona. Tsy inona isika fa izay eo anatrehan’Andriamanitra tsy misy ampiana tsy misy hanalàna, hoy ny Olomasina sasany. Ka izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavany sy ny fahamarinany dia halatra, fitaka sy faharatsiana avokoa.

Adala izay manafangaro ny haizina sy ny hazavana, satria ny hiafarany dia hihevitra ny hanao ny marina amin’ny fanaovana zavatra mifanohitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fiheverana an’Andriamanitra ho azo baikoina no fototr’izany, ka tsy ny hampifanaraka ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra no katsahina fa ny fiezahana hanamarin-tena, ka hiafenana ao ambadiky ny lalàna sy ny fombafomba narafitr’olombelona ihany.

Manaova fiantrana araka izay anananareo, na ny marimarina kokoa, atolory ho fiantrana ny ao anatinao rehetra. Ny hoe fiantrana moa, ἐλεημοσύνη- eleèmosynè, aumône amin’ny teny frantsay, dia avy amin’ny fototeny ἔλεος, eleos, famindram-po. Midika izany fa taratry ny famindram-pon’Andriamanitra izay asa ataon’ny aumônéries rehetra. Raha tsy avy amin’ny fahatsapantsika ny famindram-po efa noraisintsika no anaovantsika soa dia ho zary avonavona ihany. Fisaorana an’Andriamanitra sy fiezahana ho tonga mpamindra fo toa Azy ny asa fanasoavana rehetra ataon’ny mpino. Raha tsy ny fontsika sy ny faniriany manontolo no zary fitaovana hikatsahana ny soa ho an’ny hafa dia tsy hadio ho antsika ny zavatra rehetra, ary tsy afaka ny hisokatra hahita an’Andriamanitra ny masontsika.

Ny an’i Md Paoly aza dia nataony ho fakofako ny hareny rehetra manoloana ny fahalalany an’i Kristy (Fil 3,8). Ny fiantrana, teo amin’i Israely dia tsy azo adinoina fa asa takian’ny fahamarinana satria an’Andriamanitra ary nohariany ho an’ny olon-drehetra ny zava-drehetra, ka izay manana dia tokony hahatsapa fa manana adidy hizara amin’ireo “niangaran’ny vintana”. Izany fisokafan’ny fo hanampy ny hafa izany no tena fahadiovana tokoa eo anatrehan’Andriamanitra ka hahatonga ny zavatra rehetra hadio. Io ilay fitiavana manarona fahotana maro (1P 4,8).

Hitombo ao amintsika anie ny fitiavana hahatonga ny fiainantsika ho fiaraha-misakafo marina tokoa amin’ilay hazavana manilo ny dia ka hahafahana mizotra amin’ny lalam-pahasambarana.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA-29 MANDAVAN-TAONA TAONA D
PREVIOUS
Talata faha-27 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.