Trinitera Malagasy
Sabotsy faha 13 mandavan-taona

Sabotsy faha 13 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Amôsy 9,11-15/Salamo 84
  • Tsy ankasa: Jenezy 27,1-5.15-29/Salamo 134
  • Md Matio 9,14-17

“Nahoana ny mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina (τελώνης- telônès, mpangoron-ketra) sy ny mpanota?”Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny mason’ny olona ny fandraisan’ny mpanota kômonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera (ἰατρός – iatros) fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny kômonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana, tsy ny hifanampy mba hibebaka sy ho masina no imasoana fa ny hihatsara velatsihy hihevitra ho tsara kokoa noho ny hafa.

Iza ary no afaka sy tsy afaka handray kômonio? Mazava ny fampianaran’ny Fiangonana saingy vokatry ny fihatsaram-belatsihy sy ny finoana tsy mifototra amin’ny Evanjely dia tonga fanafintohinana mazàna ny fampiharana ireo fepetra napetraka mba hanampy ny olona hiroso bebe kokoa amin’ny fahamasinana. Lazaiko matetika amin’ny kristianina fa mitovy ny hasin’ny Kômonio ao amin’ny mofo sy ny divay, sy ny hasin’ny Kômonio amin’ny kristianina miombona ho vatana iray ao amin’i Kristy. Ny tsy fanajana ny iray amin’ireo dia tsy fanajàna ny Vatan’i Kristy.

I Kristy no ilay “Mpampakatra” miantso io vatana io ho tonga nofo iray Aminy, ka miantso ny “ampakarina” ho amin’ny Fanasan’ny Zanak’ondry, ho amin’ny fety tsy manam-pahataperana izay santarina amin’ny Eokaristia. Izy no “Mpampakatra”, tapa-damba vaovao sy divay vaovao tsy afaka mifangaro amin’ny tonta.

Tsy fahatsiarovana ny lasa na sanatria fanembonana ny ho avy ny fampianaran’ny Evanjely fa fiainana ny “anio”, ahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny vahoakany (Lk 4,21). Izay mahatsapa izany dia tsy afaka ny tsy hifaly: tsy afaka hisaona ny “zanaky ny mpampakatra”, ireo izay voaantso amin’ny fanasan’ny zanak’ondry. Ho an’ny mpianatr’i Joany batista dia mila fibebahana, mila famolahan-tena sy fifadian-kanina mba hahafahana miaina ny fitiavan’Andriamanitra. Ho an’i Jesoa, ny famindram-pon’Andriamanitra no mialoha ny ezaka ataontsika sy hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny lalam-pahasambarana atorony.

Lazain’i Jesoa fa hifady hanina ihany koa ny mpianatra rehefa hoesorina hiala aminy ny mpampakatra. Tsy mbola feno ny fiombonantsika amin’i Kristy. Tahaka ireo Apôstôly,rehefa zomà masina koa isika, dia miandrandra ilay Paka mandrakizay, hankalazana ny Fanasana tsy manam-pahapaterana any amin’ny Fanjakany. Fa ety an-dalana mankany dia asainy mifady hanina isika mba hahafahana mizara ny eo am-pelatanana amin’ny mahantra sy ny noana, hampiantrano ny tsy manan-kialofana, hampitafy izay miboridana, hanafaka ny mpifatotra sy hanapaka ny jiogan’ny fanandevozana (Iz 58,6snm). Ireo no endrika sitrak’ilay “Mpampakatra” hisehoana ka hitiavantsika Azy (Mt 25,35snm) ka hahafahantsika miditra amin’ny fanjakana nomaniny ho antsika.

Ho haintsika anie ny hitahiry ny akanjo vaovao nampitafiana antsika tamin’ny Batemy ka hahafahantsika miditra amin’ny fampakarana (Mt 22,11) rehefa manaiky hoentanin’ny Fanahy Masina, divay vaovao mitarika antsika hiala amin’ny olona tranainy ka hizorantsika amin’ny Fiainam-baovao araka Evanjeliny.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA 14 MANDAVAN-TAONA – Taona D
PREVIOUS
Zoma faha 13 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.