Trinitera Malagasy
Alakamisy fahatelo mandavan-taona

Alakamisy fahatelo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Hebrio 10,19-25/Salamo 23/
  • Ankasa: 2 Samoela 7,18-19. 24-29/Salamo 131
  • Md Marka 4,21-25

“Moa tonga ve ny jiro mba hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ny farafara?” Ny nampiasan’i Marka ny matoanteny “tonga” fa tsy entina (μήτι ἔρχεται – mèti erchetaiἔρχομαι– erchomai) dia heverina fa entiny hilazana ny jiro manambara ny fiavian’i Kristy, ilay mpampakatra, ary avy eo koa hanambara antsika, jiro irahiny hanazava izao tontolo izao. Izy no manolotra antsika ny Jiro, fanomezana avy Aminy maimaim-poana araka izany ny hazavana fa anjarantsika kosa ny mametraka azy eo ambonin’ny fanaovan-jiro; Izy no nifidy antsika sy maniraka antsika kosa avy eo ho fahazavan’izao tontolo izao ka tsy afaka ny tsy hiseho ho fahazavana, tsy afaka ny hiafina izay te ho mpianany, na hamoizany ny ainy aza izany.

Tsy zavatra hafenina ny hafalian’ny ampakarina fa fety ankalazaina araka izay tratra. Na dia tsy takatry ny sain’ny rehetra aza ny zava-miafina aseho amin’ny mpianatra sy ny olom-bitsy ao amin’ny mangingina dia tsy maintsy hotoriana hatraiza hatraiza izany, amin’ny fotoana maha mety azy. Tsy afaka hahafantatra izany anefa isika raha tsy manongilan-tsofina hihaino ary hitandrina izay heno.

Indraindray heverintsika fa ny kônfesintsika sy ny fahotan’ny sasany no voalaza amin’izany lazaina amin’ny mangingìna izany. Izao ny fanazavan’i Md Matio azy: ireo Apôstôly nahazo fampianarana tao amin’ny mangingìna dia irahin’i Jesoa hitory izany eny an-tafontrano (Mt 10,27) mba hahatonga azy ireo ho fahazavana hanilo ny tany tontolo (Mt 5,16). Sady fampaherezana ireo voasakan’ny fanenjehana izany teny izany no fampirisihana ireo izay mety matoritory ka tsy mahatsapa fa “loza ho azy” raha tsy mitory ny Evanjely izy (1Kôr 9,16). 

Asian’i Md Marka tsindrim-peo manokana fa tsy mihaino fe mihaino fotsiny fa mila mandinika sy mitandrina an’izay re, mila mijery (βλέπω – blepô) an’ilay Teny tonga nofo, tafasandratra eo amin’ny voninahiny, eo amin’ny fanaovan-jiro vaovao, dia ny Lakroà, mila mibanjina Azy mba hahazo tsara ny Teny. Ny famarana hamarantsika ihany no hamarana ho antsika, ary homena mihoatra aza, satria izay manana ny fahalalana ny zava-miafin’ny Fanjakan’ny lanitra no homena, fa izay tsy manana kosa dia hoesorina aminy hatramin’izany “heveriny” (Lk 8,18) ho fananany aza. Mampanontany tena izany amin’izay harena ironan’ny fontsika olombelona indraindray ka andaniantsika fotoana hianarana sy halalinina. Sao sanatria harena “avela ho lovan’ny hafa” (Sal 48) no himatimatesana.

Izay tsy mampamokatra ny fahasoavana noraisiny, fa mifikitra amin’ny haren’ny tany, na mitsoaka an-daharana nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny Teny, na koa mianina amin’ny mahazatra ka tsy manaiky handray ny tsiokan’ny Fanahy manavao ny tany (ny teny voafafy eny amin’ny lalana), dia ho diso fanantenana.

Mazava ny hafatra tian’ny Evanjely holazaina: tsy misy afa-tsy ny fihainoana ny fampianaran’i Jesoa sy ny fitandremana azy no lalana hahafahana miditra amin’ny fiainana. Ny vavaka ataontsika anie hanampy antsika hitahiry ny hafaliana amin’ny fihainoana ny teny, ny fandinihana sy ny fitandremana azy.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahatelo mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia fahatelo mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia IV Paka
  • Talata IV Paka
  • Alatsinainy IV Paka
  • Sabotsy III ny Paka
  • Alarobia III Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia IV Paka 13 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.