Trinitera Malagasy
Alahady faha-25 Taona D mandavan-taona

Alahady faha-25 Taona D mandavan-taona

Njara Pascal
  • Amôsy 8,4-7
  • Salamo 112
  • 1 Timôte 2,1-8
  • Md Lioka 16,1-13

Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Derao ny Tompo, ilay manandratra ny Mahantra avy ao an-jezika! Izany no Fiverenan’ny Salamo 112 setrin’ny Vakiteny, manambara indrindra ny fitiavana mameno ny fon’ilay Andriamanitra, maniry ny hiadanan’ny olombelona rehetra.

Ity Salamo ity moa dia mizara roa: ny tapany voalohany dia maneho ny fahambonian’ilay Andriamanitra izay miondrika mijery ny lanitra sy ny tany, ilay Andriamanitra reharehan’i Jakôba, araka ny filazan’i Amôsy azy, mipetraka ambony dia ambony, tsy manan-tsahala, saingy namana akaikin’ny ory sy mihosom-bovoka aman-jezika mba hanandratra azy ireo.

Ny vakiteny voalohany dia mitantara zavatra tsy dia manalavitra ny zava-misy amin’izao fotoana iainantsika izao. Teo amin’ny Jody, ny voaloham-bolana, tsinam-bolana dia sabata, tsy hahafahana miasa sy mivarotra, ka izany no lazain’i Amôsy fa ny hisaintsaina izay hahazoana tombony sy hanararaotana ny mahantra no masaka ao an-tsain’ny maty eritreritra, ka na ny fivarotana na ny fifidianana dia samy feno fitaka. Tsy hohadinoin’Andriamanitra ireny heloka ireny, hoy ny mpaminany, entiny ilazany ny halehibeazan’izany fahotana izany.

Tsy mora ny hahitana mazava ny tena sitra-pon’Andriamanitra amin’ny fitantanana ny harena eto an-tany, ka mahatonga ny sasany ho mpanefoefo moa ny sasany ho fadiranovana, ka mitrongy nefa tsy homana akory fa mba hampitombo ny haren’ny hafa fotsiny satria indraindray aza mandry fotsy. Nandritra ny Konsily Vatikana II, [ny 7 desambra 1965, fetin’i Md Ambroise, ilay Mpampianatra an’i Md Augustin, nilaza fa ny zavatra ananantsika mihoatra noho izay ilaina dia izay an’ny mahantra notazonintsika… Tamin’io andro io no namoahana ny Gaudium et Spes (GS), Foto-pampianarana ara-pitondrana (Constitution pastorale) momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny] ny Fiangonana dia nahatsinjo hatrany ny fitomboan’ny olana sedrain’ny fiaraha-monina manoloana ny fihazakazaky ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny siansa, izay mampitombo ny  elanelana misy eo amin’ny Mahantra sy ny mpanankarena, kanefa  manamafy kosa fa natao ho an’ny olombelona rehetra ny haren’ny tany (GS 69).

Mihaino ny mahantra Andriamanitra ary tsy manadino ny tarainany hoy ny Mpaminany (Vakiteny I) … kanefa mandrapahoviana no hijanonan’izy ireo ho voahosihosy amin’ny zo aman-kasiny? Adidin’izay rehetra mihevitra ho kristianina, mihevitra ho zanak’ilay Andriamanitra Fitiavana ny mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanorenana ny tontolon’ny fahamarinana, arakarak’izay fanomezana sy fahasoavana mapetrak’Andriamanitra hotantaniny. Ary ambaran’i Jesoa amintsika androany (Evanjely Lk 16,1-13) ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra.

Ny toko faha-16 amin’ny Evanjelin’i Md Lioka moa dia heverina fa famaliana ny fanontaniana teraka avy amin’ny tsoa-kevitry ny toko faha-15. Raha tsara fanahy na dia amin’ny zanany nandany ny hareny aza Andriamanitra, inona no tokony hamakiana loha? Dia ho sarotiny amin’izay mety ho henony mandrobaroba ny fananany ve izy? Tsy hamindra fo amin’ny zanany ve izy?

Ambaran’i Jesoa amintsika androany ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra. Lazainy fa harena tsy marina (sandoka, ἄδικος adikos= tsy ara-dalàna, azo an-kafetsena…). Ny Mammon moa, izay nadika hoe harena eto, dia avy amin’ny teny arameanina, entina hilazana ny haren’ny tany, ary ambarany fa tsy antsika akory aza (and.12) ka tokony hotantanana am-pahamalinana, ary hararaotina mba hahazoana sakaiza, rehefa ho avy ny andro izay haharerahana, ka tsy hahafahana mampiasa ireo harena ireo intsony, satria ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny haben’izay ananany (Lk 12,15).

Καὶ ἐγὼ ὑμῖν λέγω, ἑαυτοῖς ποιήσατε φίλους ἐκ τοῦ μαμωνᾶ τῆς ἀδικίας, ἵνα ὅταν ἐκλίπῃ δέξωνται ὑμᾶς εἰς τὰς αἰωνίους σκηνάς,– kai egō humin legō heautois poièsate philous ek tou mamōna tès adikias hina hotan eklipè deksōntai humas eis tas aiōnious skènas – and.9 ara-bakiteny dia azo adika hoe : Koa Lazaiko marina aminareo, aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin’ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (ἐκλίπῃ= eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo (Lk 16,9). Ny fampiasana ny fitantanana ny harena tsy marina ataontsika amin’ity fiainana ity araka izay dia azo hararaotina tsara mba hampisy heviny ny fiainantsika eo anatrehan’Andriamanitra, miala amin’ny mety ho fakam-panahin’ny fanangonana (Lk 12,21) ho amin’ny fahalalaham-po hampiasa izay rehetra eo am-pelatanana mba hanasoavana, ka hampadio ny zavatra rehetra, hampahiratra ny maso hahafahana mahita an’Andriamanitra (Lk 11,41) sy manahaka Azy (Lk 6,36).

Raha ny marina, ilay mpitandrim-pananana dia nihevitra ny fananana notantanany ho azy ka nanaovany izay tiany hatao. Hakàna tombony amin’ireo izay misambotra na voatery manefa trosa. Tsy zavatra mifanalavitra amin’ny zava-misy iainana andavanandro io. Impiry no mahita ray aman-dreny na mpanabe mitaky zavatra tsy mba niainany ary tsy heveriny hiainana akory amin’ny beazina sy ny zanaka, tsy noho ny fitsinjovana ny soa ho an’ny beazina fa mba hahafahana mirehareha sy hiheverana hahomby, hany ka mampitondra trosa tsy eran’ny aina ho an’ireo ananany andraikitra! Impiry koa ny mpitondra no fantsihana amin’ny hazofijaliana nefa ny entina tsy misy manao ny adidiny sy ny andraikiny, ka izay miezaka sy ny tsy manan-tsiny indray no iankinan’ny rihatra sy voasoketa!

Ampianarin’i Jesoa isika hianatra ilay mpitandrim-pananana nodokafany satria fetsy ary na dia tsy hahazo hitantana ny fananan’ny tompony intsony aza dia hanana izay hianteherana kosa avy eo. Raha ny marina dia tsy nangalatra izy. Ahoana moa no hideran’ny tompony azy raha toa ka nanao izany? inona ary no nataony?

Mahazatra ny mitaky menaka 100 barika raha 80 no tokony haloan’ilay nitrosa. Ny 20 tsy miditra any amin’ny “patron” fa any am-paosy. Naleony nahafoy ny roapolo barika araka izany mba hahazoana sakaiza, ka sady mandravona ny ara-taratasy amin’ny tompony izy no nahazo fihavanana amin’ilay nitrosa. Tsy ny fananan’ny tompony araka izany no nataony varoboba, fa izay tombony noheveriny hofetsena, kanefa nanakana ny mpitrosa tsy hahaloa ny trosa no nafoiny.

Raha isika tsirairay avy no tsy mitaky afa-tsy izay sitrak’Andriamanitra aloan’ny hafa ihany, ary tsy hitady tombony ho an’ny tenany, dia maro ny olana ho voavaha amin’ity tany ity. Izany no hafetsena atoron’ny Evanjely amintsika. Saingy na dia amin’ny kristianina manohy mivavaka isak’alahady aza misy manao antom-pivelomana ny fametsena ny hafa amin’ny fanararaotana azy handoa mihoatra ny mety.

Ampahatsiahivin’ny Boky Ohabolana koa fa izay manome ny mahantra dia mampisambotra an’Andriamanitra (Oh 19,17), ary mampianatra antsika izany mba hahaizantsika mitantana izay harena rehetra nomen’Andriamanitra antsika, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy halàna amintsika ny fitantanana izany.

Raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? (Lk 16,12). Mazava fa tsy antsika ny harena, mpiandry omby volavita isika, tsy tompony fa mpamerin-doha, tsy misy hitondra izay nangoniny hanaraka azy rehefa hiala amin’ity tany ity. Tsy midika anefa izany fa hoe tsy araka ny toe-tsaina kristianina ny tombam-pananana faritan’ny lalàna (droit de propriété). Ho an’izay mandala ny maha-kristianina azy dia ezaka atao mandrakariva ny tsy hampiraikitra ny fo amin’ny haren’ny tany. Mazava ny fampianaran’ny Evanjely fa “tsy misy afaka hanompo Tompo roa” ka raha sanatria heverina fa tsy fitaovana fa tanjona sy tompo mandidy ny vola, dia mazava loatra fa tsy ho fitaovana hitiavana izy fa ho lasa fitaovana hanandevozana, ary ny tenan’izay miraiki-po aminy no andevoziny voalohany! Tsy azo adinoina ny tenin’i Tacite (55-120?) hoe: “Matoa mitombo ny lalàna, midika izany fa miha-be ny zavatra tsy mandeha”, ary nambaran’i Md Paoly fa tsy ny fanarahan-dalàna no hanamarinana antsika fa ny Finoana izay ambony noho ny lalàna: “hanaraka ny lalàna am-pitiavana mba hahatonga ny fitiavana ho lalàna”, hoy Md Augustin. Ny vola aman-karena dia fitaovana nomena antsika hahafahana miaina amin’ny maha-izy antsika.

Raha tsy antsika io harena io, na dia misoratra amintsika aza, inona àry no antsika? Ny maha-izy antsika: olombelona nohariana mitovy endrika amin’Andriamanitra, kanefa tsy ho feno fatra izany, hoy i Md Joany (1 Jo 3,2) – izay hamafisin’i Md Paoly koa ao amin’ny 1Kôr 13,12– raha tsy any amin’ilay mifanatri-tava amin’Andriamanitra. Ny Fanjakan’ny Lanitra no harena tokana manaraka an’izay hita ho mendrika ny maha-zanaka. Ny fahamalinana amin’ny fampiasana ny harena araka izany dia manampy antsika hahatsiaro mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe: Sarotra ho an’ny mpanan-karena ny miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 18,24-27), sarotra satria an’ny mahantra (miaritra ny rariny am-paharetana ka antsoina hoe zanak’Andriamanitra) ny fanjakan’ny lanitra, tsy afaka hiditra any izay tsy tonga sakaizan’ny mahantra, torohevitry ny Evanjely anio izany.

Inona tokoa moa ny soa ho azon’ny olona raha manana izao harena rehetra izao izy mba holovain’ny hafa rehefa miala ety (Sal 48)? Mampandinika ahy ny tenin’i Mb Teresa de Calcutta hoe: “Izay tsy ilaiko dia mavesatra amiko, ka omeko ny mahantra”… Firy amintsika no mahafoy izay tsy ilainy mba hanasoavana ny hafa? Angamba mety hanamarin-tena hoe “mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika”!

Ao amin’ny fampianarany (GS 69) dia milaza ny Fiangonana hoe: “aoka tsy amin’ny ambim-bava fotsiny no hanampiana ny mahantra.” Mbola namafisin’ny Papa François tamin’ny hafany ho an’ny andron’ny Mahantra (2021) izany. Mitaky fahafoizana ny asa fanasoavana. Tsaroantsika ilay zaza nandany ny haren-dRainy tamin’ny vehivavy janga sy ny filibàna… fa nahatsiaro ilay fitiavana nasehon-drainy ho an’ny mpiasa ao an-trano ka niverin-dalana.

Raha tohizana ny fandinihan-tena dia tsy maintsy hanontany tena isika hoe manakory tokoa moa ny fampiasana ny harena nomena hotantanantsika? Na mialoha izany, mbola hanontany sao misy harena azo tamin’ny fomba tsy marina! Ary ireo voatahiry kosa satria azo an-drariny noho ny fitsimbinan’Andriamanitra, mba entina hanasoavana ny hafa ve sa entina hisehosehoana sy hanjakazakana ihany, na sanatria entina hanafenana ny kileman’ny tena araka ny lazain’i Kardinaly M. Martini hoe: “ny fisehosehoana amin’ny harena, ny fahefana, ny mety ho fahatokisan-tena na ny fahasalamana na ny asa tsy misy farany dia fomba ihany entina hanafenana ny fangitakitahana anaty izay tsy hita ny hifehezana azy”.

Mila mandini-tena mandrakariva isika sao miala tsiny tsy manana raha ny amin’ny asa hanasoavana nefa miliba sy mirobaroba rehefa hiala voly sy hikoràna.

Noderain’ny tompony ny hakingan’ilay mpitantam-pananana. Ampirisihin’ny Evanjely koa isika mba hianatra ny hakingan’ny zanak’izao tontolo izao amin’ny fitadiavam-bola ka hampiasa saina sy ho tia karokaroka, hampiasa ny vola sy ny harena tsy marina ho enti-manorina ny fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana ao amin’ny Fiainana mandrakizay.

Ny tenany no natolotr’i Kristy hanavotana antsika hoy i Paoly (Vakiteny II 1 Tim 2, 1-8) fa tsy ny vola aman-karena. Dia ho sahintsika ve ny hilaza fa hafointsika ho Azy manontolo ny tenantsika raha toa ka ny fananana izay tsy ho entintsika hanaraka antsika rehefa hiala amin’ity fiainana ity aza tsy fointsika hanompoana azy amin’ny fanampiana ny mahantra? Tsy sorona hahazoana tombony ho an’ny tena manko ny fanoloran-tenan’ny kristianina fa fahafoizana enti-manasoa ny hafa. Raha mbola ny tombontsoa ho antsika ihany no imatimatesantsika dia mbola tsy nivoaka ny faribolan’ny fitiavan-tena isika.

Izany no tsy maintsy hiezahana hamongotra ny fanosihosena ny zo maha-olona tanisain’i Amôsy Mpaminany, ka hivavahana ho an’ny Mpitondra fanjakana, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotinana tanteraka (1 Tim 2, 1-8), hoy i Md Paoly.

Ireo no tanjona efatra tokony ho kendren’ny fitondram-panjakana (Jereo GS 73 snm) :

  1. ny “Fiadanana” dia azo avy amin’ny fampivoarana ny maha-izy azy ny tsirairay, ka hanajana ny ZO sy ny ADIDY, amin’ny fikatsahana ny soa iombonana;
  2. ny “Fandriam-pahalemana” dia azo avy amin’ny fanamafisana ny rafitra hiarovana ny aina sy ny fananan’ny olona, amin’ny fiarovana ny zo maha-olona sy ny zo fototra hafa rehetra (zo hivory, zo haneho hevitra, zo hivavaka;
  3. ny “Fanajana an’Andriamanitra” (eusebia) moa dia manambara ny fahafahana (liberté religieuse = faratampon’ny liberté d’opinion) hahafahan’ny olona maneho ny tena maha-izy azy sy ny heviny ety ivelany, ary tsy mora ny fanajana izany indrindra rehefa voizina hitadiavana tombontsoa manokana ny fahasamihafana sy ny tsy fitovian-kevitra. Ampahatsiahivin’i Md Paoly anefa isika fa ny hahatongavan’ny olona rehetra amin’ny fahalalana ny marina (1 Tim 2, 4)  no tanjona satria ny marina no maha-olona afaka (Jo 8,32);
  4. ny “fahamaotinana” (semnotès), izany hoe ny fivoaran’ny olona amin’ny maha-olona azy mba hahatonga azy ho mendri-kaja, dia asehon’ny filaminana ara-pitondran-tena ikatsahana ny soa iombonana (GS 74§4).  Izany dia maneho ny fivoaran’ny olombelona rehetra (tout homme) sy  ny fivoaran’ny olona manontolo (tout l’homme).

Raha fintinina izany ny hafatry ny Apostoly Paoly dia hoe tsy misy vavaka marina raha tsy misy faniriana sy fikirizana mba hahavonjy ny olona rehetra ka hahatongavan’izy rehetra amin’ny fahalalana tanteraka ny marina ary izany dia atao tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina. Izany no sitrapon’Andriamanitra ary ny fiombonana amin’izany faniriany izany no atao hoe vavaka. Ny ranombavaky ny mpino ataontsika araka izany, tsy hoe fampahafantarana an’Andriamanitra izay tokony hataony fa fibeazantsika fo amam-panahy hahatsiaro fa ny hahavonjy ny olona rehetra no sitrapon’Andriamanitra, ka ny fiainana mifanaraka amin’izany no mahasambatra, izany no mahavonjy, izany no maha-katôlika.

Manana adidy handray anjara amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina isika araka izany, na amin’izay vavaka izay na amin’ny fanatanterahana ny asa tandrify antsika araka ny Evanjely (GS 90) sy araka ny seha-piainana misy antsika avy, mba hahavonjy ny olona rehetra amin’ny fahalalany fa Fitiavana Andriamanitra, ka ho tonga taratr’izany fitiavana izany koa ny fiainany. Izany no hahafahana manandrana sy mitahiry ny hasambarana izay antsointsika hoe famonjena. Zontsika no ho tiavina fa adidintsika kosa ny hitia tahaka ny itiavantsika ny tenantsika, tahaka ny itiavan’i Kristy antsika. Lavitra ny famonjena ny olona fatra-pitaky ny zony fa tsy miezaka akory hanao izay tratry ny ainy amin’ny fanatanterahana izay adidiny.

Fanamavoana ny anaran’Andriamanitra izay mety ho fireharehana amin’ny haren’ny tany satria fanasoketana, fanendrikendrehana Azy ho miangatra. Tsy Izy anefa no miangatra fa ireo zanany nasainy nitantana no be siasia. Tsy fanamarinan-tena eo anatrehan’ny olona fa fitantanana araka an’Andriamanitra no hahafahantsika manandrana ny hafaliana maha-zanaka, ka ny fitovizana Aminy amin’ny fanaovan-tsoa no fanompoana Azy. Tsy azo adinoina ny tenin’i Md Paoly tamin’i Timôte hoe “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra (1Tim 6,10 – Vakiteny Zoma tsy ankasa 24).

Hahay hanandrana ny hafaliana maha-zanaka izay hany harena tokana omena ho lovantsika mandrakizay anie isika.

Ry Andriamanitra Ray ô, Ianao no Tompon’ny tany sy ny harena rehetra ao Aminao ary mazava ny fampianaran’i Jesoa Zanakao, fa sambatra izay miaiky ao am-po fa mahantra, ary tsy misy olona afaka hanompo tompo roa. Koa enga anie ny Fanahinao Masina handrava ny herin’ny fitiavam-bola tsy voalamina araka ny didim-pitiavana, ary hanafaka anay tsy hanompo ny harena, fa hahay hamokatra ary tsy hitahiry fa hizara araka ny sitrakao (Vavaka fangatahana 25D) ka hanandramanay ny hamamin’ny Fitiavanao, hamakivakiana ny haizin’izao tontolo izao ka hivelomanay ny finoana mandrapahatonga any amin’ny tanjona ho tratrarina dia ianao fahazavana sy fahasambarana. Amen

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha-25 mandavan-taona
PREVIOUS
SABOTSY FAHA-24 MANDAVAN-TAONA
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.