ALAHADY FAHA 3 MANDAVAN-TAONA – Taona D
- Nehemia 8,1-6.8-10
- Salamo 18
- 1Kôrintianina 12,12-30
- Md Lioka 1,1-4; 4,14-21
Ny Tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’akondro.
Taorian’ireo fitantarana ny Fisehoan’ny Tompo, Epifania nanosorany antsika ho Mpanjaka, Mpisorona sy Mpaminany dia mampiditra antsika amin’ny andavanandrom-piainana ho amin’ny fiainana izany ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Litorjia anio. Ao amin’ny Vakiteny I dia hitantsika i Nehemia Governora (Mpanjaka), i Esdrasa Mpisorom-be, ary ireo Levita sy mpanora-dalana mampianatra ny Lalàna (Mpamimany). Mampandinika antsika ihany ny fahenoana ny fomban’ny Jody amin’ny fametrahana ny Tenin’ny Lalàna, ny fanaovana ny Tenin’Andriamanitra ho ivon’ny fiainana. Manomboka amin’ny fiposahan’ny mazava ka hatramin’ny mitataovovonana dia famakiana ny bokin’ny Lalàna no atao.
Raha mamaky ny bokin’i Nehemia (= Andriamanitra manafaka alahelo) isika, amin’ny Toko 8, dia mahita fa misy olon-kafa mijoro eo an-kavanana sy eo an-kavian’i Esdrasa (= Fanampiana, famonjena), mpanora-dalàna. Heveriko fa tsy anarana fe anarana ireo fa kosa entina manambara ny toe-po ananan’izay mijoro eo anatrehan’ny vahoaka. (and.4). Eo ankavanany no mijoro i Matitia (מַתִּתְיָה – Mattithyāh) : Fanomezan’ilay mandrakizay, i Shemà (שֶׁמַע – shema‘) : ilay nohenoina, Anaià (עֲנָיָה– ‘ănāyāh) : Andriamanitra namaly, Orià (אוּרִיָּהוּ, ’ourîāhou) : Andriamanitra fahazavana, Hilkià (חִלְקִיָּה –ḥilqîyāh) : Andriamanitra no zara lovako ary Maseyà (מַעֲשֵׂיָה, Ma‘ăsēyāh = œuvre) : Asan-tanan’Andriamanitra; eo an-kavia kosa dia Pedayà (פְּדָיָה, pedhāyāh – rachat) : Andriamanitra no nanavotra,), Mikael (מִישָׁאֵל– mîshāēl, Iza moa Andriamanitra), Malkià (מַלְכִּיָּה, malkîyāh – Andriamanitra no Mpanjaka), Hasoma (חָשֻׁם, ḥāshoum) : Mpanankarena, Hascbadanà (חַשְׁבַּדָּנָה- Hashbaddānāh = juge plein d’egards) : Mpitsara be indrafo, Zakaria (זְכַרְיָה – Zekaryāh) : Andriamanitra mahatsiaro ary Meshullam (מְשֻׁלָּם – Meshullāmshalam) : namana.
Tsy ala safay tsy akory ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra fa fihainoana ny Teny mahavelona, handinihina ny fiainana ka hahafahana manitsy azy mba hizorana amin’ny lalan’ny fahasambarana. Ho an’ny vahoaka Jody avy any amin’ny fahababoana, ankoatra ny fanorenana ny Tempoly dia ny Famakiana ny Lalànan’Andriamanitra no lalana tsara indrindra sy lavorary hahafahana mandrakitra indray ny maha vahoaka voafidy. Io ilay Lalànan’ny Tompo izay lavorary sy marina ary azo antoka indrindra, ka hahazoan’ny olon-tsotra fahendrena; fitsipika mahitsy ka mampahafaly ny fo, mangasoaso ka manadio ny fijery, izany hoe hahitana ny lafitsaran’ny zava-mitranga; ny tahotra vokatry ny fahatsapana izany lalàna izany dia madio ary maharitra mandrakizay, satria tsy tahotra ny mpanao lalàna fa tahotra ny mety ho fahapotehan’ny fiainana sanatria. Marina ny fitsaran’ny Tompo satria fanapahan-kevitra ho enti-manasoa antsika mandrakariva no raisiny ary fitiavana mitovy no itiavany ny olon-drehetra (Sal 18,8-10.15).
Tomany no asetrin’ny vahoaka ny fahenoana ny Lalàna toy izany. Tomany no vokatry ny fahatsapana fa notiavina kanefa indraindray fanomezan-tsiny no asetry ny tsy fandraisana andraikitra. Ny tiako holazaina amin’izany dia izao: matetika ny mpino no manome tsiny an’Andriamanitra amin’ny voka-dratsin’ny fahotany sy ny tsy fandraisany andraikitra. Fa ny fahatsapana kosa fa manohy mitia antsika Andriamanitra, tsy mivadika ny fitiavany, dia manentana antsika mba hahatsapa fa ny fifaliana ao amin’ny Tompo no herintsika (teny faran’ny vakiteny I), ny fahatsapana ny fitiavany no hanova ny fiaintsika koa ho tonga taratry ny fitiavany. Izany no mahatonga ny Eglizy hanisy tsindrim-peo mandrakariva amin’ny fankalazana an’i Kristy mitsangan-ko velona, isaky ny miangona, satria ny hafaliana entin’ny Paka no zarain’ny Kristianina amin’ny mpiara-belona aminy, eo amin’ny fiainana an-davanandro ary loza raha tsy toriana izany Evanjely izany, hoy Md Paoly (1 Kor 9, 16).
Ambaran’i Md Paoly (vakiteny II: 1Kôr 12,12-27) fa na dia nandray ny hafenoan’ny Fanahy aza isika, dia tsy afaka ny hihambo hanana ny hafenoana rehetra, fa ny Fanahy no manome antsika ny fanomezam-pahasoavana (Vakiteny II alahady II taona D: 1 Kor 12, 4-11) hifamenoantsika amin’ny fandrafetana ny Vatana iray, voahosotra hitory teny soa amin’ny malahelo, hankahery ny torotoro fo, hilaza hafaliana amin’ny mpifatotra sy fahiratana ho an’ny jamba, hanafaka izay hampahoriana ary hitory taom-pahasoavan’ny Tompo (Evanjely Lk 4,14-21).
Manoloana izany dia mety ho lasa saina isika hilaza hoe: izaho àry mba ho inona? Teo am-pandinihana izany indrindra no nahatonga an’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely hahita ny anjara toerany eo anivon’ny Fiangonana: ho fitiavana (Vakiteny II amin’ny alahady IV 1 Kor 12, 31 – 13,13). Ny fikatsahana ny anjara toerana amin’ny maha ratsambatana manko dia hanampy antsika higaga ny asan’ny ratsambatana rehetra. Amin’ny andavanandrom-piainana anefa dia tsy izany no miseho. Indraindray, mahafaly antsika ny miantso an’i Mb Terezy hivavaka ho antsika, tadidiko ny akon’ny fandalovan’ny sisantaolany tamin’ny Tanindrazantsika, saingy firy no mba maniry ho fitiavana, tsy misy mpahafantatra, mihiboka, mba ho fo, hampikoriana rà hamelona ny tena manontolo? Toa ny rantsam-batana hitam-bahoaka no irin’ny maro, ka ny asa sy ny zavatra hisehosehoana no ifandrombahana mba hilazana fa velona ny Fiangonana! Izay tsy misaotra an’Andriamanitra amin’ny asa tanterahiny amin’ny alalan’ny hafa dia tsy ho afaka hifaly amin’ny fifalian’ny Vatana manontolo miaraka amin’ny Loha tokana dia i Kristy.
Avoitran’ny Tenin’Andriamanitra anio ny maha zava-dehibe ny famakiana ny Lalàna, ny fiaraha-mamaky sy mandinika ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’ny Alatsinainy dia nampahatsiahivin’i Md Ignace d’Antioche (Lettre aux Ephésiens, Office des lectures Lundi 2° semaine, LdH Tome I pp. 449 ss) fa ny fivoriana matetika mba hisaotra an’Andriamanitra sy hidera ny voninahiny no hampivondrona antsika ao amin’ny finoana ka handresena ny asan’i Satana[1]. Ny fivoriana anefa matetika ataontsika ihany saingy ny firaisam-po amin’ny fideràna Azy Tompo indraindray adinontsika, zary adidy tsy maintsy ho efaina manko sisa ny vavaka litorjika, ary ny fivoriana masina lany amin’ny resa-bola sy latsak’emboka, ary indraindray kely sisa handinihana izay ventin-kevitra iraisana sy ho toriana…
Andramo moa amin’ny fivoriana atao ny mametraka ho laharam-pahamehana ny lohahevitra hotorìna sy hiainana dia ho hitantsika ny fiovan’ny fiaraha-mivavaka sy ny fiombonantsika e. Tsy ny miara-dalana manko no sarotra fa ny misafidy ny Lalana arahina sy ny tanjona tian-ko tratrarina. Raha tsy i Kristy no Lalana tokana mampivondrona antsika dia tsy Izy no fahamarinana hotorìntsika ary tsy ho Izy koa ny Fiainana tiantsika ho tratrarina.
Ny hanirahana antsika dia ny mba ho Vavolombelon’ny Vaovao Mahafaliny. Amin’ny herinandro natokana hivavahana ho an’ny Firaisam-pinoana, ahoana no hijoroantsika ho Vavolombelon’i Kristy indrindra manoloana ny vokatry ny Covid sy ny fahasahiranana aterak’izany? Matetika manko, rehefa an-koditra ihany vao mampibabababa ny fahoriana, kahiheverana ho olona nidiran’andro, niangaran’ny vintana!
Mazàva ny hafatr’i Nehemia ho antsika: mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra… ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo”. Izay ao anatin’ny hafaliana ka manadino izay mijaly dia manadino ilay anton’ny fifaliany. Izay mifaly ao amin’ny Tompo dia tsy afaka ny hanadino ireo zanak’Andriamanitra, iray tampo aminy mijaly tsy mahita na ny harapaka aza.
Ambaran’ny Salamo setriny (Sal 18) fa madio ny tenin’ny Tompo, ary maharitra mandrakizay, inoantsika izany. Koa aoka ny zava-mitranga mampioron-koditra sy mampatahotra, tsy hampitebiteby ny fontsika, ka na tsy ho Apôstôly hisotro ny divay aza isika, ka hino fa i Jesoa no Kristy (Evanjely II D: Jo 2,1-12), enga anie ho mpanompo hanovo rano, hameno ny sinivato ka hino fa ny harerahana mety holazain’ny sasany ho hadalàna, ho zary fanohitra hanamafy ny finoan’ny Fiangonana manontolo satria inoantsika fa tsy afaka ny ho vatan’i Kristy isika raha tsy miombona amin’ny ratsambatana rehetra ka tsy hahatsapa fotsiny ihany fa mila ny hafa, fa hiezaka koa hitondra ny anjara birikintsika amin’ny fanorenanana ny Fiangonana tempoly arafitra ho vatan’i Kristy (Ef 2), hiaina amin’ny maha fianakaviana ny fiangonana, tahaka ny akondro, ka maty, sty hamela voa ihany fa ho zezika, hampamokatra ny taranaka amam-para….
Raha iverenantsika vetivety ny Evanjely dia tsara ny mahazo ka mandray ho tanjon’ny Taona litorjika izay lazain’i Md Lioka amin’ny Evanjeliny. Lioka 1,1-4 izay manomboka ny fitantarana moa dia mamintina amintsika ny antony anoratan’i Lioka ny Evanjeliny, soratany ho an’i Teofily, anarana hilazana koa anefa fa izay tia an’Andriamanitra no afaka hahazo ny Tenim-pahasoavana ambaran’ny Evanjely.
Md Lioka 4,14-21
Manomboka ny fitantarana araka an’i Md Lioka ny Evanjelin’ny andavanandro manomboka anio. Ny Evanjely anio dia mitantara ny fiverenan’i Jesoa tany Galilea, tanànany, na faritaniny no marimarina kokoa, izay apetrak’i Md Lioka eo amin’ny fiandohan’ny Evanjeliny, ho entiny mamintina ny fiainan’i Jesoa manontolo. Lazain’i Md Lioka moa fa tsara ny miala nenina hahalala tsara ny zavatra rehetra ka hanoratra azy milamina tsara, ka izany no iezahantsika ho azo hahafahantsika mandalina bebe kokoa ny misterin’ny Fitiavan’Andriamanitra ambarany amin’ny hafenoany ao amin’i Jesoa Kristy.
Sabàta ny andro ka nandeha toy ny mahazatra tao amin’ny Sinagôga i Jesoa. Ambohi-pihaonana moa io, ka sady azo antsoina hamaky ny Lalàna sy ny Mpaminany no afaka mitoriteny avokoa ny Jody olon-dehibe rehetra. Tsy dia sarotra loatra izany satria ny mahazatra ny ankamaroany dia mianatra tsianjery toritenin’olo-malaza dia mamerina izany fotsiny…
Manonona ny Shemà moa no anombohana ny fotoana, izay toy ny fiekem-pinoana ho an’i Israely, avy eo dia manao ny Tsodrano valo ambin’ny folo izay manomana ny famakiana ny Lalàna (Torāh) sy ny Mpaminany. Izay mamaky ny Mpaminany no manao ny toriteny mazàna, araka ny mahazatra. Amin’ity Sabàta ity dia i Jesoa no notolorana ny Boky.
Misy antsimpirihan-javatra tsara ho tanana ihany amin’ny fitantaran’i Md Lioka: nandray ny Boky i Jesoa ary manokatra azy. Ny hoe mamelatra moa eto dia ἀναπτύσσω (anaptussô), manodina ny horonam-boky mba hahitàna (εὑρίσκω– heuriskô) izay tokony hovakiana. Izy no afaka hanokatra ny Boky, hoy i Md Joany any amin’ny Apôkalipsa. Izy irery ihany no afaka hanome antsika ny tena hevitr’izay voasoratra. Izy no Teny tonga nofo ka manan-kery hahatonga ny Teny ho fiainantsika.
Rehefa avy namaky ny Teny izy dia nipetraka. Araka ny fomba dia eo am-pitsanganana no hanaovana ny famoaboasana. I Jesoa kosa nipetraka. Io no ataon’ny artista sary amin’ny Kristy Παντοκρατορ – pantokrator, mpifehy sy mpampianatra, satria feheziny eo am-pelatanany ny zava-drehetra. Ny Testamenta taloha dia mitondra antsika ho eo Aminy, ary rehefa tanteraka izany dia azo averina amin’ny Mpitandrina ny boky, satria ao Aminy no hahatanterahan’izay rehetra nolazain’ny Mpaminany.
Efa-jato taona talohany dia naminany i Izaia fa izay voahosotry ny Tompo dia ho feno ny Fanahy Masina mba hitory taom-pahasoavan’ny Tompo sy andron’ny famaliana. Androany no efa tanteraka izany, hoy i Jesoa. Anio no afaka ny mpifatotra, foana ny herisetra. דְּרוֹר (derōr) ny teny ampiasain’i Izaia hilazana ny fahafahana, izany hoe ny herin’ny Fanahy Masina no mamaha izay manakana antsika tsy ho afaka hihazakazaka, hanafaka antsika amin’izay fatotra mangeja tsy hahafahana mitia an’Andriamanitra sy ny namana.
Teny soa mahafaly no lazain’izay entanin’ny Fanahin’Andriamanitra, teny fankaherezana mandrakariva. Ka raha sanatria teny mandratra na teny manampy trotraka ny fahorian’ny olona no lazaintsika dia mila mandini-tena sao sanatria tsy ny Fanahy Masina no mampilaza izany fa ny hambom-pon’olombelona. Hilaza ny fahafahana fa avy eo koa hanafaka: teny mifanaraka amin’ny fiainanaary fiainana mifanaraka amin’ny Teny. Tsy milaza fotsiny fa mpanatanteraka koa (Md Jakôba).
Taom-pahasoavana ho an’ny Tompo koa no lazaina, izany hoe izay lazain’ny Boky Lev 25,10snm fa haverina amin’ny tompony ny tany rehetra satria taon-jôbily. Afaka mamokatra ka mioty amin’ny taniny avokoa araka izany ny olona rehetra, indrindra ny mahantra, izay mety ho tsy afa-nioty tamin’ny taniny intsony. Tsara ho tsahivina fa tsy nivarotra ny tany ny Jody fa ny vidin’ny vokatry ny tany hatramin’ny jôbily no tombam-bidiny (Lev 25,15).
Tsy naverin’i Md Lioka moa ny andinin’ny Bokin’i Izaia izay milaza androm-pamaliana (נָקָם- nāqām) ho an’Andriamanitra. Mahagaga ny namerenan’ny mpandika teny azy io ao amin’ny Baibolintsika malagasy. Tsy Andriamanitry ny tahotra manko ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mamela ny zanany mpandany hanalavitra ny tranony, ary vonona ny hiandry azy mba hanao fety amin’ny fiverenany indray andro any. Fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany mody any Aminy, tsy sanatria valifaty (נָקָם- nāqām), ary raha hamaly faty aza izy dia valifaty hitondrany ho amin’ny hafenoan’ny fiainana ny zanany.
Manafaka fa tsy mamatotra ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaiky hoafahany sy hoentiny amin’ny fahasambarana lavorary anie isika tsirairay avy. Izay mandray ny Teny ka manaiky honenan’ny Fanahy araka izany dia tonga mpanafaka tahaka an’i Kristy, tsy hangataka andro amin’ny fanaovan-tsoa fa ho zary Evanjely, izany hoe ho fahatanterahan’ny faminaniana fa “androany no efa tanteraka eo amin’ny sofintsika ny Soratra Masina”.
Etsy an-kilany koa anefa, ireo mihevitra ny hanara-dia an’i Kristy, dia tsy maintsy hahatsiaro fa fanenjehana mandrakariva no hahazo ny Mpaminany. Rehefa tsy mahazo izay ilainy ny olona, rehefa tsy afaka mitàna ho an’ny tenany irery araka ny faniriany ny tombontsoa sy ny fahasoavana, dia mahavita hatramin’ny mandroaka hiala amin’ny tanàna sy hanjera any an-tevana. Firifiry ny olona manao izany rehefa tsy ahazoany tombontsoa ianao.
Tahaka an’i Elia (אֵלִיָּה, ’ēlîyāh: YHWH no Andriamanitro) sy Elisea (אֱלִישָׁע, ’ĕlîshāh: YHWH no Mpamonjy) anefa, izay tena mpaminany dia tsy mandeha any amin’izany mitady azy, tsy handeha amin’ny nahiny fa mandeha any amin’izay hanirahana (ἐπέμφθη – epemphthè, aoriste passive de πέμπω – pempô) azy, hitory fa tsy voafetra ho an’ny olom-bitsy ny fahasoavan’Andriamanitra (mbola halalinintsika amin’ny heriny).
Hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina anie isika, ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’izay anirahany antsika.
[1] Devoly, diable (Diabolon = mpamisaraka)