Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D

ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D

Njara Pascal
  • Jenezy 18,1-10/ Salamo 14
  • Kôlôsianina 1,24-28
  • Md Lioka 10,38-42

Mahaiza mampiantrano an’Andriamanitra.


Mialoha ny hifampizarana momba ny vakiteny I dia tsara ny mampahatsiahy fohifohy ny fiandohan’ny tantara izay  niseho teo amin’ny lohasahan’i Mambre. “Lohasaha” moa no dikanteny nosafidiana satria ny hoe אֵלוֹן (elôn) dia azo adika hoe lohasaha fa ny heviny voalohany dia ôaka (chêne) na terebinta, ary araka ny foto-pisainana tamin’ny tany kananeana dia noheverina ho hazo masina ireo.

Tsara ho tadidiana fa talohan’izao dia nanandratra vavaka tamin’YHWH Abrahama, tsy manome tsiny fa sadaikatra amin’ny fampanantenana nataony ny amin’ny hahatonga azy ho firenen-dehibe (Jen 12, 2-3) sy hahazo valisoa lehibe (Jen 15,1) saingy tsy niteraka ka i Elihezera (Andriamanitra no vonjy) avy any Damasy no handova ny tranony (Jen 15, 2-3). Fanamafisana ny fampanantenany ary ny fanaovana fanekem-pihavanana no nasetrin’Andriamanitra izany (Jen 15, 7snm) ary taorian’izay no nahaterahan’i Ismaely (Jen 16) sy ny fanavaozana ny fanekem-pihavanana amin’ny famorana ny nofon-tsitsy taorian’ny nanomezana azy ny anaram-baovao: tsy Abrama, ray voasandratra, fa Abrahama, rain’ny firenena tsy hita isa (Jen 17, 1snm). Dia eto no manomboka ny Vakiteny I (Jen 18,1-10)  anio izay mitantara ny fandraisan’i Abrahama ireo Vahiny Telo tonga tamin’ny fotoana mafana indrindra any an-tany efitra.

Ambaran’ny vakiteny teo fa nihazakazaka i Abrahama, nitsena ireo vahiny, nitsaoka azy ireo ary nampiantrano sy nikarakara faingana izay hohanin’izy ireo niaraka tamin’i Sarà sy ny mpanompony. Izany fahafoizan-tena sy fahalalahan-tanana izany dia novalian’Andriamanitra tamin’ny fanambarany fa hahazo fara aman-dimby izy ireo. Tsara ny manamarika fa amin’ny fiandohan’ny tantara dia mahita olona telo Abrahama, saingy olona iray ihany avy eo no iresahany. “Tres vidit, et unum adoravit”, telo no hitany fa iray no notsaohiny, hoy i Md Augustin. Io famangiana io moa no noraiketin’i Andrej Rublëv (1360-1430) antsary amin’ilay “icône” malaza nataony momba ny Trinite Masina.

Nivahiny aho nampiantranoinareo (Mt 25,35). Zavatra lalina kokoa noho ny  fandraisam-bahiny, izay toetra mampiavaka ny tatsinanana, ary toetra tokony hananantsika koa, araka ny hafatr’i Md Paoly (Rm 12,13) anefa no ambaran’ny Vakiteny. Sarotra ny hanaiky fanampiana avy amin’ny olona tsy fantatra akory, sarotra koa ny manampy olona tsy fantatra akory, atahorana ho mpamitaka na olona mody mahantra… fa mora ny manasoa ny olona antenaina fa afaka mamaly soa. Nolazaiko matetika amin’ny kristianina hoe rehefa ny moderateur no omena fanomezana, sarotra ny hanolotra 100MGA na 200MGA fa raha ny endrika isehoan’i Kristy no miseho, sarotra ny mahafoy 0 iray fanampiny ho azy ireo. Toe-tsaina tsy mifanaraka amin’ny atoron’ny Tenin’Andriamanitra anefa izany. Raha mbola tsy mitovy ny fitsahoantsika ny Eokaristia ao amin’ny Tabernakla sy ny mahantra (noana, mangetaheta, tsy nitafy, marary sy any an-tranomaizina mbamin’ny mpivahiny, voalaza anio), dia mbola mandringa ihany, mbola fiantsaram-belatsihy ny fitiavantsika an’i Kristy, ary marina ny nolazain’i Don Mario Prandi, mpanorina ny Tranon’ny Fitiavana. Sao sanatria hanao mafy fo velona amin’ny fanampiana ny madinika sy ny mahantra isika ka hiantefan’ity teny ity indray Andro: “Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto hianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa (Mt 25, 45).

Ny Tenin’Andriamanitra dia fanambarana momba Azy, hahalalantsika Azy sy entintsika koa hanadio tsikelikely izay mety ho fiheverana sy fahatakarana mbola tsy mifanaraka amin’ny fanambaràny. Ambaran’ny Boky Jenezy fa Andriamanitra Mpivahiny ny Andriamanitsika, ary manaiky ny fanajàna sy ny fandraisana ataontsika. Tsy valin’ny mety ho fahalalantsika fomba anefa no ataony, na fankasitrahana ny soa vita fa fanamafisana ihany izay efa nampanantenainy antsika.

Raha ampahatsiahivina izay voalaza teo aloha dia hoe Izy no nampanantena an’i Abrama (efa 75 taona) ho fanasoavana ny firenen-drehetra sy hanome azy ny “tany nampanantenanina” ka hahatonga azy ho firenena lehibe (Jen 12,2.7). Tsy azon’i Abrahama veroka anefa izay mety ho fahatanterahan’izany teny izany ary efa 99 taona izy no nisehoan’Andriamanitra sy nampanantenainy ny hahamaro isa azy (Jen 17,2) saingy nihomehy no nataony (Jen 17,17). Lazain’ny andininy faha-22 amin’io toko faha-17 io  aza fa tapi-niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra dia niakatra niala teo aminy ary i Abrahama kosa namòra ny nofon-tsitsin’ny lehilahy rehetra.

Io Tompo niakatra niala teo io no niseho tamin’i Abrahama, tahaka ny Mpivahiny mitataovovonana, amin’ny andro migaingaina, fisehoan’Andriamanitra ho hita maso, ankoatr’izay ho tanterahiny amin’ny Zanany, ilay Teny tonga nofo miara-monina amintsika. Ary i Abrahama ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy no indro fa mitsangana eo anilan’Izy Tompo, manaiky hisitraka ny sakafo natolony (and. 8), efa mampahatsiaro antsika sahady an’ilay Maria, mitoetra eo anilan’ny Tompo mba hisafidy ny anjara tsara tsy hohesorina aminy, lazain’ny Evanjely.

Aza adino, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio fa nisy ny nampiantrano vahiny kanefa tsy fantany akory fa Anjely no noraisiny (Heb 13,2). Ireo nanao soa ny mahantra sy madinika koa, hoy i Md Matio, tsy nahalala akory fa ny Tompo no nanaovany soa (Mt 25,35-43). Ny fampiantranoana manko, ho an’ny olona taloha dia antoky ny aina ho an’izay tsy maintsy hivahiny lavitra. Mampalahelo fa isaina amin’ny rantsan-tanana sisa ireo Mpivahiny (pèlerins) izay manohy ny diany tsy mitondra na vola na kitapom-batsy, satria matoky ny fitsimbinan’Andriamanitra miseho amin’ny hatsaram-pon’ny mpino Azy. Tsy izy ireo no mampalahelo fa ny fanjavonan’ilay toe-tsaina vonona ny hifampizara izay soa narotsak’Andriamanitra ho an’ny tsirairay. Fampiantranoana sandaina hahazoana tombony araka izay tratra no mameno tanàna.

Iza no hiantrano ao an-dain’ny Tompo? Izay misaina ny marina ao am-pony, tsy mba maka zana-bola ary tsy manao na inona na inona mety hahameloka ny marina, tsy mandainga ary fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny mpiara-monina hoy ny Salamo 14. Aiza no hahitana izany olona izany? Mampandinika izay rehetra maniry ny ho any an-danitra io Salamo setriny io.

Ny mpifetsy sy ny mpampanjana-bola no manjakazaka sy manefoefo. Ary tsy afa-bela amin’izany fakam-panahy izany isika kristianina. Izay hahazoana tombony sy hampanan-karena haingana no tadiavina. Ny vola manko no maha rangahy, ka na hivarotana ny haja amam-boninahitra sy ny fahadiovan’ny tena aza tsy maninona. Indraindray aza misy mahavita manararaotra ny faharesen’ny sasany mba hangalana ny fananany sy izay mety azo amidy varo-boba hihariana harena tsy marina.

Raha ny marina moa dia izay lazain’ny Boky Eksaody 20 ihany no ampahatsiahivin’ny Salamo eto : ny tsy mamono olona, ny tsy mijangajanga, ny tsy mangalatra, ny tsy miampanga lainga sady tsy mamela ny lela handainga dia lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana (fahasambaran’ny hafa sy ny tena), ary mampisy heviny ny fiainany. Asiako teny kely ny mikasika ity tsy famelàna ny lela handainga ity.

Ny hoe mpiampanga lainga, dia ny mitantara zavatra tsy marim-pototra akory, indrindra fa raha mahakasika ny fiainan’ny olona, ny hajany sy ny voninahiny izany. Toy ny volon’akoho ny haja amam-boninahitra,  hoy i Md Philipe de Néri, ka raha sanatria voavolo dia sady paohin’ny rivotra hiparitaka no tsy azo apetraka intsony. Tsy mampihena ny heloka sy ny haratsian’ny olona mpitantara tsy akory ny fialany tsiny fa tsy namorona izy fa mba nitantara fotsiny ihany. Raha sanatria araka izany, te ho voaray ao an-tranon’Andriamanitra isika, ary te honina ny vohitra masina, dia hanalavitra ny fosafosa sy ny fitantarana zavatra tsy marim-pototra, (chiachiericcio) izay manapotika fiaraha-monina sy mandrava ny fiangonana, hoy i Papa François. Tsy vitsy koa ny olona maivan-doha, mino izay rehetra lazaina aminy, ka tsy mba manadihady kely akory ny amin’ny fahamarinan’ny teny voalaza ka ampiasain’ny maty eritreritra hanapotika fiainan’olona amin’ny fanendrikendrehana. Notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna,hoy i Lioka ka nampanenjika an’i Paoly sy Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny (Asa 13,50).

Tsy ny fanarahana ny lalàna izay mety hifanaraka amin’ny tombon-tsoa fotsiny anefa fa ny fitiavana no hitsarana antsika. Sao sanatria manko ny hetra sy ny adidy “tsy maintsy atao” (satria fampandehanan-draharaha) vita ihany fa ny fitiava-namana “0”, zéro: adino ny “rariny (κρίσις – krisis) sy ny famindram-po (ἔλεος– eleos) ary ny finoana (πίστις – pistis)”, hoy ny Evanjely (Mt 23,23: Talata 21) , mampahatsiaro antsika izay “tsara sy  izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny מִשְׁפָּט) – mishpāṭ), handala ny fitiavana (חֶסֶד) – ḥesedh ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ – tsānoua‘)” (Mi 6,8).

Ny tahotra ny hijaly sy ny ho very tombon-tsoa dia mety hampivarilavo sy hamily ny fiainana tsy hizotra araka ny Evanjely, saingy ampahatsiahivin’i Md Paoly antsika kosa fa arakaraky ny iombonantsika fijaliana amin’i Kristy, arakaraky ny hiarahantsika mitolona Aminy no mahabe sy maha lavorary ny hafaliantsika koa miaraka Aminy, ary izany no antony hiaretany fijaliana ho an’ny hafa mba hahalavorary ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra (Kôl 1,24-28).

Tsy fijaliana takian’Andriamanitra amintsika anefa izany, fa fijaliana vokatry ny hamafisan’ny fon’ny olombelona, ka hiarahana mijaly amin’i Kristy izay maniry ny hahavoavonjy ny olona rehetra, amin’ny fitoriana ny Evanjely (Mk 13,9-10). Miantso antsika tsirairay avy handray anjara amin’io fitoriana ny Evanjely io Andriamanitra, ary tsy misorona Izy miantso satria sahala amin’ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia no anirahany antsika (Mt 10,16), fahoriana tsy mampihontsona izany satria efa anjarantsika, hoy i Md Paoly (1Tes 3,3) ary tsy ho antsika irery ihany fa ho an’ny mpino rehetra manaiky ny hiaina sy hitory ny marina (1P 5,9).

Md Lioka 10,38-42

Ny ohatra navelan’ilay Samaritanina dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny toetra mampiavaka ilay Mpampianatra milaza amin’izay mikatsaka ny fanjakany mba “handeha ka hanao toy izany ihany koa”. Tsy Mpisorona na Levita minia tsy hijery ny fahorian’ny hafa sanatria fa mpivahiny manaiky hiara-mitoetra amintsika mba hitsabo ny ferintsika ary hanankina antsika amin’ny Fiangonany mba hahasambatra antsika, ary manankina amintsika koa izao tontolo izao mba hitondrantsika ny anjara biriky amin’ny fanorenana ny Fanjakan’ny Fitiavana. Izay tapa-kevitra hiakatra ho any Jerosalema ihany no hahita hafaliana amin’ny fahatongavana ao (Sal 122, 2) satria araka ny hafatr’i Md Lioka dia mankany Jerosalema no lalana mitondra amin’ny fiainana. Izay mandao an’i Jerosalema dia ho ratsy fiafara eny an-tanan’ny jiolahy, ka na dia velona aza (tahaka ny Mpisorona sy ny Levita) dia ho mafy fo velona tsy hiraika (indifférent) amin’ny fahorian’ny hafa.

Mba hahafahana manara-dia an’i Kristy dia tsy maintsy mampiantrano azy, mila mitoetra eo an-tongony mba hihaino ny fampianarany. I Jesoa izay nilaza fa i Maria no nisafidy ny anjara soa (ἀγαθός – agathos) izay tsy halàna aminy dia tsy nanambany ny asan’i Marta akory fa manampy antsika kosa hiala amin’ny mety ho fanaovana ny asa ho fitaovana hoentina hanambaniana na hisehosehoana eo anatrehan’ny hafa, na sanatria hanadinoana ny hasarobidin’ny fijoroana eo anilan’ny Tompo, tahaka ny nataon’i Abrahama (Vakiteny I Jen 18,8).

“Tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?” Tsy Marta irery no tratran’izany fakam-panahy izany. Nahoana no izaho foana no mamafa fiangonana, hoy ny sasany? Nahoana no izaho foana no mamafa trano, manao ny asa fanompoana sns… Raha tsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no hiaingana, dia mety hahavita asa tsy mifanaraka akory amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika fa hanao izay heverintsika ho marina na izay heverintsika hahazoana dera sy voninahitra fotsiny ihany. Izay te ho mpianatra dia tsy maintsy mandray ny baiko avy amin’ny Mpampianatra aloha vao mitozo amin’ny asany araka izay baiko voarainy. Ny Mpitoriteny aza, ampahatsiahivin’i Md Paoly mba tsy hanadino fa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Toriteniny (Rm 10,17).

Amin’ny lalana miakatra mankany Jerosalema, amin’izay mampipenompenona antsika isan’andro hitadiavana vahaolana mba hahasambatra, hikolokoloana ny vahiny mba tsy ho afa-baraka na hitsanga-menatra (tahaka ny nataon’i Marta), dia mila  “manala ny kiraro” koa isika satria tany masina no itsahina (Eks 3,5). Ny fijanonana hibanjina ny Misterin’Andrimanitra dia tsy maintsy atao laharam-pahamehana raha tiana ny hiaina ny maha-kristianina. Ny fihaonana marina tokoa amin’Andriamanitra dia tsy mampatoritory fa manainga antsika kosa hamaly ny hetahetany hanavotra ny vahoakany. Na izay tsy mahita fotoana hivavahana intsony, na izay milaza fa efa nivavaka ka tsy mila miasa intsony, dia samy tsy izy, diso hevitra sy diso lalana. Mifampiantso ny asa sy ny vavaka, ka ny fahaizana mandamina ireo no hahafahana mizotra amin’ny fahamasinana. Izay kamo miasa dia tsy mba nivavaka tsara, ary izay kamo mivavaka kosa ka milaza fa efa niasa dia miasa ho an’ny tenany ihany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra. Raha sady kamo miasa no kamo mivavaka moa dia efa kamo izay. Mila mibebaka.

Aminay Pretra, tadidiko ny hafatr’i Papa François hoe: tandremo sao mandeha mivoaka hitory teny kanefa tsy nanokana fotoana mba hivavahana akory, mba hijanonana hitsahoana Azy sy hiresahana Aminy, satria tsy i Kristy intsony no hotoriana amin’ny olona fa ny tena, raha sanatria tsy feno an’i Kristy ny fo. Izany no tsy maintsy hanokanan’izay manana andraikitra manokana amin’ny fitorian-teny sy ny fanabeazana fotoana hivavahana sy handinihana ny Tenin’Andriamanitra, handalinana azy mba hanaiky hovany hatrany amin’ny aty fo lalina: handalina ka hino, dia hitory izay inoana ary hiaina izay toriana.

Tsy ny pretra ihany no voalaza amin’izany fa ny Ray aman-dReny, tompon’antoka voalohany antsoina hanoro ny fomba fiainana tsara sy mahasoa ho an’ny zanany, ny mpanabe mampita fahalalana sy mamolavola ho tabiha, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mitaiza ho olom-banona. Mila omanina amin’ny vavaka avokoa ireny rehetra ireny, ary mila tohizana amin’ny vavaka koa izay tratry ny aina mba hiasan’ny Fanahy ka hanavaozany ny endriky ny tany (Sal 104,30). Tsy mahagaga raha asain’ny Eglizy ankalazaina miaraka amin’ny 29 jolay[1] ny fetin’ireo telo mianadahy iray tam-po dia i Marta sy Maria ary Lazara, satria tsy afa-misaraka ny fahaiza-mihaino sy ny fahazotoana miasa ary ny fisakaizana hiaraha-mihinana koa amin’i Jesoa (Lazara, Jo 12,2).

Marta, Marta! Antso miverina indroa, tahaka ny an’i Môizy (Eks 3,4), Samoela (1Sam 3,10) na i Saoly (Asa 9, 4). Voaantso ho tonga lavorary ao amin’i Kristy isika rehetra hoy i Md Paoly ka izany no ampandrenesany sy ampianarany ny fahendrena rehetra (Kôl 1,24-28). Tsy afaka hiroso ho amin’ny fahalavorariana anefa izay tsy mitady ny lalana mitondra mankany. Ho antsika dia ny mitoetra eo anilan’ny tongotr’i Jesoa no lalana sarobidy indrindra. Tsy manapaka fa mandavorary ny fiakarantsika any Jerosalema ny maka aina, manitsy ny dia, manaiky hatoron’ilay Samaritanina tsara fanahy ny tokony hatao mba hahafahana mandova ny fiainana mandrakizay sy hahatonga antsika ho lavorary ao amin’i Kristy. Izany no mahatonga ny Apôstôly hilaza fa tsy rariny raha hilaozana manao zavatra hafa, eny fa na dia hikarakara ny mahantra aza ny fitorian-Teny (Asa 6,2), satria ny Tenin’Andriamanitra no loharanon’ny fiainam-panahy rehetra. 

Hanadio sy handavorary ny asantsika andavanandro anie ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, ka hahatonga ny fiombonana aina sy saina amin’i Kristy ho fototra ivelomana, na ao amin’ny mangidy na amin’ny mamy, ka hikatsahantsika ny Fanjakan’ny lanitra aloha sy ambonin’ny zavatra rehetra (Mt 6,33).

Andriamanitra ô, nasehon’i Jesoa Zanakao taminay fa tsara tokoa ny mampiantrano vahiny sy ny manampy namana tahaka ny nataon’i Marta tao Betania (Vavaka fangatahana 16D) ary nanao ny famangiana an’i Abrahama ho zavatra lehibe Ianao, fa nihinana ny sakafo nomaniny ho Anao tao akaikin’ny tranolainy (Vavaka aorian’ny Komonino 16D). Lalina tokoa ny fahendrenao, ry Ray: fa tsy misy avelanao ho raraka an-tany ireo fisedrana mahazo anay zanakao; tsy misy very foana ireo, na dia iray aza, raha ampiraisana amin’ny an’i Kristy (Vavaka Fanolorana 16D). Ary nambaran’ilay Zanakao, Teny tonga nofo aminay fa anjara soa indrindra ny mihaino ny teniny toy ny nataon’i Maria. Koa ny Fanahinao Mpanamasina anie hanilo anay lalandava : hahafantaranay fa na inona na inona ataonay, dia zavatra tokana ihany no fototra mahavelona dia ny miray fo sy saina amin’i Kristy Zanakao, hitoky amin’ny Teniny mandra-pahatanterany any amin’ny fanjakanao mandrakizay. Amen (Vavaka 16D).


[1] DÉCRET de la Congrégation pour le Culte Divin et la Discipline des Sacrements du 26 janvier 2021 sur la célébration des saintes Marthe, Marie et saint Lazare dans le Calendrier Romain Général, Prot. N. 35/21

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha 16 mandavan-taona
PREVIOUS
Sabotsy faha 15 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy fahadimy mandavan-taona 12 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.