Alatsinainy faha-24 mandavan-taona
- Ankasa:1 Kôrintianina 11,17-33 /Salamo 39/
- Tsy ankasa: 1 Timôte 2,1-8/Salamo 27
- Md Lioka 7,1-10
Ao amin’ny toko faha-5 sy faha-6 i Lioka dia milaza fa ny finoana an’i Jesoa, ny fandraisana ny Teniny no hahazoana ny famonjena. Ny ho mpamindra fo tahaka ny Ray any an-danitra no nolazain’i Jesoa fa lalana mitondra amin’izany fahasambarana izany. Inona anefa no atao hoe finoana, satria io finoana io no nolovain’i Israely tamin’i Abrahama.
Mba hampianarana fa “ny finoana dia tsy inona fa fiekena ny herin’ny Teny lazain’i Jesoa”, dia tantarain’i Lioka amintsika ity kapiteny nanana zazalahy noraisiny ho toy ny zanaka izay efa narary mafy ary efa ho faty. Samihafa ny fitantaran’i Matio (Mt 8,5-10) sy i Joany (Jo 4,46-54). Tsy ilay kapiteny no niangavy an’i Jesoa fa ny loholon’ny Jody aloha no nalefany hiangavy an’i Jesoa mba ho avy hanasitrana ilay ankizilahy ary rehefa mby akaikin’ny trano misy azy dia mbola naniraka sasantsasany tamin’ny sakaizany izy mba hiresaka amin’i Jesoa.
Azo tsoahina avy amin’ny fitantaran’i Lioka ny fomba fijery vaovao manoloana an’ireo izay mety tsy mitovy hevitra na fomba amam-panao amintsika, ireo izay tsy afaka ampidirina an-trano akory aza satria fadin-drazana, tahaka ny hafa firenena (païens) ho an’ny Jody. Na dia hafa firenena aza ilay Kapiteny dia ambaran’i Lioka fa nanao soa, nanaja ny fiaraha-monina sy ny fivavahana (nanorina ny sinagôga) ary tia fatratra ilay mpanompo noraisiny ho toy ny zanaka.
Ambaran’i Lioka koa anefa fa tsy nihaona tamin’i Jesoa akory izy, tahaka antsika izay tsy nahita an’ilay Jesoan’ny tantara, fa nino Azy noho ny fitantaran’ny hafa. Teny nolazain’i Jesoa any ivelan’ny tokan-tranony no nahasitrana ny ankizilahiny. Tsy ilaina araka izany ny mikasika ara-nofo an’i Jesoa mba hahazoana ny famonjena.
Tsy azo afangaro amin’ny fandraisana sakramenta anefa izany. Ilaina ny mpanelanelana indraindray, saingy tsy azo adinoina fa ny “fikasihana”, ny fihetsika asehontsika amin’ny fankalazana ny sakramenta izay inoantsika fa fihaonana amin’i Jesoa dia sady fandraisana azy no fanehoantsika koa ny anjarantsika manaiky hiaina araka ny ambaran’ny sakramenta ankalazaina.
Isan’andro dia averintsika alohan’ny Kômonio io tenin’ilay Kapiteny io, ny azy moa ny sakaizany no nasainy nilaza izany tamin’i Jesoa, isika kosa milaza izany mivantana, mba hanamafisantsika ny finoana fa afaka manova ny fiainantsika ny Teniny, ka na ny any am-pasana aza no mandre izany dia ho velona.
Mampalahelo anefa fa matoky kokoa ny herintsika sy ny fahaiza-manaon’olombelona isika matetika. Hitombo ao amintsika anie ny finoana hanaiky hiasan’ny Teniny mba hahatonga nofo azy koa ao amintsika.