Trinitera Malagasy
Alarobia faha-29 mandavan-taona

Alarobia faha-29 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Efezianina 3,2-12/Izaia 12
  • Tsy ankasa: Rômanina 6,12-18/Salamo 123
  • Md Lioka 12,39-48

Mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Efa nolazaintsika omaly anefa fa ireo mihaino ny fampianaran’i Kristy dia mahalala fa ny fahafatesany no nandravany ny herin’ny maizina sy andreseny ny fahavalo farany horeseny dia ny fahafatesana, ary izay miombona amin’izany fandresena izany amin’ny alalan’ny finoana dia efa manandrana sahady ankehitriny izao ny hasambaran’ny lanitra.

Araka izany, ny mpianatra dia mahalala tsara ny “ora” ka tsy hanaiky hotamihan’ny mpangalatra, tsy hanaiky hofitahin’ny hafa amin’ny mbola mety ho fiandrasana Mesia hafa. Efa feno ny fotoana ary hafenoan’ny fahasoavana no ankalazainy isan’andro ao amin’ny Eokaristia, na dia mbola tsy feno fatra aza ny fomba sy ny toe-po enti-mankalaza izany. Tsy fiandrasana mpangalatra handroba izay ananana araka izany ka hampahatahotra ny fiandrasana an’i Kristy, fa fiandrasana ilay “hampipetraka ka hampihinana ny mpanompony”. Ny fahatongavany no hahalavorary ny fiombonana tanteraka Aminy na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana.

Lazain’ny Evanjely anio ihany koa ny hevitry ny hoe “voatendry hifehy ny mpanompo”: hanome ny anjara vary (σιτομέτρον– sitos = blé, varimbazaha) ara-potoana. Izay mahatoky (πιστός– pistos) sy hendry (φρόνιμος– phronimos, prudent– attentif à ses intérêts) no fidìna ho mpitandri-pananana (οἰκονόμος– oikonomos). Ary marik’izany fitokisana sy fahendrena izany ny fanomezana ny olom-peheziny izay ilaina. Mampalahelo raha toa ka noho ny tsy fahazoan’izay fehezina ny ilainy no mampirongatra azy hitady izay any amin’ny lalan-diso. Raha ankoatry ny anjara vary ampy ivelomana kosa indray anefa no tadiavin’ny olom-pehezina ka mampaniasia azy, dia anjaran’ny tompon’andraikitra ny mamerina azy amin’ny lala-mahitsy (Lk 15). Mila mandinika mandrakariva izay nomena fahefana hifehy sao tsy mahazo ny anjara variny ara-potoana ireo izay nankinina aminy, sao ny “vilia sy vilany maloto” no hibedesana azy, kanefa na dia vary iray sotro aza tsy niditra ny vavany. 

Tsy ho an’ny mpianatra ihany anefa izany teny izany fa ho an’ny olombelona rehetra. Antsoin’Izy Tompo isika hahatsiaro fa “mpitandrim-pananana” (économe, mpitantana) ihany, mpiandry omby volavita ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Ny fahatsiarovana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka nomeny mba ho entina hanasoavana ny zanany rehetra no manakana antsika hampiasa ny fahefana hamaizana na hikapohana. Lalam-pahasambarana ny fahaizana mitantana araka ny hevitr’Andriamanitra satria izany no hahatonga antsika ho zanaka mpandova, ho mpitantana ny fananany rehetra (eny fa na dia ilay zaza mpandany koa aza, aoriana kely lazain’i Lioka fa hahazo indray ny peratra, hahafahany mitantana ny fananan’ny rainy).

Tsy misy tokony hampialona amin’izay soa vitan’ny hafa. Ny tokony handinihan-tena dia sao sanatria ny fanomezana noraisina avy amin’Izy Tompo tsy haintsika ny hampamokatra azy araka ny sitrapony, ka mety hiheverantsika fa Tompo lasa lavitra Izy ka mbola ela vao hiverina.

Hampitombo finoana sy hafaliana antsika anie ny mahita ny soa ataon’ny hafa, ka sady hampisaotra an’Andriamanitra no hampitombo koa ny fandraisana anjara amin’ny fanitarana ny fanjakany, amin’izay kely na be vita, araka ny fanomezam-pahasoavany.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
23 ôktôbra: Fankalazana an’i Kristy Mpanavotra
PREVIOUS
Talata faha-29 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.