Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA-29 MANDAVAN-TAONA TAONA D

ALAHADY FAHA-29 MANDAVAN-TAONA TAONA D

Njara Pascal
  • Eksaody 17,8-13
  • Salamo 120
  • 2 Tim 3,14–4,2
  • Md Lioka 18,1-8

Mahareta amin’ny fitahirizana ny soa omen’Andriamanitra antsika maimaim-poana.

Ny Vakiteny I dia mampahatsiaro ny “ady ataon’ny Tompo amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby” satria naninji-tanana hanohitra ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo (Eks 17,16). Ny Amalesita moa, dia ny taranak’i Amaleka, Zanak’i Eliafaza avy amin’i Timà, zafikelin’i Esaò (izay matetika antsoina hoe Edôma), rahalahin’i Jakôba, ilay niady ny fizokiana taminy, izay niorim-ponenana tamin’ny faritra atsimon’i Kanaana. Voalaza fa tao Refidima no nanafihany ny Israelita nivoaka avy any Ejipta, izany hoe tamin’ilay nitsotsòtra (rāfadh) niala sasatra iny izy ireo. Famelezana tampoka araka izany. Ampahatsiahivin’ny Dt 25,17-19 moa izany.

Mialoha io fitantarana io anefa dia resahin’ny mpanoratra ny hamafisan-dohan’ny Israelita izay naka fanahy an’Andriamanitra tao Masà sy Meribà, ary efa noresahantsika niaraka tamin’ny Salamo 94 tamin’ny Alahady 27 D izany.

Mbola hiverenantsika izany rehefa avy eo fa handeha aloha hojerena ny halalin’ny hafatra navelan’i Md Paoly ho an’i Timôte sy ny Eglizin’i Efezy ary ho antsika koa izay mamaky ny Taratasy ankehitriny.

Avy nampahatsiahy an’i Timôte i Paoly fa izay te hiaina araka an’Andriamanitra (εὐσεβῶς – eusebōs) dia hoenjehina (2Tim 3,12). Izahay trinitera moa mandritra ny herinandro hiomananay amin’ny fankalazana an’i Kristy Mpanavotra (23 Oktobra) dia mivavaka manokana ho an’ireo izay miaritra fanenjehana noho ny finoana, ary mivavaka mba ho an’ny fahafahana malalaka mivavaka sy maneho ny finoana (liberté religieuse). Mampatahotra koa anefa ny lazain’i Paoly fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia handroso miharatsy hatrany, sady mamitaka ny hafa no voafitaka (and. 13).

Manoloana izany toe-javatra izany no ampahatsiarovany indray an’i Timôte ny soa azo avy amin’ny fahalalana ny Soratra Masina hatry ny fony kely, Soratra Masina izay manana hery hampita ny fahendrena izay mitondra amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.

 Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra, dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba ho lavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.

Izao no angatahiko aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: Mitoria (κηρύσσω – keryssō, être un héraut) ny teny, ary mahareta amin’izany (ἐφίστημι – ephistèmi),izany hoe aoka ho eo foana, araka ny hafatry ny Papa ho an’ny andro hivavahana ho an’ny misiôna 2022 hoe tsy hanatontosa iraka fotsiny fa hivelona ny fanirahana eo amin’izao tontolo izao)na amin’ny fotoana (εὐκαίρως – eukairōs, fotoana tsara) na tsy amin’ny fotoana (ἀκαίρōς, hors saison): Loza raha tsy mitory ny Evanjely (1Kôr 9,16), manitsia (ἐλέγχω – elenchō), mananara (ἐπιτιμάω – epitimaō, izany hoe fananarana mikendry ny soa sy atao am-panajana), mampirisiha (παρακαλέω – parakaleō), amim-pandeferana (μακροθυμία – makrothymia) sy amim-pahaizana (διδαχή – didachè) mandrakariva.

Ny tohin’ny taratasy dia mampiditra antsika amin’ny zava-misy ametrahan’ny Evanjely fanontaniana. Ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana marina intsony, hoy i Md Paoly, fa mpampianatra araka ny hiriany no hovoriany sy hahalian-tsofina azy, ka hanentsi-tadiny amin’ny marina izy ireo fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana (2Tim 4,3-4).

Manoloana ny fahafahan’ny ratsy fanahy mikiribiby amin’ny haratsiany sy ho afaka hampijaly ny olo-marina sy ny tsy manan-tsiny, dia toa mihozongozona ihany ny finoantsika, ary tsy vitsy ny olona no kivy ka manary toky ary mivarilavo amin’ny lalana mamitaka ihany koa.

Tsy azo adinoina fa anisan’ny sedra mafy indrindra amin’ny fiainam-pinoana ny fahanginan’Andriamanitra, ary sarotra ho an’izay mbola tsy niaina azy ny hahatsapa izany. Ireo voasedra kosa ka mandresy dia miantsa lalandava ny Salamo 22, izay nolazain’i Md Marka koa fa nohirain’i Jesoa manoloana ny fahafatesany eo ambony hazofijaliana: Eloy, Eloy, lamà sabaktàny? (Mk 15,34).

“Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?”

Tsaroantsika ny tenin’i Jesoa tamin’ilay boka samaritanina nositraniny (Lk 17,19) hoe “Ny Finoanao no nahavonjy anao”, ny finoana hahazoana famonjena, finoana izay azo lazaina fa ilay fahaizana mankasitraka amin’ny soa noraisina, fankasitrahana ilay loharanom-pamonjena ka niverenan’ilay Samaritanina sitrana tamin’ny habokany mba hiankohoka amin’ilay tena Mpisorona marina. Na izany aza anefa, tsy tokony hianina amin’ny mana milatsaka avy any an-danitra isika, mila mitalaho ihany koa, mila mivavaka lalandava sy am-paharetana (Evanjely Lk 18,1-8).

Hoy ny Katesizin’ny Eglizy Katôlika: “Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha talohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina miaraka Aminy, dia mampianatra antsika fa tolona ny vavaka. Tolona amin’iza? Tolona amin’ny tenantsika ihany sy tolona amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy izay manao izao rehetra izao hampivily lalana ny olona tsy ho amin’ny fivavahana, tsy ho amin’ny firaisana amin’Andriamaniny. Tahaka ny fomba fiainana ihany no ivavahana, satria tahaka ny fomba fivavahana ihanyno iainana. Raha tsy tian’ny olona ny hanao izany matetika araka ny Fanahin’i Kristy, dia tsy ho afaka hivavaka velively amim-pahazarana amin’ny anarany koa izy. Tsy azo sarahina amin’ny tolom-bavaka ny “adim-panahy” amin’ny fiainam-baovao maha-kristianina” (KFK 2725).

Izany no tsy hisarahan’ny Vavak’i Môizy sy ny tolona natrehan’i Josoe, satria ady tokana no atrehina.

Tsy ny fahaizana mankasitraka ihany araka izany no maneho ny finoana fa ny fanetren-tena hitalaho ihany koa. Ny faharetana mangataka manko dia manambara ny tsy fananana toky hafa azo ianteherana intsony. Tsy midika ho fanaovana filan-tsy mahita an’Andriamanitra anefa izany, ka tsy hidodododo any Aminy raha tsy efa niala nenina tany an-kafa! Mazàna manko, ataon’ny olona ho Fitaovana Andriamanitra (Bouche-trou) ka rehefa afa-nenina ny fahefan’olombelona (fahaizana, vola aman-karena, fanompoan-tsampy …) vao mitodi-doha any amin’ilay Andriamanitra fiononana: tsy fitokiana izay fa fialana nenina! Fitokisana manko ny Finoana, nefa mety ho izay koa no lalana hitondran’Andriamanitra antsika any Aminy.

Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika. Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro fa asa na ahiahy maro tsy tambo isaina, heverina ho maika, no miseho ho laharam-pahamehana; avy eo indray, ny fisehon’ny fahamarinan’ny fo sy ny fitiavany ny zavatra nosafidiana. Mbetika isika mitodika any amin’ny Tompo ho fangataham-bonjy farany: nefa inoana ho izany marina ve? Mbetika isika mandray ny Tompo ho namana, nefa ny fo mbola ao anatin’ny hambo. Amin’ny toe-java-miseho rehetra anefa, ny tsy fahampian’ny finoantsika no manambara fa tsy mbola manana toe-po manetry tena isika: “Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5) [KFK 2732]. Raha vavaka plivava fa tsy miloatra avy ao am-po, hoy i Md Augustin, dia ho fandaniana andro fotsiny ihany.

Asain’ny Evanjely isika mba hivavaka lalandava sy am-paharetana. Ny teny ampiasain’i Md Lioka hilazana ny hoe « am-paharetana” izany moa dia ἐκκακέω (enkakeō), raha ny marina dia tsy hoe am-paharetana loatra fa hoe ny fitozoana mivavaka dia hitahiry ny fontsika lavitry ny ratsy (κακός– kakos) ka tsy hanova antsika ho mafy fo, hasiaka na hahavanon-doza mihitsy aza, satria hoe toa tsy henoina.

Tsy manery anefa fa miandry am-pitokiana ilay mason’ny mpivavaka lazain’ny Salamo miandra any an-tendrombohitra miandry vonjy amin’ny Tompony, maso vonton’ny finoana sy ny fitokisana, eo am-pamisavisana ny soa ataon’ny Tompo amin’ireo matoky azy : miambina lalandava amin’ny ratsy rehetra (Sal 120). 

Izany fitokisana izany no ambaran’ny Boky Eksaody ihany koa (Vakiteny I Eks 17,8-13): Taorian’ny fitsapana manoloana ny hanoanana ka nahazoana ny mana (Eks 16; mofo/vato), sy manoloana ny hetaheta ka nahazoana ny ranon’i Masà (מִסָּה – Missāh, fitsapana) sy Meriba (מְרִיבָה Merîbhāh, fikomiana) (Eks 17,1-7/soif de pouvoir), ilay tanan’i Môizy misandratra, manome fandresena ho an’ny Israelita nanohitra an’i Amaleka (עֲמָלֵק ‘Ămālēq, izay mitoetra amin’ny tany lemaka), dia manambara ny  tsy hitokisan’izy ireo amin’ny herin’ny sabatra na amin’ny fahaiza-miady fa amin’ny fanampian’Andriamanitra asehony amin’ny alalan’ny Mpanompony mivavaka (Eks 17,8-13/Andriamanitry ny aina).

Ahoana no anekena ny vavaka ataontsika sy “andairany”? (KFK 2734) Tsy Andriamanitra sanatria no moana na marenina fa miankina amintsika ihany ny fahazoana na tsia ny valin-dresaka ataony amintsika. Hoy ny Katesizy mampahatsiaro antsika:

“Aza malahelo ianao, raha tsy mahazo eo no ho eo izay angatahinao amin’ Andriamanitra; ny sitrany dia ny mbola hanao soa betsaka ho anao ao anatin’ny fitozoanao miara-mitoetra Aminy amin’ny vavaka (Evagre Pontique). Tiany raha sedraina amin’ny vavaka ny faniriantsika. Noho izany, mandrisika antsika handray izay efa nomaniny homena antsika Izy” (Md Augustin) (KFK 2737).

Raha ny fitalahoan’ilay mpitondratena manao lemozy, nataon’i Jesoa ho ohatra hotahafina moa no raisina, ilay mpitondratena nentin’i Md Lioka maneho ny Eglizy miatrika ny tsy rariny ataon’ny maty eritreritra, dia tsy azo adinoina fa ny rariny no angatahiny. Ny rariny, dia izay mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny sitrapon’Andriamanitra. Mila hahitsy mandrakariva, sao tsy ny sitrapon’Andriamanitra no katsahintsika sy tiantsika ho tanteraka ao amin’ny vavaka ataontsika, ka eo am-piandrasana ny fanatanterahan’Andriamanitra ny rariny omeny antsika, dia sao sanatria ho very ny finoantsika. Tsy azo adinoina ny fomba itondran’Andriamanitra ny zavaboary: famonjena no andrasana ka zaza no teraka. Saingy sambatra izay manandra-peo fa afaka mandeha am-piadanana mahita ny famonjena ao amin’io Zaza io, tahaka an’i Simeôna (Lk 2,29-32). Tononkira fanaon’ny Mpino amin’ny famaranana ny andro.

Ndeha hiverenantsika ny Vakiteny faharoa satria manentana antsika hiverina amin’ny maha-Eglizy dia ny fitoriana ny Evanjely hatrany amin’ny faravazantany, tsy araka ny nahim-po na ny fikirizantsika fa hanaiky hankaherezin’ny Fanahy Masina sy hanaiky hotarihiny, araka ny hafatry ny Papa ho an’ny andron’ny Misiôna 2022.

Vita Batemy voahiraka isika no mahatsiaro ny hafatr’i Md Paoly amin’i Timôte hoe: “Mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany” (Vakiteny II 2Tim 3,14–4,2). Adidintsika noho ny Batemy noraisintsika ny mitory ny tenin’Andriamanitra, tsy amin’ny vava loatra fa indrindra indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Ny teny manko manaitra fa ny atao no mahatarika! “Ny olona ankehitriny dia mihaino kokoa ny vavolombelona noho ireo mpampianatra, ary raha mihaino ny mpampianatra aza izy ireo dia noho izy ireo mijoro ho vavolombelona”, hoy i Md Paoly VI (Evangelii Nuntiandi, lah. 41).

Tsy afa-misaraka ny vavaka sy ny tolona, ary tsy afaka misaraka ny Vavaka sy ny asa fanirahana: i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely no mpiaro voalohany ny Misiôna, masera tsy niala tao amin’ny monasterany, nanaiky ho “fitiavana” eo anivon’ny Fiangonana ka nanolotra ny fiainany manontolo ho vavaka, ho hery sy tohana an’ny mpitori-teny, tahaka ilay tanan’i Môizy notohanan’i Aarôna sy Hora, entina hilazana fa na ny tolona na ny vavaka dia tsy asan’olon-drery fa traikefam-piombonana ho enti-mandrafitra ny vatana tokana miray amin’i Kristy Loha sy Filoha.

Ny hoe Aarôna moa dia midika “toerana ambony” (אַהֲרֹן ‘Ahăron, ambony toerana, mazàva) ary ny Hora “lavaka, zohy” (חוּר Ḥour). Izany dia mampahatsiaro ny tenin’ny Eveka iray, Don Tonino Bello nilaza hoe: “Ny fahafaham-po ho anay mpitoriteny dia ny fahatsapan’ny olona fa olombelona izahay” (L’elogio più bello che la gente può fare di noi è dire : è un prete umano” Raha ara-bakiteny: “Ny teny fanasohasoana tsara indrindra azon’ny olona atao aminay, dia ny hoe pretra tena olombelona io”) : ny maha-olombelona (hery sy kilema // Aarôna sy Hora) no nentin’i Môizy nivavaka, ary ny fahalemeny tsy nanafoana ny herin’ny fivavahany. Ilaina kosa anefa ny fanohanan’ny mpiara-monina mba haharetana amin’ny fivavahana, mba hisy tanana misandratra hahafahan’ny mpino miandrandra vonjy.

Ny Mpitoriteny, hoy i Md Augustin, dia tokony hahay hiresaka amin’Andriamanitra aloha, vao miresaka momba an’Andriamanitra, “orator sit orator, antequam dictor” – izay mpitory dia tokony ho mpivavaka voalohany indrindra (dikan’ny orator avokoa manko ny hoe mpitoriteny sy ny hoe mpivavaka). Samia àry mandinika ny fiainany, mandinika ny toerana omena an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana, fa handinika koa ny toerana nametrahan’Andriamanitra antsika ho vavolombelon’ny fitiavany, hahatonga ny Eglizy ho misiônera tanteraka, ka na amin’ny fanohanana am-bavaka, na amin’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny tolona, dia tsy hifanjàna na hifampialona (Fan 11,29) fa hiombon-kafaliana amin’ny fandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana.

Raha velomintsika sy kolokolointsika ao am-pontsika izany fitokisana ny herin’Andriamanitra izany dia ho zary Famonjena ho antsika ny fiavian’ny Zanak’olona, satria ny « Finoantsika no hamonjeny antsika ». Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy i Jesoa. “Rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana ety an-tany Izy?” Tsy ho sanatria ary ny fiainan’ny hafa no hamaliantsika izany fanontaniana izany. Raha hamaly an’i Jesoa isika, dia averiko apetraka mba ho azo ny fanontaniany: “raha miankina aminao, raha izany no zava-misy, vonona ny haharitra amin’ny finoana ve ianao mandrapaha-tongan’ny Zanak’olona?” Ny finoako no anontanian’i Jesoa, mbola hahita finoana ao amiko ve izy? Ary io finoana io ihany no azoko jerena sy fantarina raha misy na tsia. Ny ankoatr’izay tsy miankina amiko ka tsy azoko hanomezana valinteny akory.

Hanana finoana haharetana amin’ny soa anie isika na dia mety hitsòka mafy aza ny rivo-mahery mety hifanoherana amin’ny mpitsara tsy matahotra an’Andriamanitra.

Ry Andriamanitra manerana ny fotoana sy ny tany rehetra ô, hadisoanay ny miandry hosahirana mafy, tsy mahita hikofohana intsony, vao mitodika Aminao. Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny anton-javatra rehetra anefa no tokony hitodihana any Aminao Rainay: mba hidera Anao sy hisaotra Anao, ary mba hiantso vonjy Aminao sy hanolotra Anao ny ataonay rehetra, na mifoha na matory izahay, na miasa na mihinana, ary na an-kasoavana na an-karatsiana. Koa raiso ny haja atolotray Anao. Ary satria avy amin’ny Fanahinao Andriamanitra ny Soratra Masina nohenoinay; ary ny Tenan’ny Zanakao no natolony ho sakafo ivelomanay, koa anjaranay indray izao, noho ny fahasoavanao mitahy anay lalandava, ny mivonona amin’izay hatao amin’ny asa soa rehetra hitoriana ny Teninao (Vavaka alahady 29 taona D) sy hijoroanay ho vavolombelona mitahiry ny finoana mandra-piverin’i Jesoa Kristy hiantso anay ho any amin’izay toerana efa nomaniny hiarahanay ho sambatra mandrakizay miaraka Aminy.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALATSINAINY FAHA-29 MANDAVAN-TAONA
PREVIOUS
TALATA FAHA-28 MANDAVAN-TAONA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy voalohany mandavan-taona
  • Zoma voalohany mandavan-taona
  • Alakamisy voalohany mandavan-taona
  • Alarobia voalohany mandavan-taona
  • Talata voalohany mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy voalohany mandavan-taona 16 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.