Trinitera Malagasy
Alahady faha-19 mandavan-taona Taona D

Alahady faha-19 mandavan-taona Taona D

Njara Pascal
  • Fahendrena 18,6-9
  • Salamo 32
  • Hebrio 11,1-2.8-19
  • Md Lioka 12,32-48

Manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay.

Ireo tia vavaka, taranaky ny olom-banona dia nanatitra ny sorony am-pahanginana tao an-tranony ary niara-nifanaiky ny amin’ilay Lalànan’Andriamanitra iombonan’ny olona masina na an-kasoavana na an-karatsiana ka nandredonan’izy ireo sahady ny hira fiderana fanaon’ny Razana.

Somary sarotsarotra ihany ny mahazo ny vakiteny I, miampy ny dikan-teny tsy mazava ampiasaina amin’ny Litorjia moa. Araka ny voalazan’ny Eks 12,42 dia “Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany”. Ny Paka ankalazaina dia Lalàna avy amin’Andriamanitra mampifamatotra ny mpino hifampitsinjo sy hifanasoa, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Raha mbola ny Lalàna masina koa no mampiombona, dia tena fiombonana marina tokoa, ary efa fisantarana sahady ny fankalazana nataon’ny Razana izany. Ho an’ny Jody manko, ny fankalazana ny Asan’Andriamanitra dia famelàna an’Andriamanitra hanohy ny asam-pahafahany eo amin’izay mankalaza Azy, ka mazava loatra araka izany, fa tsy fankalazana fe fankalazana fotsiny fa fanekena mba hovan’ny fahasoavan’Andriamanitra koa, ho fahatsiarovana mba tsy hiala eo anelanelan’ny maso ny zava-bitan’ny Tompo, fa indrindra mba ho eo am-bava mandrakariva ny lalàn’ny Tompo (Jereo Eks 13,8-9).

Raha takarina ny hevitra fonosin’ny lalàna avy amin’Andriamanitra dia hoe: tsy fitantaràna ny nataon’ny Razana loatra no andrasana amin’ny Mpino fa ny fiderana an’Andriamanitra amin’izay rehetra tanterahiny ho antsika eo amin’ny andavanandrom-piainantsika, ka hahatonga ny Lalànany ho antoky ny fahavelomana, satria raisina amin’ny fahatsapana ny hasarobidin’ny fitiavan’ilay Mpanome Azy. Raha ny hitondra antsika ho amin’ny fahafahana marina ka ho sambatra no sitrapon’Andriamanitra, moa ve tsy fizorana ho amin’ny fahasambarana araka izany ny fanarahana ny Lalànany sy ny fanatanterahana ny Sitrapony!

Izany no toe-tsaina mifanentana amin’ny fankalazana ny Eokaristia, izay antsointsika hoe Kômonio, fa koa fankalazana ny Pakan’ny Tompo ho antsika: fankalazana an’Andriamanitra Ray namelona an’i Jesoa, fa fidirantsika kosa, na dia ao amin’ny fankalazana atao mangingìna indrindra aza, ao amin’ny fanantenana vaovao satria miombona aina amin’i Kristy isika ny amin’ny fahafatesana amin’ny fahotana, ary miombona amintsika samy isika, na ankasoavana na an-karatsiana, amin’ny fiezahana hiaina ny Lalàn’Andriamanitra, dia ny Lalànan’ny Fitiavana.

Izao no lazain’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika [KFK 952-953] momba izany fiombonana vokatry ny finoana izany:

“Niombonan’izy ireo daholo ny zavatra rehetra” (Asa 4,32) : “Izay rehetra ananan’ny tena kristianina tokoa, dia tokony heveriny ho tahaka ny harentsoa izay iombonany amin’ny rehetra, ary lalandava, tokony ho vonona sy dodona izy hamonjy amin’ny fahantrana sy amin’ny fahorian’ny namana” (Catech. R. 1,10,27). Ny kristianina no mpitantana ireo haren-tsoan’ny Tompo (Lk  16, 1.3).

Ny fiombonana amin’ny fitiavana : ao amin’ny fiombonana masina (sanctorum communio) “tsy misy amintsika, velona ho an’ny tenany, ary tsy misy maty, ho an’ny tenany” (Rôm 14,7).“Mijaly ve ny rantsambatana iray ? miara-mijaly aminy daholo ny rantsambatana rehetra. Mahazo voninahitra ve ny rantsambatana iray ? miombona hafaliana aminy ny rantsambatana rehetra. Ary ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsambatany manaraka ny laharany tsirairay avy” (1 Kôr 12,26-27). “Ny fitiavana dia tsy mitady ny ho azy” (1 Kôr 13,5; 10,14). Ny kely indrindra amin’ny asantsika atao amim-pitiavana dia misy akony amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra, ao anatin’izany firaisankina amin’ny olona rehetra izany, na velona na maty, izay miorina ao amin’ ny fiombonan’ny olomasina. Ny fahotana rehetra no manimba an’izany fiombonana izany.

Amafisin’ny KFK [lah. 1394] kosa anefa fa “tahaka ny sakafom-batana ilaina mba hamerina ny fahaverezan-kery, dia toy izany koa, ny Eokaristia no manamafy ny fifankatiavana izay mitady hihaosa, eo amin’ny fiainana andavanandro ; ary izany fifankatiavana mamelon’aina izany no mamafa ny fahotana madinika (jer. Kôns. Trente : DS 1638).

Tsy hianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra angatahinareo amin’ny anarako, hoy i Jesoa (Jo 15,16). Izay mahatsapa izany tombom-pitiavana izany dia hahatsapa ny fahasambarany araka ny voalazan’ny Sal 33 (setriny): tretrika ny vahoaka nofidìn’ny Tompo ho lovany. Ny olo-marina (  צַ֭דִּיקִים-tsadîqîm) sy ny olo-mahitsy (יָשַׁר- yāshar, יְשָׁרִ֗ים – yeshārîm) lazain’ny Salamo dia hahazoantsika ny toe-po sy ny toe-tsaina afaka miditra ao amin’ny fankalazana an’Andriamanitra. Izay marina, izany hoe mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, mampifanaraka ny sitra-pony amin’ny sitra-pon’Andriamanitra no afaka hiombon-kafaliana amin’Andriamanitra, afaka hihoby Azy, ary izay olo-mahitsy, izany hoe izay nanandrana ny vokatry ny fiainana mifanaraka amin’izany sitra-po izany no mendrika hidera Azy, izany hoe hahita ny hatsaran’ny fiderana Azy.

Tsy afaka ny hanandrana ny hafalian’ny fitsanganan-ko velona izay tsy miantehitra amin’ny Fitiavany, ka tsy hanaiky ny fahafatesana maha afa-baràka, tahaka ny ohatra navelan’i Kristy. Izay mitoky amin’ny fitiavany no hahazo izay lazain’i Jesoa hoe: Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy (Lk 9,24).

Ao anatin’izany fitokisana izany no hahazoantsika ny halalin’ny finoan’i Abrahama sy ireo razambe lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio: hiala amin’ny tany efa itoeran’ny tongotra ho any amin’ny tany tsy fantatra akory: mitoky amin’ny zavatra tsy misy antoka afa-tsy ny tenin’ilay nampanantena; manaiky hanao sorona an’i Isaaka ilay nolazaina fa antoky ny fampanantenana nolazaina taminy. Ny fitokisana no nilazan’i Abrahama tamin’ny mpanompony fa hiverina miaraka amin’i Isaaka zanany izy rehefa avy mivavaka any an-tendrombohitra (Jen 22,5). Ary fantatsika fa ilay Zanaka tonga lafatr’i Abrahama tao amin’ny finoana, manoloana ny fijaliana sy ny fahafatesana tsy maintsy hosedrainy, dia niloa-bava nivavaka hoe: ny sitra-ponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny ahy (Lk 22,42), fanekena hatramin’ny fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana, hoy Md Paoly (Fil 2,8), saingy ny finoana no nahafahany nilaza tamin’ny Mpianany fa eo afovoan’izy ireo mandrakariva Izy ambarapahatongan’ny faran’izao tontolo izao (Mt 28,20).

Tsara ampahatsiahivina moa fa ny hoe mino amin’ny teny hebrio dia ’āman (אָמַן), ary avy amin’izany no hahazoantsika ny teny hoe amen, izay anamafisantsika ny vavaka rehetra ataontsika am-pinoana. Ny hoe ’āman dia ilazàna ny fiorenana mafy, tsy azo hozongozonina na dia manoloana ny zavatra tsy takatry ny saina aza ka mety hampihahakahan-kevitra na hampisalasala.

Md Lioka 12,35-38

Aza matahotra fa efa sitrak’Andriamanitra ny hanome anareo ny Fanjakana. Sambatra ny mahantra fa azy ireo ny Fanjakan’ny Lanitra. Ka izay te ho sambatra dia ilazàn’i Jesoa hoe: amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana mba hamindrana ny fironan’ny fo ho amin’izay maharitra mandrakizay.

Ny tapany voalohany amin’ny Evanjely amin’ity alahady ity dia manoro antsika ny lalana tokony hizorana raha tiantsika ny ho sambatra: manangona rakitra tsy mety lany. “Occasion” azo araraotina tsara izany hanaovana fandinihan-tena ny amin’izay harena angonintsika, na ho amin’ny fahantran’ny Evanjely na ho amin’ny mety ho fanangonana ny harena hotsiriritin’ny mpangalatra sy ho zary sakafon’ny kalalao fotsiny ihany. Izay mitoky amin’Andriamanitra ihany no afaka hizotra izany lalana atoron’ny Evanjely izany.

Aorian’ny fankaherezana an’ireo mpianatra mba hatoky ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitiavany (Providence), dia mampianatra azy ireo mba haharitra amin’ny fiambenana i Jesoa. Ahoana moa izany? Araka ny fampianaran’i Md Lioka dia misy fandavorariana telo amin’ny asam-pamonjena (eschatologie): ny voalohany dia mikasika ny lasa, dia ny faharavan’ny “tontolo tsy an’Andriamanitra” izay tanteraka tamin’ny fahafatesan’i Kristy. Ny faharoa dia mikasika ny ho avy, ny hahataperan’izao tontolo izao ka handavorariana ny Fanjakana, io dia santarin’ny tsirairay amin’ny fahafatesana hialana amin’ity fiainana ity. Fa misy kosa ny famonjena tanteraka anio (présent), dia ny fidiran’ny olona amin’ny fiainan’Andriamanitra rehefa manaiky hiaina araka ny Eokaristia, araka ny aina atolotr’Andriamanitra izy.

Ny fahatsiarovana ny fomba fankalazana ny Pakan’ny Jody no ampahatsiahivin’i Md Lioka antsika. Ny fahavononana ilaina voalohany dia mba ho “voasikina ny andilana”. Fomba fiakanjon’izay tsy hitoetra fa vonona ny hiainga, vonona ny hiasa, vonona ny hizotra amin’ny lalam-pahafahana ho any amin’ny tany nampanantenaina. Izany fahavononana hiasa izany, tsy sanatria mba hahafahana mandova ny lanitra, tsy tambin’ny ezaka manko, na valisoan’ny natao ny paradisa (Ef 2) fa fanomezana ho an’ny zanaka, lova omena maimaim-poana ho an’ireo mitoky amin’ny fitiavan-dRay. Araka izany, fianarana ny nataon’ilay hany Zanaka mba hiarahana mandova miaraka Aminy no ataontsika (Asa 1,1), Izy ilay Andriamanitra kanefa nietry tena ho mpanompo, nisikim-ponitra haneho amin’ny olombelona rehetra ny fitiavan’Andriamanitra Ray. 

Ny zavatra faharoa ilaina hananana dia ny “jiro mirehitra”, hoentina hanilovana ny lalan-kizorana fa mba hoentina koa hanilovana ny hafa, ary lazain’i Matio aza fa entina hanilovana ny endriky ny tena mba hahalalan’ny Ray antsika fa zanany ka tsy hifangaro amin’ny haizina sy ny zanaky ny haizina (Mt 25,12). Tsy fahasambarana ny fahasambaran-tsamirery tsy afaka hozaraina amin’ny havana ory. Izay tsy maniry ny hanazava ny hafa mba hiara-tsambatra aminy dia tsy ho tonga lafatra ny hafaliany, satria tsy hafalian’ny zanaka manaha-dray. Ny hahavonjy ny olona rehetra manko no sitrak’Izy Ray (1 Tim 2, 4; AG 6-8).

Tsy fiainana “mandrapaha-…” tsy akory ny fiainan’izay te hiditra amin’ny fiainan’Andriamanitra, fa fomba fiainana atomboka ka ho feno fatra rehefa tena hanahaka Azy araka ny tena toetra isika satria hahita Azy mifanatri-tava (1 Jo 3,2). Misy fomba fiteny hoe: ny olona dia mitovy amin’izay andrasany. Ka raha ny fiavian’ny Tompo no andrasantsika dia mazava loatra fa hitombo fitiavana Azy mandrakariva ny fontsika ka tsy havesatra ny hiandry ny hahatongavany, na oviana na oviana. Izy no mandondòna ao am-pontsika, maniry mba hiditra ao, tsy sanatria mba hotompoina fa mba hanompo.

Averimberin’i Md Lioka io, satria ny endriky ny Andriamanitra inoany ka tompoiny no alain’ny mpino tahaka. Tsy Andriamanitra tompoina sanatria ny Andriamanitsika, fa Andriamanitra manompo. Izany no mahatonga an’i Md Lioka milaza aoriana kely fa na dia ilay zanaka mpandany aza, tsy navelany handohalika akory teo anatrehany, ary ilay zokiny tsy nety niditra nivoahany tany halan-trano, asainy hiditra amin’ny fety. Mampandinika ihany anefa indraindray ary mampatahotra ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra. Ny fanompoana ny hafa toy ny nataony ihany no mifanaraka amin’ny Sitra-pony, ka raha sanatria tsy manampy antsika hanompo ny hafa ny fomba fivavahana sy ny vavaka ataontsika, dia mbola tsy mifanaraka amin’ny Evanjely izy izay.

Hanampy antsika hahazo ny hevitra sy ny hasarobidin’ny fanompoana anie ny Eokaristia, tsy asain’i Jesoa handohalika na mipetraka isika avy mandray Azy, fa asainy hihinana ka hahazo hery, handray ny Teniny sy ny Tenany ka hanao toy ny nataony ho fahatsiarovana Azy, ary hahavita handohalika eo anatrehan’ireo endrika tiany hisehoana dia ny mpanota sy ny mahantra.

Amin’ny fanompoana ny hafa toy izany tahaka ny nataony no hanandramantsika ny tena hasambarana.

Md Lioka 12,39-48

Mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

Efa nolazaintsika teo fa ireo mihaino ny fampianaran’i Kristy dia mahalala fa ny fahafatesany no nandravàny ny herin’ny maizina sy andreseny ny fahavalo farany dia ny fahafatesana, ary izay miombona amin’izany fandresena izany amin’ny alalan’ny finoana dia efa manandrana sahady dieny ankehitriny izao ny hasambaran’ny lanitra.

Araka izany, ny mpianatra dia mahalala tsara ny “ora” ka tsy hanaiky hotamian’ny mpangalatra, tsy hanaiky hofitahin’ny hafa amin’ny mbola mety ho fiandrasana Mesia hafa. Efa feno ny fotoana ary hafenoan’ny fahasoavana no ankalazainy isan’andro ao amin’ny Eokaristia, na dia mbola tsy feno fatra aza ny fomba sy ny toe-po enti-mankalaza izany. Tsy fiandrasana mpangalatra handroba izay ananana araka izany ka hampatahotra ny fiandrasana an’i Kristy, fa fiandrasana ilay “hampipetraka ka hampihinana ny mpanompony”. Ny fahatongavany no hahalavorary ny fiombonana tanteraka Aminy na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana.

Lazain’ny Evanjely anio ihany koa ny hevitry ny hoe “voatendry hifehy ny mpanompo”: hanome ny anjara vary (σιτομέτρον, sitometron; sitos=blé) ara-potoana. Izay mahatoky (πιστός– pistos) sy hendry (φρόνιμος– phronimos, prudent- attentif à ses intérêts) no fidìna ho mpitandri-pananana (οἰκονόμος– oikonomos). Ary marik’izany fitokisana sy fahendrena izany ny fanomezana ny olom-peheziny an’izay ilaina. Mampalahelo raha toa ka noho ny tsy fahazoan’izay fehezina ny ilainy no mampirongatra azy hitady any amin’ny lalan-diso. Raha ankoatry ny anjara vary ampy ivelomana kosa indray anefa no tadiavin’ny olom-pehezina ka mampaniasia azy, dia anjaran’ny tompon’andraikitra ny mamerina azy amin’ny lala-mahitsy (Lk 15). Mila mandinika mandrakariva izay nomena fahefana hifehy, sao tsy mahazo ny anjara variny ara-potoana ireo izay nankinina aminy, sao ny “vilia sy vilany maloto” no hibedesana azy, kanefa na dia vary iray sotro aza tsy niditra ny vavany.

Tsy ho an’ny mpianatra ihany anefa izany teny izany fa ho an’ny olombelona rehetra. Antsoin’Izy Tompo isika hahatsiaro fa “mpitandrim-pananana” (économe, gestionnaire) ihany, mpiandry omby volavita ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Ny fahatsiarovana fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka nomeny mba ho entina hanasoavana ny zanany rehetra, no manakana antsika tsy hampiasa ny fahefana hamaizana na hikapohana. Lalam-pahasambarana ny fahaizana mitantana araka ny hevitr’Andriamanitra satria izany no hahatonga antsika ho zanaka mpandova, ho mpitantana ny fananany rehetra (eny fa na dia ilay zaza mpandany koa aza, aoriana kely lazain’i Lioka fa hahazo indray ny peratra, hahafahany mitantana ny fananan’ny rainy).

Tsy misy tokony hampialona amin’izay soa vitan’ny hafa. Ny tokony handinihan-tena dia sao sanatria tsy haintsika ny hampamokatra araka ny sitrapon’nyTompo ny fanomezana noraisina avy Aminy, ka mety hiheverantsika fa Tompo lasa lavitra Izy ka mbola ela vao hiverina.

Hampitombo finoana sy hafaliana antsika anie ny mahita ny soa ataon’ny hafa, ka sady hampisaotra an’Andriamanitra no hampitombo koa ny fandraisana anjara amin’ny fanitarana ny fanjakany, amin’izay kely na be vita, araka ny fanomezam-pahasoavany, ary ny fankalazana ny Eokaristia ataontsika anie ho fisantatrana marina tokoa ny fandresen’i Kristy, ka hampitombo antsika amin’ny finoana, ka ho vonona mandrakariva eo am-piandrasana ny hiavian’i Kristy.

Ry Andriamanitra Tompon’ny andro rehetra ô, tonga tety an-tany i Kristy Zanakao, dia niverina any Aminao; ary nanambara izy fa mbola ho avy indray raha tonga ny andro farany, kanefa tsy nolazainy ny andro sy ny fotoana. Koa enga anie ny Fanahinao handrotsaka fitiavana mahafeno ny fonay, ka hiezahanay  hiara-miasa amin’ny fahasoavanao, hampanjaka ny rariny, ary ho vonona mandrakariva  eto am-piandrasana an’i Kristy ka  tsy hanampoka anay  ny fahatongavany, fa hitondra ho anay kosanny fahasambarana avy Aminao, hahatody anay soa aman-tsara any amin’ilay tanànanao Andriamanitra velona, izay ivondronan’ny olona rehetra ao anatin’ny fifankatiavana lavorary (Vavaka Fangatahana alahady 19D).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia faha-19 mandavan-taona
PREVIOUS
Zoma faha-18 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.