Trinitera Malagasy
Md VINCENT De Paul, 

Md VINCENT De Paul, 

Njara Pascal

Pretra Mpiaro faharoa an’i Madagasikara

  • Izaia 58, 5-11
  • Salamo 111
  • 1 Korintianina 1, 26-31
  • Md Matio 9,35-38

Ny Fitiava-namana no mampiavaka ity olomasina ity ka izany no avoatr’ireo Vakiteny nosafidiana hankalazana ny fetiny. 

Ny Bokin’Izaia Mpaminany (Iz 58, 5-11, ny Salamo setriny (Sal 111) mbamin’ny Vakiteny II (1 Kor 1, 26-31) dia lazain’ny fampianarana nataon’i Md Vincent amin’ireo zanany ara-panahy amin’ny teny hafa hoe : 

« Ny fanompoana. Ny mahantra no aoka hataonareo vaindoan-draharaha sy haha dodona anareo. Raha amin’ny ora fanaovana fandihinana masina aza ianareo no tsy maintsy hizara fanafody, na misy mahantra mila vonjy tampoka, dia ataovy amim-piadanana izany. Atolory an’ Andriamanitra io asa ataonareo io, dia hanjary vavaka ho anareo. Aza sahiran-kevitra hoe tsy nivavaka, raha fa-nompoana ny mahantra no antony tsy nanaovanareo ny fandinihana masina. Tsy mandao velively an’Andriamanitra ianareo, raha mandao an’Andriamanitra ho an’Andriamanitra, izany hoe raha mamela ny asan’Andria-manitra iray hanaovana asan’ Andriamanitra hafa.

Koa raha mamela ny fandinihana masina ianareo satria hamonjy mahantra, dia fantaro fa asan’Andriamanitra izany. Ny fitiavana no voalohany indrindra amin’ny lalàna rehetra, ka ny fanoavana azy no tokony hampiharina raha manatanteraka ny lalàna zandriny.

Andrian-dehibe ny fitiavana, ka tsy maintsy tanterahina ny didiny. Tsy hatahotra ny fahafatesana izay rehetra nitia ny mahantra fahavelony. Koa tompoy amim-pitiavana lavorary ny mahantra, indrindra ireo izay tsy manam-piahy. Fa izy ireo no andriana sy mpampiasa antsika ». 

 Ny fanasoavana ny mahantra no hahafahana mirehareha ao amin’ny Tompo satria izay no hahatongavana ho sakaizan’ny mahantra, ka mazava ho azy sakaizan’Andriamanitra, hoy Md Vincent. 

Ao amin’ny Evanjely dia lazain’i Matio ny fomba entin’ilay Emanoela manafaka antsika amin’ny toe-pahotana, tsy hahafahana mitia marina tokoa, indrindra amin’ny fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra sy ny famerenana amin’ny laoniny indray ny simban’ny aretina sy ny rofy. Mampahory sy mampangoraka an’i Jesoa (splanchnizomai amin’ny teny grika, Andriamanitra mamindra fo sy miantra – rahum vehanun amin’ny teny hebrio) ny mahita ny vahoaka toa ondry tsy misy mpiandry, tsy misy mpanangona. 

« Ny vary hojinjaina be fa ny mpijinja no vitsy« . 

Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina izany dia hoe “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja: hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’ny Evanjely (Matio sy Lioka) fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny grika ekballô eto, izay midika ara-bakiteny hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (therismos), izany hoe amin’ny fanangonana ny olona rehetra ho ao an-tsompitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka satria tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitorina izay hiantsoana ny olona amin’izany Fiangonana izany fa fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany. 

Ny fijinjana ankinina amin’ny mpianatra araka izany dia ny fitondrana ny famonjen’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Mba hanatanterahan’izy ireo izany dia ny fahefana nentin’i Jesoa nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra no nomeny ny mpianatra niaraka tamin’ny fahefana handroaka fanahy maloto. Io ilay fahefana ho entina mandresy ny ratsy amin’ny soa (Rm 12,21). 

Izay mihevitra ny hamafy nefa tsy mbola nandray anjara tamin’ny fijinjana, dia tsy hamafy ny vokatra avy amin’ny Tompom-bokatra fa hamafy ihany ny vokatry ny avonavony sy ny fitiavan-tenany. Tadidiontsika ny lazain’i Izaia tao amin’ny vakiteny I fa ny fotoana hianjeran’ny tilikambo no hamirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra. Izay mandresy ny avonanona ihany no afaka handany andro hitady ny ondry very, ka eny am-pandehanana dia hilaza amin’ny olona momba ny fanjakan’ny lanitra.  

Irahina hijinja amin’izay tsy namafazantsika isika mba hiara-paly ny mpamafy sy ny mpijinja (Jo 3,38). Izany hafaliana izany no valisoan’izay nanaiky handray ka hitory ny Evanjely. Ny fitoriana ny famonjena sy ny fitiavan’Andriamanitra no manasitrana kokoa noho ny fametrahana ny rantsan-tanana eo amin’ny ratra, noho ny tsy finoana (tahaka an’i Md Tomà). 

Zavatra roa no iantsoan’i Jesoa ny Mpianany ary omeny ny fitaovana sy ny fahefana entina manatanteraka izany izy ireo: hanasitrana sy hamelona (ho amin’ny fiainana miavosa) ary koa hanangona sy hitahiry (hanasitrana ny boka sy handroaka ny devoly izay mampisara-bazana). 

Ho Apôstôly mamafy hasambarana sy hafaliana tokoa anie isika, ka hahay hizara maimaim-poana sy am-pitiavana izay fanomezana noraisintsika avy amin’ny Ray dia Fanahy Masina. Ary hitondra am-bavaka an’i Madagasikara manokana mba hanjakan’ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana. 

Andriamanitra ô, mba hamonjena ny mahantra sy hanomanana tsara ny Pretra no nanomezanao hatsaram-panahin’Apôstộly an’i Masindahy Vincent Pretra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho entanin’ny toe-panihiny, ho tia izay notiaviny ary hanao izay nampianariny.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHA-26 MANDAVAN-TAONA TAONA D
PREVIOUS
Alakamisy faha-25 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A 14 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.