Ny Fo Masin’i Jesoa
Ny Fankalazana ny Fitiavan’Andriamanitra nasehon’ny Fo Masin’i Jesoa antsika dia andro tsy manam-paharoa ho antsika hanavaozana ny zotom-po hanamasin-tena ary tsy hoe kisendrasendra no nanokanana ity andro ity ho fanamasinan-tenan’ny Pretra.
« Ry Fon’i Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay ». Izany no vavaka ataontsika matetika ho fanajana sy fangataham-pahasoavana amin’ny Fo Masin’i Jesoa. Tsy vokatry ny sentosentom-po anefa izany fa araka ny hafany ho antsika ihany: « Nomeko ohatra ianareo mba hanaovanareo tahaka ny nataoko taminareo » (Jo 13,15).
Tsy mihanona amin’ny fahendren’ny Ntaolo fotsiny araka izany ny fifankatiavana kristianina. Tsy mihanona amin’ny hoe tia ny namana tahaka ny tena. Mihoatra lavitra noho izany satria ho tia ny namana tahaka ny « itiavan’i Jesoa ». Tsy ny tena sy izay mety ho fahendreny araka izany no handanjalanja izay tokony hatao. Ao amin’ny Fon’i Jesoa no hakantsika ny oha-pitiavana. Ao no higohantsika ny fitiavan’Andriamanitra, indrindra amin’ireo Sakramenta nomeny antsika hanamasinantsika tena, araka ny lazain’ny Prefasy hoe « niboiboika avy amin’ny Fon’i Jesoa, ny rano sy Ra, loharanon’izany Sakramenta izany. »
Sady miarahaba ireo Fikambanan-dRelijiozy mitondra manokana ny anarana sy ny Fanajana ny Fo Masin’i Jesoa ary isika androany, no hanavao ihany koa ny fitokisantsika ny fitiavan’Andriamanitra, izay miantso antsika hanankina ny Fijaliantsika eo am-pelatanany ka hahaizantsika hitondra izany tahaka ny nitondran’i Kristy ny Jioga nanavotany antsika. Ny fanolorantsika ny fahoriantsika sy ny fahorian’ny olombelona rehetra ho sorom-panavotana miaraka amin’ny Soron’i Kristy no manamaivana ny Jioga entintsika, satria tsapantsika amin’izany ny hasarobidin’ny fitiavana ary izany no manamafy orina ny finoantsika.
Ireo Vakiteny ankalazana ny fankalazana ny Fetin’ny Fo Masin’i Jesoa dia manampy antsika hibanjina ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra Ray asehony miharihary ao amin’ny Zanany.
Mampahatsiaro ny maha olom-boafidin’Andriamanitra antsika ny Vakiteny I A (Dt 7,6-11), ka raha avy amin’Andriamanitra isika, hoy i Joany (Vakiteny II A 1Jo 4,7-16),dia ny « fitiavana » no hitsarana antsika, ka fitiavana tsy araka ny fiheverantsika, fa araka ny nitiavany antsika: izay mitoetra ao amin’ny Fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra. Didy iray mahafaoka be anefa ny Fitiavana, ka tsara ny hametsoventsoantsika ny antsan’ny Fitiavana navelan’i Md Paoly ho antsika: Ilay fanomezana ambony indrindra (1Kôr 13), mba hamelombelomantsika isan’andro ny Fitiavan’Andriamanitra asehony amintsika. Izay mahatsiaro ho notiavina no afaka hiantsa ny Sal 102 (setriny A) satria sady manasitrana ny aretim-panahy Andriamanitra, sady mamela heloka no manasitrana ny aretina rehetra, manavotra ny aina amin’ny hady ary manolotra fitiavana sy indrafo.
Taona A (Fo Masin’i Jesoa)
- Deterônômy 7, 6-11
- Salamo 102, 1-10
- 1 Joany 4, 7-16
- Md Matio 11,25-30
“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany”. Ny nadika hoe “misaotra moa eto dia ny teny hoe ἐξομολογέω – exomologeô izay tsy fisaorana fe fisaorana fa fahafantarana sy fiekena ny olona iray araka ny maha izy azy. Ny tsy fahalalàna ny tena endrik’Andriamanitra dia mety hampidi-doza tahaka ny nahazo an’i Betsaida sy Kôrazìna, satria hisafidy ny lalan-diso hitondra mankamin’ny fahaverezana.
Ambaran’i Jesoa amintsika fa rehefa mijaly noho ny vesatra manonjan’ny hazofijaliana isika, (σταυρός – stauros, amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsato-kazo iray hiankinan’ny asa fanorenana) dia mila miverina amin’ny fibanjinana Azy, hany fanambarana (révélation) ny Ray, mba tsy hanompoana andriamanitra hamarina antsika any amin’ny fitoeran’ny maty. Tsy fahalalana vokatry ny fiezahan’ny sain’olombelona anefa izany fa fahalalana asehon’ny Zanaka amin’izay tiany hanehoana ny Ray, ka ireo tso-po no nanambarany izany. Ny tso-po moa no nandikana ny νήπιος – nèpios, fa raha ny marina dia hoe zaza bodo no tena dikany, ny ankizy tsy mahavita tena fa miankina mandrakariva amin’ny hafa. Zava-mahagaga sy mahatalanjona ataon’Andriamanitra ny hanafoana ny fahendrena sy hampanjavona ny fahalalana avy amin’ny ezaky ny olona (Iz 29,14), ka tsy hitoriana afa-tsy i Kristy voafantsika tamin’ny hazofijaliana izay fanafintohinana ho an’ny Jody sy hadalana ho an’ny hafa firenena (1Kôr 1,23). Io no fanambarana ny tena endrik’ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ka hahalalantsika (ἐπιγινώσκω – epiginôskô) Azy marina tokoa, hahafahantsika miray petsapetsa Aminy, tonga fianakaviana iray Aminy. Ny tso-po, ny νήπιος – nèpios no afaka handova ny fanjakany, satria tsy hiankina amin’ny fahendrena amam-pahaizany fa hanankina ny aminy rehetra amin’ilay Ray tia ny zanany rehetra.
Mankanesa aty amiko (δεῦτε πρός με – deute pros me, Mt 11,28 BYZ) ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana. Antsoin’i Jesoa ho eo anilany ireo izay nantsoiny hanaraka Azy (δεῦτε ὀπίσω μου – deute opisô mou, Mt 4,19 BYZ), antsoiny mba hitondra ny jiogany. “Mora entina ny jiogany, ary maivana ny didiny »[1] (Evanjely Mt 11,25-30). Atao ahoana anefa ny hahazo izany tenin’i Kristy izany rehefa sendra ny mangidy tsy telina sy ny patsa iray tsy omby vava?
Ny Jioga dia fantatsika fa tandindon’ny fanandevozana[2], fitaovana atao eo an-tsoroky ny biby ampiasaina, na mety hanambàrana azy hiara-miasa. Ny jioga koa anefa, teo amin’ny fomba fiheveran’ireo mpampianatr’i Israely dia nentina nilazana ny Tōrāh, nisy ny nantsoina hoe “‘ol malkhout shama’ìm”, jiogan’ny fanjakan’ny lanitra hilazana ny fanarahana ny Lalàn’ny Fanjakan’ny lanitra (עָלַל- ‘ālal, agir sévèrement). Raha miantso antsika hitondra ny jiogany ary i Kristy, jioga inona no tiany hoentintsika?
Izay mitondra ny jiogan’i Kristy aloha dia manaiky ny hiasa ho Azy. Izy rahateo no efa mitondra ny jioga. Ny jioga moa, amin’ny traikefam-piainana hitantsika no hahafahana mampiasa ny tanjaky ny biby zogaina araka ny ilana azy (sarety, angadin’omby…), io ny jioga manandevo, satria ny tombon-tsoan’ilay mpanjoga ny omby no tadiavina. “Sasa-poana ny mifoha maraim-be sy ny miari-tory tara fandriana mba hihinana ny hanim-pahoriana”, hoy ny Sal 127,2a. Ho an’i Jesoa dia efa tsinjon’ny Ray izay ilain’ny zanany tiany, ka “tolorany soa, dieny mbola matory am-pandriana” (Sal 127,2b).
Mba hahazoana an-tsaina izany jioga, izay vesatra kanefa lazain’i Jesoa fa maivana izany, dia azontsika dinihina ny salohim-bary. Ny salohy manakofa dia miatrana, manondro lanitra; ny salohy matoy kosa, miondrika an-tany, mitolefika, mizaka ny vesatry ny voa. Izay mahatsapa fa ny fahavokarana no mampilofika azy, ho sambatra satria tsy hitondra akofa ho paohin’ny rivotra sanatria fa vokatra hameno hafaliana ny mpamboly kosa.
Fa ny jioga koa no manambatra antsika amin’izay tsy maintsy hiara-miasa amintsika. Io ilay hazofijaliana[3] takian’ny fifankatiavana araka ny ambaran’ny Evanjely amintsika: « naniraka ny mpianany tsiroaroa i Kristy » (Mk 6,7)[4], mba hampiseho ny hatsaran’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy (Sal 133,1) hahalalan’ny olona ireo mpianany.
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa ny fanehoana izany fifankatiavana izany eo anivon’ny fiaraha-monina, araka ny fahendren-drazana hoe: « Ny havan-tiana tsy hiaraha-monina« , saingy niainany niaraka tamin’ny hoe: « ny ela maharay roa« . Ao amin’i Kristy malemy fanahy sy manetry tena ao am-po no hianarantsika mitia. Ny salamo setriny (Sal 144) dia mitanisa ny hatsaran’Andriamanitra, ilay miantso antsika ho lavorary tahaka Azy (Mt 5,48 //Lk 6,36): antra sy mangoraka, tsy malaky tezitra, tsara amin’izay atao rehetra, marina sy tsara fo, mamonjy izay miantso azy. Ny fiainana toy izany no hahazoantsika fiadanana ao am-pontsika.
Amin’ny Taona B dia ny Bokin’i Ôsea Mpaminany no vakiana, mampahatsiaro ilay fitiavan-dreny (raḥamîm) itiavan’Andriamanitra antsika na dia eo aza ny tsy fitandremantsika ny lalany, ka izay mahatsapa izany dia tsy hisalasala hiantsa sy hitory ny zava-bitan’Andriamanitra anehoany ny fahamasinany (Iz 12, setriny B). Fahasoavana no hahafahana mitory amin’ny jentily ny haren’i Kristy ka hahafahan’izy ireo koa mahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra (Ef 3,8-12.14-19 Taona B).
Taona B (Fo Masin’i Jesoa)
- Osea 11, 1b,3-4.8d-9
- Izaia 12, 2-5
- Efeziana 3, 8-12.14-19
- Md Joany 19,31-37
Maty i Jesoa, nahatontosa ny zavatra rehetra, nanondrika ny lohany ary nanome antsika ny Fanahy.
Zoma andro fiomanana tamin’ny Paka tamin’izany, ka aleon’ny Jody ny fahafatesan’ny jiolahy no hafainganina, amin’ny fanapahana ny tongony, ho amin’ny fijaliana bebe kokoa, toy izay hisy faty mihantona amin’ny andro sabbata.
Ho an’ireo jiolahy niara-nifantsika tamin’i Jesoa izany fijaliana izany. Tsara ho marihina fa any amin’ny andininy 18 dia lazain’i Joany fa teo akaikin’i Jesoa ireo jiolahy (μετ᾽αὐτοῦ ἄλλους δύο – met’autou allous duo, Jo 19,18 BYZ). Eto dia efa miara-mifantsika (συσταυρόω – sustauroô) amin’i Jesoa izy ireo (καὶ τοῦ ἄλλου τοῦ συσταυρωθέντος αὐτῷ – kai tou allou tou sustaurôthentos autôi, Jo 19,32 BYZ). Ny fanantenana ny hihaona amin’ilay “Marina” any amin’ny Fanjakany no fanantenana entin’izy ireo hiatrika izany fampijaliana hanafaingana ny fialany aina izany. Ho an’i Jesoa kosa, efa maty Izy raha ny amin’ity fiainana ity, ka mba hanamarinana izany dia nolefonin’ny miaramila iray ny fony ka nisy rano ry ra nivoaka tamin’izay. Velona mandrakizay any amin’ny voninahitry ny Ray kosa Izy, mametraka ny Fanahiny eo am-pelatanany.
Dia nivoaka ny rano sy ra, manambara ny fahafahana sy ny fanekem-pihavanana vaovao, manambara ny fahaterahana ho amin’ny fiainana any ambony avy amin’ny rano sy ny Fanahy Masina (Jo 3,1snm). Tahaka ny nahaterahan’i Eva, ilay renin’ny fahavelomana no ahaterahan’ny Eglizy avy amin’ny lanivoan’ilay Adama vaovao, matory eo ambonin’ny hazofijaliana. Zavatra “normale” ny fivoahan’ny rano sy ra, saingy lazain’i Joany fa niaraka tamin’izay (εὐθύς– euthus) no nivoahan’izany Rano sy Ra izany, satria izany no entin’Andriamanitra manambara fa tsy mangataka andro Izy manao sonia eo imason’izao tontolo izao ny fitiavany izay efa nambarany tao amin’ny Soratra Masina ka hita tanteraka amin’ny misterin’ny Hazofijaliana: hijery izay nolefoniny Izy (Za 12,10b), izay mampahatsiaro ny tantaran’ilay Mpanjaka marina izay matin’ny zana-tsipìkan’ny Ejipsiana tany Meghidò (2Mp 23,21-30; 2Tan 35,23-25), saingy ampahatsiahivin’i Zakaria fa na dia izany aza mandresy mandrakariva ny tsara, satria Andriamanitra hampidina Fanahy fahasoavana amam-pifonana.
Izy no ilay Zanak’ondrin’ny Paka ka tsy ho tapahina ny taolany (Eks 12,13.23), Izy no ilay marina (Sal 34,21), zanak’ondry tsy misy kilema novonoina mba hanavotra antsika amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny rany.
Amin’ny fanombohan’ny Evanjeliny dia efa nambaran’i Joany fa “tahaka ny hanandratan’i Môizy ny Bibilava tany an’efitra no hanandratana ny zanak’olona koa, mba hananan’izay rehetra mino azy ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,14snm).
Io fahafatesana izay fisandratany io manko dia tsy fahataperan’ny fiainana fa fiverenany any amin’ny Ray mba hahafahany mitoetra mandrakizay eo anivon’ireo mpianany, io no niakarany amin’ny voninahitra ka hahafahany mandefa ilay Mpanafaka alahelo hitarika ny olona rehetra hanatona Azy. Ny Evanjely Sinôptika dia milaza fa triatra nisaraka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-Toerana Masina (Mk 15,38; Mt 27,51a; ho an’i Lioka dia alohan’ny hahafatesan’i Jesoa Lk 23,45), ary izay nahita dia niaiky fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra (Mk 15,39b; Mt 27,54), ilay Marina (Lk 23,47). Ho an’i Matio moa dia teo ny horohoron-tany, manambara ny fisehoan’Andriamanitra ary lazainy mazava fa nitsangan-ko velona ny olo-marina (Mt 27,51b-54), ho an’i Lioka dia ny fibebahana no fanehoana ny fitsanganan-ko velona ho an’ireo nibanjina (theoreô – théorie) ny hazofijaliana (Lk 23,48).
Ho an’i Joany kosa, ny fony, izay namoaka ny rano sy ra, dia loharano miboiboikan’ny Sakramentan’ny Fiangonana, ilay loharano miboiboika hanasa ny fahotana sy ny fahalotoana rehetra (Za 13,1), ilay loharanon’ny Tompo hanovozana an-kafaliana ny vonjin’ny Tompo (Iz 12, setriny B), fo nolefonina mba tsy hitahiry na inona na inona intsony, ka ho lapa hidirantsika kosa, hahafahantsika monina ao amin’ny fitiavany, ary hitahirizany izao tontolo izao ao amin’ny Fitiavan’ny Ray.
Ilay nahita no milaza ka afaka milaza ny marina. Ny fitiavana lavorarin’izay mahita ka mino fa i Kristy maty notsindromin’ny lefona eo ambonin’ny hazofijaliana ihany no afaka hijoro ho vavolombelona marina tokoa. Mankalaza ny Fo Masin’i Jesoa isika ka ny fibanjinana azy, ny fahitana ny fitiavan’Andriamanitra mirehitra eo aminy no hahafahantsika ihany koa mijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, tsy amin’ny sentosentom-pivavahana fa amin’ny fiainana vonton’izany fitiavana izany, halemy fanahy sy hanetry tena ao am-po tahaka an’i Jesoa, ka hitondra ny hafa koa amin’ny finoana, hilaza fa tena mpivavaka marina tokoa isika, ka hahatarika ny olona rehetra hahalala sy ho tia ny Tompo (Za 14,8snm).
Taona D (Fo Masin’i Jesoa)
- Ezekiela 34,11-16
- Salamo 22
- Rômanina 5, 5-11
- Md Lioka 15, 3-7
Inona no ataon’Andriamanitra amin’ireo olona mandà tsy hiditra ao amin’ny fanasany? Ambaran’i Mikea Mpaminany (Mikea 7, 14-20) fa Andriamanitra mpamela heloka ny Andriamanitr’Israely. Amaranany ny Bokiny ny fangatahana amin’YHWH mba ampiseho amin’i Jakoba ny fahamarinany, ary hampiseho amin’i Abrahama ny famindram-pony, amin’ny fanariana any anaty ranomasina ny fahotana. Izy irery ihany no Andriamanitra manesotra ny fahotana sy mamela fahadisoana, hoy ny Mpaminany Mikea. Tsy ny mpanota no harian’Andriamanitra araka izany fa ny fahotana.
Ny loza, hoy Md Augustin dia ny ampifangaroantsika ny mpanota sy ny fahotana, ka noho ny fankahalana ny ota dia mety ho azom-pakam-panahy koa hankahala ny mpanota, na noho ny fitiavana ny mpanota dia mety hivarilavo koa ao anatin’ny fahotana: ny mpanota avotana (tiavina) fa ny fahotana kosa ankahalaina (iadiana).
Dia ahoana izany ny afobe? Tsisy voasazy intsony izany fa voavonjy daholo? Dia ho vitan’Andriamanitra ve ny hamela ny zanany ho very satria mafy loha tsy nanaiky Azy, raha toa ka lazain’i Md Paoly fa tsy tambin’ny ezaka vitantsika ny lanitra fa fahasoavana maimaim-poana avy Aminy?
Efa niverimberina matetika teto izany fanontaniana izany. Tsy Andriamanitra no nandavaka hantsana hampisaraka an’ilay mpanakarena sy Lazara tany am-paradisa fa ny fomba fiainany isan’andro, nihevitra ho ambony ka ny fanasana sy ny fihinanam-be, ny akanjo lafovidy sy ny rendrarendra no nimasohany. Tsy Andriamanitra no hanasazy ireo nanankinana ny foto-boalobony fa ny nenina rehefa hahita ny hafa mampamokatra ny fanjakan’Andriamanitra. Fanomanana ny fiainana mandrakizay ity fiainana ity, ka ny akofa paohin-drivotra dia tsy maintsy hariana, ny vokatra kosa angonina any an-tsopitra. Anjaran’ny tsirairay ny mampisy lanjany ny fiainany, eo anatrehan’Andriamanitra mba tsy hanenenany mandrakizay, rehefa ho avy ny andron’ny am-pamoaka. (Dia antsoy amin’izay tianareo hiantsoana azy izany nenina mandrakizay izany).
Mialoha ny hilazany ny hafalian’ny Ray amin’ny fiverenan’ny zanany anefa dia lazain’i Lioka fa mety ho toy ny ondry isika, maniasia “tsy am-pahalalana” tahaka ny lazain’i Md Paoly (1 Tim 1, 12-17) ka mitaraina sy mikiakiaka, mibarareoka, mitaraina tahaka ny mpihira salamo mahatsiaro ny Didin’ny Tompony (Salamo 119, 176) mandrapaha-tongan’ilay mpiandry hitondra an-tsoroka antsika ho any am-bala. Mety ho tahaka ny dragma (vola tsangan’olona) isika, latsaka tsy misy mpahita, tsy afaka ny hitaraina akory, angamba amin’ny fotoana hilatsahana ihany, ka hiandry ilay tompony hifafa ny trano rehetra mba hahitany azy indray.
Ho an’izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiaraha-misakafo ataon’i Jesoa miaraka amin’ny mpamadika tanindrazana (poblikana) sy ny mpanota moa ity fanoharana ity. Tsikaritry ny mpandinika Baiboly sasany ny fifanarahan’ireo fanoharana telo ampiasain’i Lioka mba hilazana amin’ny farisianina sy ny Jody fa tsy feno fatra ny hafalian’ny Ray raha tsy vory avokoa ny zanany rehetra. Ny ondry very eo amin’i Israely dia entin’i Jesoa an-tsoroka, miara-misakafo aminy; ny olona rehetra eny amin’ny kion-dalana dia sahala amin’ny vola latsaka, saingy efa voaangona koa, satria nofafany ny trano manontolo; ilay zoky variana niasa any an-tsaha, manantena ny handova irery ny fanjakana no hany sisa any ivelany, mahatonga an-dRainy hivoaka any mba hiangavy azy hiara-paly.
Tsy mihanona amin’ny tsy fananana na inona na inona lazain’ny toko faha-14 (Lk 14, 33) ihany araka izany ny lalàm-pahamasinana fa tonga hatrany amin’ny fanadiovana izay mety ho avonavona niheverantsika ho zanaka mahafatra-po, kanefa tsy afa-mifaly fa miaina tsy toy ny zanaka fa toy ny mpanompo.
Hanampy antsika hifaly amin’ny fibebahana, asan’ny Fanahy, tanteraka eo amin’ny fianantsika sy ny fiainan’ny hafa anie ny fanekena ny Teny hanova ny fiainantsika.
Litanian’ny Fo Masin’i Jesoa
Tompo ô,
mamindrà fo aminay,
Kristy ô,
mamindrà fo aminay,
Tompo ô,
henoy izahay,
Kristy ô,
ekeo ny fangatahanay,
Andiamanitra Ray any an-danitra,
mamindrà fo aminay,
Andriamanitra Zanaka mpanavotra ny olona,
mamindrà fo aminay,
Andriamanitra Fanahy Masina,
mamindrà fo aminay,
Andriamanitra tokana olona telo,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, Zanaky ny Ray mandrakazay ô,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ny Reny Virjiny,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay miray tena amin’ny Tenin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, be fahandrianana indrindra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, Tempoly masin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay itoeran’ny Avo indrindra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, Tranon’Andriamanitra sy varavaran’ny lanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, mirehi-pitiavana,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, henika fahamarinana sy fitiavana an’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, feno fahazavam-po sy fitiavana anay,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay endrehin’ny hatsaram-panahy rehetra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, mendrika ankalazaina indrindra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, mpanjaka sy mpitarika ny fo rehetra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, fitoeran’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahaizana rehetra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay isian’ny fomban’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay nankasitrahan’ny Ray indrindra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay iavian’ny soa rehetra ho anay,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay nirian’ny Patriarka sy Mpaminany,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, be fandeferana sy famindram-po,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, mpanome be izay miantso Anao,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fiainana sy ny fahamasinana,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, onitry ny fahotanay,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, tototry ny fanevatevana,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, torotoro noho ny helokay,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, nanaiky ambara-pahafaty,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, notrebonin’ny lefona,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fanalana alahelo rehetra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay nampiaina anay sy nanangana anay ho velona,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, izay mampiadana anay sy mampihavana anay amin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, sorona ho an’ny mpanota,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, vonjin’izay miankina aminao,
mamindrà fo aminay,
Ry Fon’i Jesoa, fanantenan’izay miala aina ao aminao,
Ry Fon’i Jesoa, hafalian’ny Olomasina rehetra,
mamindrà fo aminay,
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
hadinoy ny fahotanay, ry Tompo.
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.
Mp. / Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po.
Val. / Ataovy manahaka ny Fonao ny fonay.
Aoka isika hivavaka
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, mba tsinjovy ny Fon’ny Zanakao malalanao sy ny fiderana ary ny fanonerana atolony Anao ho anay mpanota.
Aoka hampionona ny hatezeranao iznay ary avelao ny helok’izay mangataka ny famindram-ponao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakao. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.
[1]ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν – ho gar zugos mou chrèstos kai to phortion mou elaphron estin (Mt 11,30 Byz) ara-bakiteny: fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako… Araka ny diksiônera Bailly: dia mahasoa, mitondra hasambarana no dikan’io.
[2]Azo jerena ohatra Jen 27,40; Lev 26,13; Fan 19,2; Dt 21,3; 28,48; 1Sam 6,7; 1Mp 12,4.9snm.14; 2Tan 10,4.9snm.14; Iz 9,4; 10,27; 14,25; 23,10; 47,6; 58,6.9; Jr 2,20; 5,5; 27,8, 11snm; 28,2.4.10snm; 30,8; Fit 1,14; 3,27; 5,5; Ez 30,18; 34,27; Os 11,4; Nah 1,13; Mt 11,29snm; Asa 15,10; 2Kôr 6,14; Ga 5,1; 1Tm 6,1 milaza ny momba ny jioga.
[3] Jereo alahady faha-13 A
[4]Jo 13,35