Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA-30 MANDAVAN-TAONA TAONA A

ALAHADY FAHA-30 MANDAVAN-TAONA TAONA A

Njara Pascal
  • Boky Eksaody 22,21-27
  • Salamo 17
  • 1 Tesalônisianina 1,5-10
  • Md Matio 22,34-40

Tia an’Andriamanitra sy ny namana no maha-kristianina antsika.

Ho an’iza no hanomezantsika ny tenantsika? Ho amin’ny inona no himatimatesantsika? Ho an’ilay “nanala antsika tamin’ny haizina ho amin’ny Fanjakan’ny Zanany Malalany” ve (Kôl 1,13) sa ho an’izay zava-mandalo tsy hanaraka antsika akory fa tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa (Sal 49,11.18)? Izany no nifampizarantsika tamin’ny alahady faha-29 A  : izay tokony hanampy antsika hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany. Eo ampanohizana ny famakiana ny toko 22 amin’ny Evanjelin’i Matio (Mt 22,34-40) dia ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ao amin’ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. 

Tsara homarihina fa eo anelanelan’ny Evanjely anio sy ny tamin’ny heriny dia misy ny Mt 22, 22-33, izay mitantara ny momba ny fitsanganan-ko velona, “Ho vadin’iza ravehivavy?” Raha tsy mino ny fiainan-ko avy isika na raha sanatria ka tsy misy ny fitsanganan-ko velona, hoy i Md Paoly dia isika no ho fara-fahoriana indrindra amin’ny olona rehetra (1Kôr 15,19)

Rehefa tsy nahomby tamin’ny fandrika nataony ny Farisianina, dia nanontany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoa hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22,15-22) ka novaliany mba hanome an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ary ny vola misy ny endrik’i Sezara omena an’i Sezara, ny olona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra kosa hotsinjovina mba ho sambatra araka ny nahariany azy, dia lasa. Androtr’io ihany dia tonga indray ny sadôseanina haka fanahy azy momba ny fiainana any an-koatra ka nitanisa ny lalànan’i Môizy (Dt 25,5-10, loi du Levirat, levir amin’ny teny latinina izay midika hoe zaodahy) fa ny Andriamanitry ny Razana, Andriamanitr’i Abrahama, Isaaka sy Jakôba, dia Andriamanitry ny Velona fa tsy ny maty. 

Naheno izany ny Farisianina dia niverina indray mba haka fanahy Azy. Sady mifaninana amin’ny Sadôseanina izay tsy nanan-kalahatra izany izy ireo no mitady izay fomba hamandrihana an’i Jesoa. Amin’ity indray mitoraka ity kosa mikasika ny didy lehibe indrindra amin’ny lalàna no hakàn’ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo fanahy Azy. Lazain’i Md Matio fa nivory aloha ireo Farisianina ireo mialoha ny handefasana solon-tena ho any amin’i Jesoa. Mampandinika antsika izany, satria na ao amin’ny Fiangonana aza, misy antokona Farisianina, mandany fotoana amin’ny fivoriana, tsy hitadiavana ny vahaolana hitoriana bebe kokoa ny Evanjely, fa mba hiarovana tombontsoa sy hanilihana izay mety ho manakantsakana an’izay tombontsoa sy voninahitra izany.  

Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia misy 613 ny didy ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny lalan-dra amin’ny tenan’ny olona koa hoe araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [cf. G. Scholem, la Kabbalah e il suo simbolismo, lalàna vita an-tsoratra ny taonjato III taor. J.-K.]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana. 

Inona amin’ireo fitsipika 248 sy fandraràna 365 no lehibe indrindra? Ny “mitia” no didy (ἐντολή – entolè) lehibe indrindra hoy i Jesoa. Ny entolè moa dia mitovy fototeny amin’ny hoe : ἐντέλλομαι – entellomai (“en” – miaraka – sy “telos”, τέλειος – teleios – lavorary), ka ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. 

Ny faniriana te hitovy Aminy dia tanteraka, tsy sanatria rehefa manana ny zavatra rehetra isika na rehefa manam-pahefana afa-manao izay tiana atao sy manjakazaka amin’ny hafa. Ny fitiavantsika Azy dia fitia tsy voazarazara ka tokony ho amin’ny fo rehetra, amin’ny fo tsy voazarazaran’ny fanirian-java-nohariana, amin’ny fiainana manontolo (ψυχή – psychè, fofon’aina, vovok’aina), amin’izay mety ho hery hahafahana manao zavatra, amin’ny saina manontolo (διάνοια – dianoia) ka tsy hampiasàna ny ati-doha hametsifetsena na hanambakàna fa hitiavana sy hanaovan-tsoa (Dt 6,5). 

Lalàm-piainantsika ny ho tia an’Andriamanitra, ary ny voalohan’ny Didy dia ny mitia Azy amin’ny fo tsy miefitrefitra, amin’ny fanahy tsy voazarazara, ary amin’ny saina mahitsy sy tsy misy am-badika. Midika izany, fa tsy tokony hisy fetra ny Fitiavana an’Andriamanitra ary tsy misy afaka hilaza fa nitia diso tafahoatra. Izay no “zokiny indrindra” amin’ny Didy.

Ny Mpaminany kosa, dia ny fifandraisantsika amin’ny olombelona namantsika, izay tokony ho tiana tahaka ny tena, ny fetran’ny fitiava-namana araka izany dia ny fitiavana ny tena, izany hoe : tsy maka ny toeran’Andriamanitra araka izany ny hafa fa tiavina kosa sy tompoina. “Izay tianareo atao aminareo no ataony amin’ny hafa koa” (Lk 6,31).

Raha oharina amin’ny lazain’ny Deoterônômy (Dt 6,4snm) anefa ny voalaza eto dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy intsony ny fisalasalana, fa kosa tsy an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy. Mety misy hilaza hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany ! Raha izany ny finoana maha-kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany, mankany amin’ny hasambarana. 

Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoana izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany no finintin’ny teny filamatra iainana ao amin’ny  Diosezin’Antsirabe hoe AIZA : Alaliniko, Iainako, Zaraikoary Arovako ny Finoako, dia ilay Finoana miaro ahy. Ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Lev 19, 8). Atao ahoana no hitia raha ny atao hoe fitiavana aza tsy hay akory hoe inona !

Ahoana ary ny iainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22,39), ho an’i Joany (Jo 15,17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa : ny hifankatiavan’ny mpianatra ; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13,8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Ga 5,14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady, sns ve? Na satria tokony hivavaka alahady aho dia avelako ho faty eo ny marary na izay mila vonjy avy amiko?

Misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy ho tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa : mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa. Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny hoe “Izahay tsy hitaingin-tsoavaly” (Ôs 14,4), ary naverin’i Md Jean de Matha ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny Fikambanana naoriny dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena ka hahafahantsika manao soa, fa ny soa azontsika avy amin’Andriamanitra kosa (Ôs 14,2-10). Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana Azy. Loharano ipoirana sy tendro hifaharan’ny fitiava-namana araka izany ny fitiavana sy ny fankalazana an’Andriamanitra (SC 10).

Ataonao ahoana koa anefa no hitia an’Andriamanitra tsy hita maso raha ny olona hita maso aza tsy hainao tiavina (1Jo 4,20)? Ny fitiavana ny namana no hahafahana manandratra vavaka amin’Andriamanitra isaky ny misy zanany mampahonena noho ny fahantrana, noho ny aretina, noho ny fahasembanana (Mahalôna – taizan’aretina – sy Seljôna – be taraina – zanak’i Noemi ao amin’ny Bokin’i Rota 1,1-22), hoy i Papa François tamin’ny fampianarany (alarobia 21 aogositra 2019). Ny fitiavana marina no hahafahantsika mitia ny hafa tahaka ny tena (Lev 19,18), izany hoe haniry koa ho an’ny hafa izay heverina fa mahasoa ny tena ary tsy hanao amin’izy ireo izay heverina fa tsy mety raha ataon’ny hafa amin’ny tena. “Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna manontolo (singulier) sy ny Mpaminany rehetra” no miantona (κρέμανται, κρεμάννυμι – kremantai, kremannumi), sahala amin’ny varavarana mihantona amin’ny savily anankiroa. 

Ny Lalàna araka izany dia natao mba hampahatsiaro ny olona ny fitiavana, ary raha araka ny rariny moa ny lalàna dia tokony hitsinjo mandrakariva ny zon’ny madinika sy ny tsy manam-piahy. Ny Mpaminany kosa dia tsy nanao afa-tsy ny nampahatsiaro ny olona ny Tenin’Andriamanitra izay “Lalàn’ny Fitiavana” hahasambatra ny olona (Sal 119,1). 

Izay notiavina ihany anefa no afaka mitia. Izany no mahatonga ny vakiteny I (Eks 22,21-27) hampahatsiaro an’i Israely fa efa mba mpivahiny tany Ejipta koa izy ireo, ka ny Tana-maherin’Andriamanitra no nanafaka azy. Ny fanadinoana ny asan’Andriamanitra dia sady sakana amin’ny fankalazana an’Andriamanitra no hanidy ny fo tsy ho taratry ny fitiavany eo amin’ny mpiara-belona. 

Ny fibanjinantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny vavaka araka izany no sekoly hianarantsika ny tena fitiavana marina, ka ny fahalalana Azy mampitombo ny fitiavana Azy, ny fitiavana Azy tonga fanahafana Azy, ary ny fiainana vokatr’izany vavaka izany no lehibe indrindra amin’ny didy, satria fiainana araka ny maha-zanak’Andriamanitra Fitiavana. Tsy misy lalàna vanona raha tsy ny soa ho an’ny tsirairay sy ny daholobe no katsahina. Ary fahatanterahan’ny lalàna ny fitiavana satria tsy manao ratsy na amin’iza na amin’iza, hoy i Paoly (Rm 13,10). Anjaran’ny Mpaminany ny mampahatsiaro izany, indrindra raha sanatria mivaona ka tonga fiarovana ny tombontsoa manokana fa tsy ny soa iombonana sy ny zon’ny madinika ny lalàna arafitry ny tompon’andraikitra ka sanatria manalavitra ny fitiavana.

Ny Didy Vaovao nomen’i Kristy antsika Mpianany, dia ny hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika (Jo 13,34). Tsy mianina amin’ny fetran’ny tena araka izany ny fitiava-namana kristianina fa fakan-tahaka an’i Kristy, izay no fahafahana hitia hatramin’ny fahavalo, hanao soa ho an’ny mpankahala, hivavaka ho an’ny mpanenjika… (Mt 5,44)

Tsy hionona amin’ny fahendren-drazana izay mety ho fitsinjovana ny tombontsoa manokana fotsiny izany, (“Efa renareo fa voalaza hoe” Mt 5) ), fa ho fialana amin’ny sampy (na zavatra na hevitra na izay mety noheverina ho fahendrena) izay nifikirana sy noheverina hahazoana ny famonjena 1Tes 1,5-10) ka ho amin’ny  fitiavana hanomezana an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra, ka hifampitsinjovana, hahatsiarovana mandrakariva fa endrik’Andriamanitra ny olombelona, tian’Andriamanitra ka tokony hotiavintsika koa. Izany no hahafahana manao soa amin’ireo izay niangaran’ny vintana, ny vahiny sy ny fadiranovana (Eks 22,21-27) ka hahatonga antsika ho “mpaneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa” tahaka ny nolazain’i Md Augustin hoe : amin’ny fifankatiavana no hahitana ny endrik’Andriamanitra Trinite Fitiavana, ary “Fitiavana iray ihany no enti-manatanteraka ny didim-pitiavana : hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana”

Amin’ny Vakiteny II dia misy fampianarana azontsika raisina koa mikasika ny fiainana araka ny Evanjelin’i Kristy izay Lalànan’ny Fitiavana ihany. Ny kristianina tany Tesalônika dia nandray ny Teny, hoy Md Paoly. Efa nolazaintsika tamin’ny heriny moa ny votoatin’ny vavak’ity Apôstôly ity ho an’io Eglizy io :  “Ny asa (ἔργον – ergon ) no anamarinana ny finoana marina (πίστις – pistis), ny fahafoizan-tena (κόπος – kopos, asa mihatra aman’aina) no anamafisana ny fitiavana (ἀγάπη – agapè) ary ny faharetana (ὑπομονή – hypomonè, tsy fialana amin’ny tanjona) no hikolokoloana ny fanantenana (ἐλπίς – elpis, fiandrasana an-kafaliana ny famonjena) an’i Jesoa Kristy. 

Fantatr’i Paoly tsara ny hamafin’ny fiainana sy fitoriana ny Evanjely tany Tesalônika ary izany rahateo ny antony nialany tany (Asa 17,1snm). Ambarany amin’ny Taratasiny novakiantsika anio àry fa tao anatin’ny fahoriana be no nandraisan’ireo mpino tao ny Tenin’Andriamanitra, saingy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina koa. Tsy vokatry ny fahombiazan’izay atao io hafaliana io, mba tsy hiteraka avonavona ho an’izay misasatra, fa vokatry ny Fanahy Masina. Izany dia hafaliana tsy hoe entina hanahafana an’i Paoly izay nenjehina noho ny fitoriana ny Evanjely fotsiny, fa ho fanahafana an’i Jesoa ihany koa. Izy rahateo moa no nilaza hoe “raha nenjehiny aho, hoenjehiny ihany koa ianareo” (Jo 15,20). 

Ho sanatriavina anefa ny mihevi-tena ho martiry rehefa ny hevitrao sy ny saim-pantatrao no hiadivanao aman’olona fa tsy ny hevitra sy ny fampianaran’Andriamanitra. Tsy nanambara ny tenany i Jesoa fa nanambara ny fitiavan’Andriamanitra tsy azon’ny olombelona giazana ho fananana manokana, fitiavana izay mitodika manokana amin’ny mpanota sy ny mahantra. Manelingelina ny fahefan’ireo izay mampiasa ny fivavahana hanangonam-pahefana izany ka tsy maintsy ho fahafatesana no setrin’ny fijoroana ho vavolombelona. 

Ao amin’ny Vakiteny I kosa dia misy hevitra tokony ho azo, mba tsy hampivilana ny endrik’Andriamanitra banjinintsika : mihaino ny fitarainan’ny mpitondratena sy ny kamboty Andriamanitra, ka hirehitra hatezerana handringana izay mampijaly azy ireo amin’ny sabatra Izy. Eo amin’ny fiainana andavanandro anefa dia toa ny mpanararaotra ny fahantran’ny hafa (hanaovana zana-bola mihoa-pampana na usuriers, sy hifetsena ny fananany sisa tavela) no miriaria. Tsy hita akory eto izay sabatr’Andriamanitra mandringana azy ireo. Ny mpanao Salamo 73 aza moa dia milaza fa “nialona ireo mpirehareha izy raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy” (Sal 73,3). 

“Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra, ka maranitra hono ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza ; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo” (Heb 4,12). Manasaraka ny tsara amin’ny ratsy io sabatra io (μάχαιρα machaira) roa lela (Sal 149,6), sabatra maranitra (Heb 4,12) ka tsy ny mpanao ratsy no sitrak’Andriamanitra haringany fa ny ratsy izay mampijaly ny zanany. 

Tsy hisy afaka hanao mafy fo velona, hanao be marenina, hanamarin-tena amin’ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa. Mampalahelo ny mahita olona sahy manao kômonio, milaza fa miombona amin’i Jesoa sy ny Fiangonany mbamin’ny mahantra endrika tiany hisehoana, kanefa ny fananan’ny mahantra sy ny ny tsy manam-piaro no bodoina, ny fahasahiranana sy ny fahaporetan’ny madinika no araraotina hanjanaham-bola avo sasaka.Tsy azontsika adinoina fa afaka mividy vola ny fitsarana isika hanafenana ny heloka vita fa tsy afa-mividy ny feon’ny fieritreretana, afa-mividy kidoro tsara hatoriana, saingy tsy afa-mibaiko ny maso hatory am-piadanana. 

Loza no ilazantsika ny fahafatesana mandrakariva, voina mitranga, saingy io no taom-pijinjana hanaterantsika ny vokatry ny Fanahy, eo am-pelatanan’ny tompom-bokatra (Alahady XVI A). Loza raha sanatria ka tsy mifanaraka amin’ny didim-pitiavany ny fiainantsika. 

Raha Andriamanitra tokoa no ampinga sy famonjena mahery (Sal 17) fa tsy ny vola aman-karena na ny fahendrena amam-pahaizana, dia tsy ho sarotra ho antsika ny hahatsapa fa ny fitiavana azy no “zokiny indrindra” amin’ny didy, satria izay fitiavana Azy izay no hampisy heviny ny fiainana. 

Tsaroantsika mandrakariva ny fampianaran’i Md Augustin momba izany fitiavana izany : “Inona no mampiavaka ny zanak’Andriamanitra sy ny zanaky ny demony? Samy manao famantaran’ny hazofijaliana amin’ny anaran’i Kristy, samy mahay mamaly Amen, samy mihira aleloia, mety ho samy vita batemy samy miditra am-piangonana, fa ny mampiavaka azy dia ny fitiavana mameno ny fony : izay rehetra tia  no naterak’Andriamanitra” (1Jo 4,7).

Ho taratry ny fitiavan’ilay Andriamanitra banjininy ao amin’ny fivavahana anie ny fiainan’ny mpino rehetra.  

Ry Andriamanitra fitiavana ô, efa nambaranao tamin’ny Testamenta Taloha fa tsy mety misaraka amin’ny fivavahana marina ny fiahiana ny mananotena sy ny kamboty, ny famonjena ny mahantra sy ny tsy manam-piaro. Ary ny fiainan’i Jesoa mpanorina ny Testamenta Vaovao indrindra dia namafazany soa tamin’izay rehetra nolalovany, nanasitranany ny karazan’aretina rehetra, ary nanomezany ny didim-pitiavana. Koa ny Fanahinao Masina anie hanampy anay haka tahaka Azy sy hanatanteraka ny didy nomeny, dia ny ny fitiavana Anao sy ny fitiavana namana izay didy tsy azo sarahina, hany ka manamarina ny fitiavanay Anao ny fitiava-namana satria endrika isehoanao aminay ny olombelona noharinao hitovy endrika Aminao. Koa enga anie izahay, noho ny sakramenta ankalazainay ny fitiavanao sy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanana ny tena fitiavana ankasitrahinao (Vavaka Alahady 30A).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady 01 novambra
PREVIOUS
23 ôktôbra : 
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 09 nôvambra :
  • ALAHADY FAHA-32 MANDAVAN-TAONA TAONA A
  • Alahady 01 novambra
  • ALAHADY FAHA-30 MANDAVAN-TAONA TAONA A
  • 23 ôktôbra : 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    novembre 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Oct    

    Archives

    Articles récents

    • 09 nôvambra : 8 novembre 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.