Trinitera Malagasy
SABOTSY II FIAVIANA

SABOTSY II FIAVIANA

Njara Pascal
  • Ekleziastika 48,1-4.9-11
  • Salamo 79
  • Md Matio 17,10-13

Sambatra izay hahita anao ary nodimandry voahaingon’ny fitiavana, satria azo antoka fa ho velona. Ho an’i Israely, dia tsy misy mpaminany lehibe toa an’i Elia, ary nandrasan’izy ireo fatratra ny fiverenany mba hanomana ny fiavian’ny Mesia. Izay no nahatonga an’i Md Lioka hanamafy fa i Joany Batista no ilay Elia voatendry hanambara ny famonjena amin’ny fampitoniana ny hatezerana, amin’ny famelana ny hadisoana ka hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka (Lk 1,17). 

Ny dikan-tenin’ny salamo moa milaza hoe: Izahay tsy handao anao intsony fa velominao izay miantso ny Anaranao. Manahirana ihany ny mahazo ny tian’izany holazaina satria sahala amin’ny hoe avelan’Andriamanitra ho faty any izany izay tsy miantso ny anarany sanatria anie izany. Raha ny marina, ny fehezan-teny hebrio ampiasaina eto dia midika hoe Velomy izahay dia hiantso ny anaranao, toy izany koa no hita ao amin’ireo dikan-teny hafa (grika, frantsay TOB). Izay velomin’Andriamanitra no afaka midera ny anarany, izay ampamirapiratany ny tavany ka mahazo ny famonjena no afaka mitory ny halehibeazany.

Manamafy izany ny Evanjely. Araka ny lovam-panahin’i Israely, mifototra amin’ny faminanian’i Malakia (Ma 3,23) dia tsy maintsy ho avy Elia hanomana ny fiavian’ny Mesia amin’ny fampibebahana sy ny fampivondronana ny olona. Lazain’i Jesoa anefa fa nanaovan’ny olona izay sitraky ny fony izy. Tsy ny fibebahan’ny olona araka izany no niavian’ny Mesia, fa ny hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny famonjena antsika. Izay no nahatonga ahy nanatsidika teny aloha fa “hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka” no asan’i Elia. Tsy ny fibebahan’ny zanaka fa ny fitiavan’ny ray no torìny.

Indraindray, hoy ny Curé d’Ars, mieritreritra isika fa tsy tokony handray kômonio satria tsy mendrika. Tena marina fa tsy mendrika isika ary tokony hekena izany. Saingy ny antony handraisantsika an’i Jesoa dia satria mila Azy isika. Tsy valisoa ho an’ny 99 tsy mila fibebahana tokoa manko ny Kômonio (sy ny Sakramenta rehetra) fa fanafody manasitrana ny fon’ilay tokana nania lavitra ny vala, kanefa lavitry ny fahasambarana.  Tsy isika no mandray Azy (ilay Mpiandry ondry tsara) fa Izy no manao antsika eo an-tsorony, hoentiny ho ao am-bala, hiverina ao amin’ny fahasambarana.

Izany no ampahatsiahivin’ny Papa ny Pretra hoe : tsy valisoa ho an’ny olona lavorary ny Eokaristia fa fanafody mamimaim-poana ary tohan’aina ho an’ny osa (Evangelii Gaudium 47).

Ny fiomanantsika amin’ny fankalazana ny Noely anie hampibebaka ny fontsika ho afaka amin’ny haratsiana ka ho afaka hibanjina ny endrik’Izy Ray, Fitiavana. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy III Fiaviana
PREVIOUS
Alahady fahatelo Fiaviana Taona B
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 5 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahefatra mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fahadimy mandavan-taona 10 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.