Trinitera Malagasy
Talata faha 13 mandavan-taona

Talata faha 13 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Amôsy 3,1-8; 4,11-12/Salamo 5
  • Tsy ankasa: Jenezy 19,1.5-29/Salamo 25
  • Md Matio 8,23-27

I Jesoa niondrana an-tsambokely no narahin’ny mpianany. Tsy misy fijanonana ny firosoana ho kristianina fa firosoana hatrany: avy amin’ny fandaozana ny fiainana tsy mifanaraka amin’ny « divay vaovao » dia mizotra mankany amin’ilay « Jerosalema vaovao« , eny am-pita. Izany firosoana izany anefa mety hisedrana olana isan-karazany, hiatrehana ny ranomasina manonja sy ny rivo-mahery mitsoka mafy. Ary i Jesoa toa matory ao an-tsambo.

Ny tahotra sy ny fitokisana no mifandimbindimby eo amin’ny fiainantsika. Raha mitombo ny iray dia mihena ny iray. Tsy ny reny (toy ny lavaky ny amboahaolo sy ny akanin’ny voro-manidina) na ny ray (izay manambara ny fomba amam-panao mahazatra) no tokony hafoy sy halevintsika araka izany fa ny tahotra, ka hahafahana mamela ny maty handevina ny maty ao aminy, hitoky amin’ny fitiavan’Ilay niantso antsika ka hanarahana Azy ho any am-pita. Ny fiainantsika mizotra mankany amin’ny mandrakizay no asehon’i Matio amin’izany. Ny sedra sy ny fitsapana isan-karazany dia tokony hanampy amin’ny fandalinam-pinoana.

Ny finoana dia tsy hoe sanatria finoanoam-poana, fa fibanjinana ny niafaran’Ilay nialoha lalana ka hahasahiana manaraka Azy. Raha tsy fitsanganan-ko velona sy voninahitra no hitantsika ao ankoatran’ny Lakroà dia mazava ho azy fa tsy ho afaka ny hanolo-tena ho faty eo, tahaka an’i Jesoa isika. Raha tsy hitantsika ny herin’ny Fanahy nanangana an’i Jesoa natory (maty) ho velona ka nandresy ny fahafatesana, nampitony ny ranomasina izay nihotakotaka (σεισμὸς μέγας– seismos megas, tsy dia tafio-drivotra mafy fa fihovitrovitana lehibe, horohoro), dia tsy afaka hitony ny fontsika manoloana ny tandindon’ny fahafatesana sy ny haizina te hanaloka ny fiainana isan’andro vaky. Izany finoana izany no mampiantsoantso hoe: Tompo o, vonjeo (Κύριε, σῶσον – Kyrie sôson). Izay hiantso ny anaran’i Jesoa (Andriamanitra mamonjy) dia ho voavonjy (Asa 2,21).

Ao amin’ny fitantaran’i Matio, ny filazan’i Jesoa ny tahotra mbola mangeja ny mpianatra no mialoha ny fampitoniana ny fihotakotaky ny ranomasina fa ao amin’i Marka sy Lioka kosa dia aorian’ny fampanginana ny rivo-doza sy ranomasina izany, ka ireo mpianatra no mifampanontany hoe iza ity fa ny rivotra ny ny ranomasina avy no manaiky Azy (Mk 4,41). Ho an’i Matio dia ny olona no gaga, tsy ny mpianatra ihany fa izao tontolo izao izay misento toy ny mihetsi-jaza, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana (Rm 8,18snm), ka manontany hoe “Ποταπός ἐστιν οὗτος – Potapos estin houtos”, tanàna avy aiza no niavian’izy io? (Iza io lehilahy io no dikanteny ao amin’ny Vakiteny), karazana olona inona ity? Izy no ilay Teny avy amin’ny Ray, tonga ho fahazavana ho antsika, ka hitondra antsika kosa indray, ho tody eny am-pita, any an-tranon’ny Ray.

Izay manaiky ho mpianatra dia miray sambo amin’i Kristy, na mahatsiaro na matory, natao batemy tao amin’ny fahafatesany, hoy i Md Paoly (Rm 6,1-11) mbahiara-belona Aminy mandrakizay (1Tes 5,10), Izy ilay natory miaraka amintsika fa nifoha kosa ho antsika. Ho haintsika anie ny hanatona an’i Jesoa izay toa matory, saingy tsy manadino ny miahy ny Mpianany satria eo amin’izy ireo mandrakariva.

Isika niara-maty taminy tamin’ny Batemy anie hiara-belona Aminy koa amin’ny fiainam-baovao, tsy amin’ny fahatahorana ny fahafatesana fa amin’ny faniriana ny ho velona mandrakizay.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha 13 mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy faha 13 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.