Trinitera Malagasy
Alakamisy fahafolo mandavan-taona

Alakamisy fahafolo mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: 1Mpanjaka 18,41-46/Salamo 64
  • Tsy ankasa: 2 Kôrintianina 3,15–4,1.3-6/Salamo 84
  • Md Matio 5,20-26

Tsy afaka amin’ny olombelona amin’ny maha olombelona azy ny fanoharana ny fiainany amin’ny fiainan’ny hafa, ka hakàny tsoa-kevitra avy amin’izany, saingy miankina amin’ny fahamatoran’ny tsirairay kosa ny mety ho tohin’izany fifampitahana izany, na hitondra amin’ny fivoarana na tsia. Misy ohatra ny mijery ny ataon’ny besinimaro dia mampionon-tena, mandrimandry manana aretina satria hoe: “ny olona rehetra aza tahaka izany”. Amin’ny Evanjely anio dia ny Farisianina sy ny Mpanora-dalàna, sokajin’olona roa fatra-panaraka ny lalàna sy mahatandrin-tena amin’ny zavatra rehetra, hatramin’ny madinika indrindra, no asain’i Jesoa hampitahantsika ny fiainantsika, raha te hiditra amin’ny fiainana isika.

Izany fidirana amin’ny fiainana izany dia fitadiavana ny fomba hialana amin’ny fandrika mety hampivily tsy hanarahana ny Lalàna: “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalana” (Mt 5,20). Ny Lalàna (Torāh) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Izany lalàna izany koa no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izany no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tsy hisy foana ny Lalàna mandrapaha-tanterak’izy rehetra” ary Izy Jesoa kosa dia izao indrindra no nahatongavany: “hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” (Mt 5,17), araka ny henontsika omaly.

Ny lalàna voalohany hotanterahina dia ny hoe : Aza mamono olona.

Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις – krisis) ary izay milaza ny rahalahiny ho “tsy misy ilana azy” (ῥακά, rhakà = vaurien, imbécile-imbecillis=malemy ohatry ny kankana, רֵיק- rêq tsisy vidiny, vide) dia tokony hohelohin’ny Sanedrina, ary izay milaza azy ho “foka” (μωρός – môros, insensé, impie, tsy matahotra an’Andriamanitra) dia hosaziana amin’ny gehen’afo. Ny lohasahan’i Hinnom,γέεννα – geenna, avy amin’ny teny hebrio הִנֹּםגַּיְא- – (gai’-hinnom, lohasahan’ny fitomaniana) tany am-piandohana dia fanangonana sy fandoroana ny sisan-taolana. Fa rehefa nitranga izay tantarain’ny 2Mp 21,6 tamin’ny nisoronan’i Manase ny zaza amin’ny sampy Môlôka, dia nataon’ny Jody ho vavahadin’ny Demony io Lohasahan’i Hinnom, atsimo andrefan’i Jerosalema io ka lasa toerana fandoram-pako, nantsoina hoe gehena.

Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona tsy misy ilana azy na adala sy votsa saina no eo anoloanao, aza adino fa rahalahinao io, zanak’ilay Rainao any an-danitra, ka voaantso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, mampahatonga ny fiainana ho fako, ariana any amin’ny gehenafo kosa ny fitahirizana izay tokony ho nampiasaina hanasoavana ny hafa, ary satria“ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fitiavana, fahatanterahan’ny lalàna, ka raha sanatria àry ho avy izay andro maha osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokainy?

“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω –  orgizô moa araka ny fototeny ὀργή – orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia alanao baraka (sy ozoninao) araka izany ilay havanao,ilay rahalahinao, ary raha tsy fahafaham-baraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao, ary ianao kosa mila mandini-tena hoe: inona moa no hilana ahy!!!

Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa, fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna tamin’izay nohafokainy na izay nambaniany na izay noheveriny ho tsisy nilàna azy ka nitondra alahelo noho ny avonavony. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didachè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hihavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didachè 14,1-2).

Ny famelana sy ny fihavanana no fanoitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana. Tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoa hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa na manao fo vato mandà tsy hanampy ny hafa ka mihevitra azy ho tsinontsinona sy tsy misy ilàna azy. Mety hihevi-tena ho sambatra izy, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) dia tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity amin’ny tenany ihany: “nataoko inona ny fiainako? Ary hamaly eo anatrehan’Andriamanitra raha toa ka nampiasainy hanaovan-tsoa na hitiavan-tena sy hitadiavan-tombon-tsoa manokana ny fahasoavana sy ny talenta nomeny antsika. Tsy hisy hiditra any amin’ny mandrakizay izay mbola manana variraiventy manaraka azy: sambatra ny mahantra fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Tsy ny mamono ny vatana ihany tsy akory no mamono olona fa izay rehetra manakana na mandà ny tsy hahasambatra azy ihany koa. Ny hananan’ny olon-drehetra ny hafenoan’ny fiainana no sitrak’i Jesoa (Jo 10,10) ka antsoiny ho amin’izany ihany koa ny mpianany rehetra.

Afaka miova sy mihatsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fianana, hihoarana ny fahamarinana mety mitondra amin’ny fanavakavahana (Φαρισαῖος– Pharisaios, avy amin’ny פָּרַשׁ- pārash, manavakavaka). Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina, ka tsy ho azon’ny avonavon’ny Farisianinaisika ka hanilika izay tsy mitovy fihevitra amintsika sy tsy afa-manaraka ny lalàna toa azy, hahay handray ny olona rehetra ho mpiray tampo, hahay hihavana amin’izy rehetra, ary hahay hampiasa izay rehetra ananantsika mba hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, ho fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahafolo mandavan-taona
PREVIOUS
11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy fahadimy mandavan-taona 12 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.