ALAHADY FAHA-28 TAONA A MANDAVAN-TAONA
Izaia 25,6-10a
Salamo 22
Filipianina 4,12-14.19-20
Md Matio 22,1-14
Antsoin’ny Tompo hankeo amin’ny fanasany isika
Voairaka hiasa ho eny an-tanim-boaloboka isika. Tsy ny halavan’ny fotoana hiasana na ny fiaretana ny hafanana sy ny harerahana no inona, (alahady 25 A) fa ny fahaizana mamaly am-pitiavana izany antso izany. Tsy fisehoana ivelany ho mpanaiky ihany anefa, izay toy ny fanoharana ny amin’ny zanaka roalahy nasaina niasa (Evanjely 26 A : Mt 21,28-32), fa ny fahatsiarovan-tena amin’izay iraka nampanaovina, eny fa na dia hanome vokatra ara-potoana, hiambina ny tanim-boaloboka fotsiny ihany aza no asaina atao kanefa handà tsy hanao izany tahaka ireo mpamboly voaloboka mpamono olona izay tsy nisaina afa-tsy ny hibodo sy hangalatra ny tanim-boaloboka ankinina aminy (Evanjely 27 A : Mt 21,33-46) ary ny fanoharana fahatelo lazain’ny Evanjely anio (Mt 22,1-14), dia fanoharana ny amin’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady. Asaina tsy hiasa, tsy hiambina, fa hihinana isika, asaina hiombona amin’ny hafalian’ilay andriamanjaka manasa.
Rahefa miresaka fanasana isika dia mazava loatra fa tsy maintsy misy safidy izany. Ny hoe “Iza no hantsoina?” dia entina hisafidianana ireo olona heverintsika fa tsy afa-miala amintsika, ireo olona tiantsika hifampizarana ny hafaliana, fa indraindray koa anefa, olona mbola mety misy hilantsika azy, ka tsara ihany ny hanasana azy. Dia eo no hifanoroana hevitra hoe “Sao hadino ny manasa an’i…!”
Mazàna dia ny manan-kaja sy ny manan-katao no voalohan-disitra, ary efa voalazantsika teo ny mety ho anton’izany. Adino ary toa odiana tsy hita ny hafatr’i Kristy manao hoe : “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.” (Lk 14,12)
Na izany aza anefa, mba hanoharan’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fanasana azon’ny saintsika takarina dia nolazainy fa voaasa ho amin’ny Fanasan’ny Mpanjaka ireo mihevi-tena ho lohalisitra amin’ny fanasana, saingy noho ny avonavona dia niala tsiny ho manan-draharaha atao avokoa (Mt 22,1-14). Tsy ho voninahitry ny Mpanjaka mpanasa anefa ny famaliana ny fanasany fa ho reharehan’izay notsongoim-bolo ho any amin’ny fanjakany.
Ny vakiteny I dia mitantara ny fanasana amin’ny fifaliana sy ny firavoana amin’ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’ny fizarana atao hoe “apocalypse d’Isaïe” (toko 24-27) moa ity vakiteny ity. Boky fanambarana no hiafaran’ny tantara, izay tsy mampatahotra fa mampisaotra an’Andriamanitra, mampidera ny anarany satria zava-mahatalanjona, azo itokiana sy mafy orina, efa nokasainy hatry ny ela no tanterahiny (Iz 25,1). Ny tsy fahazoana izany fandaharam-pamonjen’Andriamanitra izany sy ny mety ho tsy fahazoana fa ny olon-drehetra tsy ankanavaka no asainy ho amin’izany fanasana izany dia mazava loatra fa manova ny toe-po amam-panahy enti-mamaly ny antsony.
Tsy olom-bitsy no voaasa fa ny firenen-drehetra, hoy i Izaia, voaantso ho amin’ny fiadanana ka tsy hisy intsony ny ady, tsy hisy ny fijaliana, tsy hisy henatra ho an’ny vahoaka satria hifanatrika amin’ilay “Andriamanitra niankinana mba ho voavonjy”. Tsy ny sakafo no hahafaly, araka izany, fa fanehoana ny hafaliana kosa ireny, ny fanasana ny hafa hiombon-databatra dia faniriana hizara aminy ny hafaliana. Indraindray mampalahelo fa zavatra hafa no tonga ao anatin’ny lohantsika, maheno ny vakiteny teo : fanasàna amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana. Tsy ireo tsy akory no maha-lehibe ny fanasana fa ny “fahalalana, ny fihaonana mivantana amin’ilay Andriamanitry ny famonjena”. Ny omby nafahy sy ny divay dia notahirizina efa ela, hiandrasana izay fety mendrika hihinanana sy hisotroana azy. Ireo izany dia nomanina ho amin’ny fety, ary izay olona efa nanandrana ny tena hafaliana dia mahalala tsara fa ny hafaliana tsy hahombiazana, eny fa na dia amin’ny fihinanana hanina aza.
Izany rehetra izany dia manampy antsika mba handinika mandrakariva izay antom-pifaliantsika, ny antony hihinanana hena matavy sy ny hisotroana divay ela niotrehana. Anisan’ny antom-pifaliana lazain’i Izaia ny hanafoanan’Andriamanitra ny fahafatesana mandrakizay, satria tsy ny maty fa ny velona no afaka hidera an’Andriamanitra (Iz 38,19), ka izay fahavelomana hahafahana midera Azy izay no anisan’ny antom-pifaliana. Maniry ny ho velona koa isika, fa vitsy no mametra-panontaniana amin’izay tena antony marina tokoa haniriany ny ho velona.
Ny Salamo 22 moa dia mbola manohy ny fiantsana izany fitiavan’Andriamanitra tahaka ny fitiavan’ny mpiandry ny ondriny ka entiny amin’ny vilo-maitso sy ny rano manala sasatra, tarihiny amin’ny lala-marina. Ny fiainana anefa dia tsy afaka ny tsy hisy sedra, eny fa hatramin’ny lohasahan’ny fahafatesana aza, saingy ny fitokisana amin’ny tehin’ilay mpiandry, na ny marimarina kokoa, ny fitokisana amin’ny fitiavany mahafoy ny aina ho an’ny ondry (Jo 10,11) no hahafahana mamakivaky izany tsy amin-tahotra.
Izay matoky ny herin’Andriamanitra no afaka hiteny tahaka an’i Paoly hoe : “Mahefa ny zavatra rehetra aho, miaraka amin’ilay mankahery ahy”, ary tsy mihontsona manoloana ny fiainana izay toy ny kodiaran-tsarety, ka hahay hiaina na ny manam-be na ny tsy manana. Ny fisaorany ny Filipianina amin’ny fanomezana nampanaterin’izy ireo ho azy tany am-ponja (tokotokony ho tamin’ny taona 50 tany Efezy), izay lazain’i Paoly fa “fiombonam-pahoriana aminy”, dia hahafahantsika mandray lesona koa. Ny Apôstôly, ireo manaiky hirahina hikarakara ny tanim-boaloboka, ireo irahina mba hiantso antsika handray anjara amin’ny fanasana, dia miaritra ny mafy rehetra ho antsika. Ny fanohanana azy ireny amin’izany asa izany, indrindra raha tojo fijaliana izy ireny, tahaka ny nataon’ny Filipiana amin’i Md Paoly, dia sady hafaliana no hery ho azy ireny. Tsy ho sanatria ho filan-dera anefa fa ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany no tokony hanaovana izany.
Raha iverenantsika ny fanasana ataon’Andriamanitra, hankalazany ny fao-dranomaso sy ny fandresena ny fahafatesana nolazain’ny Vakiteny I teo, dia manampy antsika hahazo ny fomba entina mamaly izany kosa ny Evanjely.
Ny fampakaram-badin’ny zanaka lahin’ny Mpanjaka no anasana antsika. Ny Fampakaram-bady moa dia nentina nilazana ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny Vahoakany, teo amin’i Israely. Eto dia ny Zanany no mpampitraka, ary azontsika amin’ny fampianaran’i Md Paoly, indrindra indrindra, fa ny Eglizy no ampiakarina, ary ny firenena rehetra no antsoina mba hiombona ao amin’ny Eglizy. Izany no maha-katôlika ny Fiangonana.
Fanoharana no ilazan’i Jesoa ny fanirian’ny Ray (tompon’ny tanimboaloboka sy Mpanjaka) mampiantso (καλέω- kaleō Eglizy) ny olona rehetra ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanany. Sambatra hoy isika izay voaantso amin’izany, isaka ny manandratra ny Hostia voavakin’ny pretra, ka mampiseho ilay Zanak’Ondry manala ny ota. Ny Fampakaram-bady moa no endrika kanto sady lalina indrindra entin’Andriamanitra maneho ny fifandraisany amin’ny olombelona (Os 2,16-25) : ny fitiavan’ny mpivady dia maneho ny fahafoizan-tena tanteraka hifanolorana haha-tena iray. Fony mbola mpanota isika, hoy i Md Paoly, no maty ho antsika i Kristy (Rm 5,6-11), nanandratra antsika ho vady, ho iray aina Aminy ary marika izany fa tia antsika Andriamanitra. Tsy ny rehetra anefa no manaiky handao ny zava-tsoa heveriny ho sarobidy (Mamôna) ka hanaiky handray an’i Jesoa ho “mpampiakatra”, hanaiky ho iray aina Aminy. Mampalahelo aza fa ny iraka miantso ho amin’ny fahasambarana indray no tevatevaina sy atao maty vono.
Ny fandavan’ireo nasaina dia nanjary fisokafan’ny fanasàna ho an’ny olona rehetra (asa saina nahazo an’i Paoly nanoratra ho an’ny Kristianina tany Rôma novakiana tamin’ny alahady XIXA sy XXA moa izany, nilazany fa ny fanariana ny Jody no fampihavanana an’izao tontolo izao, ary ny fandraisana azy dia ho fitsanganan-ko velona : Rm 9–11). Ny tapany voalohany amin’ny Evanjely dia milaza ny fandavana tsy handray anjara amin’ny fampankaram-bady. Ny tapany faharoa kosa milaza ny toe-po tokony hananana ho an’izay manaiky hamaly ny antso.
Misy fialan-tsiny telo lazain’i Matio : ny iray nandeha amin’ny sahany (ἀγρός- agros), nihevitra izay hamokarany, ny iray nankany amin’ny varony (ἐμπορία- emporia), nihevitra izay hahazoana tombony, ary ny sasany tsy manan-katao akory ka ireo iraka efa nalefan’ny mpanjaka fanindroany no nilany kisa. Tsy misy afaka hanompo tompo roa, dia Andriamanitra sy Mamôna. Ny tsirairay dia tompon-tsafidy malalaka amin’izay tiany hitondrana ny fiainany. Mampalahelo anefa raha toa ka hisafidy ny hiasa tany nefa efa misy miantso mba hihinana ny efa voakarakara ; mampalahelo koa raha hihevitra ny hivarotra sy hahazo tombony, nefa ny olona rehetra lasa namonjy ny fanasana daholo, iza no hividy ao ; ary vao mainka mampalahelo raha toa ka ny olona miantso anao amin’ny fahasambarana indray no tevatevaina sy vonoina.
Tezitra ny mpanjaka ! Na dia tamin’ny Mpianatry ny Tompo aza dia nisy nihevitra fa sazin’Andriamanitra ho an’ny tsy mpino ny zava-nitranga tao Jerosalema ny taona 70. Fantatsika anefa fa Andriamanitra “tsara fo amin’ny tsy mankasitraka sy ny ratsy fanahy” ny Andriamanitsika (Lk 6,35) ary “entin’Andriamanitra mahasoa izay tia Azy ny zava-drehetra” (Rm 8,28).
Tsara ho tadidiana araka izany fa ny fanenjehana tao Jerosalema no nahatonga ny Eglizy niely eran’i Samaria sy ny tany manodidina ka nahatongavan’ny Evanjely hatraty amintsika koa aza. Ny fandringanana sy ny fandoroana tanàna dia mety ho azo heverina fa nentin’i Matio milaza ny mikasika ny fandravan’ny Rômanina an’i Jerosalema ny taona 70, saingy ireo iraka (Apôstôly) kosa dia nasain’ny mpanjaka nankany amin’ny fihaonan-dalana, na ny marimarina kokoa hatrany amin’ny faran’ny lalana (διέξοδος- dieksodos), hatrany amin’ny faravazantany (Asa 1,8) mba hiantso ny olona hilomano (batemy) ao anatin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra (Mt 28,19sns), ka tahaka ny harato natsipy any anaty rano, nanangona (συνάγω- synagō) ny foko amam-pirenena rehetra na tsara na ratsy (Mt 13,47-48).
Inona moa no tsy mahamendrika ny nasaina?
Mazava ny hafatr’i Jesoa mikasika izany fahamendrehana izany. Tsy afaka hiombon’aina Aminy, ho mendrika Azy (ἄξιος- aksios) izay tsy tia Azy ambonin’ny zavatra rehetra, izay tsy tia Azy amin’ny fo manontolo (Dt 6,5snm). Izay te ho mendrika (ἄξιος- aksios) an’i Kristy, izany hoe : te hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely dia tsy maintsy handà ny tenany, hitondra ny hazofijaliany ary hanaraka Azy (Mt 16,24), izany hoe : manao ny “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט – mishpāṭ) handala ny fitiavana (חֶסֶד- ḥesedh)ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ) – tsānoua‘)” (Mi 6,8), ny fifandraisana amin’ny tena, amin’ny namana ary amin’Andriamanitra (Alahady XXIIA).
Ny olona rehetra no antsoina, na tsara na ratsy. Tsy ny hiantso ny marina fa ny mpanota mba hibebaka rahateo no nahatongavan’i Jesoa (Mt 9,13). Tsy ny hilomanosana ao anatin’ny fahazaran-dratsy sy ny fahotana anefa fa ny mba hibebahana ka hahafahana miombona amin’ny hafalian’ny fampakaram-bady. Marik’izany fiovam-po sy faniriana ho “masina tahaka ilay Ray any an-danitra” ilay “akanjon’ny fampakarana mila isalorana”.
Rehefa feno ihany ny trano fampakarana vao miditra hizaha ny mpihinana ny Mpanjaka. Tsy afaka ny hiditra ka hamono ny omby matavy manko Izy, hoy i Md Lioka raha mbola misy zanany iray tsy tafaverina eo, ary hivoaka kosa hiantso, raha mbola misy zanaka hafa tsy mety hiditra satria mialona ny fiverenan’ny rahalahiny (Lk 15). Tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fanjakany anefa izay tsy miaina ny maha-zanaka, izay tsy miaina ny firahalahiana sy ny fifankatiavana marina, izay tsy afaka ny hifaly amin’ny fiverenan’ny zandriny nania, ka izay tsy mitafy an’i Kristy Zanaka lahitokana, izany hoe tsy miaina araka ny sitrapon’ilay Ray maniraka mba hiasa any an-tanim-boaloboka, dia tsy afaka ny hijoro an-kafaliana eo anatrehany. Tsy afaka ny hanome tsiny Azy anefa isika satria ny akanjon’io Zanany io aza dia nafoiny ho an’ireo namono Azy (Mt 27,35).
Ny hahavonjy ny olona rehetra no sitrapon’Andriamanitra (1Tim 2,4). Tsy ho sanatria anie isika no hanary ny akanjo hoentintsika mandray anjara amin’ny fanasan’ilay Ray tia ny hampiombona antsika ho “Eglizy”, voaantso toy ny ampakarina mitsena an’i Kristy ilay Mpampiakatra.
“Ry sakaiza, nahoana ianao no miditra eto nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?”
Maimaim-poana ny fiantsoana, ny rehetra no antsoina ka nahoana indray àry no hilàna vaniny izay miditra ao? Tsara ho fantatra aloha fa tsy araka ny fombantsika ny fomba nahazatra tamin’izany. Ny antsika dia ilay voaantso no mivaky loha mitady sy misafidy izay akanjo hanaovana. Tamin’izany kosa dia ilay voaasa no tolorana ny akanjo ho entina mamonjy izany fety izany izy ka tsininy sy tsy fivakian-doha kosa raha toa ka tsy miakanjo araka ny tokony ho izy. Amin’ny litorjian’ny Batemy moa dia averina io fanolorana ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana io, ka ny fitahirizantsika ny “akanjo fotsy madio”, dia i Kristy no hahafantarana antsika ho zanaka ka afaka mandray anjara amin’ny fanasana sy hiara-mandova Aminy ny Fanjakana. I Kristy ihany moa no ambaran’io akanjo fotsy, atolotra ny kristianina amin’ny andron’ny Batemy io, ka hitafiany an’i Kristy (Ga 3,27) ary mila tahirizina hadio amin’ny fomba fitondran-tena. “Rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no homena ho fitafian’ny Ampakarina dia ny asa soan’ny olomasina izany”, hoy i Md Joany (Ap 19,8).
Izay tsy mitafy io akanjo io dia ho tahaka ny ahi-dratsy amin’ny taom-pijinjana (Mt 13,42), ho tahaka ny trondro tsy fihinana rehefa voasarika ny harato (Mt 13,50), ho tahaka izay tsy afaka mamela amin’ny fony manontolo (Mt 18,34; na koa Mt 5,25snm). Akanjo manambara ny atifo io, hoy i Md AUgustin, ka ny mpiandry vavahady mety ho voafitaka amin’ny fitovian’ny akanjo ety ivelany, fa ny tompon’ny fanasana kosa mahalala izay mpihatsaravelatsihy sy mpisandoka.
“Na tsy mila fankalazana avy aminay aza ianao dia ekenao ary sitrakao ny ankalazanay anao, tsy mampitombo ny hasinao ny fiderana ataonay fa manampy anay kosa hahazo ny famonjena, amin’ny alalan’i Kristy” (Prefasy andavanandro faha IV). Voaantso ho amin’ny fanasana isika rehetra, tsy zo hiriariavana anefa izany fa adidy mampandinin-tena mandrakariva. Ilay akanjon’ny fampakarana (fanasana) izay noraisintsika tamin’ny batemy dia mila tahirizintsika mandrakariva hoenti-miseho eo amin’ny latabatry ny Mpanjaka.
Tsy azo vidiam-bola araka izany ny fanjakan’ny lanitra, maimaim-poana koa, kanefa tsy maintsy hamoizana izay rehetra hananana aza mba hahazoana azy (alahady 17A). Tsy afaka hikarakara saha na handeha hivarotra isika no sady handray anjara amin’ny fanasana.Tsy misy hireharehana na hieboheboana koa anefa ny maha-voa-asa. Matoa isika mahefa asa soa, matoa mitafy ny akanjon’ny fampakarana, dia “miaraka amin’ilay mankahery antsika” (Vak II Fil 4,12-14.19-20). Tsy azotsika hadinoina anefa fa ilay mpiandry antsika, hoy ny Salamo setriny (Sal 22) dia mitondra tsora-kazo aman-tehina : ny tsorakazo hanitsiana ny dian’izay mania, ny tehina maha-afa-tahotra amin’ny fahavalo.
Tsy zava-bita hifampitsarana anefa ny hazakazaka ho amin’ny fanjakan’ny lanitra, ka ho ampy ny manao soa be dia be indray maka dia ampy ! Tsy ny soa vita no hidirana any an-danitra fa ny faharetana amin’ny fanaovan-tsoa ! Aza adinontsika ny vakiteny roa alahady lasa izay (a : Ez 18,25-28). Tsy fifaninanana ho be karama koa satria ny niasa tany an-tanimboaloboka adiny iray monja dia nitovy karama amin’ny niharitra ny hain’andro nandritra ny 12 ora. “Horovitina eo amin’ny tendrombohitry ny Tompo ny voaly manarona ny olona rehetra” (Vakiteny I Iz 25,6-10) ka “hihanjahanja sy hiarihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra” (Heb 4,13).
Ny Eokaristia no hisantarantsika sahady ny “fanasan’ny zanak’ondry”. Alao hery ary ny hitahiry ilay “akanjo fotsin’ny Batemintsika”, mba hahafahantsika mitoetra ao amin’ny fanasany na dia eo aza ny tsy fahamendrehana hibaboantsika ka niantsoany antsika hiombona anjara amin’ny Fanjakany. Hodinihintsika manokana ilay fitalahoan’ilay Tomponjato lazaintsika isaky ny handray kômonio hoe : Tompoko, tsy mendrika ny hampiantrano anao aho, fa ny Teninao ihany no hahasitrana ny mpanomponao(Mt 8,8). Ny teniny anie hanasitrana izay tsy mifanaraka amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Ry Andriamanitra Ray Tompon’ny fanjakan’ny Lanitra ô, antsoinao ho ao amin’ny fanasanao ny olombelona rehetra na ny tsara na ny ratsy, ary ny fanoharan’i Jesoa ny fanjakanao amin’ny fampakaram-bady dia manambara mazava fa tsy misy fanavakavahana ny fiantsoanao ny karazan’olona rehetra. Ary satria ny fanasàna avy Aminao tsy mba voafetra eo amin’ny tapaka sy namana na eo amin’ny havana aman-tsakaiza, fa mampiombona anay rehetra na inona firenenay na foko misy anay, na inona firazananay na asa ataonay, ary na aiza na aiza ankalazana an’i Jesoa, dia iray ihany ny fanasanao, lanao ihany no Tompom-panasana, ary ny Zanakao ihany no mamelona anay. Koa mangataka Aminao izahay: mba ataovy malalaka re ny fonay, hifanaraka amin’ny fonao tsy misy fetra, hifampizaranay ny fahasoavana avy amin’ny fanasanao amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ary enga anie ny Fanahinao Masina nomenao anay tamin’ny batemy hankahery anay tsy ho sodokan’ny rendrarendran’ny tany fa hanaraka amin-kafaliana izany fiantsoanao any ho any amin’ny fanasànao izany (Vavaka Fangatahana 28A). Amen.