Trinitera Malagasy
Alakamisy VII Paka

Alakamisy VII Paka

Njara Pascal
  • Asa 22,30; 23,6-11/
  • Salamo 15/
  • Md Joany 17,20-26

Rehefa tonga tao Jerosalema i Paoly dia nitantara ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny Jentily ka nanomezan’izay nandre izany voninahitra an’Andriamanitra. Efa nalaza tao Jerosalema anefa fa mampikomy ny Jody tsy hanaraka ny fomban-drazana sy ny didin’i Môizy izy, ka ankoatr’i Jakôba izay nanery azy hanao voady miaraka amin’ny efa-dahy hafa ho porofo fa tsy niala tamin’ny fomban-drazana izy dia efa nokendren’ny Jody sasany kosa hovonoina, nampangain’izy ireo ho nampiditra tao an-tempoly ireo grika niaraka taminy avy any Mileto.

Ary satria moa niteraka korontana ny fisamborana an’i Paoly sy ny saika hamonoan’ny Jody azy ho faty dia voatery niditra an-tsehatra ny miaramila rômanina mba hisambotra an’i Paoly, ka hitondra azy ho any anaty rova. Teo amin’ny tohatohatra hiakatra ho any anefa dia nangataka i Md Paoly mba hiteny indraim-bava amin’ny Jody ka nahazo alalana tamin’ilay Komandy rômanina. Eo no hitantarany ny fibebahany (izay tantarain’i Lioka in-telo: toko faha-9,22 sy 26) kanefa tsy naharesy lahatra ny Jody izany fa vao mainka aza nampitombo ny haromotan’izy ireo. Rehefa tao an-drova i Paoly ka saika hadinina araka ny fomba (daroky ny tsy miala vola), dia nilaza fa manana ny zom-pirenena rômanina. Henon’ny kômandy izany ka sady natahotra izy ireo no namela an’i Paoly haingana. Ny ampitso dia novorian’ny kômandy ny Sanedrina sy ny lohandohan’ny mpisorona mba hahalalany izay marina momba ity raharahan’i Paoly ity, eto no manomboka ny vakiteny anio.

Misy resaka hifamalian’i Anania Mpisorombe sy i Paoly moa nodinganina eo, satria nasain’i Anania nokapohina ny vavan’i Paoly, fa novalian’i Paoly izy hoe “Andriamanitra no hikapoka anao, ry rindrina voaloko fotsy”. Tsy zakan’ny Jody anefa ny famalin’i Paoly azy amin’ny maha mpisorombe azy, nefa nolazain’i Paoly fa tsy fantany akory hoe izy no mpisorom-be! Maty novonoin’ny Jody tany amin’ny toera-maizina famarinan-drano maloto (égouts) tamin’ny fiantombohan’ny fikomiana manohitra an’i Rôma moa i Anania ny taona 66.

Rehefa hitan’i Paoly fa Farisianina sy Sadôseanina no teo, ity farany moa dia tsy mino ny fisian’ny fanahy sy ny fitsanganan-ko velona dia izay resaka izay no nentiny nampisaraka ny mpiampanga: “Ry havana iray finoana, izaho dia Farisianina, ary ny amin’ny fanantenantsika ny amin’ny fitsanganan-ko velona no hitsarana ahy”. Ny fisavoritahana lasa adin’ny Farisianina sy ny Sadôseanina no nanjaka ka voatery nesorina tamin-kery teo i Paoly fa “saika hotetehin’ny olona teo mihitsy”. Eto no manomboka ny dia faran’i Md Paoly, hihazo ny tanànan’i Rôma handraisany ny satro-boninahitry ny martiry. [Tsy mitantara izany moa i Lioka, fa ny fahatongavan’ny Evanjely hatrany amin’ny faravazan-tany (Rôma) no amaranany ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly.]

Izay toa azy ka sendra ny toe-javatra toy izany dia tsy afaka ny tsy hiventy ny Salamo 15, tahaka ireo Levita ny alina tao an-tempoly, mametsovetso ny fitiavan’Andriamanitra, ilay hany tokana azo hitokiana. Toa nanjavona avokoa manko ireo mpino sy ireo sakaiza nitoriana teny, kanefa ny hany lova dia Izy Tompo izay eo aloha, tsy miala eo an-kavanana sy eo an-kavia.

Raha jerentsika kosa ny Evanjely [Jo 17,20-26, Evanjely tamin’ny Alahady fahafito], mivavaka ho an’ny Mpino rehetra i Jesoa, mivavaka tsy ho an’ireo Apôstôly niara-niaina tamin’ilay Teny tonga nofo ihany, fa ho an’izay rehetra mino noho ny Teny voatory mba hiraisan’izy samy izy araka ilay fitiavana ifankatiavan’Izy sy ny Ray. Ilay didy vaovao nomeny izay te ho Mpianany (Jo 13,34-35), dia zary vavaka eto. Tsy misy zavatra hafa azontsika atao laharam-pahamehana ambony noho izany fiombonana izany. Io ihany no lalana hahafahan’ny olona mino fa i Kristy no ilay Masin’Andriamanitra. Ny fiombonantsika amin’i Jesoa sy amintsika samy isika no mamaritra ny vokatry ny asa pastoraly ataontsika (Jereo Jo 15,1-12).

Nafoin’i Jesoa ho antsika ny voninahiny (ny maha zanaka Azy) mba haha-iray antsika, mba hahafahantsika mitia. Fa firifiry ny disadisa eo anivon’ny Eglizy noho ny fanamparam-pahefana sy ny fiarovana ny voninahitra araka ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka hiheverana ny sasany ho mangalatra andraikitra na tsy mandray andraikitra (satria tsy nanaraka ny baiko)! Ny fiombonana no baiko tokana manentana ny tena mpianatra marina.

Fanirian’i Jesoa ny hitoeran’izay mino Azy amin’izay itoerany, ao an-tranon’ny Ray, hiaina ny maha zanaka sy maha fianakavian’Andriamanitra (Ef 2,19). “Raha ny olona velona no voninahitr’Andriamanitra, dia ny fibanjinana an’Andriamanitra kosa no fiainan’ny olona”, hoy i Md Irenée de Lyon. Ny voninahiny mamirapiratra eo amintsika no manova antsika hitovy endrika Aminy (Jereo 2 Kôr 3,18). Ny tanjona ho an’izay mandray ka mino ny Teny, ny faniriany lalina dia ny hahatonga azy ho taratry ny voninahitry ny Ray. Tahaka an’i Jesoa ka izay mahita azy ireo mahita ny Ray ihany koa. Tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko, Izy no antom-pivelomako, hoy i Md Paoly (Ga 2,20).

Ilay Ray Masina, loharanon’ny fahamasinana rehetra dia Ray Marina ihany koa. Tsy manamasina antsika miombona aina Aminy fotsiny Izy fa manamarina antsika ihany koa mba ho taratry ny fahamarinany isika. Ny Zanany, ilay hany marina, maty ho antsika mpanota no nanehoany ny fahamarinany. Tsy afaka ny hahalala izany izao tontolo izao. Fa izay mahalala ny Anaran’Andriamanitra kosa no hanana ny fitiavany, dia ilay fitiavana itiavan’ny Ray ny Zanany.

Dinihontsika àry hoe, izay no anarana iantsoantsika an’Andriamanitra. Izay mahalala Azy ho Ray no afaka miaina amin’ny maha zanaka, ka afaka mitia satria taha-dRay. Tsy fiombonana andrasana ho valin’ny natao aorian’ny fahafatesana anefa izany, araka ny fampianaran’i Md Joany fa fiombonana zary hafaliana sy hasambarana vokatry ny finoana, ka mitombo sy mivelatra araka ny fivoaran’izany finoana izany. Tsy fivoarana miankina amin’ny herin’ny tena anefa fa fivoarana miankina kosa amin’ny firaisana aina amin’ny foto-boaloboka (Jo 15,1snm), izay “maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona Aminy, na mahatsiaro na matory isika” (1 Tes 5,10).

Hanofana antsika hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina (vavaka fangatahana).   

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma VII Paka
PREVIOUS
Alarobia VII Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma voalohany mandavan-taona 15 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.