ALAHADY FAHA IV KAREMY – Taona A
- 1 Samoela 16,1b.6-7.10-13a
- Salamo 22,1-3a.3b-4,5,6
- Efezianina 5,8-14
- Md Joany 9,1-41
Ny Finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao.
«Lætare Jerusalem: et conventum facite omnes qui diligitis eam: gaudete cum lætitia, qui in tristitia fuistis: ut exsultetis, et satiemini ab uberibus consolationis vestræ.»
« Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana azy. Ianareo malahelo aoka hienta-kafaliana, miravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo » (Iz 66,10).
Io Tononkira fidirana io no mahatonga ity alahady ity antsoina hoe « Laetare« , alahadin’ny firavoravoana, eo antenantenan’ny fiomanana amin’ny Paka. Ny hafaliana amam-piravoravoana dia tsy azo sarahina amin’ny fiainan’ny kristianina. Ny hiainantsika ny Karemy dia natao indrindra mba hahafeno fatra izany hafaliana izany. Ny vavaka sy ny fifadian-kanina manko dia tokony hanokatra ny fo « hanolotra an-kafaliana » mba ho sitrak’Andriamanitra (Rm 12,8).
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany rehetra izany, ary tsapantsika indraindray ny vesatry ny fiainana izay mazàna manesotra ao am-pontsika ny fahazotoana hahafoy sy hanasoa ka mety haniriana ny hafaliana arantirantin’ny fiainana mandalo. Fotoana natao handalinana indrindra izay mety ho fototry ny hafaliantsika ny Karemy, hanadiovana izay faniriana vokatry ny hadalàna, ary ny fandalinana sy ny safidy atao no hahafahantsika mitandrina ka hahay hampiasa tsara ny fotoana (Ef 5, 16) mba hifantohana amin’ny hafalian’ny Paka izay hiomanantsika.
Ny tahotra matetika dia mitondra amin’ny fitiavan-tena fotsiny ihany, ka hahatonga hanaonao foana, tsy hihevitra afa-tsy zavatra tokana ka hanadino zavatra maro hafa koa. Firifiry ny valan’aretina ratsiratsy kokoa eto amintsika ohatra, izay azo sorohina sy tsaboana tsara amin’ny fanabeazana ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana! Amin’izao Karemy izao dia antsoina isika kristianina mba ho lohalaharana amin’ny fanaovana laharam-pahamehana ny fitandrovana ny fahasalaman’ny tena sy ny hafa, miantomboka amin’ny fikojakojana ny vatana sy ny fahadiovany, ny fitafiana sy ny sakafo hohanina, ny trano fonenana sy ny tokontany ary ny sehatra hifaneraserana rehetra mba tsy ho zary fanariam-pako fa ho tontolo voadio sy voakojakoja, hajariana sy harovana mba ho “tranobe iombonana” (Laudato sii).
Tsy ny fahadiovan’ny vatana ihany anefa no tokony ho tsinjovina fa ny fahadiovan’ny fanahy ihany koa. Mazava ny torohevitr’i Md Paoly amin’ny Vakiteny II: aza mikambakambana amin’izay asan’ny maizina, dia izay asa tsy mitera-bokatsoa, izany hoe tsy mitondra amin’ny hitsim-po (ἀγαθωσύνη agathosyne – droiture de coeur et de vie) sy ny fahamarianana (δικαιοσύνη dikaiosyne – état de celui qui est comme il doit être, justice) ary araka an’Andriamanitra (ἀλήθεια aletheia – ce qui est vrai dans ce qui appartient à Dieu et aux devoirs de l’homme, vérité morale et religieuse): ny soa, ny mety ary ny marina rehetra (Efez 5, 9).
Hatsaram-panahy sy ny rariny mbamin’ny fahamarinana no vokatry ny mazava (Dikanteny 2025) ary matoa tonga amin’ny fifanapotehana sy ny fifandrahonana hiheverana ho matanjaka sy mpanjakazaka ny olombelona amin’ny lafim-piainana rehetra (na amin’ny sehatra iraisam-pirenana na amin’ny fiaraha-monina na any amin’ny fianakaviana, ary indraindray any anivon’ny fiangonan’ny mpivavaka aza) dia satria ankoatra ny teny tsy tsaroana sy mandratra izay tokony hofadiana (Hafatry ny papa Leon XIV Karemy 2026), dia ao koa ireo babon’ny asan’ny maizina sy ny fitiavan-karena izay tsy tokony ho voatonontonona eo anivon’ny kristianina akory aza, hoy Md Paoly (Ef 5, 3) ary tsy azo adinoina fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Tm 6,10) ary “aoka ho fantatrareo marimarina fa ny mpijangajanga na ny maloto fitondran-tena na ny tia harena, izay manompo sampy dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra” (Ef 5, 5). Tsy tokony hampatahotra izany fa tokony hampibebaka.
Fotoana hanaovana jeritodika ny ezaka efa natao koa anefa izao karemy izao. Ary na mahamenatra aza ny fahatsapana fa mbola matory ny tena indraindray, dia manome hery antsika i Md Paoly, manentana mba hifoha amin’ny torimaso ka hatoky ny fahazavan’i Kristy (Vak II Ef 5,8-14). Mila fanapahan-kevitra hentitra ny fialàna amin’ny asan’ny maizina ary mila risi-po ny fandàvana ny aferafera sy ny risoriso izay matetika efa zary « tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina« , satria hono hoe tsy hasarotina ny fiainana efa mafy. Tsy hadalàna ve, hoy ny sasany, ny fandavana ny kolikoly izay mba hahafahana mivelona tahaka ny olona rehetra!
Dia hijanona ho teny fotsiny ihany ve ny fahamarinana? Samy mitaraina ny amin’ny fahalòvana ara-politika na ara-pitondrantena avy ny iray firenena, saingy tsy izay rehetra mitaraina no mazoto handray andraikitra sy hanefa ny tolona tandrify azy, indrindra raha voakasika ny « tombontsoan’ny tena« , izay mazàna tombontsoa mandalo ihany! Tahaka ireo ray aman-drenin’ilay teraka jamba, voalazan’ny Evanjely, izay milaza ho tsy nahafantatra izay zava-nitranga akory momba an-janany, satria natahotra ny ho voaroaka ao amin’ny Sinagôga.
Tsara ampahatsiahivina ihany koa anefa ny fifampitohizan’ny Mistery ankalazaina isan’alahady mandritra izao Karemy izao. Natao handinihana manokana ny fomba entin’Andriamanitra maneho ny fitiavany ireny rehetra ireny. Ny teboka hiaingana dia ny fiantsoana ny olombelona mba hibebaka. Izany fibebahana izany dia miainga avy amin’ny fanekena ny fahalemena sy ny ny fetra amin’ny maha-olona kanefa kosa matoky ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika ary mino fa izay mety ho tsy fahamendrehantsika sy ny fahotan’ny olona manoloana izany fitiavan’Andriamanitra dia tsy sakana amin’ny “fisasana tarehy” (Mt 6, 17), hampamiratra ilay endrika itovizana amin’Andriamanitra, hahatsapa koa anefa fa tsy ampy hahazoantsika fanavotana izay heverintsika ho fahaizana na fahamendrehana, na izay “siny” fitaovana hireharehantsika. Izany no hahafahana mitodika any amin’ilay loharanon’ny fahamarinana (nolazainy tamiko avokoa) izay lalana mitondra amin’ny hafenoan’ny fiainana (mivavaka amin’ny Fanahy sy Fahamarinana Alahady III). Izay manaiky hohazavain’i Kristy ilay “Lalana sy fahamarinana ary fiainana” no afaka hiditra tsikelikely amin’ny misterin’ny Paka, izay hankalazan’ny Eglizy ny hafenoan’ny fandreseny.
Ny fibebahana manaraka tokony hatao araka izany dia ny fanadiovana ny endrik’Andriamanitra izay mety ho disoin’ny fitiavan-tenantsika mba hahafahana mibanjina Azy ao amin’ny Misterin’ny Fahatongavana ho nofo, hahafahana mifandray Aminy, indrindra amin’ny alalan’ny Sakramenta, izay tsy “fetra” fa “fatra”n’ny hafenoam-pitiavany. Fankalazana mandrakariva ny hafenoan’ny fitiavan’Andriamanitra mifanehatra amin’ny fankasitrahantsika olombelona (izay tsy ho lavorary na oviana na oviana) manko ny sakramenta rehetra.
Izany no mahatonga ny fiomanana amin’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina ho an’ny Katekomena amin’izao karemy izao, tsy azo atao ambanin-javatra, satria mampianatra antsika izay tokony hatao amin’ny “ady”, manazatra amin’ny tolona tsy maintsy atao, raha te handresy. Tolona tsy hanehoana ny herin’ny tena anefa, fa hanandramana kosa ny fandresena avy amin’ny fanekena hotarihin’ny Fanahy, ilay Fanahy nanangana an’i Jesoa ho velona.
Ny vakiteny I rehetra amin’ny Karemy dia nampahatsiaro antsika ny Tantaram-pamonjena: Andriamanitra mpahary sy mpitantana ny tontolo (I) no niantso an’i Abrahama ho rain’ny mpino (II), niantso an’i Môizy hanafaka ny vahoakany (III), nifidy an’i Davida mba ho reharehan’i Israely (IV), naniraka ny Mpaminany mba hampahatsiaro antsika ny fitiavany sy ny haratsian’ny fahotana manimba (V), ary maneho antsika ilay Mpanompon’YHWH izay sitraky ny fony (VI).
Na ny Evanjely aza dia notsongaina manokana mba hanampy antsika hiroso tsikelikely amin’ny hakanto sy ny halalin’ny misterin’ny Paka: ny fakam-panahy (I) izay mitondra antsika haniry ka hisafidy ny hafenoan’ny fiainana (II fihovana tarehy), mampianatra antsika hangetaheta ka hanovo amin’ny loharano velona (III), hanaiky hotsilovin’ilay hazavana hanokatra ny maso hahita ny lalan-kombana (IV) ka na manoloana ny fahafatesana aza tsy ho kivy fa hino an’ilay fiainana sy fananganana ho antsika rehetra (V).
Tian’i Jesoa ambara amintsika amin’ity alahadin’ny Laetare ity àry fa i Jesoa no fahazavana hany mampisokatra ny masom-panahy (Evanjely Jo 9,1-41), hahafahantsika manandrana ny hamamin’ny fanosorana nanosorany antsika (tahaka an’i Davida, Vak I), tahaka ny ondry mahatsapa fa Izy Tompo no mpiandry ary ny fitokisana amin’ny heriny sy ny fitiavany no manafaka ny tahotra sy hahafahana mirehareha manoloana ny fahavalo (Sal 22). Ny famelan-keloka dia mitaky fiaikena ny fahotana. Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, hoy i Md Joany dia tsy ao amintsika ny marina (1 Jo 1,8).
Ny fahazavana no noharìn’Andriamanitra voalohany, ao amin’ny Boky Jenezy. Na izay manana maso mahiratra tsara aza, raha tsy eo ny hazavana, dia tsy afaka hahita na inona na inona, hiraparapa ihany ao anatin’ny haizina. Tahaka ny fahajambana ara-batana ihany koa ny fahajambana ara-tsaina sy ara-panahy. Ny fo, raha tsy mandray ny hazavan’i Kristy, tsy ho afaka ny hahita na inona na inona, fa ho faty ao anatin’ny haizin’ny fahajambany. “Ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra”, hoy i Paoly, mampahatsiaro antsika ao amin’ny Vakiteny faharoa, izay toetra maha zanaky ny fahazavana antsika. Izay zavatra rehetra tsy mitera-boka-tsoa dia haizina ihany. Tsy azo afangaro anefa ny “voka-tsoa” sy ny “faniriantsika”, satria indraindray, ny hetahetantsika tanteraka no heverintsika ho soa, kanefa mety ho faniriana tsy mifanaraka amin’izay mampisy heviny ny fiainana izany fa vokatry ny fitiavan-tena fotsiny ihany.
Tamin’ny fiandohan’ny Karemy isika dia nandinika ny fifadian-kanina, lalana mitondra ho amin’ny hazavana, araka ny fampianaran’ny Mpaminany Izaia: manesotra izay mampavesatra ny fiainan’ny hafa, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, mizara ny foto-pivelomana (ny aina mihitsy, nefesh=נֶפֶשׁ) fa tsy ny ambin-tsakafo ho an’ny noana, mamelona ny fanahy miferin’aina dia ho tonga fahazavana hamirapiratra ao amin’ny haizina. Tsy hazavana vokatry ny ezaka ataontsika anefa izany, fa hazavana vokatry ny tarehintsika afa-drakotra satria “mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovain’Izy Tompo izay Fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava” (2Kôr 3,18). Ny fibanjinana an’ilay hany hazavana (Jn 8,12) no mampamirapiratra ny tavantsika ka mahatonga antsika koa ho “fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5,15). Ary ambaran’i Md Joany mazava fa izay tia ny rahalahy no mitoetra ao amin’ny fahazavana (1 Jo 2, 10).
Ao amin’ny Evanjely anio dia asian’i Joany tsindrim-peo, adikany amintsika ny hevitry ny hoe “Siloe, izany hoe iraka”, satria ny maha fahazavan’izao tontolo izao antsika no porofo manambara fa sitrana marina tokoa ny masom-panahintsika, satria manaiky Azy ho ilay iraky ny Ray, manaiky handeha “hisasa”, hatao batemy ao Aminy, ka vonona hanolo-tena hanohy ny asa nanirahana Azy (Jo 20,21).
Avoitran’i Joany ao amin’ny fitantarany fa ny hadonton’ny fo no tsy hahafahana mahita ny asan’Andriamanitra. Ilay teraka jamba, nandray ny fahazavan’i Kristy, ka na dia feta tamin’ny tany, vovotany, Adama, nifangaro tamin’ny rora (fofonaina, ny Fanahin’Andriamanitra) aza no nahosotra ny masony, (fomba entin’i Joany hilazana fa ny fisokafana amin’ny hazavana dia fahariana vaovao) dia i Kristy mitafy nofo aman-dra tahaka antsika no naniraka azy, ary mazava ny valin-teny nomeny ireo Farisianina: “Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay matahotra Azy, izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba; ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory” (Jo 9, 30-33).
Ny fijerena avy ety ivelany mety hamitaka ihany : “ny olombelona mijery ny tarehy fa ny Tompo kosa mijery ny fo”, hoy ny Vakiteny I (1 Sam 16, 7). Ny fahaizana mijery araka ny marina tokoa sy ny hevitr’Andriamanitra no hahafahana mivoatra tsikelikely amin’ny fahalalana an’i Jesoa. Izany fivoarana izany koa no ambaran’i Joany antsika ao amin’ny Evanjely, tsy indray andro no hahalalana an’i Jesoa. Ilay “lehilahy” nanao feta (Jo 9,11) dia nekeny ho “Mpaminany” (Jo 9,17) satria nanao fahagagana nanasitrana azy. “Mpanompo an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony Izy, avy amin’Andriamanitra ka henoim-bavaka” (and. 31). Saingy ny fihaonana amin’i Jesoa mivantana, i Jesoa ilay hany varavarana hahafahana miditra amin’ny tena sinagôga, amin’ny fiombonana marina amin’Andriamanitra sy ny namana (Jo 10), varavarana izay nanatona azy rehefa voaroaka hiala amin’ny sinagôgan’ny Farisianina izy, no nahafahany mitsaoka Azy ho “ilay Zanak’Andriamanitra” (and. 38): lehilahy – Mpaminany – mpanompon’Andriamanitra sitraky ny fony – Zanak’Andriamanitra.
Izay mihevitra fa mahita, vokatry ny fiezahany na ny fahaizany na ny fahendreny dia tsy ho afa-keloka, hoy ny Evanjely. Tsy mora ny manapa-kevitra sy mijoro amin’ny hevitry ny tena, noho ny tahotra ny tsy ho voaray intsony ao amin’ny sinagôga. Tsy dia lavitra ny Mpianatra koa manko isika ka hihevitra fa ny fahajambana na ny sampona mahazo amin’ny fiainana dia vokatry ny fahotan’ny tena na ny ray aman-dreniny (araka ny heviny avy amin’ny hebrio חַטָּאָה – ḥaṭṭā’āh, dia hoe tsy mahatratra ny tanjona nokendrena) ka hanakana antsika tsy ho sambatra araka ny fanirian’Andriamanitra.
Ny fipololotry ny vavaka atao mandritra izao fotoan-tsarotra diavintsika izao dia mampanontany tena ihany. Heveriko fa ny fiverenan’ny ranombavaka mifanaraka kokoa amin’ny fampianaran’ny Evanjely dia hoe “hihaino anao anie izahay ry Tompo rehefa mivavaka”. Ny mahazatra antsika manko dia ny miantso an’Andriamanitra mba hihaino ny vavaka ataontsika. Sao sanatria haneso antsika tahaka ny nataony tamin’ny mpaminanin’i Baala koa i Elia Mpaminany ka hilaza amintsika hoe: “Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha” (1Mp 18,40snm). Fantany izay ilaintsika na mbola tsy mangataka aza isika (Mt 6,8).
Ny fandrosoana am-panahy dia tsy sanatria fanekena ny tenin’ny Farisiana izay manentana hanome voninahitra an’Andriamanitra (Andriamanitra no omeo voninahitra) kanefa tsy manaiky ny asan’Andriamanitra akory, tsy hahay hankasitraka izay fitaovana sy iraka manaiky ho mpanompony. Mampalahelo ny mahita kristianina maniratsira ny hafa, manambany sy manao vava tsy tsaroana aza, satria mihevitra fa izany no hahafaly ny “Farisiana” na izay no hisehoana ho manam-pahefana afa-mandroaka hiala ny “sinagôga”. Nampahatsiahivin’ny Papa François matetika (azo jerena ohatra ny Audience 15 mars 2023) fa mitovy zo avokoa ny vita batemy rehetra ary mpandray anjara feno amin’ny asa fanirahana. Mampalahelo indraindray ny maheno fanambaniana ny hafa atao amin’ny anaran’Andriamanitra na amin’ny alalan’ny fahefana nankinin’Andriamanitra amin’ny tena mba hanompoana (minisitra) ao amin’ny Eglizy na eo amin’ny fiaraha-monina. Nantsoina hitory ny asan’Andriamanitra isika, ka hilaza koa tahaka an’ilay zatovo fa “jamba taloha ary mahiratra ankehitriny” noho ny fahasoavana azo, tsy ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra no hiantsoina antsika ho mpitory. Mila mitandrina sao tsy lasa mpitory Teny fa ho mpitory tEna.
Isika rehetra, rehefa voasasan’ny ranon’ny Batemy tao Siloe (Kristy Iraky ny Ray) dia voairaka koa (izany hoe tonga Siloe) hitory ny hazavan’ilay niantso antsika “niala tamin’ny haizina” (1P 2,9). Tsy miankina amin’ny fahamendrehana na ny tsanganana izany (Vak I 1Sam 16,1-13) fa fitiavana manokana izay manjary loharanon-kafaliana tsy hanam-pahataperana. Ilay Fanahy noraisintsika no zary loharano hiboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay (Evanjely Alahady III).
Izany no hifaliantsika mandrakariva, na amin’ny fifadian-kanina izay “hamolahana ny filan’ny nofon’ny mpanota miavona mba hampahazo hanina ny mahantra” (prefasy karemy III) na ao anatin’ny fakampanahy (alahady I) saingy vonona hihaona amin’ny Tompo (fatsakan’ny mitaotaovovonana alahady III), ka hanaiky ho vonton’ny Teniny, dia ho feno fanantenana hatrany, na dia mazàna aza tsy mahita izay lalan-kombana, saingy vonona hanavao mandrakariva ny fitokisana an’ilay Mpiandry tokana, noventesina tamin’ny Salamo fandinihana manambara ny ranon’ny Batemy, ny diloilon’ny Fankaherezana sy ny sakafo mitondra amin’ny hasambarana sy fitiavana manjohy amin’ny fiainana manotolo vokatry ny Komonio (Sal 22), ka ho vonona ny hihosotra lavenona, ny hihoso-potaka, tsy ho kivy amin’izay mety ho fahalemena satria matoky bebe kokoa hatrany ny Fahasoavan’ilay niantso antsika.
Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona Aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana,tsy hikendry afa-tsy izay mendrika Anao sy mahafaly Anao Avo indrindra, ho tia Anao amin’ny fonay tokoa ary hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky (Vavaka fangatahana sy Kômonio).