Trinitera Malagasy
Alatsinainy manaraka ny Epifania

Alatsinainy manaraka ny Epifania

Njara Pascal
  • 1 Joany 3,22-4,6
  •  Salamo 2,7-8.10-11
  •  Md Matio 4,12-17.23-25

Ry havana, aza mino ny fanahy rehetra fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka no efa miely amin’izao tontolo izao. Izay miaiky fa tonga nofo i Jesoa Tompo dia avy amin’Andriamanitra (Vakiteny I). Ny hahafantarana araka izany fa avy amin’Andriamanitra isika dia ny fiekentsika fa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Fa mbola ampian’i Joany ihany ny fanazavany, ary asainy mandini-tena isika hoe iza no mihaino antsika? Izao tontolo izao sa izay mikatsaka an’Andriamanitra marina? Raha mbola ny hamalifaly ny olona no hitenenana sy hanaovan-javatra, hoy i Md Gregoire, dia tsy hahavita na oviana na oviana izay sitrak’Andriamanitra. Ny filazàna ny marina araka ny Evanjely manko dia matetika zary fanafintohinana ho an’izay za-dratsy amin’ny fomban’izao tontolo izao.

Mila fahavononana sy fahatapahan-kevitra anefa izany. Ny Evanjely dia milaza fa rehefa natao an-tranomaizina i Joany dia nanomboka nitory teny i Jesoa. I Joany aza voasambotra (paradidômi, natolotra, ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any), kanefa noheverina sy nohajain’ny olona rehetra ho mpamimany lehibe, dia inoana koa fa fahavononana hiatrika izany no tao an-dohan’i Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana izany?

Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry Azy: fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra Azy izany.

Tsipihin’i Jesoa amin’izany toriteny voalohany izany ny fibebahana takìn’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka Azy tsy misy hatak’andro (andininy 18-22 tsy tafiditra amin’ny vakiteny anio).

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra: ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminanian’i Izaia 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (jer. Mt 8,17). Entin’ny Evanjely hanohizana ny fitantarana ny fisehoan’i Jesoa amin’ny maha-iraky ny Ray azy moa izany. Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?

Ireo monina any Zabolôna (avy amin’ny hoe zabal: manaja, mendrika) – anaran’ny zanaka fahafolon’i Jakôba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4,13snm) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (avy amin’ny hoe phātal, miady), ilay zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Foko roa mifanila any avaratr’Israely ireo. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Zabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neftali (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny, ary misy aza amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.

Antsoin’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana (fitaovana sy fomba fiasa) sy ny ray (fahazarana sy toe-tsaina) mba hanaraka azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny nentim-pahazarazana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, hanala ny olona amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) ho amin’ny fiainana (tany maina).

Hanaiky ny ho mpianatra marina tokoa anie isika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata manaraka ny Epifania
PREVIOUS
EPIFANIA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy voalohany mandavan-taona 14 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.