ALAHADY VOALOHANY KAREMY – Taona A
- Jenezy 2,7-9; 3,1-7
- Salamo 50[1]
- Rômanina 5,12-19
- Matio 4,1-11
Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia
KAREMY, avy amin’ny teny frantsay hoe carême, izay avy amin’ny teny latinina hoe XL (quadragesima), midika hoe faha-efapolo (40): isa enti-milaza zavatra iray manam-petra, ary mazàna hoenti-milaza ny fotoana fiomanana. Jereo ohatra ny 40 andron’ny tondra-drano (Jenezy 7,17); ny 40 taona tany an’efitra ho an ‘ny zanak’Israely (Det 8,2), ny 40 taona nanjakan’i Davida (1 Mpanj 2, 11) sy Salomona (1 Mpanj 11, 42), ny 40 andro sy 40 alina nizoran’i Elia ho any Horeba (1 Mpanj 19,8) na ny 40 andro tany an’efitra niomanan’i Jesoa hitory teny (Mt 4,2)… Fiomanana ho amin’ny zavatra tsaratsara kokoa… “fiandrasana am-paharetana ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra” (Rom 8, 19).
Ao amin’i Jesoa voafantsika eo ambony hazofijaliana no hahafahantsika mahita ny hafenoan’ny Fitiavan’Andriamanitra, izany no hanaovantsika ny lalan’ny hazofijaliana isaky ny zoma tolak’andro.
Izany fitiavan’Andriamanitra izany, dia fitia te hanolo-tena ho antsika maimaim-poana (agapè) kanefa koa fitia miandry antsika hamaly fitia, amin’ny fisaorana atolotsika Azy. Ny fanekentsika ny fiantsoany no hiraisantsika aina aminy ka hahafeno fatra ny hasambarantsika.
Ny hazofijalian’i Kristy no nanonitra ny fahotantsika, manaporofo izany fitiavan’Andriamanitra ho antsika izany, ka ny Rano sy Rà nivoaka ny lanivony tamin’Izy nolefonina no zary loharanon’ny Sakramenta ho antsika, hamenoana ny sinivato fidiovana, hanovàna ny rano ho divay mba ho fifalian’ny mpampiakatra sy ny ampakarina. Ny ratra navelan’ny lefona no nieken’i Md Thomas apostoly ny maha- “Tompo sy Andriamanitra” an’i Jesoa taorian’ny fitsanganany ho velona.
Azontsika jerena amin’ny fanombohan’ny boky ireo dingana izorana amin’ny karemy.
Lalana mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana ny Karemy araka izany, ka sanatrian’izany ny hanao an-tsirambina ny fikolokoloana ny hafaliana izay tokony ho feno fatra amin’ny fankalazana ny Paka (fa tsy ny lundi de Pâques).
Amin’ity Alahady I ity dia ambaran’i Matio amintsika ny lalana efa nosantarin’i Jesoa, ilay “nentin’ny Fanahy tany an’efitra mba halain’ny demony fanahy” (Evanjely: Mt 4,1-11). Nahoana i Jesoa no nanaiky halaina fanahy?[2]
Araka ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra anio dia nalain’ny demony fanahy koa ireo razam-bentsika, ireo ray aman-dreny be voalohany noharian’Andriamanitra, ka nanota (Jen 2,7-9; 3,1-7). Amin’ny tenin’ny bibilava dia azontsika havoitra sahady ireo fakam-panahy telo nosedrain’ilay Adama vaovao ka nivoahany ho mpandresy: « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana)! » Moa ve tsy tandindon’ny “vato hovana ho mofo”, ny “fitokisana amin’ny maha zanak’Andriamanitra” ary ny “fanamparam-pahefana” izany!
Ireo zavatra telo ireo no amondronan’ny Tenin’Andriamanitra ny fakam-panahy sedraintsika eo amin’ny fiainana: ny sakafo sy ny fivelomana, ny fifandraisana amin’ny hafa ary ny maha izy azy ny tena. Araka ny fandinihan’ireo mpandalina manokana momba ny fivoarana sy ny fahamatoran’ny maha olona (anisan’izany ohatra ny antanatohatry ny filana na “pyramide des besoins” nalahatr’i Abraham Maslow) dia ireo sehatra telo ireo no hifotoran’ny fahamatorana: ny filàna fototra ara-pivelomana (sakafo sy fahasalamana – Physiologique [1] et sécurité [2]), ny fifandraisana amin’ny hafa (relation et socialisation, appartenance et amour [3]) ary ny fandavorariana ny tena (ny maha izy azy ny tena: estime et appréciation [4] et accomplissement de soi [5]). Araka ny fikarohana nataony dia tsy afaka mandalo amin’ny dingana manaraka raha tsy matotra amin’ny dingana lalovana…
Samy revon’ny fitadiavana isika rehetra, na ho an’ny anio, na hitsinjovana ny vodiandro ho merika sy ny ho avin’ny taranaka: ambaran’i Jesoa ary tiany hotsaroantsika hatrany anefa fa « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloakan’ny vavan’Andriamanitra« . Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny (Mk 8,36)? Tsy azo adinoina àry fa ny fanahy no olona, ny fanahy no maha olona.
Samy te hikolokolo ny fifandraisana sy ny tombontsoan’ny tena eo amin’ny fiaraha-monina avy isika rehetra. Samy manana ny olon-tiany sy lalainy, ka te higoka ny hasambaran’izany fifankatiavana izany. Dia tsy sasatra i Jesoa mamerina amintsika ny fampianaran’i YHWH : « Saro-piaro ny Tompo Andriamanitrao ka aza maka fanahy Azy » (Dt 6,16). Saro-piaro amin’ny maha zanany antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hatao am-banin-javatra ny maha mpiray tampo antsika ao amin’i Kristy, fa indrindra indrindra ny fitondrantsika tena mendrika izany maha zanak’Andriamanitra antsika izany.
Tsy zoviana amintsika ny adilahy pôlitika handrombahana fahefana (na an-drariny na tsia) sy hanamparana fahefana! Na isika koa aza mba te hampanjaka ny hevitsika, te haneho ny maha isika antsika, saingy miafara amin’ny ady sy fifandirana mandrakariva izany raha tsy misy ny marimaritra iraisana, raha tsy mitovy ny tanjona hotratrarina. Ambaran’i Jesoa amintsika anefa ny tokony « hahatsiarovantsika mandrakariva fa raha tsy Izy tsy mahefa na inona na inona isika » (Jo 15,5), « tandremo sao manadino Azy izay namoaka anao tamin’ny tanin’ny fanandevozana, ny Tompo Andriamanitrao irery ihany no ivavahanao, Izy no tompoinao » (Dt 6,12-13). [3]
Dia izany no hanafatrafaran’i Md Paoly antsika mba hahatsapa ny fahasoavana tovozin-tsy ritra ao amin’ilay Adama Vaovao, dia i Kristy izay handraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana (Rm 5,12-19).
Ndeha ary hiezaka mandritra ity herinandro voalohan’ny Karemy ity, handinika ireo soa sesehena noraisintsika avy amin’Andriamanitra, mba hitomboan’ny fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ka hampiasantsika ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.
Ndeha hiverenantsika halalinina ny Evanjely, mitantara an’i Jesoa nentin’ny Fanahy tany an’efitra, mba halaina fanahy.
Ny efitra dia izay nisy an’i Adama taorian’ny fahotana, mampahatsiaro koa ny tany novakivakian’i Israely, taorian’ny nialany tany Ejipta: toerana tsy maha te honina, satria toeran’ny fisedrana sy ny fahalavoana. Ao anefa no hanabeazan’Andriamanitra antsika mba hahaizana mihaino ka hampitombo ny faniriana sy ny fankafizana ny tany mamokatra. Tany an’efitra dia ny “mana” (zavatra tsy fantatra anarana nefa fanomezan’Andriamanitra) no niveloman’ny zanak’Israely, saingy ambaran’ny Bokin’i Jôsoe (Jôs 5,12) fa ny ampitson’ny Paka dia nitsahatra ny mana.
Tsy manakana ny fakam-panahy ny Fanahy Masina fa manohana antsika kosa amin’ny famakivakiana ny taniefitra. Ny hoe maka fanahy moa amin’ny teny grika dia πειράζω – peirazô, ka raha adika ara-bakiteny avy amin’ny πειρω – peirô dia entina hilazana ny famakivakiana ny fiainana mba hahatongavana eny am-pita, any an-koatra, miala amin’ny tany efitra ho any amin’ny tany lonaka. Ny πειρα – peirà dia entina hilazana koa ny traikefam-piainana hahafahana mahatsapa ny fahamarinan’ny zavatra iray. Rehefa avy manapa-kevitra manko vao tena manomboka ny tolona hiatrehana ny fiainana mifanaraka amin’izany. Izay tsy mahita ny lalan-kombana no lazain’ny teny frantsay hoe “aporie”, tsy hahitana mangirana (difficulté d’ordre rationel paraissant sans issue), dia mipoerapoera, hoy ny tanora avy eo. Tsy azo adino fa moramora kokoa ny “manala an’i Israely tany amin’ny tany Ejipta” noho ny “manala an’i Ejipta ao am-pon’i Israely”. Eh, hoy izy ireo, “aleo ihany tany am-body vilany feno hena” (Eks 16,3). Dia eo no manomboka ny “péril”, nadikantsika hoe loza, fa “periculum” dia manambara “expérience”, ex-peria, ny adim-piainana, ady tsy hahavery hevitra fa ady mba handresena.
Izay te hivoaka ho mpandresy tsy maintsy miady. Tsy misy mandresy tsy miady, ary sitrak’Andriamanitra isika handray anjara amin’ny fandreseny. Isika moa miady miaraka aminy, saingy ho an’izay milavo lefona, na oviana na oviana, tsy handresy, hanaiky ho andevon’ny fahavalo mandrakizay.
Ny fakam-panahy koa amin’ny teny grika dia antsoina hoe παιδεια (paideia),[4] sedra, ary entina hanabeazana, entina hanavahana ny tena zanaka sy ny zaza sary, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio (Heb 12,8). Ny mpaka fanahy moa dia ny demony, na ny marina kokoa ny devoly, diable (diabolos, διαβαλλω – diaballô ≠ συμβαλλω – sumballô), ny mpiampanga mba hanasaraka.
Raha fandresena no tadiavina, dia “izay mitambatra vato, ary izay misaraka fasika”, hoy ny fahendren-dRazana. Izay rehetra mitondra hevitra mba hampisaraka, araka izany, dia tsy avy amin’Andriamanitra fa avy amin’ilay mpiampanga: mitady hampisaraka ny olombelona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, hampisaraka azy amin’ny mpiray tampo sy ny fiaraha-monina, hampisaraka azy amin’ny zavaboary.
Ireo ny fakam-panahy telo amintinan’ny evanjely ny fiainantsika: ny fifandraisana amin’ny zavaboary, ny fifandraisan’ny samy olona ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra, araka ny efa nolazaintsika teny ambony: « aza mihinana amin’izany (hanina), ary aza mikasika azy akory (fifandraisana), fandrao maty ianareo (fahefana).«
Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto.
“Tsy misy manome vato raha mofo no angatahiny” (Mt 7,9).
Tsy mora ny manavaka ny mofo sy ny vato, ary tsy mora ny mihevitra fa ny fahaizantsika mitady mofo, mampidi-bola, mahavita zavatra no maha zanak’Andriamanitra antsika. Indraindray afangaro amin’ny fandrosoana ara-materialy ny firosoana amin’ny fiombonana sy ny fahamasinana. “Aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana”, hoy ny Ntaolo kanefa ny be mpanaraka dia “ny vola maha rangahy” sy maha ranga. Matetika atakalontsika vola aman-karena na atakalo zavatra mety hahavoky ny kibo fotsiny ny hasambarana hiantsoana antsika amin’ny fiainana feno atolotry ny Evanjely. Izay mety ho firobarobana sy fandaniana tsy mampitombo ny fahamasinana sy ny fiombonana araka izany dia mifanohitra amin’ny fahamasinana sy ny fahasambarana, ahafahana mandova ny Fanjakan’ny lanitra (fahantrana am-panahy Mt 5,3). Izay tsy miezaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina araka izay vitany, dia mazava loatra fa tsy ho afaka ny hivelona araka ny sitrak’Andriamanitra.
Izay manaiky hivelona ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ihany anefa no afaka hisafidy ny fiombonana ka tsy hanao ny kibony ho andriamaniny, tsy hihevitra ny tenany fotsiny fa hahatsiaro koa ny iraka hiantsoana “hanome hanina” ny vahoaka any an’efitra.
Raha Zanak’Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any.
“Tsy misy manome maingoka raha atody no angatahiny”, Lk 11,12 (tsisy ao amin’i Matio).
Tsy ambakan’ny olona hafa rehetra isika ka hihevitra fa miankina amin’ny “sécurité”, amin’ny fiainana azo antoka, miorina mafy ka tsy handalo fahafatesana ny fiainantsika. Tsy hoe handeha hitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny tempoly ianao, dia maratra na maty eo dia Andriamanitra indray no omena tsiny. Mety tsy hitsambikina avy eny anefa, satria mora kokoa ny mitandrina amin’ny hantsana lalina, saingy sarotra ny manavaka ny atody sy ny maingoka. Ny ivon’ny fakam-panahy, araka an’i Matio dia ny fahaizantsika manaiky ny sitrapon’Andriamanitra izay fanoroana antsika ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Ny teny hoe Torāh moa dia midika hoe “flèche” zana-tsipìka, na ny marimarina kokoa takelaka-panondroana (panneaux de signalisation)manoro antsika ny lalana mankany amin’ny fahasambarana ampanantenain’Andriamanitra ny zanany rehetra.
Mazava loatra araka izany fa ny fanekentsika Azy, fanekena ny teniny, ny fanekena ny finoana nosafidiantsika mba hiainana araka ny Evanjely, ary ny fahaizantsika mihaino ireo napetraky ny Fiangonana mba hampahatsiaro antsika ny sodi-dalan’ny Evanjely, ny fanekentsika ihany koa ireo zavatra takìna (exigences) apetraky ny fiaraha-monina sy ny vanim-potoana mba hahatonga antsika ho “mpaminany”, dia mety handalovana amin’ny fahafatesana (fahafatesan’ny hambom-po, fahafatesan’ny tombontsoa manokana, fahafatesan’ny fahazarana) kanefa izay no lalana tsy maintsy diavina mba hahatongavana amin’ny hafenoan’ny fiainana. Izany no ezaka manokana takian’ny Karemy.
Fakàna fanahy an’Andriamanitra ny fanaovana be loha amin’izay hevitry ny tena kanefa tsy mifanaraka na amin’ny Teniny na amin’ny Lalàna nomeny hitondra amin’ny fahasambarana.
Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko hianao.
Iza no hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny (Mt 7,10) ?
Ny bibilava dia miolakolaka etsy sy eroa fa ny hihinana ny remby no mahamay azy. Ny trondro koa mba miolakolaka ihany saingy voajono ka lasa sakafon’ny hafa. Ny faniriana hakan’ny devoly fanahy antsika dia ny mba hiankohofan’izao tontolo izao eo anatrehantsika. Iza no hanaiky hotsindritsindrian’ny hafa izany? Dia aleo miankohoka eo anatrehan’i Satana, toy izay tsy hahazo ny rendrarendra sy ny voninahitr’izao tontolo izao. Ny hadiovam-po no hahafahantsika mahita ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny hafa (Mt 5,8), ka hilatsahantsika hanompo fa tsy hotompoina. Izany no hahafahantsika milaza hoe: “mialà amiko ry Satana!” rehefa tsy ny voninahitr’Andriamanitra fa ny eboebon’izao fiainana izao no arosony ho antsika. Io no hahafahantsika misafidy ny ho trondro fa tsy ho bibilava, ny hitia fa tsy ny hifetsy na dia hararaotin’ny hafa aza. Ampianarain’i Jesoa anefa isika mba hianatra koa ny hamailon’ny bibilava, ka hahay hiaro tena amin’izay mety fandrika mivelatra na mety hahatonga ny fontsika ho voafatotry ny fitiavana manokana ka tsy ho afaka hitia manontolo ho Azy Tompo.
Mampandinika ihany fa ny vavaka ataontsika matetika dia mety hanadinoantsika ny ezaka tokony atao isan’andro isan’andro: “Tompo o, ekeo ny vavakay, henoy izahay ry Tompo fa mihanta aminao”. Izy ve no tokony hihaino sa isika? Tsarovy fa i Elia dia nampianatra an’i Samoela kely hivavaka hoe: “Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”.
“Mahavonjy ny mibanjina ny halalin’ny Misterin’ny Paka izay nahazoantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy afaka ny hanandrana izany famindram-po izany anefa raha tsy ao amin’ny “fifanatrehan-tava” amin’Izy Tompo voafantsika sy tafatsangan-ko velona, dia Izy izay “tia ahy sy nanolotra ny tenany ho ahy” (Ga 2,20). Diniky ny fo izany, resaky ny mpifankatia. Izany no mahatonga ny vavaka ho laharam-pahamehana mandritra ny vanim-potoanan’ny Karemy. Mialoha ny maha adidy azy, ny vavaka dia fanehoana ny hetaheta te hamaly fitia an’Andriamanitra izay mitia antsika mialoha sady manohana antsika mandrakariva. Araka izany, eo am-pivavahana ny kristianina dia mahatsiaro mandrakariva fa notiavina na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro izany fomba fivavahana izany, fa ny tena zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia noho izy mandavaka ao anatintsika ao ary mahavita misikotra ny hamafin’ny fontsika ka hampitodika azy bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny sitrapony” (Hafatry ny Papa François Karemy 2020).
46 raha isaina manomboka amin’ny alarobian’ny lavenona ka hatramin’ny sabotsy alina masina: ny antony dia satria ny alahady dia fankalazana ny Paka isan-kerinandro ka tsy nampidirina ho anisan’ny andro fiomanana, ka raha esorina ny alahady 6 dia 40 no sisa tavela.
Raha ny Paka no fototry ny finoantsika kristiana (1 Kor 15,17ss) dia mazàva loatra fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fanomanana izany fety izany… Ny tsirairay araka izany dia mila mandinika ny lalan-kizorany (ankoatra ireo iraisana) mba hankalazana ny Paka. Ny fahotana no mandrava ny fihavanantsika amin’Andriamanitra sy ny olombelona sy ny zava-boahary, ka ny fialantsika amin’izany no lalana voalohany mitondra amin’ny Paka.
Ho haintsika anie ny hanararaotra izao taom-pahasoavana izao ka hahafahantsika manamasin-tena, hahafahantsika manavao am-pitiavana ny Batemy amin’ny alin’ny Paka, ka hahatonga antsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.
Mirary fahasambarana ho anareo tsirairay avy.
[1] Azo jerena ny fanazavana amin’ny ALAHADY V KAREMY Taona B
[2] Azonao jerena eto ny resaka fakam-panahy amin’ny taona D (Lk 4)
[3] Azo jerena koa ny momba ny fakam-panahy sy ny fiainan’ireo miezaka hiaina ny toro-hevitry ny vaovao Mahafaly: ny voady telo.
[4] Manana hevitra mitovitovy amin’ny hoe paideia ny hoe fakam-panahy amin’ny teny grika: “peirasmos” araka ny hita tetsy ambony.