ALAHADY SAMPANKAZO TAONA A
- Izaia 50,4-7
- Salamo 22,8-9.17-18a.19-20.23-24
- Filipiana 2,6-11
- Md Matio 26,14-75;27,1-66
Ny Salamo 22 dia vavaky ny vavolombelona mahatoky, vavaka nataon’ny mpanoratra ny Evanjely teo amin’ny molotr’i Jesoa mifantsika: “Andriamanitra o! Nahoana no dia nilaozanao aho? Ianao mihaino vavaka ka hisaotra anao eo afovoan’ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo anivon’ny Fiangonam-be”.
Ny fahaizana mihaino ny tenin’Andriamanitra no ahafahana miaina tsy amin-tahotra eo anivon’ny sedra. [Mampisavoritaka ny maro izao fotoana diavintsika izao. Misy no milaza fa sazy avy amin’Andriamanitra izao. Averiko eto ny tenin’ny Papa François nankahery ny Eglizy tamin’ny hafatra Urbi et Orbi, ny 27 martsa 2020 nandritra ny Covid-19 :
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Tompo o, miantso anay Ianao, miantso anay ho amin’ny finoana. Tsy hoe hino fotsiny izahay fa misy Ianao, fa hanatona Anao sy hatoky Anao koa. Amin’ity Karemy ity dia manakoako ny antsonao mandodona anay hoe: “mibebaha ianareo”, “miverena amiko amin’ny fonareo manontolo” (Jl 2,12). Antsoinao izahay mba handray ity fotoanan’ny sedra ity ho fotoana hanaovana safidy. Tsy fotoanan’ny fitsaranao fa fotoan’ny fitsaranay: hisafidiananay izay zavatra manan-danja sy izay zavatra mandalo ihany, hanavahanay izay tena ilaina sy izay tsy ilaina akory. Izao no fotoana hamiliana ny sambo indray hitodihany any Aminao, ry Tompo, sy hitodihany mankany amin’ny hafa. Ary azonay banjinina ireo mpiara-dia mendrika hotahafina satria tao anatin’ny tahotra no nanapahan’izy ireny hevitra hanolotra ny ainy. Izany no herin’ny Fanahy natosaka sy nahosotra izay miasa ho amin’ny fahafoizan-tena an-kerimpo sy an-kalalahana. Izany no Fiainan’ny Fanahy afaka manafaka, manome lanja ary maneho aminay fa ny fiainanay dia arafitra sy tohanan’ny olon-tsotra – izay adinonay matetika – izay tsy mba hita eny amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety na revues na amin’ny show lehibe farany, saingy, tsy hisalasalana fa eo an-dalam-panoratana ny zava-dehibe hanova ny tantaranay: ny mpitsabo sy ny mpanampy azy, ny mpiasa amin’ny fivarotan-dehibe, ny mpiasa amin’ny fanadiovana, ny mpiasa an-trano, ny mpitatitra, ny mpitandro filaminana, ireo milatsaka an-tsitra-po hanampy ny hafa, ny pretra, ny relijiozy vavy ary ireo hafa marobe nahatsapa fa tsy hisy afaka hamonjy samirery ny tenany. Manoloana ny fijaliana izay handrefesana ny fivoaran’ny vahoakantsika dia jerentsika ary andramantsika ny vavak’i Jesoa Mpisorona: “ho iray ihany anie izy rehetra” (Jo 17,21). Firifiry ny olona miezaka isan’andro mba hahalefitra ary mamafy fanantenana, mikendry ny tsy hizarana zavatra hampitombo ny tahotra fa hanamafy ny fiaraha-mandray andraikitra. Firifiry ny ray, ny reny, dadabe sy bebe, mpampianatra miezaka maneho amin’ny ankizy, amin’ny fihetsika madinika atao isan’andro, ny fomba hiatrehana sy hamakivakiana ny sedra-piainana, amin’ny fanitsiana ny fahazarana, hampitraka ny fijery ary hanaitaitra ny vavaka. Firifiry ny olona mivavaka, manolo-tena sy mitalaho mba hahasoa ny olon-drehetra. Ny vavaka sy ny fanompoana mangina: ireo no fiadiana handresentsika.
Izany vavaka sy fanompoana mangina izany dia tefen’ny fahaizana mihaino ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ka hitomboana amin’ny finoana ary hahafahana milaza tahaka an’i Md Paoly hoe: “nataon’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra” (Rm 8,28). Ary izay manana izany traik’efa amin’izany ihany no afaka hanohy hivavaka ny Salamo 22 hoe: “hotorìna amin’ny taranaka amam-para ho avy rehetra ny asa maherin’Andriamanitra”.
Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, araka ny voalazantsika teo aloha ny fahaiza-mihaino. Maimaim-poana ny fahasoavana ary izay mahatsapa izany dia tsy sasatra ny misaotra an’Andriamanitra. Tandremana anefa ny famakiana ny Tononkira henontsika tamin’ny Vakiteny faharoa, sao heverina fa ho valin’ny faneken’i Jesoa ny Ray ny Voninahitra nanandratana Azy. Ambaran’i Paoly mazava eny am-piandohana fa toetra nananan’i Kristy hatrizay ka ho mandrakizay ny voninahitra nanandratana Azy, hitovizany amin’ny Ray.
Misy zavatra mety ananantsika kanefa tsy ampiasaintsika akory, satria tsy noraisintsika am-pitiavana ka tsy sahintsika akory ny hanontany hoe inona no hilàna azy. Ny ohatra nomen’i Jesoa, amin’ny fanekena hatramin’ny fahafatesana, dia hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavana mahery noho ny fahafatesana. Ny manaiky moa, amin’ny teny latinina dia ob-audire, dia azo adika ara-bakiteny hoe manongilan-tsofina (audire) manoloana (ob) ny Teny. Izay matoky sy babon’ny fitiavana ihany no afaka hihaino an-kafaliana.
Ahoana moa no nanomezan’Andriamanitra Azy ireo anaram-boninahitra ireo?
Raha mihaino na mamaky ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa ianareo (Md Matio toko 26–27) dia mahita an’i Jesoa Mpanjakan’ny Jody, Mesia, Ilay Marina, Ilay Zanak’Andriamanitra.
Mpanjakan’ny Jody, tsaraina eo anatrehan’i Pilaty, satrohan’ny miaramila fehiloha tsilo sy nampitafiana kapaoty jaky, nefa io ilay “Marina” araka ny nofin’ny vadin’i Pilaty, nohelohina tsy an-drariny noho ny habibiana sy ny fahotan’ny olombelona.
Izy koa no ilay Rabý, araka ny fiantson’i Jodasy Azy. Ny hoe Rabý moa dia teny fampiasa entin’ny Jody hanajana ny Mpampianatra Lalàna teo aminy. Tsy mahagaga raha eo am-bavan’i Jodasy ihany araka izany no hiantso an’i Jesoa hoe “Rabý” (Izaho va izany Rabý? Arahaba Rabý.), hilazany amintsika fa ny fahalalàna fotsiny, ny fanajana am-bava, dia tsy ampy hijanonana ho mpianatra mahatoky; izay manaja amin’ny molotra dia hanolotra an’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpifofo ny ainy, izay famonoan-tena ihany ho antsika.
Ambaran’i Matio amin’ny fitantarany anefa fa tsy ny hafetsena na ny haratsian’i Jodasy no nahafaty an’i Jesoa fa noho Izy mahalala ny zavatra rehetra ary nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitraky ny Ray, na ny marimarina kokoa paradidotai, matoanteny iharana amin’ny fotoana ankehitriny: atolotry ny Ray ho solo heloka ho antsika, hahita ny ran’Ilay Zanak’Ondry ny Anjely dia tsy hikasi-tanana antsika.
Izy no ilay Kristy Zanak’Andriamanitra, tsy araka ny noheverin’ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalana, satria tokony ho avy hamonjy Azy eo an-tanany Andriamanitra.
Fotoana hiainan’ny Fiangonana ny Herinandro masina amin’ny fomba manokana izao, tsaroantsika tsara fa ny herinandro masina voalohany teo amin’ny tantara dia nanomboka tamin’ny fihobian’ny vahoaka marobe, ny sasany avy any Jerikao, ny sasany nitsena avy any Jerosalema, nandalo tamin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa samirery, satria lazain’i Matio fa ny Mpianatra rehetra dia samy tafintohina tamin’i Jesoa avokoa; nodiovin’ny fahanginan’ny fahafatesana mba ho tonga hafaliana tsy omby tratra, ny maraina vaovaon’ny Paka.
Mitaky fibebahan’ny fomba fisainana (metanoia) sy ny fomba fiainana (shoubh) izany. Ny hoe שׁוּב (shoubh) moa dia entina ilazana koa ny babo miverina an-tanindrazana (Sal 85, 2). Manampy antsika hahita ka hahatsapa fa na ny zavaboary aza dia tokony hisy heviny lalina ho antsika, mba hahafahantsika miditra ao amin’ny misterin’ny Paka.
Ny fiovana toe-tsaina voalohany tiako hisarihana ny saintsika dia ny fihobian’ny vahoaka. Mahafinaritra, irin’ny maro ny te hoderaina, saingy tsy azo adinoina fa ny fahafatesana dia atrehintsika samirery, ary ny fijaliana dia zakaintsika samirery. I Kristy irery no niatrika an’i Pilaty, ary Jiolahy roa no niara-nifantsika taminy. Tsy ny vahoaka no hitsara antsika, tsy ny isan’ny olona mihoby no hanamarinana ny fiainana fa ny fijoroana “tsy ho menatra” satria nanaiky handray ny Teny, handray ny “lelan’ny mpianatra”, ka sady tsy hihemotra manoloana ny fijaliana no tsy hamaly faty manoloana ny mpampijaly (Vakiteny I).
Ny vola no maha rangahy, hozatry ny fiainana. Ny vola koa anefa no hamonoana tena, hamonoana ny hafa, hamadihana sy hivarotana ny namana, ny fitiavam-bola no loharanon’ny ratsy rehetra (1Tm 6, 10). Saingy io vola telopolo farantsa vidin’ny andevo noraisin’i Jodasy io (Za 11,12) dia tsy nisy sahy nandray akory, natsipiny tao an-tempoly, ary na ireo nahita azy aza tsy nahasahy nandray azy fa nividianany Halseldamà (sahan-drà).
Ny mofo dia antoky ny aina saingy ny mampisy heviny ny sakafo amin’ny maha olona dia ny tsy fanaovana salobon-komana. Natao hozaraina ny mofo, saingy tsy misy heviny raha tsy mitohy amin’ny fanolorana ny tena manontolo ho fanasoavana ny hafa izany. Izany no Eokaristia. Io ilay sombi-mofo, natsoboka tao anaty kalisy ka natolotra an’i Jodasy; io ilay sombi-mofo neken’i Jesoa hatsoboka ao anatin’ny loviany. Porofom-pitiavana izany, hanaporofoany amintsika fa azo atao tsara ny mitia hatramin’ny fahavalo. Farafitiavana, tombom-pitiavana no natolony an’i Jodasy. Asan’ny Fanahy, ilay fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, mandavorary ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika.
“Hanoroka mafy ahy amin’ny vavany anie izy! Fa ankafizina kokoa noho ny divay ireo mari-pitiavanao” (Ton 1,2). Ny oroka izay mariky ny fifampitokisana, hifanolorana ny tena mba ho kiady sy toky ho an’ny hafa no zary marika hahafantarana ilay Mpampianatra ka hisamborana azy. Izay te ho mpianatr’i Kristy marina tokoa dia tsy hivadika amin’ny teny nomena ary tsy hampiasa ny fifanoloram-pitiavana ho fanamelohana ho faty, toy ny nataon’i Jodasy.
Ny sabatra no fitaovam-piadiana fampiasa tamin’ny andron’i Jesoa. Tsy vitan’ny hoe tsy mitaingin-tsoavaly fotsiny ny mpianatra (Ôs 14,4), fa tsy hampiasa afa-tsy ny sabatra roa lelan’ny Teny izay hamolavola azy ho mpiady, tsy hamono ny mpanao ratsy fa hamongotra ny ratsy mba hahaveloman’ny mpanota ao amin’ny fiainana. Ampianarin’i Jesoa isika mba “handresy ny ratsy amin’ny fanaovana ny soa” (Rm 12,21).
Mety ho sarotra ny hahitana akoholahy tao Jerosalema, satria araka ny fomban’ny Jody dia biby maloto ho an’ny Tanàna Masina ny akoholahy, saingy famantarana ny andro efa haraina kosa ny akoho maneno. In-telo isika no alaina fanahy mba handresy, nefa mazàna, tahaka an’i Piera, in-telo no lavo, saingy in-telo koa no afaka miarina ka manavao ny fitokisantsika an’ilay efa tia antsika mialoha. Tsy mahafaly mandrakariva ny fahenoana ny akoho maneno, indrindra rehefa tsy misy zavatra irin’ny fontsika hatrehina vao maraina. Saingy ny fahenoana fa efa hazava ny andro, ny fanantenana fa efa ho resy kosa ny haizina no hampitomany, hanenenana fatratra ka hahafahana mibebaka sy mankahery ny rahalahy maro koa, tahaka an’i Piera.
Ny rano dia sady mamelona no mamono, kanefa mety hampiasaina koa mba tsy handraisana fanapahan-kevitra, hamonoana an-kolaka ka hilazana fa “afa-tsiny amin’ny ran’io lehilahy io”, tahaka an’i Pilaty. Tsy afaka ny hanasa tanana manoloana ny famonjena ny ain’izay mila vonjy ny Kristianina. Tsy afaka ny tsy hihaino ny nofin’ny olon-tsotra izay manoro hevitra mba “tsy hanao na inona na inona amin’ny ran’io olomarina io” izay mihevitra ho kristianina. Ny heloka no angatahintsika ho voasasa, ny tanana anefa no sasany, fa ny Fanahy kosa no manasa ny atifontsika lalina, rehefa raisintsika ka ampiantranointsika ao.
Ny Kapaoty Jaky, ny volotara, ny fehiloha tsilo dia manampy antsika mba handinika ny fomba fitafintsika, handinika izay heverintsika ho tena toetrantsika, izay maha izy antsika amin’ny antony hisalorantsika ny akanjo. Raha tsy manampy antsika hitovy endrika amin’i Kristy sy tsy hitafy afa-tsy ilay lamba famaohana nampiasainy tamin’ny fanasàna ny tongotry ny mpianatra izany, dia tsy hampitombo ny maha mpianany antsika fa hampitombo fotsiny ihany ny rendrarendran’izao tontolo izao.
Mila mijery ny fitaratry ny fanahy koa isika, handinika izay toe-po amam-panahy mifanaraka amin’ny maha-kristianina entina any amin’ny fiaraha-monina, ary hikolokolo ny hafaliana syn y fiadanam-po enti-miaina iarahana mitoetra amin’ny mpianakavy.
Ny hazofijaliana no fitaovam-pamonoana mampijaly indrindra namaizan’ny Rômanina an’ireo jiolahy raindahiny tamin’izany andro izany, mba ho famaizana hampitahotra izay manana eritreritra hanao ratsy. Io no namonoana an’i Jesoa. Tsy hampitahotra antsika intsony ny fijaliana, raha matoky isika fa io no lalana mitondra amin’ny voninahitra, raha toa ka ny fitiavana no mampijaly antsika. Mampalahelo anefa fa misy mijaly noho ny fitia te ho tsara bika fotsiny aza (ny kiraro manaikitra sns). Tsy misy fijaliana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, vokatry ny fahotantsika (na ny fahotan’ny hafa) no mampijaly antsika (na mampijaly ny hafa). Saingy sitrany ny hijoroan’ny zanany ho vavolombelon’ny fitiavany manoloana ny hetraketraky ny mpanota sy ny sedram-piainana.
Ny fasana araka ny fisainantsika dia mampatahotra, satria fonenan’ny lolo sy ny avelo, ny mpamosavy sy ny mpilalao faty. Ho an’ny jody, tampenana vatobe mba tsy hiverina izay lasa any. Fa ho an’izay mino an’i Jesoa kosa, io no lasa trano fatoriana vaovao… Azon’ny kristianina izany fampianarana izany ka nampitoviziny ny fiantsoana ny trano hatoriana amin’ny alina sy ny trano hampandriana ireo nodimandry (coemeterium, avy amin’ny grika koimèterion: dortoire; sepulcrum ho an’ny teny andavanandro). Tsy sakana ho an’ny fahavelomana ny fahafatesana fa fidirana amin’ny fiainana kosa, hitondrana ny hevitry ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Koa araraoty àry ity herinandro masina ity hanomezana hevitra vaovao ny fiainana mba hampifanaraka azy amin’ny maha kristianina antsika, dia ny mbola tsy tara loatra.
Hiezahantsika anie ny hiaina izao fotoana izao, hahafahantsika mampifanaraka marina tokoa ny fiainantsika amin’ny Misterin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona, ka hahatonga ny fiainantsika koa ho Sorona velona, volavolain’ny tenin’Andriamanitra isan’andro, ka ho tonga fanehoana ny fitiavana sy ny voninahitr’Andriamanitra, izay mety tsy hanala ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny zanany noho ny aretina mahazo, fa manandratra antsika rehetra kosa amin’ny voninahitra maha zanaka, ka hanavao ny fiainana ao amin’i Kristy.
Amindrao fo, izahay ry Ray ô, fa efa mankalaza ny Fijalian’ny Zanakao, nanambarany ny fitiavany anay, koa na tsy mendrika hampitony Anao aza ny asa vitanay, dia ny Sorona tokana aman-tany natolony kosa anie hampitony anao, fa be indrafo ianao (vavaka fanolorana).