Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-25 mandavan-taona

Sabotsy faha-25 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa:Mpitoriteny 11,9–12,8 /Salamo 89
  • Tsy ankasa:Zakaria 2,5-15/Jeremia 31.10,11-12ab, 13
  • Md Lioka 9,44b-45

Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona. Fa tsy azon’izy ireo, na ny marimarina kokoa tsy tian’izy ireo ho azo izany teny izany.

Faniriana ao anatin’ny olona ny hitovy amin’Andriamanitra. Fahamasinana ny fiezahana amin’izany saingy fahafatesana kosa raha diso ilay endrik’Andriamanitra alain-tahaka. I Eva dia nalain’ny devoly fanahy, nilazany fa hitovy amin’Andriamanitra raha mihinana amin’ilay hazo (tsy hanaiky an’Andriamanitra), ary ny endrik’izany andriamanitra izany dia ilay mahalala ka mandidy manapaka izay tsara sy ratsy, tsy noho ny fitiavana fa noho ny fitia hanjakazaka, endrik’andriamanitra toa sanatria mialona ny olona raha ka mitovy Aminy ireny. Tsy fitiavan-tena anefa ny didin’Andriamanitra fa lalana (Torāh) atorony mba hizorantsika amin’ny fahasambarana. Ny Zanany, mitovy Aminy no miantso antsika mba ho lavorary, mba ho mpamindra fo tahaka ny Ray.

I Jesoa izany no mampirisika antsika hihinana amin’ny voan’ny hazo mba hahafahantsika mitovy endrika amin’Andriamanitra. Izy no manaiky ho tonga Voa, hotazana ho sakafon’izay te ho lavorary hanahaka ny fahalavorarian’Andriamanitra. Andriamanitra vonona ny ho faty voafantsika amin’ny hazo, Andriamanitra vonona ny hanome hatramin’ny ainy ho fiainana ho an’ny mpanota: izany no tena endrik’Andrimanaitra marina. Io no ivon’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Tsy mampanantena antsika ny tany malemy hanorenam-pangady Izy fa mampanantena ny fahasambarana, dieny ety an-tany ka ho mandrakizay. Tsy fahasambarana arak’izay heverin’izao tontolo izao akory, fa fahasambarana amin’ny fahazoana fahasoavana hanolo-tena toa Azy, handray anjara amin’ny asam-panavotana natombony ka iantsoany izay rehetra te ho mpianany. Tsy ezaka na finiavan’olombelona anefa no hahatanterahana izany ka hahafahantsika mahazo fa ny maha mpianany antsika dia fanomezana sy fahasoavana avy Aminy ka iezahantsika hiaina araka izany.

“Ataovy tsara ao an-tsofinareo izao teny izao.” Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mikolokolo tahaka ny “voa” nafafy fa ny fitoviana amin’i Kristy manolotra manontolo ny tenany hatreo ambonin’ny hazofijaliana no faratampon’ny voninahitra. Tsy afaka haniry zavatra tsara sy ambony noho izany izay te ho mpianany. Lazain’ny mpahay grika fa ny “mode imperatif aoriste positif” ampiasain’i Lioka, dia nentiny hilazana ny fampianaran’i Jesoa mandidy ny mpianatra hiova fomba fiasa, hiala amin’ny mahazatra ka hanao zavatra tsy mbola nataony mihitsy. Tsy afaka hahazo izany fampianarana vaovao izany izay tsy maniry hihinana ny “voa” afafy dia ny Teny, hany manafaka antsika amin’ny mety ho fifangaroan’ny tsara sy ny ratsy.

Mora ny mitadidy ny ratsy, indrindra izay nianjady tamin’ny tena, ary mampijaly ny fahatsiarovana ny ratsy nataon’ny hafa raha tsy diovin’ny Fanahy amin’ny famelan-keloka, ary mety miteraka lolom-po sy fikotrehana valifaty aza. Ny fitiavana sy ny famelan-keloka ihany no vahaolana mitondra amin’ny fiadanana, ary tsy endrik’Andriamanitra mety mahafinaritra antsika no asain’i Jesoa alaintsika tahaka fa ilay niTeny hoe: “maty eo ambony hazofijaliana ny Mesia nandrasana, ary ny loholona, ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna izay voaantso hanomana ny olona handray Azy no hanary Azy (Evanjely omaly) ary ny olona fatra-piandry Azy, efa nandray Azy teo am-pelatanany, saingy nanaovany izay tiany atao”. Manova ny fomba fiainana manontolo izany ka tsy ny rehetra no afaka handray sy hahazo izany teny izany ary mety tsy ho sahy hanontany akory aza hoe inona no mety ho heviny, tahotra izay efa nahazo ny olona hatrany am-piandohana (Jen 3,10).

Izay mihinana ny voan’ny Hazo ka manaiky fa ilay voa notazana teo dia santa-bokatry ny lanitra, no afaka hahazo ny Hery hahafahana miaina araka izany. Ho fitehirizana sy famelomana ny aina avy amin’i Kristy anie ny Kômonio masina raisintsika ary ny fihainoantsika ny Teniny kosa hampitombo ao amintsika ny faniriana hanahaka Azy eo amin’ny lalan’ny Kalvery, tsy sanatria fitadiavana fijaliana fa fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavany tsy mivadika.  

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-26 mandavan-taona Taona B
PREVIOUS
27 septembre:Fankalazana an’ Md Vincent de Paul, Mpiaro faharoa an’i Madagasikara
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A
  • Sabotsy III Karemy
  • Zomà III Karemy
  • Alakamisy III Karemy
  • ALAROBIA III KAREMY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A 14 mars 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.