Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA 3 MANDAVAN-TAONA – Taona A

ALAHADY FAHA 3 MANDAVAN-TAONA – Taona A

Njara Pascal
  • Izaia 8,23b–9,3/
  • Salamo 26/
  • 1Kôrintianina 1,10-13.17/
  • Md Matio 4,12-23

Masoandro be lohataona i Kristy  ka tsy mifidy olona hohasoavina

Mifanojo amin’ny famaranana ny Vavaka ho an’ny Firaisan’ny Mpino ity alahady ity ary izany firaisam-po amam-panahy tokony hanentana ny Mpino izany no mbola hamafisin’i Md Paoly amin’ny vakiteny faharoa anio: Voazarazara va i Kristy? (1 Kôr 1,10-13.17).

Ampahatsiahivina fa tamin’ny taona 2026 dia ny Efeziana 4,1-13 no lohahevitra iraisana fa ny andininy faha-4 no namintinana azy: “Vatana iray sy Fanahy iray, tahaka ny maha-iray ihany koa any fanantenanana niantsoana anareo”. Ny fiombonana ao amin’ny fahasamihafana sy ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana hikatsahana ny soa iombonana no manampy antsika ho amin’ny tena firaisam-pinoana marina.

Mamintina ny ezaka rehetra atao mandritra ity herinandro hivavahana ho an’ny firaisan’ny Mpino ity io andalan-tSoratra Masina io. Antson’Andriamanitra ary hita taratra eo amin’ny fiainan’izay mamaly ny antsony ny fitandrovana ny fihavanana. Ohatra amin’izany ny nataon’i Abrahama niangavy an’i Lôta hanaja ny sitrapon’Andriamanitra izay maniry ny hanjakan’ny fiadanana sy ny firindrana eo amin’ny fiaraha-monina. Hoy indrindra izy: “Aoka re tsy hisy fifandirana amiko sy aminao, amin’ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao fa mpirahalahy isika” (Jen 13,8). “Endrey, tsara sady mamy ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina”, hoy ny Salamo 133, 1.

Amin’ny maha-vatana iray manana an’i Kristy ho Loha sy Filoha tokana ny Eglizy no iombonany ho tena iray, na dia samihafa aza ny ratsam-batana rehetra sy ny asany. Fanahy Masina iray ihany koa no mamelona azy sy manohana azy amin’ny asa tokana nankinin’i Kristy aminy sy hiantsoana azy, dia ny hitory ny Evanjely, hitory amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra  (1 Jo 4, 16) ary ny hahavonjy an’izao tontolo izao no sitraky ny fony (1 Tim 2, 4) ary izany famonjena sy fiainana mandrakizay izany no fanantenana tokana mamelona sy misarika ny kristianina hamaly ny antso ho amin’ny  fahalavorariana.

Voaantso ho mpaminany, ho Apôstôly, ho zanaka hitory ny famonjena hatrany am-paravazan-tany isika. Santa-bokatra sahady ho amin’izany famonjena izany no lazain’i Izaia ao amin’ny vakiteny I (Iz 9,1-3), dia ilay hazavàna hamirapiratra ao anatin’ny haizina, zary hafaliana ho an’ny vahoaka voafidy.

Ampahan’ny Vakiteny novakiana amin’ny alin’ny Noely io Vakiteny io (Iz 9,1-6), izay manampy antsika hahalala bebe kokoa ilay Andriamanitra miara-monina amintsika. Tamin’ny fotoana nanoratana io vakiteny io dia efa nizara roa ny Fanjakan’Israely: Israely, nitana ny anarana tany avaratra, nanana an’i Samaria ho renivohitra, ary i Jodà kosa tany atsimo, mirehareha satria nanana an’i Jerosalema ho renivohitra, ary fantatsika fa tao Jerosalema no nisy ny Seza fiandrianan’ny Mpanjaka sy ny Tempoly.  Mpaminany tany amin’ny faritra atsimo i Izaia. Ny faritra lazainy amin’ny famaranana ny toko faha-8, anombohan’ny vakiteny I amin’ity alahady ity anefa dia i Zabolôna sy Neftalì ary ny lalana manamorona ny ranomasina, izay azo heverina ho ny faritr’i Asera (misy an’i Sidôna, farany avaratra sy Tira) dia samy amin’ny fanjakana avaratra avokoa. Ireo faritra telo ireo no nobaboin’ny Asirianina voalohany ny taona 734-732 tal. J.K. tamin’ny andron’i Tiglath Pilezer III (lasa Pul tamin’ny andron’ny Babilôna 729 tal. J.K.), fa tamin’ny 721 vao lasan-ko babo tanteraka ny fanjakana avaratra manontolo.

Ireo vahoaka tavaratra nandeha amin’ny haizim-pito, entina an-tsesitany (ary indraindray aza, efa nopotsirina ny voamaso ka jamba tanteraka) no lazain’i Izaia fa hiposahan’ny hazavana, satria toy ny tamin’ny andron’ny Madiana (vakio Mpits 7), tamin’ny andron’i Jedeôna no nanapahan’ny Tompo ny jioga namesatra sy ny tsora-kazo nikapohana. Tsy amin’ny herin’ny tafiky ny olombelona fa avy amin’ny fahasoavana, tsy noho ny asam-pahamarinana nataontsika no namonjena antsika fa noho ny famindram-pon’Andriamanitra niteraka antsika ho olom-baovao  nohavaozin’ny Fanahy Masina, hoy i Md Paoly (Tito 3,5). Nahoana Izaia any atsimo no mitory fanantenana ho an’ny any avaratra?

Izany dia mampianatra antsika voalohany indrindra fa tsy afaka ny hanao maso be tsy mahita amin’ny fahorian’ny hafa isika fa hanao voin-kava-mahatratra. Ary ny Tantara dia mampianatra antsika fa ny firenena atsimo nisy an’Izaia io koa, ny taona 587 tal. J.K. dia lasan-ko babo tany Babilôna, tamin’ny andron’i Nabôkodônôzôra. Na dia eo aza ny fisarahana, dia tokony ho ny fiombonana sy ny faniriana hiaina araka ny maha-izy azy, firenena iray, nofidìn’Andriamanitra ho vahoaka tokana, no tsaroana. Izay mahazo ny hafatr’Izaia, dia hahazo koa ny maha-kristianina, katolika, mino an’i Kristy ary resy lahatra fa ny fifankatiavana no hahalalan’ny olona fa tena mpianany : na inona na inona fisarahana sy mety ho fitsitokotokoana vokatry ny adilahy, dia izay hitondrana hafaliana sy fanantenana hatrany no iantsoana ny Mpaminany. Izany no hiantsoana ny Kristianina : fanantenana tokana, dia ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Raha hiaraka hankalaza an’Andriamanitra ihany any amin’ny mandrakizay ary izay no tanjona, maninona no tsy atomboka dia ny ety an-tany?

Izay mahafantatra ka mino ilay zaza teraka, zazalahy nomena, ho an’Izaia dia Ezekiasa zanak’i Akaza, ho antsika i Jesoa Zanak’i Maria, ilay natao anaty fihinanam-bilona mba hatolotra ho fiadanantsika (toy ny zanak’ondry tsy manan-kilema hatao sorona), izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao (alahady 2A) dia hahatsiaro mandrakariva fa Izy no Mpanolo-tsaina mahagaga, ka tsy afaka ny hahita ny fahasambarana izay tsy miombon-kevitra Aminy; Izy no Andriamanitra mahery, ka tsy afaka ny handresy ny fahavalo izay tsy miantehitra Aminy; Izy no Ray mandrakizay ka ny fitokisana amin’ny fitiavany no handresena ny tahotra; Izy no Andrian’ny Fiadanana ka izay manaraka ny baikony hiaina araka ny fitiavan’Andriamanitra no ho afaka manandrana ny fiadanana atolony.

Tsy ilàna lahateny kanto ny fitoriana izany hoy i Md Paoly, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy (Vak II). Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny asa fanirahana sy ny fandalinana miandry an’ireo voairaka anefa izany. I Paoly rahateo no mahatsapa fa na malemy aza izy, farany sy toy ny tsy tonga volana amin’ny Apôstôly, dia tsy nanao ho ambanin-javatra ny fandinihana sy ny fandalinana ny Teny ary nanafatra izany mafy tamin’i Timôte (1Tm 4,13). Tsy mamela hipetra-potsiny manko ny fahasoavana fa maniraka hiasa bebe kokoa (1Kôr 15,8), hany ka mahatsapa i Paoly fa loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy (1Kôr 9,16). Ny Hazofijalian’i Kristy araka izany no hery sy loharanon-kery hahafahana mitory an’i Kristy tafatsangana ( Fil 4,13).

Maimaim-poana anefa izany fitoriana izany (1Kôr 9,18) ary tsy fahefana fa fanompoana. Ny mahagaga anefa ary mampametra-panontaniana dia ny famalian’ny Apôstôly ny antson’ny Tompo, henontsika amin’ny Evanjely (Mt 4,12-23). Nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka azy! Niaraka tamin’izay : (εὐθέως– eutheôs) izany hoe “aussitôt”, amin’ny italianina “subito”: niaraka tamin’ny vava. Io adverbe grika io araka ny mpandinika baiboly sasany dia tsy mamaritra loatra ny fotoana fa ny fomba hamaliana, izany hoe tsy am-pisalasalana, ary ny qe,wj – theôs dia azo adika ihany koa hoe “manao fifaninanana”!!! Nahoana àry ireo Apôstôly ireo no nandao ny fivelomana niaraka tamin’ny vava, raha toa ka maimaim-poana ny asa fitoriana? Dia sanatria ve izy ireo no faran’izay adala na misy fahavoazana?

Heveriko fa tokana ny antony, ary izay ihany no hahafahantsika mamaly an-kahalalahana ny antson’ny Tompo : ny faniriana ho sambatra, ary vonona mandrakariva hanaraka ny heveriny ho antom-pahasambarany ny olona.

Indraindray mahasadaikatra ihany ny mahare olona milaza fa handao ny zavatra rehetra mba hanaraka an’i Jesoa, ka sahala amin’ny hoe ny hijaliany na ny haha-fadiranovana azy no irin’ny Tompo niantso azy. Izy ihany anefa no nilaza fa fandaozana mivaly zato heny sahady miampy ny fiainana mandrakizay no valisoan’izay manaraka Azy (Mt 19,29).

Tsara tadidiana ny fitantaran’i Md Marka amin’ny Evanjely tamin’ny zoma lasa teo fa niantso izay tiany hankeo Aminy i Jesoa ary niakatra teny an-tendrombohitra nanatona Azy ireo (Mk 3, 13). Ireo Apôstôly nantsoiny dia nandao ny haratony mazava loatra, satria hiakatra eny an-tendrombohitra ary hiara-mitoetra amin’i Jesoa (Mk 3,14), saingy mijanona ho mpanarato, tsy hampiasa ny fitaovana nahazatra azy ireo intsony fa hampiasa kosa ny harato vaovao, tsaratsara kokoa, dia izay atolotr’i Kristy azy ireo dia ny Tenin’ny Fiainana.

Ireo handao ny sambokeliny, hahazo sambo vaovao dia ny Eglizy, hahafahany mitondra an’i Kristy hitory ny Teny mahavoky mandrakizay; izay handao ny rainy, izany hoe handao ny fomba amam-panaony, ny fomban-drazany, ny lovan-drazana… dia hahatsapa ny maha zanaka tian’ilay Ray any an-danitra, ho tonga mpiray tam-po amin’ny olombelona rehetra ka ny fandovàna ny fiainana mandrakizay miaraka amin’izy ireo no hahafeno fatra ny hafaliany.

Tsy manova ny maha izy azy ny tsirairay ny fiantsoan’Andriamanitra fa mandavorary kosa izany mba hampiasana azy ho voninahitr’Andriamanitra : ny mpanjono mijanona ho mpanjono, saingy tsy trondro intsony no haratoina fa olona. Taloha nitondra trondro  hivoaka ny rano mba hivelomany, izao mitondra  “trondro” hiala amin’ny fahotana sy ny fahafatesana mba ho amin’ny loharano velon’ny fiainana mandrakizay.

Samy manana ny faniriana lalina ao anatiny ao ny olombelona tsirairay, ka ny fahasambarana dia ny fahatanterahan’izany fanirinana izany. Mampalahelo araka izany raha sanatria maniry zavatra tsy ho tanteraka mihitsy. Ny Mpanao Salamo dia miventy hoe : « Zavatra iray loha no angatahiko amin’i YHWH sady iriko fatratra: dia te-honina eo an-tranon’i YHWH aho, amin’ny andro rehetra iainako, » (Sal 26 [27],1.4.14). Raha mandinika amin’ny fo mahitsy tokoa isika dia hahatsapa fa ny faniriana zavatra hafa ankoatra izany fiombonam-piainana amin’Andriamanitra izany no mazàna sakana tsy hahafahantsika mamaly εὐθέως (eutheôs tsy misy hatak’andro) ny antson’ny Tompo.

Ny Evanjely dia milaza fa rehefa natao an-tranomaizinai Joany dia nanomboka nitory teny i Jesoa. I Joany aza voasambotra (παραδίδωμι– paradidômi, voatolotra, voambolana ampiasaina koa hilazana an’i Jesoa any aoriana any, atolotr’i Jodasy), kanefa noheverina fa najain’ny olona rehetra ho mpaminany lehibe. I Jesoa mikiribiby hanohy izany fitoriana ny marina izany dia tsy maintsy “hatolotra” koa, ho martiry tahaka an’i Joany. Ambaran’ny Evanjelista amin’izany fa fantatr’i Jesoa tsara ny miandry Azy : fitsarana tsy an-drariny mafimafy kokoa noho ny an’i Joany. Saingy tsy nampihemotra Azy izany.

Ny toriteny voalohany nolazain’i Jesoa, ho an’izay te hiditra ao amin’ny fiainana dia ny fibebahana takìn’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izay tsy avy amin’Andriamanitra dia tsy afaka hihaino izany fampianarana izany ka ho vonona hibebaka. Ireo nomena fahasoavana manokana kosa dia vonona handao ny zavatra rehetra ka hanaraka Azy tsy misy hatak’andro (Mt 4, 18-22).

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra eran’i Galilea manontolo i Jesoa, nanasitrana ny marary rehetra : ambaran’i Md Matio fa tanteraka ny faminaniana ao amin’ny Iz 53,4 hoe: marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany (jer. Mt 8,17). Fa na aiza na aiza misy zava-baovao ka mety hahitana tombontsoa na dia kely monja aza dia tsy maintsy hitangoronan’ny olona. Fa firy amin’izy ireny no ho tavela eo anoloan’ny hazofijaliana?

Ireo monina any Zabolona (זְבוּלוּן- zebhouloun, avy amin’ny זָבַל–zābhal manaja, mendrika), ny zanaka fahafolon’i Jakôba kanefa voasandratra, mahomby amin’ny fiainana, dia hiposahan’ny hazavana (Mt 4,13snm) mba ho fanasoavana an’i Neftalì (נַפְתָּלִי– naphtālî, avy amin’ny פָּתַל, pāthal, miady), ny zanaka faha-enina, miady amin’ny fiainana. Horaisintsika anie ny fahazavana entin’ny Evanjeliny, satria mponin’i Zabolôna (mamboly voky tsy mamboly voky) sy Neftali (mitrongy vao homana) ihany isika rehetra ka mandray anjara amin’ny fankalazana ny Teniny sy amin’ny fankalazana ny Tenany, ho sakafom-panahy hahasitrana ny rofy rehetra manakana antsika tsy hibebaka ka handray ao am-pontsika ny Fanjakany.

Antsoin’i Jesoa koa isika, handao ny harato, ny lakana (sambo) sy ny ray mba hanaraka Azy ho tonga mpanarato olona. Izay tsy mandao ny zavatra nianteherany mba hivelomana (sambo, harato), handao ny fahazarana sy ny asa manavanana, handao, eny fa na dia hatramin’ny kolontsaina sy ny nentim-pahazarana, na izay ho andry niankinana (ray) aza, raha ilaina izany, dia tsy afaka ny ho tonga mpianatra, tsy afaka ny hivoatra araka ny hevitr’Andriamanitra ka mety “hatoky tena toy ny antsikely be zarany”, ka tsy ho afaka hitondra hazavana ho an’izao tontolo izao, tsy ho afaka hanala ny olona (sy ny tenany) amin’ny tontolon’ny fahafatesana sy ny ratsy (ranomasina) mba ho any amin’ny fiainana (tany maina).

Mpirahalahy koa anefa no antsoina, antsoin’i Jesoa hanorina fiaraha-monina vaovao, handresy ny fialonana mitondra amin’ny fifamonoana tahaka ny nahazo an’i Kaina, fa hanambatra ny hery kosa, ho mpirahalahy mianala hitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy firahalahiana atambatry ny rà fotsiny fa fianakaviana vaovao mivondrona ao amin’ilay Ray iombonana, ao amin’ilay Zanany Lahitokana izay miantso antsika.

Tsy fihaonana voalohany tamin’ny Tompo anefa ny an’ireo Apôstôly lazain’ny Evanjely fa efa fahamatoran’ny finoana, mivoatra tsikelikely ka nahafahany nahatsapa fa fakofako avokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin’ny haren’ny lanitra (1Kôr 4,8-14).

Ndeha ary hiezaka hanamafy izany faniriana ny lanitra izany, araka ny hafatr’i Md François de Sales ankalazaintsika ny 24 janoary: « na inona na inona fiantsoana niantsoana antsika eo anivon’ny fiaraha-monina, afaka manamasin-tena mandrakariva isika, na tsy mitovy aza ny zavatra takìna amin’izany fanamasinan-tena izany.« 

Aoka isika ho toa an’i Kristy: tsy hifidy olona hohasoavina!

Ankalazain’ny Fiangonana anio ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra nanova an’i Saoly, ilay nirìn’Andriamanitra ho Paoly, nanao ny tenany ho bitika mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”: noraisin’ity Apôstôly ity ara-bakiteny izany iraka izany satria raha ny kajikajy nataon’ny mpahay jeôgrafia dia maherin’ny 1000 kilometatra ny lalana vitan’i Paoly amin’ny dia (voyage apôstôlika) iray izay nataony in-telo farafahakeliny. Azo vakiana izay nosoratany ho an’ny Kôrintianina (2 Kor 11,18-30).

Izay mahatsapa ka babon’ny fitiavan’Andriamanitra ihany no afaka hitory izany amin’ny hafa. Isika tsirairay avy dia efa mba samy nanenjika “izay hita fa manaraka ny lalana”, na manoro lalana. Ao ny zanaka miteny ratsy (mimenomenona) amin’ny ray aman-dreny, ny beazina amin’ny mpanabe, ary indraindray aza ny feon’ny fieritreretantsika no ezahantsika totofana mba tsy hitabataba ka hahafahana manao izay mahafinaritra sy mahafalifaly ny fo. Ny fandraisantsika ny hazavana, ny fihainoantsika ny feon’ilay tsy sasa-miantso antsika no hahafahantsika mampisokatra ny maso ka hahita ny lalan-kombana. Mety hila ny fitantanan’ny hafa isika, mety hila ny fitsaboan’i Anania, asan’Andriamanitra avokoa ireny. Fa ny fahasitranana feno dia hamarinin’ny fahatsapantsika fa tsy ny herintsika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no manavotra sy mandavorary ny fiainana: “Tonga tety an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy” (1Tm 1,15).

Ny fitokisana amin’izany herin’Andriamanitra izany no hahafahantsika matoky ny fampanantenan’i Kristy henontsika ao amin’ny Evanjely: handroaka demony amin’ny anarany, amin’ny fitoriana ny Teniny (Jereo zoma faharoa); amin’ny fiteny tsy mbola hainy no hanambarany fa fitiavana Andriamanitra; handray menarana (Sal 91,13), handresy ny ratsy satria tsy hanam-pahefana amin’ny hazavana ny herin’ny maizina; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny: Izay mino hoy i Jesoa dia hanao zavatra lehibebe kokoa noho ny nataony satria miakatra any amin’ny Ray Izy ary mandefa ny Fanahy ho antsika (Jo 14,12).

Ny fankalazana ny nibebahan’i Md Paoly anie hahatsiarovantsika ny fibebahantsika tsirairay avy ka hahaizantsika mitantara ny lalana nitarihan’Andriamanitra antsika ho tonga amin’ny finoana ka haharetantsika amin’izany.

Ny 30 Septambra 2019 koa, tamin’ny fahatsiarovana ny faha-1600° taonan’ny nahafatesan’i Md Jerôme moa no nanoratan’i Papa François ny Taratasy “APERUIT ILLIS”, izay nanokanany ny alahady faha-telo mandavan-taona ho “Alahadin’ny Tenin’Andriamanitra”: “dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina” (Lk 24,45).

Tsara, hoy ny Papa raha toa ka tsy very an-javony eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifampikasohana amin’ny Teny Velona izay ambaran’Andriamanitra tsy tapaka amin’ny silaky ny ainy (vady) mba hahafahany mitombo ao amin’ny fitiavana sy ao amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana marina. Izany no nanokanana ny alahady fahatelo mandavan-taona ho alahady atokana mba hankalazana, handinihana ary hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fifanandrifian’izany fankalazana izany amin’ny famaranana ny herinandro natokana hivavahana ho an’ny firaisan’ny kristianina, hoy ihany ny Papa, dia mampahatsiaro antsika fa ny Soratra Masina dia manampy an’izay mihaino azy marina tokoa mba hanorina firaisam-pinoana marina sy maharitra. Ny Tenin’Andriamanitra no mampiray ny Mpino ary mahatonga azy ho vahoaka tokana.

Ny Baiboly manontolo, amin’ny maha Soratra Masina azy, dia miteny momba an’i Kristy ary manambara Azy ho ilay tsy maintsy “hiaritra fijaliana be mba hidirany any amin’ny voninahitra” (Lk 24,26). Tsy ampahany fa ny Soratra Masina manontolo no mitory an’i Kristy, ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona dia tsy misy heviny, raha tsy amin’ny alalan’ny Soratra Masina (…) ary avy amin’ny alalan’ny fihainoana ny Soratra Masina ny finoana, ka tokony hanana ny anjara toerana sahaza azy ny fihainoana ny Soratra Masina na amin’ny Fankalazana Litorjika na amin’ny vavaka sy ny fandinihana masina ataon’ny tsirairay.

Tsy hoe fankalazana indray maka isan-taona anefa no atao anio, hoy ny Papa, fa fankalazana indray mandeha kosa haharitra mandritra ny Taona manontolo, hahatonga ny fiainantsika ho fandraisana sy finoana ny Teny, toy ny nataon’i Masina Maria. Tsy misy mahantra sambatra noho ny fahantrany, fa kosa sambatra noho ny finoany ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra.

Ity alahady atokana ho an’ny Tenin’Andriamanitra ity anie hampitombo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fitiavana lalina sy maharitra ny Soratra Masina, ka hahatsiarovantsika ny fampianaran’ny Mpanoratra Masina milaza fa “eo akaiky indrindra ny Teny, dia eo am-bavanao izy sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy” (Dt 30,14).

Andriamanitra ipoiran’ny fahazavana lanao, ry Ray Masina, ary te-hahatonga anay ao amin’ny mazava; koa nirahinao i Jesoa Zanakao ho fahazavana hanilo ny firenena sy ny lafivalon’ny tany. Koa enga anie ny Fanahinao Masina hitari-dalana anay ho tonga eo amin’ny fahazavana, ary hanampy anay koa ho fahazavana hahatarika ny mpiara-belona aminay ho sambatra manome voninahitra Anao (Vavaka fangatahana 3A). Amen.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
28 janoary: Mb AGNESMPIARO VOALOHANY NY FIKAMBANANA TRINITERA
PREVIOUS
Zomà faharoa mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.