Trinitera Malagasy
Alarobia faha 14 mandavan-taona

Alarobia faha 14 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Ôsea 10,1-12/Salamo 104
  • Tsy ankasa: Jenezy 41,55-57; 42,5-24/Salamo 32
  • Md Matio 10, 1-7

Niantso ny mpianany 12 i Jesoa, nomeny fahefana ary nirahiny hitory fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Mαθητής – mathètès, izany hoe mpianatra,dia satria nanaiky ny hiara-mitoetra amin’ny mpampianatra ka hianatra Aminy ny zavatra rehetra, hamolavola ny toe-tsaina hitovizana amin’ny mpampianatra. Ny fandraisana ny fahazavana avy Aminy no hahafahan’ireo mpianatra handresy ny haizina. Ny fitiavana no mandresy ny fankahalana ary hahafahana manokan-tena hikolokolo ireo zohìn’ny aretina sy ny rofy.

Samy manana ny anarany avy ireo Apôstôly. Tanisain’i Matio tsiroaroa izy ireo, satria voaantso hiaina ny fifankatiavana sy ny firahalahiana. Tsy olona niavaka tamin’ny fiaraha-monina ireo ary ny ankamaroany aza olona dia tafiditra lalina tamin’ny resa-bola sy ny adilahy politika. Ireo Mpianatr’i Joany Batista efa-dahy no manomboka ny fitanisana: ny voalohany (πρῶτος – prôtos, tsy amin’ny fiantsoana fa amin’ny andraikitra, satria i Andre rahalahiny no voaantso voalohany) dia i Simona (שִׁמְעוֹן, Shim`ôn: ilay mahay mihaino), izay antsoina hoe Piera (Πέτρος – Petros, vato harafitra) sy Andre (Ἀνδρέας– Andreas, lehilahy, anaraka grika) rahalahiny; i Jakôba (יַעֲקֹב– ya‘ăqobh: mpamingana) zanak’i Zebede (זַבְדִּי– zabdî, nomen’Andriamanitra) sy i Joany (יוֹחָנָן- yôḥānān,fahasoavan’Andriamanitra); i Filipo (tia soavaly, anaraka grika) sy i Bartelemy (zanaky ny mpiasa); i Tomà (תָּאוֹם, – tā’ôm, ilay Kambana) sy i Matio (fanomezan’ilay mandrakizay); i Jakôba zanak’i Alfe (mandalo vetivety,miovaova, mora soloina) sy Tade (maherifo); Simôna kananeana (mafana rà, mafana fo) sy i Jodasy (יְהוּדָה – yehoudhāh,ankalazaina anie Andriamanitra) Iskariôta (avy any קִרְיָא– Qiriā’ – Qiriath),ny Zelôty mafana fo indrindra amin’ny fikomiana ho an’ny tanindrazana, fa mety avy amin’ny שָׁקַר- shāqar koa izay izay midika hoe manome tsifoifoy, mamitaka) ilay hanolotra (παραδίδωμι – paradidômi, fa nadika hoe hamadika) an’i Jesoa.

Tsy olona lavorary no nampianarin’i Jesoa, ka nantsoiny sy nirahiny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Samy manana ny anarantsika sy ny namana atolotr’Andriamanitra hiara-dalana amintsika avy isika. Tsy mitovy toetra fa antsoiny kosa hiray aina, ho tonga mpirahalahy mianala, ho vavolombelon’ny Evanjely toriana. Tsy afaka ny hiitatra hatrany amin’ny faravazan-tany ny famonjena raha tsy hiainan’ny Fiangonana ao aminy aloha ny tena fitiavana marina.

 Mialoha ny handehanana any ivelanyany amin’ny tanànan’ny Samaritanina sy ny firenena rehetra (Mt 28,19), dia ao amin’i Israely, eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina misy aloha no tsy maintsy hitoriana sy hiainana ny Evanjely. Ny fandraràna tsy handeha any amin’ny lalan’ny Jentily dia azo heverina ihany koa hoe fandraisana ny fampitandreman’i Jeremia Mpaminany hoe: “Aza mianatra ny fitondrantenan’ny (דֶּרֶךְ– derek, lalana) firenen-kafa”, satria voaantso ho fanasina sy fahazavana.

Eny am-pandehanana [Πορευόμενοι– poreuomenoi: Mt 10,7 BYZ), participe présent du πορεύομαι– poreuomai) izay nadika hoe “Raha mandeha ianareo”], izany hoe eo am-panohizana ny lalana efa natomboka no hitoriana ny Fanjakan’ny Lanitra. Tsy mbola mahatratra ny fahalavorariana ny Apôstôly, saingy mizotra ho amin’izany ary mitory (κηρύσσω – kèrussô), mijoro ho vavolombelon’ny Fanjakan’ilay Ray mamondrona ny zanany, mamondrona ny ondry very, ho fianakaviana iray miaina ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fiadanana.

Hitombo ao amintsika tsirairay avy anie ny faniriana ho tonga mpianatr’i Kristy ka ho vonona hitory ny Evanjeliny amin’ny toe-piainana asehontsika amin’ny fiainana andavanandro.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAKAMISY FAHA 14 MANDAVAN-TAONA
PREVIOUS
Talata faha 14 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.