ALAHADY FAHA 14 MANDAVAN-TAONA – Taona D
- Izaia 66,10-14
- Salamo 65
- Galata 6,14-18
- Md Lioka 10,1-12. 7-20
MATOKIA MITORY NY EVANJELY.
Aoka hiara-mientan-kafaliana amin’i Jerosalema ianareo nitomany azy… Hataon’ny tanan’ny Tompo izay hahalalan’ny mpanompony Azy, hoy i Izaia Mpaminany. Endrey ny halalin’izany teny izany.
Miaritra ny mafy ny vahoaka, noho ny fahadisoam-panantenana ny amin’ny fiheverana ny voninahitr’i Jerosalema amin’ny fiverenana an-tanindrazana. Saingy maniraka ny Mpaminaniny mandrakariva Andriamanitra, manoro izay tsy mety tokony hahitsy fa koa manoro ny lalana mitondra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Efa very fanantenana manko ny olona mihevitra fa efa mety ny fiainany ka afaka mandrimandry amin’izay fahazarana manakan-dalana tsy ho amin’ny tsaratsara kokoa. Eto dia ilay Izaia fahatelo no manoratra, taorian’ny fiverenana tany Jerosalema avy any Babilôna (tokotokony ho ny taona 535 tal. K., 42 taona taorian’ny fahababoana).
Na dia mbola ao anatin’ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana aza ny vahoaka, dia antsoin’ny Mpaminany mba hifaly. Tahaka antsika koa, antsoina isak’alahady hisantatra ny hafalian’ilay Jerosalema vaovao, na inona na inona mety ho ady atrehina amin’ny fiainana andavanandro mandritra ny herinandro. Ny antony dia izay efa voalazantsika teny am-piandohana: hataon’ny tanan’ny Tompo izay hahalalan’ny mpanompony Azy.
Ny haron-tabebaka no lasan-ko vavany. Ny adala no mino ny teny rehetra, fa izay mahalala an’Andriamanitra dia ny tanana fa tsy ny angolan-teny, asa fa tsy kabary no hahalalàna ny marina. Ho an’i Israely dia ny maha eo anivon’ny Vahoaka ny Andriamaniny no mampisinda izay mety ho ahiahy, fa i YHWH kosa tsy sasatra ny mampiseho azy ireo ny maha Izy Azy sy mampahafantatra amintsika ny fahefany sy ny heriny. Izany no lazain’ny Anjeliny tamin’i Abrahama sy i Sarà hoe : “Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’ny Tompo va na inona na inona?” (Jen 18,14). Lazainy amin’i Môizy fa tsy fohy tanana Izy, ka tsy hahatanteraka izay rehetra voalazany (Fan 11,23). “Moa fohy tànana va aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery ho enti-manafaka?” (Iz 50,2) Ho antsika moa ny lava tanana lasa misy heviny hafa, fa ny an’Andriamanitra ny Tanany, tsy mahay afa-tsy ny mitsotra mba hanome sy hanasoa ary hitsodrano.
Ka raha misy zavatra tsy mandeha na mampalahelo dia mazava ny hafatr’Izaia Mpaminany amintsika hoe: “Indro fa tsy ny tànan’ny Tompo no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare; fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny tavany tsy hihainoany anareo. Satria ny tànanareo voaloto tamin’ny ra: ary ny rantsan-tànanareo tamin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy” (Iz 59,1-3).
Andriamanitra tsy manana tanjona hafa afa-tsy ny hanala alahelo Izy, eny fa na dia tahaka ny nonon-dreny mampangina ny tomanin-janany ihany aza no fahazoantsika izany fanalana alahelo izany, saingy hafaliana tiany hiombonan’ny olona rehetra amin’i Jerosalema. Izany no antony tsy hahalavorary ny hafalian’izay tsy te hifampizara izany amin’ny olon-drehetra. Izany no mahatonga ny Mpihira salamo mampianatra antsika hiantso ny tany tontolo mba hihoby ny Tompo sy hiantsa ny Anarany be voninahitra. Ka izay mbola tsy nahalala ny Tompo dia asaina hizaha izay ataony amin’ny olombelona. Dia toy izany koa no andrasana amin’ny kristianina tsirairay dia ny fitantarana izay nataon’ny Tompo taminy, ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy nanala ny fitiavany tamintsika Izy, araka ny lazain’ny Salamo 65 setriny, ary io no ampahatsiahivin’i Md Piera antsika “taranaka voafidy, vahoaka navotana, mba hitoriantsika ny hatsaran’ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga (1P 2,9).
Fiantsoana zary fanarahana fomba fiainana izany, hoy i Md Paoly. Tsara tadidiana ny hafany tamin’ny Vakiteny II tamin’ny Alahady 13D, hoe: voaantso ho amin’ny fahafahana isika ka tsy hoentina manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa hiezahana hilatsa-tena amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy (Ga 5,13). Ho an’izay rehetra hanaraka izany fitsipika izany sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa, ny fiadanana amam-pamindràm-po! hoy i Md Paoly manohy amin’ny vakiteny amin’ity alahady ity (Ga 6,16).
Inona moa no mety ho azontsika handraisana ny fampianaran’i Md Paoly amin’izany?
Raha ny amiko dia sanatria raha mba misy ataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao (Ga 6,14). Raha zohìna ny fampianaran’ny Apôstôly momba ny Hazofijaliana (σταυρός – stauros), dia tsara ny mitadidy fa tsy afa-misaraka amin’ny fahafatesan’i Jesoa ny fitsanganany ho velona, ary ho an’i Paoly dia tsy fibanjinana fijaliana fa fankalazana ny fandresena ny Hazo nifantsihan’i Kristy. Teo no nandreseny ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana (1Kôr 15,26).
Fandresena nahatonga ny zavatra rehetra hanaiky an’i Kristy izany, hoy i Md Paoly, manohy io fampianarana ho an’ny Kôrintianina io, mba ho zavatra rehetra ao amin’izy rehetra Andriamanitra. Ny hoe izao tontolo izao, voafantsika ho an’i Paoly, araka izany, dia ilay “izao tontolo izao” nohavaozin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy, onenan’Andriamanitra manontolo (1Kôr 15,28) ka entiny hahasoa izay tia Azy (Rm 8,28), ary i Paoly kosa, tahaka antsika tsirairay avy, natao Batemy tao amin’ny Hazofijalian’i Kristy, dia tonga olom-baovao, nohavaozina araka ny endrik’ilay Nahary ka i Kristy no zavatra rehetra ao amintsika sy ny zavaboary manontolo, satria avondrony ho iray Aminy isika, mitafy Azy ilay fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra (Kôl 3,10.14).
Mazava loatra fa tsy hanana rehareha afa-tsy ny fandresen’i Kristy izay manandrana ny hatsaran’izany fiainam-baovao izany, ka ho tonga loharanom-piadanana sy tso-drano ho an’ny olona rehetra: Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.
Aza misy manahirana ahy intsony fa mitondra ny marik’i Kristy Jesoa amin’ny vatako aho. Efa nohosorana tamin’ny marika famantarana an’i Kristy (στίγμα – stigma) isika tamin’ny Batemy (vavaka fanosorana ny menaka OC), ary noraisiny ho anisan’ny vahoakany, mitafy Azy ary irìny mba haharitra ho rantsam-batany (vavaka fanosorana ny menaka SC), ka handray ny fahazavany ho enti-manazava izao tontolo izao. Isaky ny manao ny famantaran’ny Hazofijaliana isika dia manavao izany marik’i Kristy izany amin’ny vatantsika, ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa zavaboary vaovao ao amin’ny Trinite Masina, mitafy ny fitiavana, velomin’ny fitiavana, ary manolo-tena manontolo am-pitiavana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izay asehony amin’ny fiadanana amam-pamindram-po, vokatry ny asan’ny Fanahy, ilay hany tokana mahaova ny fon’ny olona.
Ny Evanjely dia hafatrafatra ho an’ny mpianatra ny amin’ny fomba ho enti-miaina izany maha fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao izany.
Md Lioka 10,1-12
Amin’ny fitantarana ny Evanjely dia noezahan’i Lioka ny tsy hamerimberina ny zavatra mitovy. Mikasika ny fanirahana ny mpianatra anefa dia izy irery ihany no mamerina izany amin’ny Evanjelista efatra, ka mandray ny fanirahana ireo Apôstôly (Lk 9,1-6) mba hilazany amin’ny kristianina nanoratany fa “Apôstôly”, misiônera avokoa ny mpianatra rehetra, voairaka hanohy ny asam-pamonjena natombok’i Jesoa, ilay iraky ny Ray, araka ireo fepetra nolazainy amin’ny fiafaran’ny toko faha-9.
Mitovy ny fepetra takiany sy ny fahefana nomeny ny mpianatra roa amby fitopolo sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo. Ny maha samihafa azy dia amin’ny fomba fanirahana: Izy Jesoa dia “tonga” hamonjy ny rahalahiny, niala tamin’ny fomba nitovizany tamin’ny Ray ka tonga olombelona nitovy tamintsika; ny Apôstôly 12 dia “voaantso” (συγκαλέω – syn-kaleô: voaantso miaraka) ary voairaka (ἀποστέλλω – apostellô) hitory ny fanjakan’Andriamanitra (Lk 9,1-2); ny roa amby fitopolo kosa dia “voatendry” (ἀναδείκνυμι– anadeiknumi, nasongadina tao anatin’ny maro), nomena andraikitra manokana mba ho mpiara-miasa, hanomana ny hiaviany amin’ny tanàna sy ny vohitra holalovany. Izay mpianatra manadino fa tsy izy no andrasana fa mpialoha lalana ihany izy dia mety handiso ny asa fitoriany ary mety hamitaka ny vahoaka ka hanakana azy ireo tsy hiroso am-panahy, satria hanadino ny fiomanana hihaona amin’Izy Tompo.
Misy olona anefa, milaza fa tafintohina na hoe sanatria tsy te ho kristianina intsony noho ny ataon’ny hafa, kanefa rehefa anontaniana ny amin’izay zavatra manakana azy tsy hiaina ny Evanjely dia tsy manan-kavaly.
Ny zavatra voalohany tokony hatao an-tsaina anefa dia “ny vokatra be dia be”. Tsy nantsoina hamokatra ny mpianatra fa mba hijinja : hioty ny vokatry ny Fanahy. Ambaran’i Lioka fa asain’i Jesoa mitalaho amin’ny tompom-bokatra isika mba haniraka olona hiasa hijinja ny vokany. Maniraka moa no nandikana ny matoanteny ἐκβάλλω – ekballô izay midika hoe “manipy any ivelany”, mpiasa “terena” ho amin’ny fijinjana (θερισμός– therismos), amin’ny fanangonana ny olona rehetra ho ao an-tsompitry ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila mivavaka mandrakariva mba tsy hohadinoina fa tsy herin’olombelona no mampamokatra ny asa fitoriana fa fahasoavan’Andriamanitra. Tsy azontsika adinoina na oviana na oviana izany.
Misy zavatra telo takian’i Jesoa amin’ireo manaiky hatokana hialoha lalana Azy : ny entana azo hoentina; ny fitondran-tena ao an-trano hivantanana ary ny fitsipika arahina amin’ny fijanonana ao an-tanàna.
Tsy hitondra na inona na inona ho vatsy ireo mpianatra satria matoky ny “providence”, matoky ny fiahian’Andriamanitra. Tsy hitondra kapa. Mariky ny fahafahana manko ny fikiraroana. Tsy ny fahafahan’ny olona anefa no tian’i Lioka hotsipihana amin’izany fa ny fifandraisan’izay voairaka amin’ny Teny. Ny andevo no tsy mikapa, ary mpanompon’ny Evanjely izay voairaka, notendrena, nasongadina ho lehibe ka ho mpanompon’ny olona rehetra (Mt 23,11) ary endrey izany hatsaran’ny tongotr’ireo iraka mitory fiadanana, hoy Izaia Mpaminany (Iz 52,7).
Mba ho misiônera dia tokony ho olona afaka: tsy afaka mitondra kitapo na enta-mavesatra tsy ilaina, tsy afaka hiantehitra amin’ny paik’adin’olombelona. Ny mpitory ny Vaovao Mahafaly dia olona afaka, tsy mifikitra amin’ny haren’ny tany na ny tombon-tsoa manokana. Ny manompo an’Andriamanitra ao amin’ny olona mihaona amintsika ihany no imasoana. Ny Evanjely no hany harena tokana entin’ny mpianatra miaraka aminy.
Ny fahantrana, ny fanekena ary ny fahadiovana no torohevitry ny Evanjely, ka tsy hiarahabana olona akory eny an-dalana sao hadino ny hafatra, na ho very fotoana amin’ny zavatra tsisy dikany, ho tokam-po amin’ny iraka ampanaovina tahaka ny Mpanompon’i Elizea mpaminany nirahina hanangana ho velona ny zanak’ilay vehivavy mananotena (2Mp 4,29). Tsy misy afa-tsy ny herin’ny Teny ihany no fanoitra azon’ny mpianatra ianteherana amin’ny fitoriana ataony.
Hitondra fiadanana no antony anirahana azy ireo, ka izany fiadanana izany no rariany ho an’izay trano idirany. Izay mandray izany fiadanana izany ihany no afaka mandray koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Fiadanana vokatry ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy (Ga 6,16). Tahaka ny zanak’ondry eo anivon’ny amboadia anefa ny mpianatra, ka tsy sanatria hivadika amboadia koa na sanatria ho lasa liona masiaka mihitsy aza raha sendra mifanehatra amin’ny amboadia. Ny herisetra sy ny valifaty no fara-hery ananan’ny ratsy ka raha maharitra amin’ny maha zanak’ondry azy ny mpianatra dia mandresy ny fitiavana, ka izay heverin’ny ratsy ho fandreseny (mamono ny tsy manan-tsiny) no fahafatesany mandrakizay, tahaka ny nandresen’i Jesoa voafantsika azy teo amin’ny hazofijaliana. Izany no mahatonga ny mpianatra hanintsana ny vovoka amin’ny tongotra, hilazany fa miampanga ny mety ho faharatsian’izay tsy nandray ny Teny izy ka ho fady azy ny haka tahaka na hamaly faty an’izany. Ny soa no avaliny ny ratsy (Rm 12,21).
Ireo matonteny ampiasaina amin’ny grika nadika hoe: manintsana (ἀπομάσσομαι – apomassomai matoanteny iharana avy amin’ny ἀπομάσσω – apomassô) sy ny hoe miraikitra (κολλάω – kollaô) anefa dia azo ilazana ihany koa ny fanamainana ny fery mba hijanonan’ny ra (ἀπομάσσω), ary ny fikatonan’ny fery rehefa sitrana (κολλάω). Ny ratrany no nanasitranany antsika, hoy i Izaia Mpaminany (Iz 53,5). Mbola mitondra izany fery izany amin’ny tenako aho, hoy i Md Paoly (Ga 6,17). Ny mpianatra araka izany, raha sanatria misy fandavana ny teny torian’izy ireo dia mandray anjara amin’ny fandavan’ny olona an’i Jesoa. Izany moa no ambaran’ny Evanjely amin’ireo andininy voadingana (Lk 10,16).
Nirahina hanasitrana ny marary sy hilaza fa “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” no anirahana ny Mpianatra. Ny mpitanisa aretina anefa no betsaka, ankoatr’ireo mandrimandry manana aretina, fa tsy ny hitory fanasitranana sy famonjena. Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tsy mahita afa-tsy ny asan’ny ratsy, hoy Md Jean XXIII amin’ny lahateny nataony nanokafana ny Konsily Vatikana II. Angatahontsika amin’Andriamanitra mba ho hain’ny mpitoriteny ny “hihinana sy hisotro izay misy ao” an-trano ivantanany, izany hoe handray ny kolon-tsainy, hiray petsapetsa aminy, hifampizara ny fiainany. Tranon’ny zanaky ny fiadanana anefa izany trano izany fa tsy sanatria ny tranon’ny mpanam-bola mahay mampirevy sy hahafahana miliba.
Tsara ho marihina anefa fa irahina tsiroaroa ny mpianatra : tsy afaka hisaraka amin’ny hafa na handeha manirery. Raha mbola miaina koa isika dia tsy afa-mitoka-monina, tsy afaka ny ho irery, hihevitra hahaleo tena na hahavita tena. Ary isaky ny mikombona ao amin’ny tenantsika isika, manadino ny hafa, dia mamadika ny finoantsika. Tsy mandeha irery mihitsy isika eny an-dalana. Ny Evanjely ifampizaràna ihany no azo inoana. Ny zavatra faharoa resahin’ny Evanjely dia ny tsimoka eo amin’ny Fiangonana. Tsy asan’ny mahery fo irery ny iraka fa fanehoana ny fiainan’ny Fiangonana. Ny kristianina iray fiangonana manontolo no mpiara-miombon’antoka amin’ny fitoriana ny Evanjely. Ny misiônera tsirairay, ny mpampianatra katesizy, ny relijiozy dia manatanteraka ny andraikiny amin’ny anaran’ny Fiangonana. Tsy misy fiangonana raha tsy misy iraka ary tsy misy iraka raha tsy misy Fiangonana. Raha ny marina, ny Fiangonana sy ny iraka dia mifamatotra lalina, mifameno, ka ny fiombonana dia maneho ny loharano ary tsy misaraka amin’izany koa ny vokatry ny iraka: ny fiombonana dia misiônera ary ny misiôna (iraka) dia ho an’ny fiombonana.
Tsy mikombona amin’ny tenany ny fiangonana kristianina rehetra, fa mijoro ho fanambarana, fanompoana sy fijoroana ho vavolombelona amin’ny maha mpaminany. Ilay Nitsangan-ko velona, izay mitoetra ao amin’ny Fiangonana, mampita ny Fanahiny aminy, dia mampijoro azy ho vavolombelon’ny fitsanganan-ko velona.
Hampitombo ny hafaliantsika anie ny fitiavan’Andriamanitra tsy sasatra ny manala alahelo antsika amin’ny fanomezany ny sakafo mamelona antsika amin’ny fiainana, ka hahatonga antsika ho iraka mitondra fiadanana amin’izay rehetra mifanerasera amintsika.
Md Lioka 10,13-16
(voadingana)
Ny mpianatra, raha sanatria mandà tsy hitondra fiadanana dia mandray anjara amin’ny fandavana an’i Jesoa. Tsy ny fandavan’ny olona tolorana tsy akory no hanidy ny fon’izay vonona hizara hanohy ny maha-iraky ny fiadanana azy. Tsy resaka “fanatisme” na filan-dera manko no antony hitoriana fa noho ny fo tsy afaka ny tsy hizara ny hafaliana amin’ny maha zanaky ny Ray. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1Kôr 9,16).
Izay tsy mandray ny hafatra araka izany dia tsy sanatria hokafaraina na hozonina fa hitomaniana, mampalahelo ka mila entina am-bavaka. Oὐαί– ouai moa amin’ny teny grika dia maneho ny alahelo amin’ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ny alahelon’ilay nanao izay tratry ny aina hanasoa saingy nolavin’ilay notiavina kosa.
Ny fitiavana, na dia tsy valiam-pitia aza tsy mba mamaly faty, tsy miandry kendry tohina. Ny mpianatra, araka ny voalazantsika teny aloha, mijanona ho zanak’ondry na dia eny afovoan’ny amboadia aza. Tsy ny habetsahan’ny fahagagana no hampibebaka ny fo fa ny fisokafana amin’ny hazavana entin’i Kristy. Raha ny fahagagana natao tany Tira (צוֹר – tsōr, vatolampy) sy Sidona (צִידוֹן – Tsidōn, fanjonoana mihoa-pampana) no natao tany Korozaïna (miafinafina, maizin’ny setroka) sy Betsaida (צַיָּד – tsayādh, tanànan’ny jono) dia efa ela no nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona (tahaka an’i Niniva, fahavalon’i Israely nanjakana azy fa nanirahana ny mpaminany Jônasa, ilay Voromahailala – Jôn 3,8).
Izay mandray ny fahasoavana azony araka izany ka tsy mahay mampiasa azy araka ny tokony ho izy, dia mampalahelo ihany. I Kafarnaôma (tananan’ny fanalana alahelo), nanombohan’i Jesoa ny fampianarany, raha tsy mibebaka dia haetry hatrany amin’ny afobe (hadès, toeran’ny maty), saingy ny fitiavan’Andriamanitra, ventesintsika amin’ny fiekem-pinoana dia manambara fa hatrany amin’ny “afobe” (שְׁאוֹל- shéōl na ᾅδης– hadès: a-εἰδῶ eido, fiainan-tsy hita, hoy ny protestanta) dia nidinan’i Jesoa koa mba hitondrany ny hazavan’ny fitsanganany ho velona (KFK 633).
Izay manaiky ho iraka dia mahatsapa fa tsy azy fa an’i Jesoa, an’ny Ray ny fanirahana, ka Izy no mijaly kokoa noho izay iraka mety tsy nahazo fahombiazana ary Izy koa no sambatra kokoa noho ireo voasoratra anarana any an-danitra (tohin’ny Evanjely). Hiombom-po Aminy tokoa anie isika nofidìny ka hanana fo mangoraka tahaka ny Azy, malemy fanahy sy manetry tena.
Md Lioka 10,17-24
Ny valisoan’izay manaiky ho iraka kosa dia ny hafaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asam-pamonjena. Izay mahita ny “vokatra marobe” ihany anefa no afaka mifaly ka manadino ny harerahana sy ny mety ho fijaliana niaretana. Faly ny Mpianatra satria resy ny demony : mandray anjara amin’ny fandresen’i Kristy koa ny mpianany. Faly izy ireo satria nomen’Andriamanitra ny olona indray ilay fahasoavana very tamin’ny nanotàny, ka tsy hisy hampaninona azy intsony ny herin’ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny fahavalo rehetra. Fa ny antom-pifaliana lehibe indrindra, hoy i Jesoa dia satria efa voasoratra any an-danitra ny anaran’ireo manaiky ho mpianany, tonga fianakavian’Andriamanitra, mpiray lova amin’ny olomasina (Ef 2,19.22).
Araka izany, dia tsy hoe any an-danitra akory vao ho faly ny mpianatra. Tsy valisoan’ny soa vita ny lanitra fa fiainam-pahasambarana atolotry ny Ray hiainan’ny zanany rehetra, eny fa na dia aorian’ity fiainana ity ihany aza vao afaka migòka izany amin’ny hafenoany isika, saingy efa afaka manandrana izany sahady dieny ety an-tany. Ho amin’izany fahasambarana izany no anomezan’i Jesoa ny fahefana mba tsy ho simban’ny herin’ny maizina (Fah 1,14; 2,24), ka izay mety ho fijaliana ateraky ny fahotantsika sy ny an’ny hafa amin’ity fiainana ity dia tsy hanaloka velively ny hafaliana ateraky ny Evanjely (Asa 5,41).
Amin’ny anaran’i Jesoa no mampanaiky ny demony sy handresena azy. Nomen’i Jesoa fahefana ny Apôstôly, fahefana (ἐξουσία– exousia) moa no mitovy amin’ny Shaltan (araméen), niavian’ny sultan (Soltân) ampiasain’ny “musulmans”. Ny fahefany feno no ampitain’i Jesoa amin’ny mpianany. Ny anaran’i Jesoa no mahatonga ny mpianatra ho mpitondra fiadanana marina ka hiantso ny Fanahy Masina na dia ho an’ny olona nifandrafy taminy taloha aza (Asa 8,15-17).
Ny andininy 21-22 kosa (tohin’ny Evanjely izay tsy vakiana koa amin’ny heriny) dia milaza in-dimy ny Ray, in-telo ny Zanaka ary indray mandeha kosa ny Fanahy Masina. Antsan-karavoana ataon’ny Zanaka amin’ny fitsinjovan’ny Ray manokana ny madinika, nanehoany ny tsiambaratelon’ny fanjakany, izany hoe ny fananganan’Izy Ray antsika rehetra ho zanany ao amin’i Kristy, nanaiky hidina hatrany amin’ny “afobe” (hadès) mba hanavotra an’i Kafarnaôma. Hafaliana ao amin’ny Fanahy Masina, Ain’Andriamanitra, izany ka tsy azon’ny olombelona hotakarina amin’ny hoza-dohany.
Amin’ny alalan’i Kristy ihany no hahafahantsika mahalala ny Ray ka ho sambatra amin’izany fahalalana azy izany, io no fiainana mandrakizay (Jo 17). Ny fibanjinana Azy sy ny fihainoana ny Teniny no lalam-pahasambarana ho antsika, satria mandio ny endrik’Andriamanitra tompointsika ka hampifanaraka ny fiainantsika amin’izany. Ny hazavany no hahafahantsika mibanjina ny hazavana (Salamo 36,10) ka hahatonga antsika koa ho fahazavan’izao tontolo izao.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana sy finiavana hihaino, handalina sy hiaina ny Tenin’i Kristy, hahalalantsika bebe kokoa ny Ray ka hizorantsika amin’ny lalam-pahasambarana atorony ho an’izay mino, hiombona ao amin’ny fiadanan’i Kristy, ary ho entanin’ny Fanahy Masina, hanao ny hazofijaliana ho rehareha sy hitondrana fiadanana ho an’ny mpiara-belona (vavaka fangatahana 14 D).