Trinitera Malagasy
Alahady faha-29 Taona A Mandavan-taona

Alahady faha-29 Taona A Mandavan-taona

Njara Pascal

ANDRON’NY MANERANTANY FAHA-100 HIVAVAHANA HO AN’NY MISIONA (18 Oktobra 2026)

  • Izaia 45,1.4-6
  • Salamo 95
  • 1Tesalônisianina 1,1-5b
  • Md Matio 22,15-21

Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra

Voaantso ho amin’ny Fanasan’ny Tompo isika ka miezaka ny hitondra ny akanjo mendrika izany amin’ny fitondran-tena araka ny Evanjely (Alahady 28 A). Ny vakiteny faharoa dia mampiditra antsika amin’ny famakiana ny taratasy faharoan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Tesalonisianina (1Tes moa no vakiana mandrapahatongan’ny Fetin’i Kristy Mpanjaka, ny alahady 29A ka hatramin’ny 33° izany) ary efa manomana koa ny famaranana ny vanim-potoana litorjika isika. Io Taratasy io dia mirakitra ny fanazavan’i Md Paoly ny amin’ny Parousie, ny fiavian’ny Tompo (Fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny), mba hiomanantsika amin’izany fa indrindra mba “tsy hampalahelo antsika tahaka ny olona tsy manam-panantenana”, manoloana ny fahafatesana (1Tes 4,13-18). Tsy misy mahafantatra izany andro sy fotoana izany manko ka izany no hiomanantsika, tsy hatoritory fa hivavaka sy hifady hanina, hitafy ny finoana ho fiarovan-tratra (1Tes 5).

Atao ahoana anefa no hiaro hadio ilay “akanjo fotsin’ny fampakarana” eo anivon’ny tontolo tsy maintsy hikatrohan’ny kristianina, indrindra moa raha toa ka ny zava-misy takian’ny fivelomana, ny lalàna apetraky ny fahefa-mahefa eo amin’ny tany sy ny fanjakana indraindray manery an-kolaka hisafidy fomba amam-panao tsy mifandraika amin’ny maha-kristianina ! 

Rehefa tonga tany Kôrinto i Timôte sy Silà (Σιλουανός – Silouanos) hoy i Lioka, dia nahery nitory teny i Paoly (Asa 18,5). Ny antony dia satria fahadisoam-panantenana no nialany tany Tesalônika (Asa 17,1snm), fa ny fitantaran’ireto mpiara-miasa aminy kosa ny fivoaran’ny finoana sy ny Evanjely no nahatonga an’i Paoly hanoratra ho azy ireo. Io no taratasy voasoratra voalohany ao amin’ny Testamenta vaovao, manodidina ny taona 51. 

Ao amin’ny fanombohan’io Taratasy, nosoratany miaraka amin’i Silà sy Timôte, henontsika tamin’ny Vakiteny I no amintinan’i Paoly ny votoatin’ny fiainana kristianina. 

Efa miha-mazava ny Misterin’ny Trinite Masina, dia ny fiombonan’ireo Olona telo tiany hozaraina amin’ny mpino mba hiombonany hafaliana sy hasambarana (Jo 17,11) : ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo ny Eglizy ary feno ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ny Ray iombonana sy i Jesoa Tompo, ary ao amin’ny fisaorana (Eokaristia) sy fifampitondrana am-bavaka kosa no iombonan’ny mpino noho ny herin’ny Fanahy Masina.

Eo ihany koa ireo antsoina hoe Hatsaram-panahy Teologaly (KFK 1812-1829) izay faritan’i Md Paoly toy izao :  Ny asa (ἔργον – ergon) no anamarinana ny finoana marina (πίστις – pistis), ny fahafoizan-tena (κόπος – kopos, asa mihatra aman’aina) no anamafisana ny fitiavana (ἀγάπη – agapè) ary ny faharetana (ὑπομονή – hypomonè, tsy fialana amin’ny tanjona) no hikolokoloana ny fanantenana (ἐλπίς – elpis, fiandrasana an-kafaliana ny famonjena) an’i Jesoa Kristy. Ny fahitana ny fivelaran’ny finoana dia mampisaotra an’Andriamanitra izay nifidy, ka tsy hahafahana mihambo ho nahavita fa hahatsapa mandrakariva ny asan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahy Masina ary ny fampiekena tanteraka, na ny faharesen-dahatra tanteraka (πληροφορία – plèrophoria). Izay mahazo hery (δύναμις – dynamis) avy amin’ny Tompo no afaka miasa, izay tsilovin’ny Fanahy Masina no hahafoy tena, ary izay resy lahatra fa tsy misy lalan-kafa tsara noho ny Evanjely hahafahana manorina fiaraha-monina lavorary no haharitra hatramin’ny farany. 

Tsy mahagaga àry raha ny famaritana ny fanomezan’ny Fanahy Masina sy ny vokany eo amin’ny fiainantsika no anohizan’ny Katesizy ny fampianarany aorian’ny filazana momba ny hatsaram-panahy satria ireo Fanomezana ireo no manohana ny fitondran-tena tsara ataon’ny kristianina (KFK 1830). Izany dia hahatsiarovan’izay mitory fa fitaovana ihany izy fa ny Fanahy Masina no mandavorary ny asa fitoriana.  

Olom-boafidy isika hoy i Md Paoly, ary mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny maheno izany (2Tes 1,1-5), izy rahateo no nampirisika ny Tesalonisiana mba hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra (1Tes 5,18). Tsy zavatra natao hihamboana anefa izany maha-olon’Andriamanitra izany. Manaporofo izany ny vakiteny I (Iz 45,1-6) dia ny nifidianan’i YHWH an’i Sirosa (כּוֹרֶשׁ  – Kôresa, faratampon’ny tanjaka) mba hanangana an’i Jerosalema sy ny Tempoly. Henatra ho an’i Israely ny fifidianan’i YHWH ny Mpanjakan’i Persa, ka iantsoan’i Izaia azy ho “ilay voahosotry ny Tompo”, mitovy fenitra amin’i Davida : ilay Messia (Kristy, jereo Iz 61,1: ilay voahosotry ny Tompo, manambara an’i Kristy). Manaporofo ny maha-YHWH (ilay misy) an’Andriamanitra izany, ka tsy ny fizahozahoana amin’ny anaram-boninahitra (maha kristianina na maha-mpitondra fiangonana na anaram-boninahitra hafa) no inona, fa ny fikatsahana ny rariny sy ny hitsiny, sy ny fizorana amin-kitsim-po.

Ny fifidianan’Andriamanitra araka izany dia hanohizany ny asany mandrakariva, ary ambaran’ny Vakiteny I fa tsy ao amin’ireo mihevitra ho mahalala Azy tsy akory no hifidianan’Andriamanitra ny olom-boahosony fa noho ny fitiavany tsy mivadika mandrakizay, efa nasehony tamin’i Jakôba, mpanompony, sy Israely nofidiany. I Jakôba ihany moa no Israely, Ya`ăqobh = nihazom-boditongotry ny rahalahiny (Jen 25,26) izay tian-dreniny (v. 28) ary Yisrā’ēl = niady tamin’Andriamanitra… ilay anarana vaovao (Jen 32,28) ilay anarana vaovao tao Panoela (miatrika an’Andriamanitra = mivavaka), ka ny fanomezany anarana vaovao, araka izany no mariky ny safidy ataony amintsika, anarana vaovao izay hotononin’ny vavan’ny Tompo (Iz 62,2), anarana tsy hisy hahafantatra afa-tsy izay tolorana azy ihany (Ap 2,17). 

Izay mandresy no mitondra ny anaran’Andriamanitra (Ap 3,12) satria nahatandrina ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny andro fitsapana (soratra ho an’ny Eglizy tany Filadelfia =fitiavan-dRahalahy). Sarotra ho an’ny Jody lasan-ko babo efa ho telopolo taona mahery any Babilôna anefa ny hahazo ny tenin’i Izaia fa Mpanjaka avy any Iran (Persa, fahizany) no voahosotra hampahafantatra amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fandresena sy ny heriny, fa tsy misy Andriamanitra sy Tompo hafa afa-tsy YHWH. Ambaran’i Izaia mazava amin’izany fa na ny Mpanjaka lehibe tahaka an-dry Sirosy aza dia eo am-pelatanan’Andriamanitra. 

Mampandinika antsika ihany ny fandinihana izany vakiteny izany, satria izay mety ho fahombiazana, izay mety ho soa ataon’ny olona, eny fa na dia tsy iray finoana amintsika, tsy mitovy kolontsaina sy firehena amintsika aza izy, dia mety ho fitaovana entin’Andriamanitra hanomezana fahafahana sy fiadanana ho an’ny vahoakany. Isika moa mamaky ny tantara dia afaka milaza fa marina ny faminanian’i Izaia, satria ny taona 539 a.C dia azon’i Sirosy (Kôresa) i Babilôna ary herintaona taorian’izay dia namoaka didy ny hiverenan’ny babo any an-tanindrazana izy, ary niantoka ny lany rehetra amin’ny fanorenana indray ny tanàna sy ny Tempoly noravan’i Nabokodonozora (נְבוּכַדְנֶאצַּר, – Nebhoukadhne’tsar = hiaro ny fehiloha anie i Nebo). Tsy mora anefa ny mahazo izay nolazainy amin’ny faminaniany.  

Izay fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra izany no ambaran’i Izaia, ary tsy hizahana tavan’olona izany. Isika tsirairay avy dia nahazo fahasoavana avy amin’Izy Tompo, ka izay nahazo be no ho takiana be koa (Lk 12,48), indrindra amin’ny fisaorana an’Andriamanitra sy ny fiekena ny fisiany, fa tsy sanatria “ny tanimanga indray no haneso ny mpamolavola hoe : inona ity ataonao, tsy tanana kinga ny anao !” (Iz 45,9). 

Ny Sal 95 (96) moa dia manampy antsika hiaina ny fanantenana fa Andriamanitry ny tany tontolo ny Andriamanitsika. Ny Firenena rehetra no asainy handray anjara amin’ny fanasany (Vak I Alahady XXVIIIA), ka antsoin’ny Salamo mba hihira hira vao. Ny voninahitra sy ny asan’Andriamanitra no asain’ny Salamo tantaraina amin’ny vahoaka, ary izany no hamafisin’i Md Piera fa voaantso koa isika hitory ny hatsaran’ilay Andriamanitra niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (1P 2,9). Indraindray anefa ny asa sy ny filan-deran’ny olona no andaniana andro sy himatimatesana. Mila mandini-tena isika hoe : inona tamin’ny teny nolazain’ny vavantsika androany no fitantaràna ny asan’Andriamanitra. “Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery, omeo ny Tompo ny voninahitry ny anarany” (Sal 95). 

Izany fametrahana an’Andriamanitra amin’ny toerana tokony hisy azy izany no hamafisin’i Jesoa amin’ny mba tsy hanafintohinana ny olona eo am-panatanterahana ny lalàna : “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22,15-21). Tsy nilaza mihitsy i Jesoa fa tsy tokony handoa hetra, na dia izany aza no niampangana Azy (Lk 23,2) ; “sao manafintohina ny olona” hoy Izy tamin’i Piera dia aloavy ny hetra ho ahy sy ho anao (Mt 17,27).

Rehefa tsy nahita havaly ary tsy te hiova amin’ny famaliana ny antso ho amin’ny fibebahana ka handray anjara amin’ny hafaliana ao amin’ny fanasana ataon’i Jesoa ho azy ny farisianina, dia ny Mpianany sy ny Herôdianina no nalefany hanontany an’i Jesoa raha toa ka tokony hatao ny mandoa hetra amin’i Sezara na tsia (Mt 22,15-22). Mpihatsaravelatsihy. Sady tsy sahy intsony izy ireo no mampidi-kizo ny hafa hiray teti-dratsy aminy. Iretsy iraka koa, mampiditra amin’ny fanasohasoana fa “marina i Jesoa ary mampianatra ny lalànan’Andriamanitra araka ny marina”. 

I Jesoa no ilay Zanaka lahitokana nirahin’Andriamanitra mba hampahatsiaro amin’ny vahoakany fa hafaliana ho Azy ny fandraisana vokatra avy amin’ny tanim-boalobony. Mety ho Mesia araka ny pôlitika no nandrasan’i Israely, saingy Mesia araka ny nampanantenainy kosa no nomen’Andriamanitra. Noho izany, fandrika mifanaraka amin’ny fomba fisainana sy ny firehan-kevitra tadiavin’ny vahoaka no apetraka : mety ve sa tsia ny mandoa hetra?

Ny hoe mandoa hetra moa  dia karazanafanisam-bahoaka ihany, ary hetra isan’olona sy ara-pananana no aloha. Ny fandoavana izany dia midika ho fiekena ny maha-mpanapaka ny Rômanina. Noheverin’ny zelôty ho fanompon-tsampy izany ka nanaovany fanoherana mitam-piadiana, satria Andriamanitra irery no Tompo. Ny Farisianina kosa dia nanaiky izany, mandra-pahatongan’ny fanavotana farany hotanterahin’ny Mesia, izay azo amin’ny alalan’ny vavaka. Ny Herôdianina kosa dia tsy nametraka olana ny amin’izany, eny fa na dia somary narahin-dromoromo aza ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Rôma (S. Fausti). 

Raha tsy mety, dia hahafaly ny vahoaka efa leon’ny fanjanahana ny valin-teny, saingy azo ampangaina ho naman’ny Rômanina mpanjana-tany kosa i Jesoa, raha lazainy ho mety kosa, dia vao mainka tsara, satria ny tahotra ny vahoaka no tsy nisamborany Azy (Mt 21,46). 

Ny valintenin’i Jesoa anefa tsy hoe hafetsena hialana amin’ny fandrika fotsiny ihany fa mampianatra antsika ny fomba fiainana araka ny fahendren’olombelona sy ny fahendren’Andriamanitra. Io moa no foto-kevitra hijoroan’ny Konsily Vatikana II, izay lazaina amin’ny teny frantsay hoe “double fidelité : à l’homme et à Dieu”. I Sezara sy ireo izay nahazo fahefana hanjaka no mandamina ny tany sy ny fanjakana ka tokony ekena ny drafitra apetrany, raha toa ka tsy mbola fanerena hanao ratsy izany, “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” (Mt 17,16, azo jerena koa ny Rm 13,1-7; 1P 2,13snm). Tsy tokony hafangaro anefa ny antony handoavana hetra sy ny fomba hitantanan’ny sasany izany noho ny fahotana : ny fahalovana sy ny fitiavan-tena. Tsy azo atao ny manamarina ny herisetra na ny fanjakazakana izay mety ho fiheverana hamongotra ny ratsy amin’ny hery sy ny fahaizan’olombelona mandamina ihany, hanimba zavatra ihany izany, ary ny tantara dia efa mampianatra antsika zavatra betsaka momba izany. Tsy midika ho fanarahan-driandrano anefa izany fa fahavononana na ny marimarina kokoa fivononana hanohitra raha sanatria ny ratsy sy ny tsy rariny hamono ny madinika sy ny daholobe no heverin’ny mpanjakazaka hampanjakàina. Izany moa no antsoina hoe “objection de conscience”. 

Noho izany, raha sarin’i Sezara no ao amin’ny denie nasehon’izy ireo, dia tokony hanaraka ny lalàna napetrak’i Sezara izy ireo. Fantatry ny Jody rahateo ny hevitry ny sary mipetraka amin’ny zavatra iray (צֶלֶם  – tselem), miampy ny anarana ihany koa, ary nanaovany lalàna ny tsy hampidirana ny volan’ny Rômanina tao amin’ny Tempoly, ka sady hahazoana tombony ihany, no entina hampahatsiarovana ny olona fa tsy tokony hisy zavatra hafa homem-boninahitra afa-tsy Andriamanitra sy ny Anarany Masina, ao amin’ny Tempoly. 

Dia izay no zava-dehibe kokoa, ho an’i Jesoa. Miverina amin’ny asa nanirahana Azy Izy, dia ny hampahatsiaro an’ireo nanankinana ny tanim-boaloboka, ireo naniraka ny mpianany sy ny Erodianina, fa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ho an’ny Jody dia tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia nohariana mba hitovy endrika amin’Andriamanitra (צֶלֶם  – tselem), ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa voaantso handoha ny vokatry ny fitiavana, hetra tokony aloha amin’ny fanarahana ny Lalànany, ka izay no hahafahana kosa hanahaka Azy (דְּמוּת – demouth), ho zanaka mpandova miombona amin’ilay Zanany tokana, ilay nampiseho ny famirapiratan’ilay Endrik’Andriamanitra nahariany antsika (Jen 1,27). 

Ny fandoavana izay an’i Sezara dia tsy fatiantoka velively ho an’izay mahatsapa fa ny fahantrana no hahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Mt 5,3/Lk 6,20) ary ny fandraisana anjara amin’ny fampandehanan-draharaha eo amin’ny fiaraha-monina dia adidy masina ;  ny fanomezana an’Andriamanitra izay Azy kosa dia manova ny fiainana manontolo, na ho an’ny tena manokana na amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, fa indrindra amin’ny fiezahana manoratra izay tiantsika mba hovakian’ny olona momba ny fiainantsika sy izay hambaran’ny Raintsika rehefa handray antsika eo am-pelatanany Izy indray andro. Ho an’i Jesoa : “Jesoa Kristy Mpanjakan’ny Jody” no nosoratan’i Pilaty, ilay Kapiteny kosa nanamafy ny tenin’ny Ray, fa “tena zanak’Andriamanitra tokoa” ilay nihantona teo amin’ny Hazofijaliana. 

Tsy dia ny henatr’olona sy ny mba ho hitan’ny mpiara-belona ihany anefa no hevitr’izany. Ambaran’i Jesoa mazava fa “zanaka” Izy, Andriamanitra, ary tsy izy no tokony handoa hetra fa isika. Ny hetra andraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina dia adidy masina, na dia mazàna aza no hararaotin’ny maty eritreritra ny fahalalaham-pon’ny maro hanodikondinana ny volam-bahoaka. Adidintsika kristianina ny mitondra izany am-bavaka, ary isika tsirairay avy no miezaka hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany, mba tsy ho zary fitaovana hitakiana hetra sy atao antom-pivelomana Andriamanitra sanatria !

Ny Farisianina, antoko mpiaro ny lalàna (Môizy) sy ny fanatanterahana azy ! Mety ho fitadiava-pivelomana sy tombontsoa manokana ihany anefa izany, satria ho azy ireo tsy mampaninona ny fanjakazakan’i Sezara (vahiny) rehefa mandeha tsara ny tantana sy ny varotra ao an-tempoly ; ny Zelôta kosa niandry ny mesia, hanafaka an’i Israely eo an-tanan’ny hafa firenena !

Nohariana hitovy endrika amin’Andriamanitra isika (Jen 1,26-27), hiezahantsika isan’andro ny mampiseho izany endrik’Andriamanitra izany na amin’ny toe-piainantsika na eo amin’ny hafa ka hifanampy mba homena an’Andriamanitra tokoa izay misy ny sariny, ary hitondra tena ho an’i Kristy izay mitondra ny anarany ! Sady olombelona vita amin’ny tany anefa isika no nohamasinin’ny Fanahy, koa angatahontsika amin’Andriamanitra ary mba “hambinina amin’ny zava-mandalo isika, no hahay hankafy ny soa mandrakizay” (Vavaka aorian’ny kômonio), hiasa, hahafoy tena ary haharitra ao amin’ny Fahasoavan’ny Trinite Masina.

Ry Andriamanitra Ray fototry ny fahefana rehetra ô, nataonao vatana sy fanahy izahay olombelona, ka nataonao manana adidy amin’ireo mpiandraiki-draharaha eto an-tany, sady manana adidy aminao ambony indrindra koa ka ny azy ireo sekelehina, ny Anao lolohavina. I Kristy Zanakao Tomponay koa nanao hoe : « Avereno amin’i Sezara izay an’i Sezara, ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra ». Koa enga anie ny Fanahinao hampianatra anay hahay hampirindra ny adidy samihafa, ka tsy hanaiky an’izay mifanohitra amin’ny didinao, fa hanaraka ny sitraponao mandrakariva. Ary enga anie izahay hitombo herim-po sy fahamasinana, ary hanaiky hoentanin’ny Fanahinao hatrany, tsy ho resin’ny fakam-panahy isan-karazany : ka hahatohitra an’i Satàna sy ny asany rehetra, ary ho afaka manompo anao amin’ny fonay tontolo, ety an-tany tahaka ny any an-danitra (Vavaka Alahady 29A). Amen. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
23 ôktôbra : 
PREVIOUS
ALAHADY FAHA-28 TAONA A MANDAVAN-TAONA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 09 nôvambra :
  • ALAHADY FAHA-32 MANDAVAN-TAONA TAONA A
  • Alahady 01 novambra
  • ALAHADY FAHA-30 MANDAVAN-TAONA TAONA A
  • 23 ôktôbra : 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    novembre 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Oct    

    Archives

    Articles récents

    • 09 nôvambra : 8 novembre 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.