Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-22 mandavan-taona

Sabotsy faha-22 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 1 Kôrintianina 4,9-15 /Salamo 144/
  • Tsy ankasa: Kôlôsianina 1,21-23/Salamo 53
  • Md Lioka 6,1-5

Ny tontolo vaovao noharian’i Jesoa, nolazaintsika omaly [nandroahany ny demony tamin’ny herin’ny Teniny (Lk 4,31nm), nanasitranany ny rafozam-bavin’i Piera mba hahafahany manompo (Lk 4,38snm), nampamokatra ny jono nandamoka nandritra ny alina nataon’ireo mpianatra (Lk 5,1-11), nanasitrana ny boka mba ho afaka hanolotra ny fanatitra hankasitrahana (Lk 5,12snm), nampitsangana ilay kilemaina (Lk 5,17snm) ary niantso an’i Levì poblikana ho mpianany sy niara-nisakafo tamin’ny mpanota namany] dia miafara amin’ny שַׁבָּת shabbāth, ny fitsaharana mba higaga sy hibanjina ny hatsaran’ilay Mpahary, tsy mitsahatra ny manasoa ny olona amin’ny alalan’ilay voahosotry ny Fanahy Masina. Ireo izay nohariana ho olom-baovao avy amin’ny batemy, araka izany, dia antsoina mba handray anjara amin’ny fanasana hihinanana ny mofo sy ny divay, mitondra otrik’aina mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ao amin’ny Deoterônômy dia misy antony telo lehibe hitandremana ny Sabata:

  1. ny andro fahafito dia sabata ho an’ny Tompo, ilay andro nitsaharany tamin’ny fahariana ny tontolo, tsy fitsaharana mba hakàna sasatra, fa fitsaharana taorian’ny asany rehetra (Jen 2,3) ka  amasinina amin’ny fibanjinana ny hakanton’ny zavaboary izay hitan’Andriamanitra fa tsara indrindra;
  2. ny andro fahafito koa, dia fankalazana ny hasambarana izay katsahin’ny olona amin’ny asany, ka hanandramana ny fahafahana sy ny fitovizan-jo tanteraka, ka na ny mpampiasa, na ny mpiasa sy andevo, ny tompon-trano sy ny vahiny, eny fa na dia ny biby fiompy aza, dia samy hiala sasatra, hisantatra ny fahasambarana hitovizana sitrak’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra;
  3. ny andro sabata dia hahatsiarovana ny sandry maherin’Andriamanitra nanafaka tamin’ny fanandevozana tany Ejipta, ka ny fahatsiarovana izany dia hampisaotra an’Andriamanitra (Dt 5,12-15).

Efa fisantarana sahady ilay שַׁבָּת (Shabāth – Sabata) lehibe sitrak’Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra no nataon’i Davida: manome ny mofo hohanin’ireo manaraka azy (1Sam 21). Ny hahasambatra ny olona no tanjon’ny Lalàna, ka tsy fandikàna fa fanatanterahana azy ny fanaovana zavatra mahasoa kokoa noho izay takian’ny lalàna. Raha voararan’ny lalàna ohatra ny fampiasana ny olona ny Sabata, hohelohina ve ny hisakafoanany mba hahavelona azy? Ny Mpianatra dia tsy mangalatra araka ny lalàna (Dt 23,26). Ny fihinanana salohim-bary mialoha ny hanaovana fanatitra ho an’ny Tompo (Lev 23,14) sy ny fikarakarana sakafo ny andro Sabata (mikosoka amin’ny tanana) no voarara.

I Davida aza nandika ny lalàna koa hoy i Jesoa ary voarakitra an-tsoratra izany (1Sam 21,1-7): tsy hoe hihinana ny mofo alahatra fotsiny anefa no sitrak’ilay Tompon’ny Sabata fa ny hihinana ny Tenany atolony ho sakafo avy amin’ny Ray ho aina iveloman’ny vahoakany.  Izany moa no nahatonga ny Fiangonana tsikelikely ho resy lahatra ka namindra ny fotoana hivavahana ny alahady, dies dominica, andron’ny Tompo, entina hilazana fa ambony lavitra noho ny fanajana ny lalànan’ny Sabata ny fitandrovana ny Lalànan’ny Fitiavana iveloman’izay mino ka mankalaza an’i Kristy tafatsangan-ko velona, ilay nanala antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahafatesana mba hivelomantsika ny fahafahana amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika amin’ny fiombonana amin’ilay Zanaka lahitokana.

Ho haintsika koa anie ny hiaina araka ny fitiavana ka hampiasa ny lalàna sy ny fahefana hanasoavana fa tsy hamoretana.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-23 mandavan-taona Taona B
PREVIOUS
Zoma faha-22 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy voalohany mandavan-taona 16 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.