Trinitera Malagasy
Alarobia faha-32 mandavan-taona

Alarobia faha-32 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Tito 3, 1-7/Salamo 22
  • Tsy ankasa Fahendrena 6, 1-11/Salamo 81
  • Md Lioka 17, 11-19

Faniriana ao am-pon’ny olona rehetra ny ho velom-pinaritra, ho afaka amin’ny rofy, miezaka sy tsy mitsitsy vola aman-karena mba hahazo fahasalamana. Tsy zakantsika ny mahita ny havana sy ny olon-tiana mijaly sy alamaky ny aretina. Fa vao mainka mafy noho izany ny hamafin’ny habokana, izay sady itondrana fangirifiriana amin’ny vatana no itondrana fangirifiriana ao am-po noho ny fanilikilihan’ny fiaraha-monina : tsy hoe mitoka-monina sahala amin’ny boka, fa atoka-monina tahaka ny boka. Anisan’ireny ireo boka folo lahy lazain’ny Evanjely (Lk 17, 11-17) nitsena an’i Jesoa hiakatra ho any Jerosalema.

Ho azy ireo, araka izany dia mihoampampana ny hafalian’ny fahasitranana, satria sady fitsaharan’ny fijaliana no fiverenana indray eo anivon’ny fiaraha-monina, fahazoana indray ny zo izay efa nafoy satria nahilikiliky ny fiaraha-monina.  

Folo izy ireo, hoy Lioka, izany hoe: afaka nanangana fiangonana (sinagôga) araka ny sata mifehy ny Jody (isan’ny olomarina nangatahin’i Abraham amba tsy handravàna ny tanàna Jen 18). Ny habokana, ny fahotana anefa dia mety hampiombona antsika ka tsy hanaovana ezaka intsony hitadiavana vahaolana hialana aminy. Tandindon’izany ny fomba fiteny hoe “efa mahazatra”, “ny olona rehetra aza manao” izany. Raha ny marina dia tsy voatery handalo any Samaria sy Galilea i Jesoa mba hiakatra ho any Jerosalema. Ampirosihin’i Papa François isika amin’ny hoe “pastorale de proximité”, mankany amin’ny “périphérie”, mankany amin’ny “sans” (J.C. Lavigne, OP). Izany no nataon’i Jesoa. Tsy afaka ny ho any Jerosalema izay manadino ny Samaritana, ireo olona sahirana amin’ny fanekena ny fomba fivavahana vita lalàna nampiarin’ireo Jody avy any an-tsesitany (Babilona) tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema; tsy afaka ny hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra izay manadino fa any Galilea misy rahalahy sempotry ny fiainana, variana amin’ny jono sy ny fivelomana ka mety hanadino hatramin’Andriamanitra sy ny hasina maha-zanany antsika.

Tany no nandalovan’i Jesoa, hitaona azy ireo hiakatra ho any Jerosalema: »Ndeha miseho amin’ny Mpisorona« . Izay no fanafodin’ny habokana natoron’i Jesoa, ilay Mpampianatra. Midika zavatra maro izay fisehoana amin’ny mpisorona izay: fanarahana ny lalàna, fiakarana ho any Jerosalema, any amin’izay hiakaran’i Jesoa koa. Ny toeran’ny Mpisorona, tahaka ny toeran’ny Mpaminany (II Mpanjaka 5,14-17) nanasitran’i Elisea an’i Naamana, dia zava-dehibe mba hahazoana ny fahasitranana. Tsy hianona amin’izay fahasitranana izay ihany anefa (satria mbola mety harary indray) no tena maha-kristianina, fa mila mizotra ho amin’ny lalam-pamonjena, hahatongavana any amin’ilay Jerosalema Vaovao.

Raha manana finoana tahaka ny voatsinapy isika dia mahavita fahagagana, mahavita hanova na dia izay mety ho fahazaran-dratsy lalim-paka tahaka ny voaroy aza (Lioka 17,1-10), hoy i Jesoa. Dia notohizany tamin’ilay samaritana hoe : ny finoanao no nahavonjy anao. Inona izany Finoana izany? Inona no nampiavaka ilay samaritanina tamin’ireo sivy lahy hafa sitrana? Ny fahatsapana fa sitrana, ka nahatsiaro ny soa voaray, hany ka niverina hisaotra ilay loharanom-pahasitranana: ilay Jesoa avy any Nazarena, ilay Mpisorombe ao Jerosalema vaovao. Izany fahaizana misaotra sy mankasitraka ny Tompo izany no atao hoe Finoana. I Naamana, anisan’ireo sitrana tamin’ny habokàny dia nahavita nitondra tany roa lasaka avy any Jodea mba hanompoana sy hanolorana sorom-pisaorana amin’ilay Andriamanitr’Israely, satria lehibe loatra ho azy ny soa azony.

Isaky ny manolotra Eokaristia isika, dia manolotra sorom-pisaorana, mahatsiaro fa tiana, mahatsiaro fa niangaram-pitiavana, voavela heloka, sitran’ny habokan’ny fahotana rehefa avy niseho tamin’ny Mpisorona tamin’ny sakramentan’ny Fampihavanana. Izay fahatsiarovan-tena ho sitrana izay dia tsy afa-misaraka amin’ny fahatsapàna ny loharano niavian’ny fahasoavana, ka hanekena mba hiseho amin’ny Mpisorona, hanolorana ny Hasina sahaza an’Andriamanitra. Mampalahelo raha “intention” “hangatahana” hatrany no heverina hatao amin’ny Sorona, ka hanadinoana kosa ny misaotra.  

Izay no mahatonga ny Eokaristia sady « loharano no faratampon’ny famonjena » antsika, satria avy aminy no hahazoantsika ny hery hiovana sy haharetana amin’ny tsara, ary ao aminy no tokony hidodododoantsika koa hisaotra, satria izay no famonjena ho antsika : « nahavita zava-dehibe tamiko ilay Mahefa : masina no anarany » hoy i Maria ao amin’ny tononkirany. Fanabeazana tsy zoviana antsika hatramin’ny fony kely moa ny hoe : Raha misy manome zava-tsoa ho anao, kingà miteny hoe: misaotra tompoko o!« 

Tsy mampaninona izay fomba amam-pirazanana (na samaritana na Jody), ny maha-isika antsika no tokony hoentintsika hiderana an’Andriamanitra. Tsy ho sasatra ny hitanisa ny soa azontsika isika, hanolotra sorom-pisaorana, hiantsa hira vao ho an’Andriamanitra satria mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, mba hahatsiarovantsika mandrakariva ny fitiavany tsy mivadika (Sal 97).

Izay fahatsapana ny soa noraisintsika izay manko, ny fahatsapana fa notiavin’Andriamanitra isika, izay no zary vimiaina manome hery antsika hiharitra ny fijaliana hatramin’ny fatorana aza, noho ny amin’i Kristy, (II Tim 2,8-13) tsy sanatria hankasitraka ny fijaliana fa kosa hampisy heviny ny fiainana ho zary famaliam-pitiavana, satria ny fiverenantsika hisaotra an’i Jesoa no loharanom-pamonjena ho antsika.

Ndeha ary hanokana fotoana hametsovetso ireo fahasoavana rehetra noraisintsika tamin’i Kristy mialoha ny hiombonantsika amin’ny Pretra sy ny Eglizy manontolo amin’ny fanolorana ny mofo sy ny Divay, vokatry ny hasasarantsika ka atolotra ho tonga mofo sy fisotro ho antoky ny fiainana satria sorom-pisaorana.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-32 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-32 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.