Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-28 mandavan-taona

Alakamisy faha-28 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Efezianina 1,1-10/Salamo 97
  • Tsy ankasa: Rômanina 3,21-30/Salamo 129
  • Md Lioka 11,47-54

[Loza ho anareo, mila loza ianareo… οὐαί (ouai) moa amin’ny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny ainy saingy nolavin’ilay notiavina kosa. Na ny dikan-teny vaovao hoe “mila loza ianao aza” tsy mahadika azy. Ny marimarina kokoa dia hoe “loza ho ahy noho ianao”, ary izany no noporofoin’i Jesoa maty teo ambony hazofijaliana noho ny fahotan’ny olona.]

Mila loza izay manao fasana ho an’ny Mpaminany. Raha araka ny fisainana mahazatra dia hoe ho fanajana azy no hanaovana fasana ho azy, saingy filana loza izany, hoy i Jesoa, mampalahelo Azy ny vokatr’izany. Araka ny fikarohana arkeôlôjika, dia voamarina ara-tantara fa tamin’ny andron’i Herôda lehibe no nanorenana ny fasana miezinezina ho an’ny mpaminany (note l TOB). Tsy ny fanorenana fasana anefa no andrasan’Andriamanitra amintsika fa ny fandraisana ny hafatra nambaran’ireo Mpaminany ireo, mba hanokafana ny fo ka handraisana izany ho fanambaran’Andriamanitra.

Tsy tapaka ny mandefa mpaminany sy Apôstôly anefa Andriamanitra, ka ny fandaniam-bola hanao tsangam-bato ho an’ny lasa dia mazava loatra, tsy hanampy velively amin’ny fiainana ny ankehitriny, hiheverana fa ireo mpaminany efa nodimandry ihany no mpaminanin’Andriamanitra. Tsy hoe hanaovana tsinontsinona ny lasa izany sanatria, fa ho  fitandremana sao variana amin’ny fitadiavana an’i Salômôna sy Jônasa, kanefa lehibe noho izy ny Mpaminany miara-monina amin’ny tena. Izany no hampamoahana ny ran’ny mpaminany sy ny olomarina rehetra hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, izay tsy milaza zavatra samihafa afa-tsy izay anirahan’ny fahendren’Andriamanitra azy ireo. I Abela sy Zakaria moa no olomarina sy mpaminany novonoina voalohany (Jen 4,8-10) sy farany (2Tan 24,20-24) ao amin’ny Baiboly Hebrio, canon palestinianina.

I Zakaria moa, rehefa ho faty dia nilaza hoe: hijery sy hamaly an’izay anie YHWH. I Jesoa kosa nivavaka mba hamelan’ny Ray ny helok’ireo namono Azy (Lk 23,34). Izay mpianany koa dia tsy afaka hanao vavaka hafa noho izany: aza tanana ho hadisoany izao ry Tompo, hoy i Etiena teo am-pialan’aina (Asa 7,60). Ny lalànan’olombelona dia manao izay hampiharihariana ny fahotana mba hanamelohana, ny fahendren’Andriamanitra kosa, manao izay hanalana tsiny azy mba hamonjena. Manala tsiny ny zavatra rehetra ny fitiavana, hoy i Paoly (1Kôr 13,7).

Izany fahendrena izany no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, saingy ireo izay nahazo andraikitra mba hitahiry ny fanalahidin’izany (bêth hammidrash, tranon’ny fahalalana) dia mamitaka ny olona mba tsy hahafahany mahita ny mazava. Ny lakroà anefa no fanambarana miharihary, tsy azo afenina, anambaran’Andriamanitra ny fitiavany, Izy ilay vonona hisolo vaika ny akalana, ho solo voina mba ho fanavotana ny mpanota. Fony mbola mpanota isika no maty ho antsika i Kristy, hoy i Md Paoly (Rm 5,8).

Hahafoy ny fiainana hanavotana ny hafa koa anie isika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-28 mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faha-28 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma faha 11 mandavan-taona
  • ALAKAMISY FAHA 11 MANDAVAN-TAONA
  • Talata faha 11 mandavan-taona
  • ALATSINAINY FAHA 11 MANDAVAN-TAONA
  • TRINITE MASINA TAONA D

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma faha 11 mandavan-taona 19 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.