Talata faha 15 mandavan-taona
- Ankasa: Izaia 7,1-9/Salamo 47
- Tsy ankasa: Eksaody 2,1-15/Salamo 68
- Md Matio 11,20-24
“Loza ho anao”…
Dia sanatria ve maniry loza ho an’ireto tanàna ireto i Jesoa satria tsy nandray ny teniny sy tsy nibebaka noho ny fahagagana nataony? Tsy fihantsiana loza sanatria fa fampitandremana amin’ny voka-dratsin’ny hamafisam-po te hijanona amin’ny fahajambana vokatry ny toe-pahotana. Ny fahotana no melohin’i Jesoa fa tsy ny mpanota, ny fahotana no tokony ankahalaina fa ny fahavalo sy ny mpanota kosa tiavina sy anaovana soa. Izay te ho sambatra mandrakizay araka izany, dia tsy maintsy mibebaka, manova ny fomba fisainany mba hifanaraka amin’ny Lalana mitondra amin’ny fahasambarana: ny fitiavana.
“Loza ho anao”, “mila loza ianao” moa no dikan-teny ao amin’ny Baiboly vaovao, οὐαί(ouai, interjection pour l’exclamation de chagrin): andray izato alaheloko anao, mampalahelo ity tsy fahaizanao manararaotra ny fahasambarana atolotra anao …
Ny sarin-teny hifanandrifian’ireo anaran-tany nosafidìna dia manampy antsika hahatsapa fa tsy mora ny misafidy ny hahasoa.Ny voalohany nahazo fahasoavana, ny faharoa kosa nidiran-doza: Kôrazìna (Χοραζίν- Chorazin, fournaise de fumée) sy Tira (צוֹר- Tsôr, rocher), Betsaida (בַּיִת – צַיָּד, bayith na bêthtsayyādh, maison de la pêche) sy Sidona (צִידוֹן, – tsîdhônabbondance de poisson); Kafarnaoma (כֹּפֶר – נַחוּם – kopher-naḥoum, village de la consolation) sy Sôdôma (סְדֹם – sedhom, qui brûle). Ny marary mitady fahasitranana, ny marary mankaloza aretina. Ny coronavirus hono mahafaty dia matahotra ery isika. Efa ela no nahitako soratra hoe “mahafaty ny sigara”, “mahavoa ny homa-miadana ny sigara”, fa ny vidiny aza mbola miha-miakatra ihany, ary ny mpanjifa mitombo andro aman’alina.
Tsy hafa noho ry Betsaida sy ry Korazìna mbamin-dry Kafarnaoma ny Fiangonana misy antsika, anaovan’i Jesoa fahagagana isan’andro, hanolorany ny Eokaristia isa-maraina. Tsy hafa noho ireo mponina ireo isika afaka mandray ny Teniny sy ny Tenany isan’andro. Anjarantsika kosa ny mandini-tena na hiezaka hanaraka Azy amin’ny lalan’ny fitiavana na sanatria hanalavitra Azy amin’izay mety ho tombon-tsoa sy hafinaretana mandalon’ny fiainana.
Dinihontsika ny fananaran’ny renim-pianakaviana mampitandrina ny zanany amin’ny voka-dratsin’ny zavatra tsy mahasoa loatra. Mety ampitahoriny hovonoina ohatra ny zanany raha sanatria mandehandeha tsy mitandrina miampita ny arabe, satria sao voadonan’ny fiara any. Raha toa ka tsy nitandrina ka saika voadonan’ny fiara dia mety hahazo kapoka koa aza. Fa raha sanatria kosa maratra voadonan’ny fiara, izy reniny ihany no hidodododo hamonjy ny hôpitaly hamonjena ny ain-janany, na inona na inona hadisoany. Ny antony ampitahorany ny zanany dia mba hitandremany bebe kokoa.
Dia tahaka ny treron-dreny ny fibedesan’ny evanjely anio, tsy maniry ny loza ho antsika fa manampy antsika hahatsapa ny haratsin’ny fahotana sy ny zava-doza afitsoky ny firaiketana aminy. Tsy hisy reny hamono ny zanany raha sanatria nidiran-doza amin’izay nataony, fa miezaka mankahery sy mitady ny fomba hiatrehana ny fiainana hatrany. Mihoatra noho ny reny Andriamanitra. Ny afobe dia fandresen’ny ratsy, fanekentsika azy handrava ny fiainantsika ka hanary ny hasina maha zanaka antsika. Ny fahamarinan’Andriamanitra kosa mitady izay fomba hanarenana ny fiainan’ny zanany mba hahasambatra azy ireo. Tsy hanafay ny meloka no tanjon’ny Fitiavana fa ny hanitsy ny diany ho amin’ny fahasambarana.
Ny fanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany sy ny fitsaràny dia ny hazofijaliana. Satria fony isika mbola mpanota (Rm 5, 8),mendrika famaizana, no maty ho antsika i Kristy, mba hanolotra antsika ny fiainana dia ilay lova amin’ny maha zanaka Azy. Ny fandavantsika izany, na sanatria ny fanarahantsika lalana hafa ankoatry ny fitiavana dia mamarina ny fianantsika any amin’ny afobe, any amin’ny gehena fanariam-pako. Tsy sitrak’Andriamanitra ho zary fako anefa ny fiainan’ny zanany. Mampalahelo azy izany, ka ampitandremany tahaka an’ireo tanànan’i Galilea isika sao sanatria “hila loza” (οὐαί – ouai) ho antsika koa.
Tsy sanatria ho fanamelohana ho antsika ny fahasoavana raisintsika isan’andro.