Trinitera Malagasy
Sabotsy faha 14 mandavan-taona

Sabotsy faha 14 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Izaia 6,1-8/Salamo 92
  • Tsy ankasa: Jenezy 49,29-33; 50,15-24/Salamo 104
  • Md Matio 10,24-33[1]

“Ny Mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra” (and. 24, mialoha ny Evanjely anio). Ambaran’i Jesoa mazava amin’izay te hanara-dia Azy fa tsy misy lalan-kafa ankoatr’izay nosoritany mba hahatongavana any amin’ny voninahitry ny Ray. Ny fanendrikendrehana faran’izay ratsy no niantsoan’ny “olona” an’i Jesoa: Belzebola (tompon-trano), manao soa amin’ny alalan’i Belzeboba(בַּעַל זְבוּב, – ba‘al zebhoubh– Lk 11,15, tompon’ny lalitra), ka tsy ho latsak’izany no hafitsony izay manelingelina ny tombon-tsoa sy manozongozona ny vahatra hifikiran’ny ratsy. Mazava ny hafatry ny Tompo: Aza matahotra ianareona dia tsy azo hihodivirana aza ny lalan’ny hazofijaliana. Miverina in-3 ao amin’ny evanjely.

Ny tahotra, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona, dia tsy tokony ho sakana tsy hanaovana izay tokony hatao. Ny very saina sy ny mihevitra ny tenany ho andriamanitra no mihevi-tena ho tsy matahotra, ka mahatonga azy ireo matetika hanao zavatra hatahoran’ny olona azy. Manampy ho “malina tahaka ny bibilava” ny tahotra, fa raha sanatria ka tsy voafehy dia hanjary sakana hampiraviravy tanana. Ny fitokisana no hahafahana mandresy azy ary izany no hamafisin’i Jesoa ao am-pon’ny Mpianany: “tsy mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ve ianareo” (Mt 6,26)?

Tsy ny tahotra araka izany fa ny fitiavana no tokony hibaiko ny fiainana, ary ny fitiavana lavorary no mandroaka ny tahotra, hoy i Md Joany (1Jo 4,18), ka hanekentsika hotarihin’ilay Fanahy loharanon’aina (2Kôr 5,14). Tsy mora ny miaina ny maha kristianina, indrindra manoloana ny trangan-javatra hiatrehana ny be noho vitsy, ka mahatonga ny sarambabe hisafidy hijanona amin’ny mahazatra, kanefa ny Evanjely dia miantso ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Zavatra iray monja no tokony hatahorantsika: ny fiainana zary fako eo anatrehan’Andriamanitra ka havariny any amin’ny gehena[2].

Mba hampisy heviny ny fiainana àry dia antsoin’i Jesoa hitory tsy amin-tahotra ny zavatra nolazaina tao amin’ny maizina isika. Ny haizina moa eto dia σκοτία (skotia), tsy hilazana fotsiny ny tsy fahampiana hazavana fa ilazana ihany koa ny mbola tsy fahalavorarian’ny fahalalana an’Andriamanitra, σκότος (skotos), tahaka ireo Apôstôly talohan’ny fitsanganan-ko velona. Antsoiny anefa isika hitory izany amin’ny mazava, amin’ny fahazoana mazava (φῶς– phôs) ny Evanjeliny, satria efa nohazavain’ny Fitsanganany ho velona. Asainy isika hitory fa fahasambarana sy fahombiazan’ny fiainana ny fahafatesana eo ambonin’ny hazofijaliana, fiainana natolotra manontolo ho porofom-pitiavana; araka izany dia tsy tokony hatahotra ny tsy hahomby, na sanatria hatahotra ny tsy hohenoin-teny ka horoahina hiala amin’ny fiaraha-monina na hovonoina ny mpianatra, satria tsy misy na iza na iza afaka hanakana ny fielezan’ny Evanjely (Sal 18).

Izay manda (ἀρνέομαι – arneomai) an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona, izay tsy manaiky Azy ho rahalahy, tsy manaiky handray ny zanaky ny Ray ho toy ny mpiray tampo, dia mazava loatra fa manala tena tsy ho zanaky ny Rainy. Na handà  (ἀρνέομαι – arneomai)tsy hahalala Azy tahaka an’i Piera aza anefa isika (Mt 26,70 snm) dia mahatoky mandrakariva Izy niantso antsika. Sitrany kosa anefa ny hanavaozantsika ny fitiavantsika Azy, ka hanaporofoantsika izany amin’ny famahanana, amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo zandriny, ondry ankininy amin’ny Fiangonany.

Izay hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, izany hoe izay hanambara am-pahibemaso (ὁμολογέω – homologeô) fa miaro ny tombon-tsoako, dia hoekeko koa eo anatrehan’ny Raiko; izay mandà ahy, izay tsy hiraharaha ny tombon-tsoako (ἀρνέομαι – arneomai), dia holaviko koa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Tsy misy heviny eo anatrehany izay fiainana tsy nolaniana mba hikatsahana ny tombon-tsoany, dia tsy inona fa ny fahasambarantsika sy ny an’ny zanany rehetra mandrakizay.

Manazava izany i Md Paoly, manoratra ho an’i Timôte, satria fantany fa tsy mora ny maharitra amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy manoloana ny fanenjehana, indrindra moa rehefa ny sakaiza nitokisana aza nivadika.  Ny faharetana (izay velomin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa ho velona) no hiaraha-manjaka amin’i Kristy, hoy izy. Raha mandà an’i Jesoa isika dia tsy maintsy holaviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika Aminy (ἀπιστέω – apisteô) kosa isika, raha namitaka Azy, na ny marimarina kokoa mamita-tenaka tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1Kôr 1,9), satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha sambatra antsika Izy, ary matoky antsika mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany (2Tm 2,8-15).

Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana an’ilay Andriamanitra fatra-pitia antsika, dia ilay Ray Mahefa ny zavatra rehetra.

[1] Alahady 12 A

[2]Ny lohasahan’i Hinnom, γέεννα (geenna), avy amin’ny teny hebrio גַּיְא- הִנֹּם (Gaie’-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany am-piandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2Mp 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Moloch, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe gehena.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha 14 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha 14 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.