Trinitera Malagasy
FANKALAZANA NY VATANA AMAN-DRAN’I JESOA KRISTY

FANKALAZANA NY VATANA AMAN-DRAN’I JESOA KRISTY

Njara Pascal

Mialoha ny handravonantsika ireo hevi-dehibe entin’ny vakiteny Masina henontsika teo dia tiako ny hifampizara amintsika aloha ny zavatra tokony ho tsaroana raha miresaka ny Fankalazana ny Fetin’ny Sakramenta Masina.

  1. INONA NO HINOANTSIKA AMIN’NY HOE : KÔMONIO MASINA?

Ny Kômonio dia ny fandraisana ny Eokaristia izay Jesoa Kristy marina tokoa. Tsy hoe Eo fotsiny izy, na hoe ao fotsiny fa io Izy. Izay fiovan’ny mofo sy ny divay ho zary Vatana sy Ran’i Kristy izany no ambaran’ny teny hoe: transubstantiation ka rehefa mihinana sy misotro ny mofo sy divay isika dia mihinana sy misotro ny Vatana aman-Ran’i Kristy, ary araka izany miombona anjara amin’ny maha Andriamanitra Azy, mandray anjara amin’ny fitsanganany ho velona izay loharanon’ny fahamasinana rehetra. Ny hevi-diso nahelin’i Bérenger de Tours, nilaza fa tsy vatan’i Kristy fa endrika hisehoany fotsiny ny Eokaristia, no nahatonga ny Papa Urbain IV ny 11 aogositra 1264 (bulle Transiturus) hanorina ny fetin’Andriamanitra, Corpus Domini, hankalazan’ny Fiangonana eran-tany sy hanehoany am-pahibemaso fa “ny vatana aman-dra, ny fanahy sy ny fomba maha Andriamanitra an’i Jesoa” no tsaohintsika ao amin’ny Eokaristia amin’ny endriky ny mofo sy ny divay. Izay no hevitry ny procession ataontsika.

Tsy hoe manambara ny Tenan’i Kristy akory ny mofo fa Tenan’i Kristy mihitsy, araka ny voalaza teo fa tsy hoe EO i Kristy, na AO i Kristy, fa ho antsika dia IO i Kristy. Izany ny Misterin’ny Finoana mahatonga antsika « higaga ny nataon’Andriamanitra ho antsika« [1]. Tonga antoky ny fiainana mandrakizay ho antsika ny Eokaristia (Jo 6,51-59). “Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo” ny Eokaristia (LG 11). “Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny asa fanirahana dia miombona avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina Aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika” (Presbyterorum ordinis 5). 

  1. INONA NO HEVITR’IZANY FIOMBONANA AMIN’I KRISTY AO AMIN’NY KÔMONIO MASINA IZANY?

Zavatra telo ahay no mila avohitra :

  1. MIOMBONA ANJARA AMIN’NY SORONA TOKAN’I KRISTY

Amin’ny vavaka atao amin’ny fankalazana ity fety ity dia lazaintsika fa “namelan’i Kristy ny fahatsiarovana ny Fijaliany nanehoany ny fitiavany (passio) isika amin’ny Sakramenta misy ny Vatany sy ny Rany”. Tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana anefa ny Eokaristia. Ny hoe “mémorial” aza moa dia nadika ho tsangam-bato ao amin’ny Katesizy (1366). Ny ἀνάμνησις (anamnèsis: Lk 22,19; 1Kôr 11,24-25) moa, izay hiraintsika amin’ny anamnèse, vavaka aorian’ny fankamasinana, dia mampahatsiaro fa “Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia: “Tokana sady mitovy ihany Ilay atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nanolotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy”[2]: “Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ôtelin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io”[3] (KFK 1367). Ny Fiangonana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny filohany, ka miaraka Aminy, ny Tenany mihitsy no atolony manontolo (KFK 1368).

Ny fandraisana kômonio dia mampiombona antsika amin’i Kristy nanolotra ny tenany ho sorona teo ambony Hazofijaliana, ka higohantsika ny soa avy amin’izany, indrindra ny fiombonana amin’ny Ray, entanin’ilay Fanahy fitiavana, izay manome hery antsika hanohitra ny fahotana sy handresy ny fahalemena mpahazo, ka hihamasim-piainana, hahafoy tena am-pitiavana ho an’ny hafa. Fanehoana am-pahibemaso ny fanapahan-kevitra hiaina araka ny Evanjelin’i Kristy ny fanaovana kômonio.

  • MIOMBONA AMIN’NY HAFA

Marina fa ny isam-batan’olona no milahatra manao Kômonio, nefa kosa, kômonio mampiombona ny tsirairay amin’i Jesoa, ary noho izany dia mampiombona ihany koa ny tena samy tena. Tonga Vatana iray ao amin’i Kristy izay mandray Azy ka tsy afaka misaraka amin’izay miombona ihany koa amin’i Kristy, tonga tena iray ihany ao amin’i Kristy ka tsy ho sanatria handevozin’ny filany samirery intsony fa hafana fo kosa hikatsaka ny soa iombonana, satria mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izany. Mitovy hasina ny Vatan’i Kristy, na amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, na amin’ny fiombonan’ny mpino atambatry ny Fanahy Masina ho vatana iray sy fanahy iray ao amin’i Kristy (II Epiclèse).

Ampahatsiahiviko matetika rehefa miteny momba ny Eokaristia aho fa amin’ny vavaka fisaorana sy fankamasinana dia miantso ny Fanahy Masina indroa ny pretra (Epiclèse) mba hanamasina ny mofo sy divay (1) ary avy eo hanamasina ny Vahoaka (2) ho tonga “vatana sy Ran’i Kristy”. Mitovy ny hasin’ny Kômonio voahasina sy ny mpino voatsodrano ka tonga tena iray ao amin’i Kristy. Tokony hitovy koa araka izany ny fanajan’ny kristianina ny Eokaristia Masina (Mofo sy Divay, Saintes Espèces) sy ny Fiombonana mampitambatra ny Mpino (communion des fidèles). Tokony ho tahaka ny fitsahoana ny Sakramenta Masina sy ny fanajana Azy araka izany no hitsaohan’ny Mpino sy hanajany ny fiombonana sy ny firaisana amin’ny olombelona rehetra, atambatry ny Fanahy Masina.

  • MIOMBONA AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY HO VELONA SY AMIN’NY MAHA ANDRIAMANITRA AZY

Izay manao kômonio dia misantatra sahady ny Fanasana any amin’ny Fiainana mandrakizay: “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia manana ny fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny farandro” (Jo 6,54snm) satria “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy…” Izay fiombonana amin’i Kristy izay dia fiombonana amin’ny Ray koa, ka manamafy ilay fahariana hitovy endrika Aminy, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Fisantarana ilay fiombonam-piainana sitraky ny Trinite Masina hiainantsika ny Kômonio (Jo 17).

  1. IZA NO AFAKA MANDRAY KÔMONIO?

Ny Kômonio dia tsy fanombohana fa fanamafisana ny fiombonana efa misy. Mazava loatra araka izany fa ireo miombona amin’ny fiangonana katôlika ihany no afaka mandray kômonio mandritra ny lamesa : ireo vita batemy ary mankatò ny finoana katôlika. Ny Eokaristia Masina no mandavorary ny firosoana ho kristianina (KFK 1322).

[Momba ireo tsy katôlika manatona mandray ny Kômonio dia nanao fanambarana manokana ny eveka tany Amerika (14 novambra 2006) : “Ireo tsy katôlika nefa maniry ny hiara-mivavaka amin’ny katôlika dia tsy atosi-bohon-tanana. Raha ny marina anefa dia tsy tokony handray kômonio izy ireo, raha tsy hoe amin’ny fepetra manokana apetraky ny lalàna ho an’ireo kristianina tsy katôlika nefa vita batemy. Tsy hoe fanavakavahana tsy akory fa mazava ny antony : tsy miombona tanteraka amin’ny fiangonana izy ireo. Amin’ny tranga mety haneken’ny Eveka ny handraisany ny kômonio anefa dia mila hamarinina ireto fepetra efatra ireto :

  • tsy afaka mankany amin’ny fiangonana misy azy ilay olona (lavitra na tsy misy mihitsy)
  • Izy no mangataka hanao kômonio.
  • Ankatoaviny ny foto-pinoana katôlika momba ny Eokaristia
  • Tsy misy sampona manakana azy ary efa nivonona ny amin’izany izy.

Mankahery ny finoana iombonana ary manamafy ny firaisan’aina amin’i Kristy ny Kômonio, ka araka izany dia mampitombo ny fahamasinana. Tsy azo adinoina fa Loharano ary tendro hifaharan’ny fiainana kristianina ny Eokaristia.

  1. OVIANA NO TSY TOKONY HANATONA HANDRAY KÔMONIO?

Antony telo lehibe no ambaran’ny Eglizy :

  • rehefa very ny fahasoavana mahamasina, noho ny fahotana mahafaty vita nefa mbola tsy nanenenana sy tsy nahazoana famotsorana (kônfesy). Fandikàna ny didim-pitiavana (Didin’Andriamanitra) an-tsitra-po sy am-pahalalana, tamin’ny zavatra lehibe, na tamin’ny adidy tsy vita izany, na tamin’ny hevitra, na tamin’ny teny na tamin’ny zavatra vita. Lazaiko amin’ny ankizy matetika fa i Jodasy koa mba nanao kômonio, saingy ny hivarotra, hahazo tombony sy tambiny fa tsy hitia no tao am-pony: mamono tena (tadimody araka an’i Matio) sy lany taranaka (vaky kibo araka an’i Lioka) no fiafarany. Tsy tokony hisy hihinana fanamelohana ho an’ny tenany, hoy i Paoly.

1385- Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mampirisika antsika handini-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity na misotro ity kalisin’ny Tompo ity tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo. Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ity mofo ity sy hisotro ity kalisy ity ; fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany” (1Kôr 11,27-29). Koa izay mahatsiaro tena fa manam-pahotana lehibe, dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ ny Fampihavanana alohan’ny hirosoana amin’ny kômonio.

  • Rahefa mahatsiaro fa tsy miombona amin’ny fampianaran’ny Fiangonana intsony, na noho ny safidim-piainana, na noho ny asa aman’andraikitra, ka mitsipaka an-kitsirano ny fampianaran’ny Eglizy. Tsy azo afangaro amin’ny mety ho tsy fahatakarana izay tian’ny Fiangonana holazaina anefa izany, izay tokony hiezahana halalinina na anontaniana ny tompon’andraikitra.
  • Ireo olona miaina amin’ny toe-pahotana, na ireo nahavita heloka bevava (scandale public) ka mety ho fanafintohinana ho an’ny hafa ny andraisany Kômonio, mialoha ny fanaporofoany ankarihary ny fibebahany.
  1. INONA NO TOKONY HATAO MBA HIOMANANA AMIN’NY KÔMONIO TSARA?

MISY NY FANOMANANA MAHARITRA :

  • Ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra
  • Ny fanatontosana ny andraikitra tandrify ny tena (araka ny fitiavana)
  • Ny fandinihan-tena isan’andro sy ny fandraisana ara-potoana (régulier) ny sakramentan’ny  fampihavanana sy ny fibebahana (kônfesy).

MISY KOSA NY FANOMANANA AKAIKY :

  • ny fanaovana ny vavaka mialoha ny Komonio (mialoha ny lamesa raha ao anatin’ny lamesa no andraisana Komonio ary azo atao mandritra ny vavaka raha toa ka fandraisana komonio ivelan’ny lamesa)
  • ny fitombenan-tsaina, indrindra anatin’ny fahanginana mialoha ny Sorona Masina.
  • Ny fifadian-kanina sy zava-pisotro (ankoatry ny rano sy ny fanafody) ora iray alohan’ny kômonio (Can 919§1).

Raha fintinina kosa ny fizotry ny Sorona Masina dia ireto no anentanany antsika

  • Ny fitafiana maotina, mendrika ny fankalazana ary manampy ny hafa hivavaka.
  • Fanaovana tsara ireo Vavaka fifonana mandritra ny lamesa.
  • Ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, hampirehidrehitra ny fo handray kômonio.
  • Ny Vavaka Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahariana sy ny asam-panavotana.
  • Ny fanaovana ny Fivavahana nampianarin’ny Tompo, tsy am-bava fotsiny fa amin’ny fampifanarahana ny fiainana amin’ny maha zanaka.
  • Ny fifanomezam-piadanana, mariky ny fifamelana tanteraka sy ny fiombonana vokatry ny fiadanana fanomezan’i Kristy nitsangan-ko velona.
  • Fanatonana am-panajana sy am-pitiavana ary am-pinoana ny latabatra masina amin’ny Kômonio.
  • Ny fitiavana sy ny fisaorana, anaty fahanginana sy fitombenan-tsaina rehefa avy nandray an’i Jesoa.
  • Ny fivoahana ny trano fiangonana an-kafaliana satria vonona hitory ny Evanjely amin’ny teny sy ny fiainana manontolo ho voninahitr’Andriamanitra.

FEHINY :

Tsy tokony ho fahazarana ny fandraisana ny Kômonio masina fa tokony hanampy antsika hiha-masina hatrany, hampitombo ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra  izay hanosika hitia sy hanompo ny olombelona amin’ny fikatsahana ny soa iombonana.

Ny Fankalazana ny Eokaristia no ivom-piainan’ny Fiangonana, satria sady hahatsiarovana sy hivelomana indray ny Sorom-panavotan’i Kristy no hanandratana ny Vavaka Fisaorana sy Fiderana amin’Andriamanitra, amin’ny fihinanana sy amin’ny fisotroana ny Vatana aman-dRan’i Kristy ao amin’ny Kômonio. Ny fanasana ataon’ny Mpisorona amintsika ho amin’ny fahasambaran’izay voaantso handray anjara amin’ny Fanasan’ny Zanakondry, ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao dia valian’ny Mpino amin’ny tenin’ilay tomponjato hoe: “tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafontranoko aho tompoko, fa manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko” (Mt 8,8). Ny fahosantsika satria olombelona ihany moa, dia manosika antsika hanetry tena hahatsiaro fa tsy misy na iza na iza mendrika fanomezana lehibe sy mendri-kaja toy izany : Izy Tompo kosa manolotra ny tenany ho antsika ao amin’ny Eokaristia, mba handraisantsika anjara amin’ny fahamasinany, hanohana ny ezaka kasaintsika atao hitahirizana ny fanomezany hahasambatra antsika.

Taona D
Alahady fankalazana Vatana aman-dRan’i Kristy

Jenezy 14, 18-20
Salamo 109
1 Korinty 11, 23-26
Md Lioka 9, 11b-17

Sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia

 Raha dinihina ireo vakiteny aroso ankalazana ity fety ity, ny vakiteny roa voalohany dia ireo andalana roa milaza momba an’i Melkisedeka, Mpanjakan’ny fahamarinana, ao amin’ny Testamenta Taloha. Raha zohiana ny tantara, i Abrahama moa tafiditra an-tsehatra satria nandeha nanavotra  an’i Lôta, zana-drahalahiny, lasan-ko babo niaraka tamin’ny Mpanjakan’i Sôdôma, izay resy an’ady, ka rehefa naharesy ireo mpanjaka efatra nambabo ny havany i Abrahama dia lasa mpiombon’antoka amin’ny Mpanjakan’i Sodoma sy ireo mpanjaka hafa ihany koa (dimy raha araka ny tantara), ka noho izany no hanaovana ny sakafon’ny fanekem-pihavanana.

Ny mikasika an’ity Mpanjakan’i Salema, ity anefa, Mpanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana, dia voalaza fa Mpisoron’ny Avo indrindra izy. Ho an’ny Jody taranak’i Davida izay nandraikitra an-tsoratra ny tantara anefa sarotra ihany izany, satria ny taranak’i Levì no niandraikitra ny fisoronana, ary avy amin’ny Taranak’i Davida kosa no hiandrasana ny Mpanjaka. Ilay Mpanjaka Mesia andrasana anefa dia araka ny fomban’i Melkisedeka: hanolotra mofo sy divay, tsy fanta-pihaviana ary amin’ny fampiasana ny teny כֹּהֵן (Kohen) voalohany ao amin’ny Baiboly, dia hahafahantsika mahazo ny heviny: hitso-drano amin’ny anaran’Andriamanitra avo indrindra. Izay milaza ny tenany ho Kohen, araka izany, ka tsy tso-drano, fitenenana tsara an’Andriamanitra sy ny olony, tsy milaza teny mitondra fanantenana, tsy mampahatsiaro ny lalana tokony hizorana, ary tsy hampahatsiaro fa maimaimpoana ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra, dia tsy avy amin’Andriamanitra Avo indrindra, fa mety hampiasa ny tsy fahalalan’ny olona fotsiny, hanangonany ny ampahafolom-pananany sy hampitahorana aza. Vokatry ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra ny fahafoizana sy ny fizarana fa tsy sanatria antoka apetraka ka atokotra mba hampitomboana ny eo an-tanana.

Tsy zanak’ondry aman’omby, fa mofo sy divay no atolotry ny mpisoron’ny Avo indrindra. Fisoronana mialoha izay mety ho fombafomba jody rehetra manko io, ary izay moa no mahatonga ny Salamo setriny hilaza an’i Melkisedeka ho Mpanjaka-Mpisorona, mamaritra ny satan’ilay Mesia andrasan’Israely. Mazava loatra fa misy heviny manokana ho antsika Kristianina ny fanolorana ny Mofo sy ny Divay, ho sakafon’ny fanekem-pihavanana, ary ilay Mpanjakan’ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, Mpisoron’ny Avo indrindra no manolotra azy, mitso-drano an’i Abrahama, sy mankalaza an’Andriamanitra.

 Ao amin’ny vakiteny faharoa dia lazain’i Paoly fa izay zavatra noraisiny avy amin’ny Tompo no ampitainy. Mampahatsiaro antsika izany fa tsy izay zavatra noraisintsika rehetra akory no andeha hotantaraina sy hampitaina, fa izay avy amin’ny Tompo. Mampalahelo fa tsy ny olona rehetra no mandinika izay zavatra henony sy hitany na mifanaraka amin’izay lazain’ny Tompo sy ampianarain’ny Fiangonany na tsia, fa rehefa mahafinaritra na hoe hahitana tombontsoa sy voninahitra dia aparitaka etsy sy eroa.

Voairaka hitory ny Evanjely ny Apostoly, ary mazava ny hafatr’i Kristy ny amin’ny votoatin’ny fampianarana: “hampianatra ny olona hitandrina izay zavatra rehetra nandidian’i Jesoa azy ireo” (Mt 28, 20). Ao anatin’izany fifanarahan’ny Teny lazaina sy ny Fampianaran’i Kristy izany no hahafahana mahazo ny fampianaran’i Md Paoly.

Ilay Jesoa, inoantsika fa ilay Mesia, Melek – Kohen; mpanjaka sy mpisorona araka ny fomban’i Melkisedeka : “ny alina nanolorana Azy”, izany hoe natolotra i Jesoa, tsy fidiny Azy ny hijaly, “raha azo atao dia hesory amiko ity kapoaka ity” (Mt 26, 39), “aoka tsy hikasika ahy ity kapoaka ity” (Mk 14, 36), “halaviro ahy ity kapoaka ity” (Lk 22, 42) hoy Izy mivavaka amin’ny Rainy; saingy mialoha izany alina nanolorana Azy izany, hoy i Md Paoly, dia efa nanolotra ny tenany Izy, ary ny mofo sy ny divay no zary fanekem-pihavanana vaovao, ka hahatsiarovana Azy, ilay nanaiky hatramin’ny fijaliana sy ny fahafatesana raha izay no sitrapon’ny Ray. Ampianarin’i Jesoa hanolotra ny tenantsika manontolo koa isika ho fahatsiarovana Azy.

Noho izany, hoy i Md Paoly, isaky ny manao komonio isika dia manambara am-pahibemaso (καταγγέλλω katangello) ny fahafatesan’i Kristy mandra-pihaviny (ἔρχομαι erchomai). Manambara ny herin’ny fitiavana mandresy ny fankahalana, ary mandresy hatramin’ny fahavalo farany horesena, dia ny fahafatesana. Raha tsy hitantsika ka ankalazaintsika ao amin’ny fahafatesan’i Kristy ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy hahazo na inona na inona amin’ny misterin’ny Finoana isika. Tsy fahafatesana tompon’ny teny farany anefa fa lalana kosa mitondra amin’ny fitsanganan-ko velona.

Tsara ho marihana fa tsy ny fiverenany no lazain’i Paoly eto, fa ny fiaviany, satria tsy hoe nandao antsika Izy tsy akory, fa eo amintsika mandrakariva, saingy io ilay Andriamanitra misy, nisy ary ho avy mandrakizay, ka ny fiaviany no hanatanterahany tsikelikely ny asam-pamonjena efa natombony ao amintsika.

Ny Evanjely dia mbola manohy manazava amintsika ny hevitra lalina fonosin’ny Eokaristia.

Ny momba ny fanjakan’Andriamanitra no lazain’i Jesoa, hoy Md Lioka, ary nanafaka tamin’ny hevi-diso sy ny fahotana (ἰάομαι iaomai) an’izay rehetra nila fikolokoloana Izy. Izany no asan’ny Mazava, izany no asainy ataontsika ho fahatsiarovana Azy: milaza momba ny fanjakan’ny lanitra, ka ny fitiavana ny hafa no teny tsara indrindra mahalaza izany Fanjakana izany.

Rehefa mandrorona ny andro, izay hoe, rehefa tsy tazana loatra izay fitoriana ny Teny manambara ny fanjakan’Andriamanitra izay, rehefa tsy ny hasambaran’ny lanitra sy ny lalana mankany intsony no iompanan’ny tenin’ny mpitory, ary mazava loatra fa vokatr’izany (na ny mety ho anton’izany ihany koa) dia mihena ihany koa ny fikolokoloana ireo izay mila fanampiana, tsy afaka mifampitsinjo intsony ny olona, tsy hita intsony ilay fifankatiavana hahalalana sy hanavahana ny mpianatr’i Kristy, rehefa tonga izany andro hariva izany dia tsotra ny vahaolana: ravao ny olona, ary alefaso ho any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, hitady fandriana sy hanina, fa aty an’efitra isika izao.

Izay rehetra fandravana ny olona mba tsy hanambatra ny heriny, dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra dia Komonio, ka tsy misy toerana ho an’ny samy maka ho azy. Tsy vitan’ny hoe mandrara izay mety ho fandravana sy fampisaraham-bazana fotsiny anefa i Jesoa, fa manome baiko koa ny Apostoly handray andraikitra, hamahana ny olona.

Dia mbola fialantsiny ihany no asetry izany tenin’ny Mpampianatra izany: “tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay”. Mety hoe ny Boky dimin’i Moizy sy ny Mpaminany ary ny Soratra, araka ny lazain’ny mpandinika sasany no tiana ho lazaina amin’izany, saingy na inona na inona heviny, dia tsy avy amintsika, na avy amin’izay vola aman-karena ananantsika no hangalantsika na hividianantsika ny hanina hohanin’ireo olona ireo. Nomen’Andriamanitra saina mahiratra afaka mampamokatra ny tany ny olona, ka ny hakamoana, ny hasomparana sy ny fanaovana ampihimamba no fositra mahatonga ny hafa hiliba ary hahatonga ny hafa kosa tsy hahatsindry tsihy. I Jesoa rahateo no efa nilaza fa “ilay mofo nidina avy any an-danitra”, Izy no efa nanolotra ny tenany hamelomana an’izay rehetra mino Azy.

Tsy fisavoritahana anefa ny fiainam-piombonana. Tsy miombona ny valala mifanipaka an-karona. Mariky ny fiombonana ny filaminana. Na aiza na aiza misy fifandrombahana seza, sakafo na zavatra hafa, dia tsy mbola misy fiombonana izay, mbola mariky ny fitiavan-tena sy ny samy maka ho azy. Ny fitsitokotokoana tsi-diampolo, dia fanekena ny fandaminana, ka hanehoana ny fitokisana fa samy hahazo ny anjarany, satria Andriamanitra tsy mba manao mizàna mitongilana.

Izay ananantsika, izay rehetra heverintsika ho fananana, dia raisin’i Jesoa, hiandrandrany ny lanitra sy hanaovany ny vavaka fankalazana (nitso-drano), izay atolotsika Azy no vakiana sy zaraina tamin’ny Mpianatra mba haroson’izy ireo kosa ho an’ny vahoaka.

Tsy mitsahatra ny mampitombo ny mofo ho an’ny vahoakany Andriamanitra. Voam-bary iray mamokatra salohy zato… Ampahatsiahivin’ny vavaka fisaorana, izay lazain’ny litorjia hoe fikarakarana ny tolotra antsika, ny tokony ho fankalazana Azy tsy tapaka, satria ny mofo sy ny divay dia manambara ny fitsimbinany ka nampamokarany ny fikolokoloan’ny olombelona ny tany. Eo ny hasasaran’ny olombelona, saingy zary hafaliana ireny amin’ny filanjana ny vokatra mody any an-trano, hoy ny Salamo. Ary raha ny tsirairay no mahay misaotra an’Andriamanitra amin’izay rehetra eo am-pelatanany, hahay hanolotra ireny an’i Jesoa, ka ho tsofiny rano, dia tsy hisy hanoanana intsony eto amin’ity tany ity. Mamokatra be lavitra noho izay mahavoky ny olombelona rehetra manko ny tany, saingy misy ny manao am-pihimamba, ka misy ny maty voky, misy ny maty mosary. Raha isika rehetra milaza ho mpanara-dia an’ilay Mpanjaka sy Mpisorona, Mesia andrasana, no manolotra ho an’i Kristy izay antsika rehetra ho fanasoavana ny tena sy ny hafa, dia “tsy hisy mahantra intsony eo amintsika”, hoy Md Lioka mamaritra ny toetoetry ny Fiangonan’ny Tompo (Asa 4, 34).

Angatahontsika ary amin’izao fankalazana ny fetin’ny vatana aman-dran’i Kristy izao, mba hitombo ny fahatsapantsika fa fanomezana avy aminy ny zavatra rehetra eo am-pelanantsika, ka hahatonga ny fankalazana ny Eokaristia ho tena fiombonana tokoa, satria fisaorana lavorary atolotry ny fon’ny tsirairay, vonona ny hanao ny zavatra rehetra tahaka ny nampianarin’i Kristy, satria izay no fitiavana sy fahatsiarovana Azy.  


[1] Lalina sy mahagaga ny nataon’Andriamanitra ho antsika (amin’ny ordo latinina : Mysterium fidei misterin’ny finoana)

[2] Kônsily tao Trente : DS 1743.

[3]Ibid.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha 12 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha 11 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.