BATEMIN’I JESOA – TAONA A
- Izaia 42,1-4.6-7
- Salamo 28
- Asa 10,34-38
- Md Matio 3,13-17
I Jesoa natao Batemy: tandindon’ny Batemintsika
Fisehoana telo no ankalazaintsika amin’ny Epifania : ny Fitsaohan’ny Majy, ny Batemin’i Jesoa ary ny Famantarana tao amin’ny Fampakaram-bady tany Kanà[1]. Mankalaza ny Batemin’i Jesoa isika androany. Nahoana no izany fety izany no hanakatonana ny vanimpotoana fankalazana ny Noely ka hidirana amin’ny mandavan-taonan’ny Eglizy? Raha tandindon’ny batemintsika ny Batemy nataon’i Jesoa, raha fanamasinana ny ranon’i Jordany no nanekeny hahatanteraka ny fahamarinana rehetra araka ny henontsika tao amin’ny Evanjely (Evanjely Mt 3,13-17), dia rariny raha izany fety izany no hanombohana ny andavanandrom-piainantsika.
Tamin’ny alahady II Fiaviana dia efa natsiditsika teto ihany ny momba ny batemin’i Joany:
Araka ny fanazavan’ireo mpandalina ny Soratra Masina dia teo Betabara no nanaovan’i Joany Batemy, 400 metatra ambanin’ny ivon’ny ranomasina, toerana iva indrindra eto ambonin’ny tany, fa teo ihany koa araka ny lovan-tsofina no niampitan’ny Zanak’i Israely avy any amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ny Batemin’i Joany araka izany dia mampahatsiaro antsika ny hasarobidin’ny fahafahana iantsoana ny zanak’Andriamanitra rehetra: tany an’efitra dia ny mana no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Jôsoe (Jôs 5,12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana.
Ny tena fibebahana marina araka izany dia ny fandraisana ny andraikitra mba hampamokatra ny tany, hanaja ny tontolo iainana, hanandratra ny soatoavina ka hahafahana misaotra an’Andriamanitra tsy misolo ny olona amin’ny asany, saingy mampamokatra kosa ny fisasarany hikolokolo ny zavaboary. Tsy sakana fa lalana amin’ny fizorana ho amin’ny fiainana araka izany ny filofosana mandavorary ny zavaboaary, hahatonga izao tontolo izao ho zaridaina hisantarana sahady ny hamamin’ny fifankatiavana sitrak’Andriamanitra hiadanan’ny voaariny rehetra.
Ny Litorjia aroson’ny Eglizy ankalazantsika ny Batemy anio dia mampahatsiaro antsika fa ny “valisoa” (raha izany no ilazana azy), ny fankasitrahana ataon’Andriamanitra an’izay atao Batemy dia ny filazany fa Zanany ankasitrahany. Ny Zanaka no mpandova ny Fanjakana, ka raha te handova ny fanjakana àry isika, rehefa miala amin’ity fiainana ity, dia mila mandini-tena mandrakariva sao tsy mifanaraka amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ny fiainantsika.
Tsy misy afa-tsy ny fihainoana an’i Kristy, ilay zanaka lahitokan’ny Ray anefa no ahafahana miaina ny maha-zanaka. Ny fiombonantsika aina ao aminy no maha-zanaka antsika satria ny Fanahiny no manangana antsika ho zanany, ka izay manaiky hotarihin’ny Fanahiny no tonga zanak’Andriamanitra. Tsy fombafomba araka izany ny Batemy fa tarigetram-piainana.
Izay manaiky hotarihin’ny fahazavana tahaka ny Majy no omena fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra (hoy ny Evanjely tamin’ny Noely atoandro), dia tahaka azy ireo koa, hanolotra ny volamena, satria ekentsika fa Izy no tiantsika hanjaka ao am-pontsika, ao amin’ny fianakaviana sy ny firenena; hanolotra ny emboka manitra satria inoantsika fa Izy no Andriamanitra afaka hamonjy antsika ka anolorantsika ny vavaka ho toy ny emboka manitra (Sal 142, 2) hanankinantsika ny fiainana aminy, ary hanolotra ny mirasatriaekentsika ka tena olombelona mitovy amintsika Izy, ka na dia hihatra aza ny fahafatesana, dia inoantsika fa afaka hanokatra fanantenana vaovao Izy, satria efa nandresy ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horeseny (1Kôr 15,26).
Ny fitovizantsika endrika amin’i Kristy kosa, noho ny batemy noraisintsika dia mahatonga antsika ho mpanjaka, mpisorona ary mpaminany, ka tokony hitondra toe-piainana mendrika ireo fanomezana ireo. Ny volamenan’ny fitiavantsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana; Ekentsika ny handray ka hanolotra ny emboka manitry ny fivavahantsika, tahaka an’i Jesoa nivoaka ny ony Jordany, mba hahalalan’Andriamanitra ka anambarany fa zanany isika, tonga Vatana nohamasininy ho Tempoly honenany, ary natsangany ho mpandova ny fiainana miaraka amin’ny Zanany lahitokana. Izany rahateo no italahoantsika amin’ny vavaka fangatahana : mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly ny Ray (1), amin’ny fiezahana hanahaka an’ilay Zanaka lahitokana (2). Ny mira kosa hampahatsiaro antsika tsy hitolefika manoloana ny fahalemen’olombelona, eny fa na dia ny fahafatesana aza fa hatoky mandrakariva ny herin’ny fahasoavana entin’ilay Emanoela eo anivontsika. Modely ho antsika amin’izany ilay Renin’i Jesoa ny sy ny Mpianatra malalany “mijoro” fa tsy mitanondrika manoloana ny Hazofijaliana.
Ny zo maha-zanak’Andriamanitra Mpandova antsika izay azontsika maimaim-poana àry dia mitaky koa andraikitra ny hiaina mifanaraka amin’izany amin’ny andavanandrom-piainantsika, ho voninahitr’Izy Andriamanitra Raintsika.
Ny Noely dia Emanoela, izany hoe fetin’ilay Andriamanitra miara-monina amintsika. Hamafisin’ny prefasy amintsika androany fa ilay feo avy any an-danitra no manamafy an’ilay Teny Tonga nofo miara-monina amintsika, voairaka hitory amintsika ny Vaovao Mahafaly[2]. Ny Batemy noraisintsika izany, dia fanamafisantsika ny finoantsika fa indrindra fanomezan-toky « hihaino Azy ».
Epifania ny Batemin’ny Tompo, izany hoe fanehoan’ny Ray amintsika ilay zanany malalany ankasitrahany indrindra ka tokony henointsika. Izy no ilay mpanompo sitraky Ray (Vakiteny I°: Iz 42,1-4.6-7) vonona hanorina ny rariny amin’ny tany. Izy ilay Voahosotry ny Ray tamin’ny Fanahy Masina, maneho amintsika fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra (Vakiteny II Asa 10,34-38) ka mendri-dera ambony indrindra (Salamo 28 setriny). Izy no tohatra mampifandray ny lanitra sy ny tany, ka ny lanitra misokatra, tsy hisy hahakatona intsony satria izy no lalana izoran’ny olona mankany an-tranon’ny Ray, lalana miara-monina amin’ny olon-drehetra.
Ao amin’ny Lalàn’i Moizy dia voalaza fa nanonofy i Jakoba ka nahita tohatra nampitohy ny lanitra sy ny tany, ary ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy nidina teo amboniny, teny an-tampon’ny tohatra kosa Andriamanitra ao amin’ny voninahiny mampanantena fa tsy handao azy mandrapahatanterahan’izany fampanantenana izany (Jenezy 28, 10-17). Ny fiheveran’ny Ejipsiana sy ny tany manodidina dia andriamanitra mitoka-monina any an-danitra ambony any ny andriamanitra ka mila ny sariny na ny biby na zava-maniry hisehoany hahafahany mampiseho ny tanjany sy manampatra ny heriny, ary mila sorona sy fanetren-tena goavana vao mahazo fahasoavana na mba mahazo ny indrafony kely. Ho an’Israely kosa indray dia Andriamanitra miara-monina amin’ny vahoakany ny Andriamanitr’izy ireo (Deteronomy 4, 7), ary lazain’i Jakoba fa tohatra miorina amin’ny tany ary tafapaka any an-danitra no hivezivezen’ny anjeliny mitatitra ny fahasoavana ho antsika. Ao amin’i Jesoa no tanteraka izany nofy izany.
Ndeha ry hojerentsika tsirairay ireo vakiteny aroson’ny Eglizy ireo.
Ny Vakiteny I (Iz 42,1-4.6-7) dia iray amin’ireo Tononkiran’ny Mpanompon’YHWH hita ao amin’ny fizarana faharoan’ny Bokin’i Izaia Mpaminany izay vakiana amin’ny Herinandro Masina (Alatsinainy 42,1-7/ Talata 49,1-6/ Alarobia 50,4-9/Alahady sampakazo 50,4-7/ Zoma 52,13-53, 12). Ny Kristianina dia mahita ao amin’i Kristy ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Izaia ireo (Asa 8,30-35). Rehefa nohelohina ho faty i Jesoa dia nifanontany ny Mpianany hoe “nahoana no toy izany no niafaran’ny fiainan’ny olona iray nanome ny Aminy manontolo hanasoavana ny hafa!” Tamin’ny famakiana ny Bokin’i Izaia no nahazoan’izy ireo fa tsy ny fanjakazakana na ny fanambaniana ny fahavalo na ny fandresena araka izao tontolo izao no fandresen’Andriamanitra fa ny fanomezany ny tenany manontolo, tsy hamaly afa-tsy amin’ny fanaovan-tsoa, na dia ratsy aza no afitsoky ny hafa.
Vakiana amin’ny fankalazana ny Batemin’i Jesoa izay mba hampahatsiarovana ka fanarahan-dia an’i Jesoa no irosoan’ny Kristianina amin’ny Sakramentan’ny Batemy, ka izay iray aina, maniry hiombona aminy ao amin’ny Eglizy dia mazava loatra fa tonga Mpanompon’YHWH ihany koa, tahaka Azy.
Ny vakiteny anio no manomboka izany fitantarana ny Mpanompon’i YHWH izany. Olom-boafidy sy sitraky ny fon’ny Tompo, feno ny Fanahiny Masina. Tsy fifidianana araka ny fomban’ny olona anefa ka hanandratana ny hafa ary hanilikilihana izay tsy voafidy. Ny antony hifidianan’Andriamanitra ny olona iray dia mba hanankinana iraka manokana aminy. Voafidin’Andriamanitra toa io Mpanompony io avokoa ny vita Batemy rehetra, saingy samy manana ny “iraka” ampanaovina antsika tsirairay avy, ary etsy an-kilany koa, samy manana ny hafanam-po sy ny zotom-po entina hamaliana izany antso izany. Hanorina ny rariny no niantsoan’i YHWH ny mpanompony ka ny fanambarana izay araka ny marina no hahatonga azy ho “fanekem-pihavanana” ary ho “fahazavana” sy “fahafahana” ho an’ny olona rehetra. Tsy fahamarinana araka ny olombelona anefa izany fa ny fahamarinan’Andriamanitra (Justice) izay mitady ny hahavonjy ny olombelona rehetra.
Ambaran’i Izaia fa ilay voafidy ho “Mpanompo” dia malemy paika sy mahari-po amin’ny olona rehetra. Tsy hisy olona tsy azo avotana na zavatra tsy azo amboarina intsony ho azy. Tsy ny herisetra na ny didiko fe lehibe no hampanjakany ny rariny fa ny Fitiavana. 500 taona talohan’i Kristy no nanoratan’Izaia izany, ary ao amin’i Jesoa no ahitantsika ny fahatanterahany. Toky ho an’izay te ho Mpanompo mahatoky toa Azy izany satria hibanjinantsika ny herin’ny Fanahy sy ny fiarovan’ilay Ray niantso ka maniraka ny mpanompony mba hanorina ny tany sy ny lanitra vao, araka ny faniriany.
Rehefa mampianatra momba ny Batemy Md Piera dia mampahatsiaro antsika fa « tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, [akory ny ranon’ny batemy] fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,izay namonjena antsika noho ny nitsanganan’i Jesoa-Kristy tamin’ny maty, dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay » (1 Pi 3, 21-22) ary hankamasina an’i Kristy ao am-po ka ho vonona mandrakariva hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anaty (and. 15).
Tsara ho tadidiana koa anefa fa iraka ho an’izao tontolo izao no miandry izay te ho mpianatr’i Kristy. Voairaka hampianatra ny firenena rehetra isika ka hanao Batemy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina (Mt 28, 19). Ohatra amin’izany maha-vavolombelona hatrany amin’ny faravazan-tany izany no tantarain’ny Asan’ny Apostoly amin’ny Vakinteny faharoa (Asa 10,34-38). Tsy izay vita batemy ka voasoratra amin’ny registre no ankasitrahan’Andriamanitra fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, manao soa amin’izay lalovana, tsy noho ny herin’ny tena fa noho ny fambomban’Andriamanitra. Tsy misy atahorantsika ny fanatanterahana ny adidy maha-kristianina araka izany satria “Andriamanitra no hametraka ao amin’ny mpanompony ny Fanahiny” ka miantso azy sy mandray tanana azy ary miaro azy (Vak I).
Na dia toy ny kotro-baratra aza no andraisan’ny Jody ny Feon’ny Tompo, tahaka izay tantarain’ny Boky Eksaody amin’ny fisehoan’ny Tompo tao amin’ny Tendrombohitra Sinaì (Eks 19, 16-19), toy ny ambaran’ny Salamo 28 setriny, dia mampahatsiaro antsika kosa ny herin’io Teny nentin’Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra io: “Fa niteny ihany izy, dia hary izao rehetra izao, nandidy izy dia nisy ny zavatra rehetra”, araka ny henontsika matetika amin’ny dikanteny ampiasain’ny Radio Haja: “fa teniny dia vita; didiny dia tafajoro” (Sal 33, 9).
Ny Evanjely dia mitantara ny Batemin’i Jesoa izay Epifania, hanombohany hitory ny Evanjely eo anivon’ny vahoaka, ka isehoany amin’izay tena maha-Izy Azy marina.
Nanaiky hatao Batemy ilay Mpamela heloka, nanaiky handray ny batemim-pibebahana, hanambara amintsika fa ny Batemy noraisintsika dia Fiainana, satria IRAKA: fanombohana fa tsy famaranana. Taorian’ny Batemy noraisiny no nanombohan’i Jesoa ny asany an-karihary, tokony ho telopolo taona izy tamin’izay hoy i Lioka (Lk 3,23). Voairaka koa isika hiaina ny maha-kristianina antsika, izany hoe haneho ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Inona ny fahamarinana rehetra tanteraka amin’ny faneken’i Joany hanao batemy an’i Jesoa izay nanaiky hilahatra tahaka ny olona rehetra? Inona no nanekeny hilahatra amin’ny mpanota handray ny batemim-pibebahana? Ho an’ny Baiboly, ny fahamarinana dia izay mifanaraka amin’ny fandaharan’Andriamanitra, izay araka ny sitrapon’Andriamanitra. te hanavaka an’i Jesoa tsy hitovy amin’ny olona hafa tonga hatao batemy teo i Joany, saingy ny Misterin’ny fahatongavana ho nofo ankalazaintsika hatreto ka hidirantsika amin’ny andavanandrom-piainana rahampitso, dia manamafy ny finoantsika fa tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra ilay Teny nahariana ny zavatra rehetra, tonga miara-monina, miara-milahatra amin’ny mpanota.
Manefy toe-tsaina vaovao ho antsika izany hahatsiarovantsika fa ny fitovizan-tsaranga no fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, ary raha tsy maintsy hisafidy dia mazava ny torolalana omeny ka amafisin’ny Eglizy mba ho fomba fisainana ho antsika: safidy mitanila amin’izay mahantra sy fadiranovana (amour préférentiel pour les pauvres).
Ny fialàn’i Jesoa avy ao anaty rano no nisokafan’ny lanitra taminy. Io fisokafan’ny lanitra io no efa nandrandrain’Israely hatry ny ela. Noredonintsika an-kira nandritra ny Fiaviana izany: Inay ianao handriatra ny lanitra ka hidina ety aminay amin-kery, “tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina; tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny anaranao, ka hangovitan’ny firenena eo anatrehanao” (Iz 63, 19-64,1).
Ambaran’ny Evanjely fa i Jesoa no ilay “Zanaka malalan’ny Ray tiany indrindra”. Ny Mpanjaka mipetraka eo amin’ny fiketrahany no antsoin’Israely ho “Zanak’Andriamanitra” (Sal 2). Na dia olona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra aza Izy dia ilay Mesia nandrasan’izao tontolo izao, ka mazava loatra, ao Aminy sy amin’ny fanekena Azy ho Mpanjakantsika no hahafahantsika mizotra mankamin’ny lalam-pahafahana ka handray ny hazavana (Vakiteny I) ary nohamafisin’i Joany amintsika fa “izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jo 1,12).
Miara-monina amintsika Andriamanitra. Tsapantsika ve izany? Inoako fa ny andro anio, ankalazana ny batemin’i Jesoa, fa koa hanavaozantsika ny batemy noraisintsika, dia hameno hafaliantsika ny fontsika satria voatsangana ho Zanak’Andriamanitra isika. Mampalahelo fa indraindray misy kristianina tsy mahatsiaro akory ny datin’andro nanaovana batemy azy. tokony hankalazaina mihoatra ny tsingerintaona nahaterahana ara-nofo anefa izany.
Mifarana ny fankalazana ny Noely, saingy tsy mandao antsika ilay Emanoela. Ny tena fibebahana araka izany dia ny fiainantsika araka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Voninahitra an-tsobika izany ka aoka tsy hataontsika am-patam-bary. Inona tokoa moa no mety ho fahasambarana lehibe kokoa noho ny mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra?
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tamin’i Jesoa Kristy natao batemy teo amin’ny ranon’i Jordany ka nidinan’ny Fanahy Masina, dia nambaranao tamin’ny fomba manetri-ketrika fa Zanakao malalanao Izy; koa enga anie izahay zanaka natsanganao, nateraka tamin’ ny rano sy ny Fanahy Masina, mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly Anao, hihaino ny Zanakao lahitokana sy hino Azy mba hantsoinao hoe zanakao ary ho tonga zanakao tokoa (Vavaka fangatahana sy Komonio).
[1] Amin’ny taona D dia io evanjely io no vakìna manaraka ny batemin’i Jesoa (Jo 2)
[2] Azo jerena ny prefasy androany.