Trinitera Malagasy
HERINANDRO MASINA

HERINANDRO MASINA

Njara Pascal

Fankalazana ny fidiran’ny Tompo tao Jerosalema

  • Matio 21,1-11 Taona A/
  • Marka 11, 1-10 na Joany 12,12-16 Taona B/
  • Lioka 19,28-40 Taona D.

Isan-taona isika dia mankalaza ny Sampankazo, na ny marimarina kokoa mamerina ny fihobiana an’i Jesoa niakatra tao Jerosalema toy ny nataon’ireo mponin’i Jerosalema, henemana mialoha ny Paka (Mt 21,1-11 Taona A/ Mk 11, 1-10 na Jo 12,12-16 Taona B/ Lk 19, 28-40 Taona D). Mialoha ny Vavaka Fanamasinana ny “Sampankazo” anefa dia ventesintsika io antsa nataon’ny Zanak’Israely io : “Hozàna! Hosoavina anie Ilay avy (tonga) amin’ny Anaran’ny Tompo; Hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hôzana any amin’ny avo indrindra” (Mk 11,10). 

Nankalazain’ny mpino tany Jerosalema ny nidiran’i Jesoa tao araka ny notantarain’ny Evanjely (Lk 19,28-40), ka nanao prôsesiô niainga avy eo amin’ny Tendrombohitra Ôliva miakatra mankany an-tanàna izy ireo, dia avy eo nankany amin’ny Fasana nandevenana sady toerana nitsanganan’i Jesoa ho velona. Ireo tany Rôma kosa dia nankalaza ny fijaliana niaretan’i Jesoa ho antsika noho ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray (Passio) sy ho fanehoany ny fitiavana lehibe indrindra. Ireo fety roa ireo no ankalazaintsika miaraka anio.

Tsy fahatsiarovana ny fidirana ao Jerosalema fotsiny anefa no atao fa mampahatsiaro antsika koa fa mpivahiny isika mizotra any amin’ilay Jerosaleman’ny Lanitra, manaraka an’Ilay Zanak’Ondry, manaiky hijaly sy ho faty, raha izany no takian’ny Fitiavana amintsika (Ap 21,2-4). Mena ny akanjon’ny Mpisorona, manambara ny maha vavolombelon’ny fitiavana azy ka mino fa handresy miaraka amin’i Kristy. Hafaliana àry araka izany no ankalazaintsika fa tsy alahelo. Faly satria nandresy i Kristy ary manavao ny finoantsika fa tsy misy lalan-kafa hahazoana famonjena sy fahasambarana raha tsy ny lalan’ny hazofijaliana.

Ndeha hohazavaintsika kely ary ireo fihetsika sy teny mampiavaka ny fotoam-pivavahana amin’ny alahady Sampakazo.

Ny fitaingenana ampondra dia entina hilazana ny fanetren-tena, fa misy heviny hafa koa araka izay lazain’i Osea Mpaminany hoe: “Asora tsy hamonjy anay ,izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tànanay. Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana!” (Ôs 14,4). Ny fanetren-tena no ahafahana miantso vonjy avy amin’Andriamanitra, manantena fa avy Aminy irery ihany ny famonjena.

“Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Isaorana (εὐλογέω – eulogeô) anie Ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hôzana any amin’ny avo indrindra” (Mt 21,9).

“Hôzàna! 10Hohasoavina (εὐλογέω – eulogeô, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo; hohasoavina (εὐλογέω – eulogeô, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie ny fanjakan’i Davida raintsika izay efa tonga izao; hôzàna any amin’ny avo indrindra”. (Mk 11,9-10)

Inona no hevitr’izany ho antsika? Inona no tonga ao an-tsaintsika isaky ny miventy izany? Hôzàna dia avy amin’ny teny hebrio hōshî’āh nā’ ( הוֹשִׁ֨יעָ֥ה נָּ֑א) izay midika hoe : “vonjeo, izao ankehitriny izao; vonjeo malaky”. Ireo niventy azy tamin’izany dia namerina ny Sal 118,25, ka Ry YHWH ô, omeo (izao, nā’ – נָּ֑א) ny famonjena! no nandikana azy.Ny famonjena antenain’izy ireo eto dia ny fiverenan’ny Fiketrahan’i Davida, araka ny nampanantenain’Andriamanitra (Iz 9,6) mba hiorenan’ny rariny sy ny hitsiny.[1]

Ilay Zanak’i Davida (Matio), Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo, Mpanjaka araka ny sitraky ny fony, andrandraina hitondra Fiadanana sy Famonjena izany no hobian’ireo vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa niakatra avy any Jerikao (Mt 20,29) sy ny Mponin’i Jerosalema tonga nitsena Azy, na dia ireo vahoaka ireo ihany aza, rehefa voasesiky ny hevi-dratsin’ireo Lohandohan’ny Mpisorona, noho ny fialonana (Mk 15,10), nony afaka henemana, no nihorakoraka hanameloka Azy ho faty manao hoe: “Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy” (Mk 15,13). Midika izany fa raha tsy matotra ny finoantsika an’ilay Andriamanitra, ilay hany afaka hamonjy antsika, dia hivily ho azy any amin’ny zava-mandalo (fahefan’olombelona, harena, voninahitry ny tany) no hametrahantsika ny fitokisantsika. Mila dinihina matetika izay “nametrahantsika ny fitokisantsika: i Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay” (2Tm 1,12).

Ao amin’i Md Lioka dia izao no voalaza mikasika izay fankalazana ilay Mpanjaka izay: “Hankalazaina (εὐλογέω – eulogeo, nadika hoe isaorana ao amin’i Matio) anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny avo indrindra!” (Lk 19,38). Tsy fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany intsony (Lk 2,14), fa any an-danitra. Ao amin’ny famintinana ny vavaka nataon’i Jesoa dia tsy milaza ny fangatahana mba ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra “ety an-tany tahaka ny any an-danitra” i Lioka. Eto kosa anefa dia heveriko fa manambara amintsika fa ny lanitra dia efa andramantsika sahady amin’ny fihobiana an’i Kristy miakatra ao Jerosalema, ka miombom-piadanana amin’ny Lanitra izay rehetra manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. “Fiadanana any an-danitra”. 

Ao amin’i Matio koa dia misy zavatra hafa tsy hitovizany amin’i Marka sy Lioka. Ao amin’i Matio dia eo Βηθφαγή (Bethfagè, Mt 21,1: tranon’ny aviavy mbola tsy masaka) i Jesoa, maniraka ho any Betania angamba. Ho an’i Lioka eo Betania sy Betfagè, ho an’i Marka kosa dia tao Betania (Βηθανία – Bethania Mk 11,1: tranon’ny ory). Tsy dia asiana tsindrim-peo ireny tsy fitovizana ireny matetika, kanefa dia manampy hahazoana ny tian’ny Evanjelista ambara. Aoriana kely dia tsy aviavy mbola manta fotsiny no lazain’i Matio sy Marka fa aviavy tsy nahitana voany ka nozoniny tsy hihinanan’iza na iza amin’ny voany intsony (Mt 21,19).

I Betfagè dia toeram-pidiovan’ny Mpivahiny alohan’ny hiakarany ao Jerosalema. Manadio ny fontsika koa i Jesoa, mialoha ny hiakarantsika miaraka Aminy ao Jerosalema. Ny nanirahany ny mpianany “tsiroaroa”, dia ho vavolombelona fa “Andriamanitra irery ihany no famonjena” ho antsika, ary tsy amin’ny herin’ny soavaly (Sal 147,10) fa amin’ny fanetren-tenan’ny ampondra no entiny manjaka, ka tokony hoentintsika koa mampanjaka Azy.

Ao amin’i Matio koa dia ampondravavy mifatotra sy ny zanany (Mt 21,1-2) no taingenan’i Jesoa. Lazain’i Md Justin (Dialogue avec Tryphon 53) fa fanahy inian’i Matio izany hoentiny hilazana fa ilay ampondravavy mitondra jioga dia i Israely nofehezin’ny lalàna, ary ny zanak’ampondra kosa dia ny “tsy mpino”, samy antsoin’i Jesoa hiombona anjara amin’ny fanjakany.

Manomboka ny Herinandro Masina isika rehefa mankalaza ity Fidiran’i Kristy ao Jerosalema ity, fa indrindra amin’ny Fandinihana ny Fijalian’ny Tompo.

Ny Tenin’Andriamanitra ankalazaintsika amin’ity Fanompoam-pivavahana ity dia manambara ny sakafo farany hatramin’ny nahafatesan’i Kristy (Mt 26,14–27,66). Araka izany dia azo lazaina ho famintinana ny herinandro masina manontolo. Tian’ny Litorjia avoitra amin’izany fa izay nambaran’i Kristy tamin’ny Fiaraha-misakafo farany, nanomezany antsika ny Sakramentan’ny Eokaristia dia notanterahiny teo ambony Hazofijaliana. Ny Fijaliana nanaporofoan’i Kristy ny Fitiavany antsika no ambaran’ny Eokaristia Masina ankalazaintsika. Ambaran’i Izaia fa ny hery avy amin’i YHWH no Vimiaina ho an’ilay Mpanompony, ka hahafahany mankahery ny reraka na dia ao anatin’ny fahoriana ihany koa aza ny tenany (Iz 50,4-7).

Sitrapo tanteraka anefa ary safidy no nanekeny hietry (ho lasa tsinotsinona). Izany no nahamendrika azy hiditra ny voninahitr’Andriamanitra (Fil 2,6-11). Araka ny Lovam-panahy ao amin’ny Fiangonana dia ny Fandinihana ny Fijalian’i Jesoa no loharanon’ny fanamasinan-tena maro. Haintsika tsianjery ohatra ny Vavaka fanaon’i Md Alfonso Maria de Liguori eo anatrehan’ny hazofijalian’i Kristy : « Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra…

Tsy ataontsika ambanin-javatra ary ny fandinihana ny fijalian’i Kristy, satria izay no lalana hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Tsy afa-misaraka amin’ny fijalian’ny olombelona rehetra koa anefa ny fijalian’i Kristy. Atolotsika azy ny fijaliantsika sy ny an’ny olombelona rehetra vokatr’izao zava-mitranga izao, ary hosanatriavintsika mpianatr’i Kristy ny hanararaotra izao vanim-potoana izao hametsena na hitadiavana tombony ho an’ny tena. Fankalazana ny Paka ny fiaraha-mandresy ny fahotana miaraka amin’i Kristy.

Ny Herinandro Masina no hankalazantsika ny faharavan’ny fanompoana Andriamanitra manao fahagagana mba hidinany ka hanavotany ny tenany avy eo ambony hazo: “raha zanak’Andriamanitra Izy dia aoka hidina ka hamonjy ny tenany ka hino Azy izahay”. Ny Andriamanitra inoantsika dia nijanona teo ambonin’ny hazo ary notrobahin’ny miaramila tamin’ny lefona ny fony, mba tsy hisalasalana fa maty Izy. Saingy ny fahafatesany no zary odifaty ho antsika.

Tsy ody gasy ny sampankazo, tsy tapa-kazo fa sampan-kazo hahatsiarovana ny fankalazana anio, hanamafisantsika ny maha mpanjaka an’i Kristy ka Izy irery ihany no harahintsika amin’ny fomba fiainana, amin’ny fomba fihevitra… Tsy sanatria voafetran’ny fihetsika ivelany ny fanomezan’Andriamanitra ny Fahasoavany ho antsika; ireny dia mampahatsiaro antsika ny fahasoavana efa narotsak’Izy Mpanjakantsika ao am-pontsika, miaraka amin’ny Fanahiny.

Ny fiainantsika àry no atolotsika mba ho lalana hodiavin’Andriamanitra hanehoany ny voninahiny. Ny fanatonana ny Lakroà ao an-trano, na eny am-bozona dia tokony hanampy antsika hahatsiaro izany fitiavana izany ka mandrisika antsika hiaina ny tena maha kristianina antsika, handà tena, hankahala ny fahotana izay mampitondra hazofijaliana ny tsy manantsiny, fa hitondra kosa izay fijaliana takian’ny fitiavana amintsika ary hanaraka an’i Jesoa amin’ny lalan’ny Voninahiny.   

[1] Azo jerena ihany koa ny fanazavana mahakasika ityy teny ity (sy ny Hôshana na hôsha-na) mbamin’ny hazomalahelo nantsoina hoe Hôzana. Naoty Baiboly Katolika 2025 ao amin’i Mt 21, 1ss.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY SAMPANKAZO TAONA A
PREVIOUS
Sabotsy V Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • SABOTSY ANATIN’NY HAVALOANA FANKALAZANA NY PAKA
  • Zoma anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
  • Alakamisy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
  • Paka
  • Alarobia Masina

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    avril 2026
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    2627282930  
    « Mar    

    Archives

    Articles récents

    • SABOTSY ANATIN’NY HAVALOANA FANKALAZANA NY PAKA 10 avril 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.